Seminera sy Institiota
Lesona 8 Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy no ahatongavan’ny famonjena


Lesona 8

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy no ahatongavan’ny famonjena

Fampidirana

Ireo ezaka ataontsika mba hanara-dia an’i Jesoa Kristy sy hitandrina ny didiny dia ilaina kanefa tsy ampy hahafeno ireo fepetra hamonjena antsika. Afaka ho tanteraka ny famonjena antsika noho ny fahatsarana, famindrampo ary ny fahasoavan’i Jesoa Kristy ihany. Ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy dia manampy antsika ahatakatra fa amin’ny alalan’ny fahasoavany dia afaka hianatra ny filazantsara isika, handray ireo ôrdônansy, ary hibosesika handroso ao amin’ny lalana izay mitarika mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 2:6–9; 25:23; Môsià 4:6–8

Azo tanterahina ny famonjena noho i Jesoa Kristy

Asehoy sy vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona L. Tom Perry (1922–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona L. Tom Perry

“Maro ireo olona no manontany tena hoe ‘Avy aiza isika? Maninona eto isika? Handeha ho aiza isika?’ Tsy nandefa antsika teto an-tany ny Raintsika mandrakizay mba tsy hisy tanjona sy handalo dia iray poakaty. Nanome drafitra iray ho harahintsika Izy. Izy no mpanefa izany drafitra izany. Natao izany ho an’ny fivoarana ary ho an’ny famonjena sy fisandratana ho an’ny olombelona amin’ny farany” (“Ilay drafitry ny famonjena,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 69–70).

  • Rehefa mahita ny olona fa tsy namela azy ireo nirenireny irery Andriamanitra eto amin’ity fiainana an-tany ity fa nanolotra drafitra ho an’ny famonjena azy ireo, dia inona araka ny eritreritrao no mety ho fahatsapan’izy ireo?

Asao ireo mpianatra hamaky ny 2 Nefia 2:6-9, ary hikaroka ny zavatra nolazain’i Lehia fa hahatanteraka ny famonjena.

  • Araka ny voalazan’i Lehia, ahoana no ahafahana manatanteraka ny famonjena ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra? (Tokony hanome valinteny toy izao manaraka izao ny mpianatra: Afaka ho vonjena amin’ny alalan’ny fahatsarana, famindrampo ary ny fahasoavan’i Jesoa Kristy isika. Azonao atao ny mizara ity famaritana manaraka ity izay manome ny dikan’ny hoe voavonjy na mandray famonjena: “Ny famonjena araka ny heviny marina sy feno dia mitovy amin’ny hoefisandratana na fiainana mandrakizay ary izany dia avy amin’ny fahazoana lova iray izay any amin’ny avo indrindra amin’ireo lanitra telo izay ao anatin’ny fanjakana selestialy. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana, afa-tsy vitsivitsy fotsiny dia izany ilay famonjena izay resahan’ny soratra masina” [Bruce R. McConkie, Mormon Doctrine, edisiona faharoa (1966), 670].)

  • Inona no tiana lazaina amin’ny hoe fahatsarana, famindrampo, ary fahasoavan’i Jesoa Kristy? (Ireo fahatsaran’i Jesoa Kristy dia ireo asan’ny fahamarinana nataony, ary indrindra ny Sorompanavotany. Ny famindram-po dia mifandray amin’ny fangorahana sy fandeferana izay atolony ho antsika na dia eo aza ny otantsika. Ny fahasoavana dia mifandray amin’ireo fanampiana izay natolony antsika amin’ny endriky ny famindrampo, fitiavana, hatsaram-panahy, ary ny hery manafaka izay manome alalana antsika handray ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana aorian’ny ezaka tsara indrindra vitantsika. Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahasoavana.”)

Mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany io fotopampianarana io dia asehoy ny fanambarana nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny mpianatra tsirairay, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Tsy afaka mahazo ny lalantsika mankany an-danitra isika. Ny fitakian’ny fahamarinana no hijoro ho toy ny sakana izay tsy vitantsika ny mandresy azy amin’ny herin’ny tenantsika manokana.

“Kanefa tsy very akory ny fanantenana.

“Ny famindrampon’ Andriamanitra no fanantenana lehibe sy tsy manam-petra ho antsika.

“Amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ahafahan’ny drafitry ny famindrampo hanefa ny fitakian’ny fahamarinana [jereo ny Almà 42:15]” (“Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Ensign na Liahona, mey 2015, 108).

  • Nahoana no tsy ampy hanefana ny “fitakian’ny fahamarinana” ary hahazoana ny fiainana mandrakizay ny asa am-pahamarinana ataon’ny olona iray? (Na dia amin’ny fotoana izay mety hieritreretantsikafa miaina tanteraka ireo didy aza isika, dia tsy nisy afa-tsy ny Mpamonjy ihany no niaina fianana tonga lafatra [jereo; ny Romana 3:23]. Na dia mety hijanona tsy hanota aza isika dia tsy afaka hamafa ny voka-dratsy na ny fahamelohana azo avy amin’ireo zavatra nataontsika taloha. Izay noantony ilana ny Sorompanavotana sy ny fahasoavana.)

