Seminera sy Institiota
Lesona 28: Manatona an’i Kristy


Lesona 28

Manatona an’i Kristy

Fampidirana

Iray amin’ireo tanjona fototry ny Bokin’i Môrmôna ny hanasa ny olon-drehetra “[h]anatona an’i Kristy, ary hatao tanteraka ao Aminy” (Môrônia 10:32). Rehefa mampihatra ny finoana sy “[mi]hazon[a] avokoa ny zavatra tsara” isika dia afaka ny ho tonga zanak’i Kristy (jereo ny Môrônia 7:19). Any amin’ny fiafaran’ity lesona ity dia hanana fahafahana hijoro ho vavolombelona tamin’ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna azy ireo hanatona an’i Kristy ireo mpianatra.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Jeffrey R. Holland, “A Prayer for the Children,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 88–90.

  • “A Christ-Centered Life,” chapter 24 in Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson [2014], 297).

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 6:4; Jakôba 1:7; Ômnia 1:26; 3 Nefia 9:13–14; Môrônia 10:30, 32–33

Manasa antsika hanatona an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna

Asao hieritreritra fotoana iray izay nanasany olona hafa hamaky ny Bokin’i Môrmôna ireo mpianatra.

  • Nahoana no nanasa izany olona izany hamaky ny Bokin’i Môrmôna ianao?

Asao hieritreritra ny antony handalinany ny Bokin’i Môrmôna ireo mpianatra. Hazavao fa na dia misy antony tsara maro aza hamakiana sy handalinana ny Bokin’i Môrmôna dia ilay boky mihitsy no mitahiry hafatra miverimberina mikasika ny iray amin’ireo tanjony manan-danja indrindra.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

1 Nefia 6:4

Jakôba 1:7

Ômnia 1:26

3 Nefia 9:13–14

Môrônia 10:30

Asao hamaky amim-pahanginana ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra ary hikaroka ilay lohahevitra miverimberina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. (Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra mba hampifandray ireo andinin-tsoratra masina amin’izy samy izy ao amin’ny soratra masiny.)

  • Inona ilay lohahevitry ny Bokin’i Môrmôna izay miverimberina hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Inona no atao hoe “hanatona an’i Kristy”?

  • Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ho ataontsika rehefa manatona an’i Kristy? (Tokony ahitana izao fitsipika manaraka izao ireo valinteny: “[fanolorana] ho toy ny fanatitra ho Azy ny fanahinareo manontolo,” fifadian-kanina, vavaka, faharetana hatramin’ny farany, fibebahana, fiovam-po, ary koa “[fihazonana] avokoa ny zavatra tsara.”)

  • Midika inona aminao ilay andian-teny hoe: “atolory ho toy ny fanatitra ho Azy ny fanahina[o] manontolo”?

Mba entina hanampiana ireo mpianatra hahatakatra lalindalina kokoa ny dikan’ny hoe manatona an’i Kristy dia asehoy sy ifanakalozy hevitra ireto teny nambaran’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Loholona Dennis B. Neuenschwander tao amin’ny Fitopololahy ireto:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Rehefa mivavaka tsy tapaka maraina sy hariva isika, ka mandalina isan’andro ny soratra masina, sy manao takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandrro, ary mandeha tsy tapaka any amin’ny tempoly dia mamaly amim-pahavitrihana ilay fanasana ‘hanatona Azy’” (Richard G. Scott, “Ataovy voalohany amin’ny laharam-pahamehanareo ny fampiasana finoana,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 94).

Sary
Loholona Dennis B. Neuenschwander

“Mijoro ho vavolombelona aho fa afaka manatona an’i Kristy sy ho tanteraka ao Aminy isika amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amim-pahamendrehana amin’ny ôrdônansy masina notendren’ Andriamanitra ary naorina hatrany amin’ny fiandohan’izao tontolo izao” (Dennis B. Neuenschwander, “Ordinances and Covenants,” Ensign, aog. 2001, 26).

Hazavao fa mirakitra torohevitra avy amin’ny mpaminany Môrônia mikasika ny fomba hanatonana an’i Kristy ny toko faran’ny Bokin’i Môrmôna. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 10:32–33 raha toa ka mikaroka ny antony ampiasaina ny teny hoe “raha” sy “dia” kosa ny mpianatra ambiny. Asaivo misaintsaina ny zavatra ampianarin’ireo teny “raha (izao)-dia (izao)” ireo mikasika ny fomba hitahiana antsika amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy ireo mpianatra. (Fanamarihana: Hanampy ireo mpianatra hamantatra fitsipika ampianarina ao amin’ny soratra masina ny fitadiavana ireo teny “raha (izao)-dia (izao)” ireo.)

