Namana
Ilay tavoahangin-drano vaky
Batisa sy fandraisana ho mpikambana


“Ilay tavoahangin-drano vaky,” Namana, aogositra 2023, pejy–pejy.

Ilay tavoahangin-drano vaky

Nangetaheta i Kadie. Ahoana no ahafahan’i Sophia manampy azy?

Tany Sierra Leone no nitrangan’ity tantara ity.

Nihaino tsara i Sophia rehefa nanazava ilay olana matematika teny amin’ny solaitrabe ny mpampianany.

“Dia mira firy ary ny sivy ampitomboana efatra?” hoy ny mpampianatra nanontany.

Nanangan-tanana i Sophia. “Enina amby telopolo!” hoy izy.

Nitsiky ny mpampianany. “Marina izany ry Sophia!”

Rehefa nirava dia tonga ny fotoana hodiana. Nandeha an-tongotra niaraka tamin’ireo namany i Sophia. Samy namoaka ny tavoahangin-dranony daholo izy ireo mba hisotra ny ambin’ny ranony. Nafana be androany!

Sary
alt text

Saingy nahatsikaritra zavatra hafahafa i Sophia. Tsy nisotro rano i Kadia namany. Nandeha teny tsy niteniteny fotsiny izy.

“Kadie a! Aiza ny tavoahangin-dranonao?” Hoy i Sophia nanontany. Nangetaheta daholo foana ny rehetra isaky ny nirava.

“Vaky omaly ilay ahy, dia tsy afaka mahazo vaovao aho,” hoy i Kadie. “Dia tsy afaka mitondra rano mankany am-pianarana aho izao.”

Niondrika nijery ny tavoahangin-dranony i Sophia. Raha mba afaka nizara mantsy izy! Saingy efa lany tanteraka ny ranony.

Nieritreritra momba an’i Kadie sy ny tavoahangin-dranony vaky foana i Sophia nandritra ny tontolo andro. Tsy mora ny mahazo rano fisotro madio any amin’ny toerana ipetrahan’izy ireo. Tsy mahazo afa-tsy tavoahangin-drano iray ho ampiasaina mandritra ny taona ny ankamaroan’ny ankizy. Fenoin’izy ireo rano avy amina fitoeran-drano lehibe misy rano madio any an-trano izany. Mety harary ny olona raha misotro rano hafa. Raha tsy manana tavoahangin-drano i Kadie, dia tsy afaka ny hitondra rano avy any an-trano hosotroina any am-pianarana izy.

Ny ampitso marainan’io, dia nieritreritra ny fomba azony anampiana an’i Kadie i Sophia. Nanana tavoahangy plastika vitsivitsy feno rano ny fianakavian’i Sophia. Nampiditra iray tamin’izany tao amin’ny kitapo babeny i Sophia, niaraka tamin’ny tavoahangy vy fitondrany. Nampavesatra kely ilay kitapo izany, saingy tsy nampaninona azy.

Rehefa tonga tany am-pianarana izy dia nahita an’i Kadie.

“Kadie a!, efa nahazo tavoahangin-drano ve ianao?” Hoy i Sophia nanontany.

Nanifikifika ny lohany i Kadie sady niondrikondrika.

“Tsy maninona izany!” hoy i Sophia. “Inty misy iray nentiko ho anao!”

Nomeny an’i Kadie ilay tavoahangin-drano. Nitsiky i Kadie.

“Misaotra ry Sophia!” Nofihinin’ i Kadie mafy ilay namany.

Nandritra ny fotoam-pianarana dia nisotro rano tamin’ny tavoahanginy niaraka tamin’ny ankizy hafa i Kadie. Faly i Sophia nahita fa tsy voatery ho nangetaheta ilay namany.

Isan’andro tamin’io herinandro io dia nitondra rano tamin’ny tavoahangy ho azy i Sophia. Avy eo, indray maraina dia noraisin’ny Nenin’i Sophia ny kitabo am-babeny.

“Hmm,” hoy i Neny. “Toa mavesatra noho ny isan’andro izy izany.” Nosokafany ilay kitapo am-babena dia nosintoniny hiala tao ilay rano tamin’ny tavoahangy fanampiny.

“Saika entinao mianatra angaha ity rano amin’ny tavoahangy fanampiny ity ry Sophia?” Hoy i Neny nanontany.

Nanaiky tamin’ny lohany i Sophia. “Vaky ny tavoahangin-dranon’i Kadie, kanefa izy tsy afaka mividy hafa. Ka dia tsy nanana rano mihitsy izy tany am-pianarana.”

“Efa hafiriana izay ianao no nitondra rano fanampiny ho azy?” Hoy i Neny nanontany.

“Tamin’ity herinandro ity fotsiny,” hoy i Sophia. “Tsy tiako hangetaheta i Kadie.”

Nitsiky i Neny. “Tena tsara fanahy ianao mieritreritra ny namanao. Izay no ho nataon’i Jesoa. Faly aho mahita anao mitovy amin’i Jesoa.” Nofihininy i Sophia. “Ary misy fomba iray fantatro fa azontsika anampiana azy.”

Nomen’i Neny tavoahangin-drano vita amin’ny vy i Sophia. “Inty no omeo ny namanao dia amin’izay izy afaka mamerina mampiasa ilay izy. Amin’izay ianao dia tsy voatery hitondra tavoahangy plastika iray isan’andro.”

“Izany ve?” Hoy i Sophia nanontany.

Nanaiky tamin’ny lohany i Neny. “Eny. Teneno fotsiny izy mba hitandritra tsara ilay izy.”

Nentin’i Sophia tany am-pianarana ilay tavoahangin-drano. Ny zavatra nataony voalohany dia ny nanome ilay tavoahangy an’i Kadie.

“Oay e!” hoy i Kadie. “Misaotra ry Sophia!” Nofihinin’i Kadie izy.

Nahatsapa hafanana tao anatiny i Sophia. Fantany fa nanampy ny namany izy, tahaka izay ho nataon’i Jesoa.

Sary
alt text
Sary
alt text here

Sary nataon’i Melissa Kashiwagi