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa na dia voavonjy noho ny fahatsarana, famindrampo ary ny fahasoavan’i Jesoa Kristy ihany isika, dia nampianatra ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handraisana ny hery manavotry ny Mpamonjy ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 4:6–8 ary ny mpianatra rehetra hikaroka ny zavatra nampianarin’ny Mpanjaka Benjamina fa tsy maintsy ataontsika mba handraisana ny famonjena amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Araka ny voalazan’ny Mpanjaka Benjamina, inona no tsy maintsy ataontsika mba handraisantsika ny famonjena amin’ny alalan’ny Sorompanavotana? (Mandray fahalalana an’ Andriamanitra sy ny Sorompanavotana, mametraka ny fahatokiantsika amin’ Andriamanitra, mitandrina amim-pahazotoana ireo didy, ary manohy ho mahatoky hatramin’ny faran’ny fiainantsika.)

Asao ny mpianatra hamaky ny 2 Nefia 25:23.

  • Inona no fotopampianarana ampianarin’i Nefia momba ny famonjena antsika? (Tokony hanome izao fotopampianarana manaraka izao ny mpianatra: Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka ho voavonjy amin’ny alalan’ny fahasoavana isika aorian’nyzavatra rehetra azontsika natao. Ampio ny mpianatra ahatakatra fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy irery ihany no hahafahantsika ho tonga masina sy ho tahaka ny Raintsika any An-danitra.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa ity fotopampianarana ity, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson (1899-1994) ity:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

Ahitana ny fanehoana ny ezaka lehibe indrindra vitantsika izany hoe “Aorian’ny zava-drehetra azontsika natao’ izany. Ao anatin’izany ny fiainana ny didiny.

Ahitana ny fanehoana fitiavana ireo mpiara-belona amintsika sy fivavahana ho an’ireo izay mandray antsika ho fahavalo izany hoe “Aorian’ny zava-drehetra azontsika natao’ izany. Mampitafy ireo tsy mitafy izany. Mamahana ireo noana. Mitsidika ireo marary ary manome ‘fanampiana[ho] an’ireo izay hita fa mila ny fanampiana’ (Môsià 4:16)—ao anatin’ny fahatsiarovana fa izay ataontsika amin’ny kely indrindra amin’ny zanak’ Andriamanitra dia toy ny ataontsika Aminy ihany koa.

Mitarika amin’ny fiainana madio ara-pitondrantena, fahamasinana sy fahamarinana izany hoe “Aorian’ny zava-drehetra azontsika natao’ izany. Marin-toetra fatratra amin’ny fifandraisantsika rehetra ary manao fihetsika izay tiantsika hasehon’ny hafa amintsika ihany koa (“Redemption through Christ after All We Can Do,”Liahona, des. 1988,5).

  • Tamin’ny fomba ahoana no niainanao ny fahasoavan’ny Tompo ary nanampian’izany anao mihoatra ny fahafahanao rehefa nanitatra ny ezaka tsara indrindra nataonao ny hanatona azy ianao?

Ampiasao ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina io fanontaniana io alohan’ny hamalian’izy ireo:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Amin’ny maha- fiangonana dia mitovy hevitra amin’i Nefia isika iza nilaza hoe: ‘Amin’ny alalan’ny fahasoavana no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.’ (2 Nefia 25:23.) …

“Tamin’ny alalan’ny fahasoavana no nanatontosan’ny Mpamonjy ny sorona fahafoizantena mba ahafahan’ny olombelona rehetra hahazo ny fiainana tsy mety maty.

“Tamin’ny alalan’ny fahasoavany, sy tamin’ny finoantsika ny Sorompanavotany sy ny fibebahana amin’ny ota nataontsika dia mandray ny tanjaka mba hanao ny asa araka izay ilaina isika izay tsy ho vitantsika amin’ny alalan’ny herintsika manokana.

“Tamin’ny alalan’ny fahasoavany no nandraisantsika ny fitahiana avy any ambony sy ny tanjaka ara-panahy izay mety hitarika antsika amin’ny farany any amin’ny fiainana mandrakizay raha toa ka maharitra hatramin’ny farany isika.

“Amin’ny alalan’ny fahasoavany dia afaka hanana toetra bebe araka an’ Andriamanitra isika“ (“Redemption through Christ after All We Can Do,” 4–5).

  • Inona araka ny eritreritrao no afaka ataontsika mba hanehoana fankasitrahantsika amin’ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy mba hahatanteraka izany?

Mijoroa ho vavolombelona fa amin’ny alalan’ny fahasoavana ihany izay tanteraka tamin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ahafahantsika mandresy ny vokatry ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, ahazoana ny famelana ny fahotana, handresena ny tsy fahatanterahana, ary hivoarana mankany amin’ny fahalavorariana. Amporisiho ireo mpianatra mba hisaintsaina raha toa ka efa manao izay azony atao rehetra izy ireo mba handraisana, ireo fitahiana avy amin’ny fahasoavan’ny Tompo na tsia.