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fitahiana raisintsika avy amin’ny fahasoavan’i Kristy rehefa manatona Azy isika? (Mety teny hafa no holazain’ireo mpianatra, saingy tokony hahita izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Raha manatona an’ i Kristy isika sy mandà ny tenantsika amin’ireo toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra, dia afaka ny ho tanteraka, hamasinina ary ho masina amin’ ny alalan’ ny fahasoavany. Jereo ihany koa ny Almà 5:33–35.)

Mba hahatakaran’ireo mpianatra lalindalina kokoa ity fitsipika ity dia zarao ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Bruce C. Hafen ao amin’ny Fitopololahy. Asao hihaino ny fomba ahafahan’ny fahasoavan’ny Tompo hitahy antsika ireo mpianatra.

Sary
Loholona Bruce C. Hafen

“Afaka hahatonga ny tsy fahatanterahantsika ho tanteraka ny fahasoavan’ny Tompo, izay tanteraka avy amin’ny Sorompanavotana. ‘Amin’ ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’ i Kristy.’ (Môrônia 10:32.) Na dia fanadiovana ireo pentimpentin’ny ota sy fankahalana aza ny dingana hita ao amin’ny fahatongavana ho tanteraka dia misy lafiny fanampiny sy tsy azo hialana izay handraisantsika ny toetra tahaka ny an’i Kristy, hahatongavana ho tanteraka tahaka ny maha-tanteraka ny Ray sy ny Zanakalahiny. …

“Tsy vitan’ny manonitra ny fahotantsika fotsiny ny fandresen’ny Mpamonjy fa koa manampy amin’ireo zavatra tsy hain’olombelona; tsy amin’ireo fahadisoana natao tamin’ny nahim-po fotsiny fa amin’ireo fahotana natao tsy tamim-pahalalana koa, amin’ireo fahadisoam-pandanjalanjana ary amin’ireo tsy fahatanterahana tsy azo ialana. Ny iriantsika indrindra dia mihoatra ny ho voavela heloka fotsiny—mikatsaka ny ho tonga masina isika, handray ireo toetra izay ananan’i Kristy ho iray aminy sy ho toa Azy. Ny fahasoavana avy amin’ Andriamanitra no hany loharano tokana izay afaka manatanteraka amin’ny farany izany faniriana izany, aorian’ny zavatra rehetra vitantsika” (The Broken Heart [1989], 16, 20).

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahasoavan’ny Tompo hitahy antsika araka ny voalazan’ny Loholona Hafen?

Asao hieritreritra fotoana iray izay nahatsapany fa nanao ezaka nanatona an’i Jesoa Kristy ireo mpianatra. Asaivo mamaly izao fanontaniana izao izy ireo raha toa ka zavatra tsy natokana ho an’ny tenany izy ireo manokana loatra izany:

  • Inona no nataonao nanatonanao an’i Kristy tamin’izay fotoana izay?

  • Inona ireo fitahiana nirotsaka eto amin’ny fiainanao teo am-pikatsahanao hanatona an’i Jesoa Kristy?

Asao hisaintsaina ny zavatra afaka hataony mba hanatonany bebe kokoa an’i Kristy ireo mpianatra izay ahafahany ho tanteraka sy ho masina amin’ny alalan’ny fahasoavany. Entano hanaraka ireo bitsiky ara-panahy voarainy izy ireo.

Môrônia 7:18–26

Hazony avokoa ny zavatra tsara mba hahatongavana ho zanak’i Kristy

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nirakitra toriteny iray izay nataon’ny rainy, Môrmôna, taona maro lasa tany aloha ny mpaminany Môrônia ao amin’ny Môrônia 7. Mampianatra i Môrmôna ao amin’izany toriteny izany fa afaka mahafantatra isika fa avy amin’ Andriamanitra ny zavatra iray raha manasa ny olona hanao ny tsara izany, hino an’i Jesoa Kristy ary hitia sy hanompo an’ Andriamanitra.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 7:18--19. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitadiavana ny zavatra nasain’i Môrmôna ataontsika.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 19, inona no hitranga amintsika rehefa mampiasa ny fahazavan’i Kristy isika mba hamantarana ny tsara amin’ny ratsy ary avy eo “[mihazona] avokoa ny zavatra tsara”? (Ho tonga zanak’i Kristy isika.)

