Seminera sy Institiota
Lesona 26: Aorian’ny fizahan-toetra ny finoana


Lesona 26

Aorian’ny fizahan-toetra ny finoana

Fampidirana

Hianatra avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ao amin’ity lesona ity, ireo mpianatra fa hahafahan’ Andriamanitra manatanteraka fahagagana ho antsika ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy. Afaka manampy antsika koa handray vavolombelona ara-panahy amin’ny fahamarinana ny fampiharana finoana.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Robert D. Hales, “Fikatsahana hahafantatra an’ Andriamanitra Raintsika any An-danitra sy ny Zanany Jesoa Kristy,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 29–32.

  • David A. Bednar, “Hangataka amim-pinoana,” Ensign na Liahona, mey 2008, 94–97.

  • Neil L. Andersen, “Ampy ny fahafantaranao,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 13--14.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 27:23; 3 Nefia 17:5–9, 20–24; Môrmôna 9:9, 18–20

Mialoha ny fahagagana ny finoana

Angataho ireo mpianatra hitanisa ohatra ara-tsoratra masina vitsivitsy nanaovan’ Andriamanitra fahagagana ho an’ny zanany araka ny finoan’izy ireo Aminy. (Afaka tanisaina ho ohatra ny fanasitranan’i Jesoa ny marary sy ny fananganana ny maty, ny fanasarahan’i Mosesy ny Ranomasina Mena, ary ny fikasihan’i Kristy ireo vato mba hanomezana hazavana amin’ireo sambo Jaredita.)

  • Inona no mety holazainao amin’ny olona iray izay tsy mino fa manohy manao fahagagana Andriamanitra amin’izao andro izao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Nefia 27:23 ary mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Môrmôna 9:9, 18–20. Angataho hikaroka ny antony hisian’ny fahagagana amin’izao andro izao ny mpianatra.

  • Araka ny voalazan’ireo andinin-tsoratra masina ireo, nahoana no afaka mahatoky isika fa misy ny fahagagana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny? (Tokony hahita izao manaraka izao ny mpianatra: Satria tsy miova fa toy ny omaly, anio ary mandrakizay Andriamanitra dia manohy manao fahagagana araka ny finoan’ny zanany Izy.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mitaky ny fananantsika finoana ny Tompo alohan’ny hanatanterahany fahagagana?

Mba hanehoana ny fifandraisana ara-tsoratra masina eo amin’ny finoana sy fahagagana dia mangataha mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky amin’ny feo avo ny 3 Nefia 17:5–9. Asaivo karohin’ny mpianatra ny zavatra nofaritan’i Kristy efa nitsangana tamin’ny maty ho ampy alohan’ny hanatanterahany fahagagana eo anivon’ny olona.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 8, inona no zavatra izay namela ny Mpamonjy hanasitrana ny marary sy manaintaina?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 17:20–24.

  • Inona koa ireo zava-mitranga masina izay iainan’ny olona vokatry ny finoany?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahavitrihan’i Kristy hanatanteraka ireo fahagagana ireo hampitombo ny finoantsika fa afaka mampiasa hery mba hanampiana antsika amin’ireo zavatra ilaintsika Izy?

Asao hamaky mafy ny fanambarana manaraka nolazain’ny Rahavavy Sydney S. Reynolds, mpanolotsaina taloha tao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany:

Sary
Sydney S. Reynolds

“Tahaka ny maha-zava-dehibe … ireto ‘fahagagana lehibe’ ireto ireo ‘fahagagana an’ny tena manokana’ kelikely kokoa izay mampianatra ny tsirairay amintsika mba hanana finoana ny Tompo. Tonga ireny rehefa mahafantatra sy mihaino ireo bitsiky ny Fanahy isika eo amin’ny fiainantsika. …

“Mino aho fa afaka mijoro ho vavolombelona ny amin’ireny fahagagana kely ireny isika. Mahafantatra ankizy izay mangataka fanampiana mba hahita zavatra iray very isika dia hita izany. Fantatsika ny amin’ireo tanora izay manangona risipo mba hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra sy mba hahatsapa ny tànany manohana. Mahafantatra namana izay mandoa ny fahafolon-karen’izy ireo amin’ny volan’izy ireo sisa isika ary avy eo, amin’ny alalan’ny fahagagana, dia toa afaka nandoa ny saram-pianarany na ny hofan-tranon’izy ireo na nahazo sakafo ho an’ny fianakavian’izy ireo amin’ny fomba tsy hay hoe ahoana. Afaka mizara ireo traikefan’ny vavaka izay voavaly isika, sy ireo fitahian’ny fisoronana izay nanome risipo, nitondra fampiononana, na namerina ny fahasalamana. Ireny fahagagana isan’andro ireny dia mahatonga antsika hahafantatra ny tànan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika” (“A God of Miracles,” Ensign, mey 2001, 12).

