Namana
Mandray ny fanasan’ny Tompo
Batisa sy fandraisana ho mpikambana


“Mandray ny fanasan’ny Tompo,” Namana, aogositra 2023, 33.

Mandray ny fanasan’ny Tompo

Sary
alt text here

Sary nataon’i Barbara Bongini

Mandray ny fanasan’ny Tompo isika isan-kerinandro. Manampy antsika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy sy hampanantena ny hanara-dia Azy izany.

Alohan’ny handraisako ny fanasan’ny Tompo, dia afaka …

  • Mihira hira ao amin’ny fihirana aho

  • Mijery ny fanomanana ny mofo sy ny rano aho

  • Mihaino ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo aho

Mandritra ny fanasan’ny Tompo, dia afaka …

  • Mandray ny mofo sy ny rano amim-panajana

  • Mieritreritra ny zavatra nataon’i Jesoa ho ahy sy ny halehiben’ny fitiavany ahy aho

  • Mahatsiaro ny fanekempihavanana nataoko tamin’ny batisa aho

Aorian’ny fanasan’ny Tompo dia afaka mahatsiaro sy manara-dia an’i Jesoa aho mandritra ny herinandro amin’ny alalan’ny …

  • Fitandremana ny didiny

  • Fanehoana hatsaram-panahy amin’ny hafa

  • Fanarahana ny bitsika avy amin’ny Fanahy Masina

  • Fanontanian-tena hoe: “Inona no ho nataon’i Jesoa?”