Namana
Mandre ny Fanahy Masina
Batisa sy fandraisana ho mpikambana


“Mandre ny Fanahy Masina,” Namana, aogositra 2023, 21.

Mandre ny Fanahy Masina

Sary
alt text

Sary nataon’i Xavier Bonet

Ny fahavaratra lasa teo, dia nandeha nitsangantsangana ny fianakaviako. Nitondra nankany amina ranomaria iray ilay lalana. Nesorinay sy ny zokiko vavy ary ny zandriko lahy ny kiraronay dia nandeha tao anaty rano izahay.

Rehefa nihoatra kely ny lohalika ny rano dia nijanona izahay. Nahita vondron’ankizy lehibe kokoa izahay nilalao tao anaty rano lalina kokoa teo alohanay. Nitsiky ny rahavaviko dia niteny hoe: “Tokony ho eny amin’ny lalina kokoa isika!”

Saingy nisy feo tao an-dohako nilaza tamiko fa mila mijanona aty aoriana miaraka amin’ny zandriko lahy aho. Fantatro fa ny Fanahy Masina no nilaza izany tamiko. Nilaza tamin’ny rahavaviko aho fa afaka mandeha mitsapa ilay rano lalina izy, fa izaho sy ny zandriko lahy kosa dia tsy ho eny.

Rehefa niverina ny rahavaviko dia nilaza fa nahery be ilay rano ary sarotra ny nandeha tao anatiny. Rehefa niteny izany izy dia fantatro fa tsara ny safidy nataoko mba hijanona tamin’ny toerana azo antoka niaraka tamin’ny zandriko lahy.