Asaivo mieritreritra fotoana niainan’izy ireo na olom-pantany ny fahagagan’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany ireo mpianatra. Asao ireo mpianatra hizara zavatra niainany, raha tsy saro-pady sy tsy natokana ho an’ny tena manokana izany, izay nanamafy tamin’izy ireo fa mbola Andriamanitry ny fahagagana Andriamanitra.

Etera 3:6–13, 17–20; 4:13–15; 12:6–7, 12, 19, 31

Manomana antsika handray vavolombelona ara-panahy ny finoana

Asao hieritreritra fahamarinana ara-pilazantsara iray izay tian’izy ireo handraisana vavolombelona ara-panahy na fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa ireo mpianatra. Hazavao fa toy izao manaraka izao ny toe-tsain’ny olona sasantsasany: Tsy hino na hiaina arak’ity fitsipika ara-pilazantsara iray ity aho raha tsy hitako porofo aloha fa marina izany.

Asao hamaky am-pahanginana ny Etera 12:6 ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra ampianarin’ity andinin-tsoratra masina ity mikasika ny dingan’ny fandraisana ny vavolombelona ara-panahy.

  • Inona no fitsipika afaka ianarantsika avy amin’ny Etera 12:6 mikasika ny fandraisana vavolombelona ara-panahy? (Tokony hahatakatra izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Alohan’ny handraisantsika vavolombelona ara-panahy dia tsy maintsy mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy aloha isika.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ilay andian-teny hoe “fizahan-toetra ny finoana” ?

Hazavao fa tsy midika foana ho fandalovana amin’ny fitsapana ny fizahan-toetra ny finoana. Asehoy sy angataho ny mpianatra iray ny hamaky ity fanambarana manaraka mikasika ny torohevitr’i Môrônia ao amin’ny Etera 12:6 ity, izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy Rahavavy Bonnie L. Oscarson, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Afaka mianatra ny hampihatra finoana bebe kokoa ianao amin’ny alalan’ny fampiharana ny fitsipika nampianarin’i Môrônia: ‘… fa tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ ny fizahan-toetra ny finoanareo’ [Etera 12:6; nampiana fanamafisana]. Noho izany, isaky ny mandalo fizahan-toetra ny finoanao ianao, izany hoe, manao asa araka ny fahatsapana voaray, dia handray porofo manamarina avy amin’ny Fanahy” (Richard G. Scott, “The Sustaining Power of Faith in Times of Uncertainty and Testing,” Ensign na Liahona, mey 2003, 76).

Sary
Bonnie L. Oscarson

“Eto amin’ity izao tontolo izao misy antsika ity izay ny valisoa eo no ho eo no andrasana dia matetika isika no meloka amin’ny fanantenana valisoa nefa tsy misasatra akory hahazoana azy Mino aho fa miteny amintsika i Môrônia hoe mila manao asa aloha isika ary mampihatra finoana amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsara, dia hahazo fijoroana ho vavolombelona isika avy eo fa marina izany. Mitranga ny fiovam-po marina rehefa manohy miasa araka ireo fotopampianarana fantatrao fa marina ianao sy mitandrina ireo didy isan’andro ary mandavan-taona” (Bonnie L. Oscarson, “Be Ye Converted,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 77).

  • Ahoana no maha samihafa ny lamina nofaritan’ny Loholona Scott sy Rahavavy Oscarson amin’ny toe-tsain’ireo izay mitady porofo alohan’ny hinoana na hampiharan’izy ireo zavatra iray?

  • Oviana sy ahoana no nahalalanao ny fahamarinan’ity fitsipika ity?

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Etera 12:7, 12, 19, ary ny 31. Amporisiho ireo mpianatra hifantoka amin’ny andianteny “taorian’ny ninoan’izy ireo” ary ny “raha tsy efa nananany ny finoana” ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo (azonao amporisihina ireo mpianatra hanisy marika ireo andianteny ireo ao amin’ny soratra masiny).

  • Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, inona ireo fitahiana natolotry ny Tompo ireo vahoaka izao taorian’ny nananany ny finoana? Inona no karazan’ny vavolombelona ara-panahy amin’ny fahamarinana izay noraisinao vokatry ny finoanao?