2 Nefia 31:2, 10–21; 3 Nefia 11:31–40; 3 Nefia 27:13–22

Ny fotopampianaran’i Kristy

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

2 Nefia 31:2, 10–21

3 Nefia11:31–40

3 Nefia 27:13–22

Tendreo ny ampahany amin’ny kilasy mba handalina ny 2 Nefia 31:2, 10-21, ary ny ampahany faharoa amin’ny kilasy mba handalina ny 3 Nefia 11:31-40ary ny ampahany fahatelo mba andalina ny 3 Nefia 27:13-22. Alohan’ny hanombohan’ireo mpianatra dia lazao fa ireo andalana ireo dia mirakitra ireo teny toy ny , “ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy,“ “ny fotopampianarako,” na “ny filazantsarako.” Hazavao fa ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia miompana amin’ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ary manohy manao izay hanatonantsika amin’ny Ray. Miompana koa izany amin’ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hidirana ao amiin’ny fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Asao ny vondrona tsirairay mba hamantatra sy hanisy marika izay ampianarin’ireo andininy notendrena nataony mikasika ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy—zavatra nataon’i Kristy ary ny tsy maintsy ataontsika.

Rehefa nahazo minitra vitsy ireo mpianatra handalinany ireo andalana voatendry dia asao izy ireo hitanisa eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitany eo akaikin’ny soratra masina tsirairay. Dia manontania avy eo hoe:

  • Inona no nataon’i Jesoa Kristy mba hisarihana antsika hanatona ny Ray?

  • Inona avy ireo zavatra sasany izay tsy maintsy ataontsika mba hidirana amin’ireo fitahian’ny Sorompanavotana? (Tsy maintsy maana finoana isika, mibebaka, sy vita batisa ary handray sy hanaraka ny fanambarana ho an’ny tena manokana.)

  • Ahoana no mety hamintinanao ny lanjan’ny fiainana ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? (Tokony hahita izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Raha miaina araka ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Kristy isika dia afaka handray ny fitahian’ny Sorompanavotana ary hahazo ny fiainana mandrakizay.)

Arakaraka ny filan’ny mpianatrao, dia azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireo mba hanampiana azy ireo hamakafaka bebe kokoa ireo soratra masina izay novakianao:

  • Inona amin’ny andian-teny ao amin’ny 2 Nefia 31:20 no mitondra hafatra manokana ho anao ary ahoana no hanampian’izany anao handray ny fitahian’ny Sorompanavotana?

  • Toy ny nampianarina ao amin’ny 2 Nefia 31:13-14, 17, inona no dikan’ny hoe atao batisa amin’ny “afo”? (Ny olona iray dia mandray ny famelana ny heloka nataony ary fanadiovana izay tonga amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.)

  • Araka ny voalazan’ny 3 Nefia 11:39–40, nahoana no manan-danja ho an’ny olona tsirairay ny manaiky ny fotopampianaran’i Kristy? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hampifandray io andalan-tsoratra masina io amin’ny Helamàna 5:12.)

  • Araka ny voalazan’ny 3 Nefia 27:14–16, inona no zava-mitranga amintsika rehefa miaina araka ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika?

Farano amin’ny fampisehoana ny fanambarana avy ao amin’ny Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera. Asao ireo mpianatra mba hamaky izany ary hitady ireo fomba izay afaka hitahian’ny fiainana ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Kristy azy ireo mandritra ny fiainany manontolodia .

“Ny olona tsirairay sy ireo fianakaviana dia manomboka manara-dia an’i Kristy rehefa maneho ny finoany Azy izy ireo sy mibebaka amin’ny fahotany. Mahazo famelan-keloka izy ireo amin’ny alalan’ny batisa ary amin’ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina avy amin’ny olona iray izay manana ny fahefana avy amin’ Andriamanitra hanao ireo ôrdônansy ireo. Avy eo izy ireo dia maharitra haramin’ny farany, na, amin’ny fomba fiteny hafa dia hoe manohy maneho ny finoany an’i Jesoa Kristy mandritra ny fiainany, mibebaka, sy manavao ny fanekena izay nataony. Ireo dia tsy dingana izay lalovan’izy ireo indray mandeha fotsiny mandritra ny fiainany; fa kosa ho tonga rindram-piainana mitondra valisoa tsy manam-petra raha toa ka averimberina mandritra ny fiainana manontolo. Izany ihany ny fomba fiainana izay mitondra filaminan-tsaina raha ny tena izy ary mamela ny zanaky ny Ray any An-danitra hiverina hiaina eo anatrehany” (Torio ny filazantsarako [2004], 6).

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahatonga ny fiainana ny fotopampianaran’i Kristy ho “rindram-piainana mitondra valisoa tsy manam-petra” ho anao?

Amporisiho ireo mpianatra mba hanombatombana ny fiainan’izy ireo ny fotopampianaran’i Kristy. Asao izy ireo hieritreritra mikasika ny mety ho ataon’ny tsaratsara kokoa mba handraisana ny fitahiana avy amin’ny fiainana ny fotopampianaran’i Kristy.

Vakitenin’ny Mpianatra