Namana
Inona no atao hoe Vavaka?
Batisa sy fandraisana ho mpikambana


“Ahoana no fomba ivavahantsika?” Namana, aogositra 2023, 24.

Ahoana no fomba ivavahantsika?

Sary
alt text

Ny vavaka no fomba iresahantsika amin’ny Ray any An-danitra. Te handre vaovao avy aminao foana Izy, ary mihaino foana. Mamaly ny vavakao amin’ny fomba maro Izy. Mety hanome anao bitsika, na fahatsapana, avy amin’ny Fanahy Masina Izy. Na mety hamporisika olona hafa Izy hanampy anao.

Ny fomba fivavaka

  • Akimpio ny masonao, ahondreho ny lohanao, dia aforeto hitanam-bokovoko ny sandrinao.

  • Atombohy amin’ny fitenenana hoe: “Ry Ray Malala any An-danitra ô!”

  • Miresahana amim-panajana lalina amin’ny Ray any An-danitra.

  • Farano amin’ny fitenenana hoe: “Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, Amena.”

  • Afaka mivavaka amin’ny feo mafy na ao an-tsainao ianao amin’ny fotoana rehetra.

Ireto misy zavatra vitsivitsy azonao entina am-bavaka:

  • Misaotra ny Ray any An-danitra noho ireo zavatra anananao fankasitrahana.

  • Lazao Azy ireo zavatra sarotra na tsara izay nitranga tao anatin’ny andronao.

  • Angataho Izy hanampy rehefa matahotra ianao na tsy mahafantatra izay tokony hataonao.

  • Angataho Izy hitahy olona hafa izay mila ny fanampiany.

Misaotra Anao aho …

Sary
alt text here