Mijoroa ho vavolombelona fa toy ny fahagagana ihany koa, dia tsy mitranga ny vavolombelona ara-panahy raha tsy aorian’ny fananana finoana. Mba hanamafisana izany dia azonao atao ny mizara ity teny manaraka nataon’ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Rehefa mikatsaka hahazo fahalalana ara-panahy ianareo, dia efa manana ‘ampahana finoana,’ araka ny filazan’ireo mpanao filosofia azy. Amin’izany ianao dia manakaiky ny sisin’ny fahazavana ary mandingana ho ao anatin’ny haizina mba hahitanao fa indray na indroa mandingana fotsiny dia tafiditra amin’ny lalana mazava ianao” (“The Quest for Spiritual Knowledge,” New Era, jan. 2007, 6).

Mangataha mpianatra iray hamariparitra ireo fanamby izay natrehan’ny rahalahin’i Jareda teo am-panamboarany ireo sambo izay hitondra ny fianakaviany ho any amin’ny tany nampanantenaina ary asaivo fintininy ny zavatra nataony mba hahitana vahaolana tamin’ireo fanamby ireo (jereo ny Etera 2:16–25; 3:1–5).

  • Tamin’ny fomba ahoana no nampiharan’ny rahalahin’i Jareda finoana an’i Jesoa Kristy?

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Etera 3:6–13, 17–20.

  • Ahoana no nitahian’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda noho ny finoany?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ireo mpianatra ambiny hikaroka ny toetoetra ny finoan’ny rahalahin’i Jareda:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Mialoha ny fahagagana sy ny fahalalana ny finoana mitaky asa, finoana mahafindra tendrombohitra, finoana tahaka ny an’ny rahalahin’i Jareda. Tsy maintsy nino izy talohan’ny nitenenan’ Andriamanitra. Tsy maintsy nanao asa izy talohan’ny nibaribarian’ny fahafahana nanatontosa izany asa izany. Tsy maintsy nanolo-tena izy ary mialoha ny fahatanterahan’ny ampahany voalohany tamin’ilay traikefa feno mihitsy aza. … Ny finoana dia fanekena tsy arahina fepetra—ary mialoha—na inona na inona fepetra izay mety takian’ Andriamanitra na izany amin’ny fotoana efa akaiky na mbola lavitra” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 18–19).

  • Ahoana no mety hamintinanao ny famariparitan’ny Loholona Holland ny finoan’ny rahalahin’i Jareda?

  • Inona avy ireo ohatra amin’ny asa atao izay afaka ataontsika mba hanehoana ny finoantsika ny Tompo?

Omeo fotoana handalinana ny Etera 4:13–15 ireo mpianatra ary hamaritra ny zavatra nolazain’i Môrônia fa tokony ataontsika mba handraisana fahalalana sy fanehoana avy amin’ny Fanahy.

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “hotriarina [ny] voalin’ny tsy finoana”? Nahoana no mifandray amin’ny dingan’ny fampiharana finoana ny fanaovana izany? (Mety hanampy ny fanazavana ny hoe hotriarina izay midika hoe rovitina na zaraina ary ny voaly dia manambara zavatra manarona na manakona.)

  • Inona no torohevitra asain’i Môrônia ataontsika mba “[hanatriarina] ny voalin’ny tsy finoana”?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ity (1805–44), ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Tsy mampahafantatra na inona na inona amin’i Joseph Andriamanitra, ka tsy ampahafantariny ny Roambinifololahy, eny fa na dia ny Olomasina faran’izay tsotra aza afaka ny hahafantatra ny zava-drehetra arak’izay haingana azony zakaina, satria ho avy ny andro izay tsy misy antony hitenenan’ny olona iray amin’ny hafa intsony hoe, Mahalalà an’i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra … hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra [jereo ny Jeremia 31:34]” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 268).

  • Nahoana no manampy anao hahatakatra ny hery anaty ananao amin’ny fandraisana fanambarana io teny nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith io?

Ametraho fanamby mba hisaintsaina ireo fizahan-toetra ny finoana atrehiny ireo mpianatra ary asao izy ireo hieritreritra ny zavatra azony atao mba hanamafisana sy hampiharana ny finoany. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona amin’ny fanomezan’ Andriamanitra ireo mpanara-dia mahatoky Azy vavolombelona tsy tapaka amin’ny fahamarinana rehefa mampihatra finoana izy ireo.

Vakitenin’ny Mpianatra