  • Inona no atao hoe zanak’i Kristy? (Mariho fa zanaka fanahin’ny Ray any An-danitra isika ary koa zanaky ny ray aman-drenintsika eto an-tany. Kanefa, araka ny nampianarin’ny Filoha Joseph Fielding Smith [1876--1972] dia “lasa Raintsika [i Jesoa Kristy], amin’ny lafiny izay ampiasana izany voambolana izany ao amin’ny soratra masina, satria manolotra fiainana ho antsika Izy, fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny sorompanavotana izay nataony ho antsika. [Jereo ny Môsià 5:7.] … Lasa zanaka, zanakalahy sy zanakavavin’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanekempihavanana nataontsika dia ny hankatoa Azy” [Doctrines du Salut, comp. Bruce R. McConkie, 3 vols. (1954–56), 1:29].)

Asaivo mamaky amim-pahanginana ny Môrônia 7:20 ireo mpianatra ary hikaroka ilay fanontaniana napetrak’i Môrmôna. Zarao tsiroaroa avy eo izy ireo ary asaivo mandalina ny Môrônia 7:21–26, ary mikaroka ny zavatra nomen’ny Tompo antsika mba hanampiana antsika “hihazona avokoa ny zavatra tsara.” Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra dia angataho hizara ny eritreriny sy hanoratra izany eo amin’ny solaitrabe. Mety ahitana ireto manaraka ireto ny valinteny: ny anjara fanompoan’ny anjely (andininy 22), mpaminany (andininy 23), ny soratra masina (andininy 25), fampiharana ny finoana (andininy 25), ary ny vavaka (andininy 26).

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika mikasika ilay andian-teny hoe “hazonina avokoa ny zavatra tsara”? (Tokony mikatsaka ny zavatra tsara rehetra isika, indrindra ireo zavatra izay mitarika amin’ny finoana an’i Kristy sy famonjena amin’ny alalan’ny anarany.)

  • Inona ireo zavatra tsara nitranga eto amin’ny fiainanao vokatry ny iray amin’ireo zavatra voatanisa eo amin’ny solaitrabe ireo?

Asaivo misafidy zavatra tsara iray izay azon’izy ireo atomboka atao ireo mpianatra, na zavatra hatsaraina mba hahafahany manatona an’i Kristy. Amporisiho izy ireo hametraka tanjona mifandraika amin’ny fihazonana ny zavatra tsara rehetra eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Môrônia 10:3–5

Fampanantenan’i Môrônia

Mihazona Bokin’i Môrmôna ary asaivo misaintsaina ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna azy ireo hanatona an’i Kristy ireo mpianatra. Hazavao fa nanolotra fanasana sy fampanantenana ho an’ireo rehetra izay mamaky sy mandalina ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 10:3–5.

  • Inona no hanentanan’i Môrônia mba ho ataontsika araka ny voarakitra ao amin’ny andininy 3?

Asaivo misaintsaina ohatra avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna na teo amin’ny fiainan’izy ireo manokana izay mampiseho ny “naha-feno famindram-po ny Tompo tamin’ny zanak’olombelona” ireo mpianatra. Mangataha mpianatra maromaro hizara ny ohatra hitan’izy ireo amin’ny iray kilasy.

  • Inona ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fanasana sy fampanantenan’i Môrônia ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Handray tenivavolombelon’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika rehefa manontany an’ Andriamanitra amin’ny tena finiavana isika, sady manam-pinoana an’i Kristy raha toa ka marina ny Bokin’i Môrmôna.)

  • Inona no dikan’ny hoe manontany an’ Andriamanitra “amin’ny tena finiavana, sady manam-pinoana amin’i Kristy”? (Midika izany fa manana finoana isika fa hamaky ny vavaka ataontsika Andriamanitra ary hirotsaka hanao asa arak’izay valiny omeny isika.)

  • Nahoana no manampy antsika hanatona an’i Kristy ny mandalina sy mivavaka mikasika ny Bokin’i Môrmôna arak’io fomba io?

Asaivo misaintsaina traikefa izay nandalovany tamin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna sy nivavahana mba hahafantarana ny fahamarinana raketiny ireo mpianatra. Angataho ireo mpianatra raha misy haniry hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny iray kilasy, indrindra ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna azy ireo hanatona an’i Kristy. Entano hanohy hampihatra ny tenin’i Môrônia mba hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna na hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona izay efa ananany ireo mpianatra.

Vakitenin’ny Mpianatra