Seminera sy Institiota
Lesona 7 Ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly


Lesona 7

Ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly

Fampidirana

Amin’ny maha-soratra masina miaraka amin’ny Baiboly azy, ny Bokin’i Môrmôna dia vavolombelona iray manambara ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy an’izao tontolo izao Azy. Namerina amin’ny laoniny fahamarinana sarobidy sy mazava izay very tao amin’ny Baiboly ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna isika dia mandray fahazavana amin’ny fahatakarantsika ireo fotopampianarana ao amin’ny Baiboly.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ezekiela 37:15–19; 2 Nefia 3:11–12; 29:3–10

Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia vavolombelona miray loha manambara an’i Jesoa Kristy.

Anontanio ireo mpianatra ny zavatra mety holazain’izy ireo amin’ny olona iray izay maneho ahiahy mikasika ny Bokin’i Môrmôna satria Andriamanitra dia efa nanome antsika ny Baiboly.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 2 Nefia 29:3–10 ary hanisy marika ireo andianteny izay manondro ireo antony nanoloran’ny Tompo boky soratra masina mihoatra noho ny iray.

  • Inona no nolazain’ny Tompo mikasika ireo izay maneho ahiahy amin’ireo soratra masina izay ankoatra ny Baiboly?

  • Araka ny voalazan’ny andininy faha 8, inona no nolazain’ny Tompo fa tanjony tamin’ny nanambarany soratra masina ho fanampin’ny Baiboly? (Mety hanolotra valinteny isan-karazany ireo mpianatra, fa tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao izy ireo: Mijoro ho vavolombelona miaraka momba an’i Jesoa Kristy ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna.)

  • Inona no zavatra ianaranao avy amin’io andalana io izay manampy anao hahatakatra ny maha-manan-danja ny fananana vavolombelona ara-tsoratra masina fanampiny?

Mba hampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra ny fomba hiasan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna miaraka dia asehoy ity teny manaraka ity izay nataon’ny Filoha Russell M. Nelson,ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

“Mifampijo ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinany ireo soratra masina. Izany hevitra izany dia efa nohazavaina taloha elabe raha nanoratra ny mpaminany iray fa ny Bokin’i Môrmôna dia ‘voasoratra ka ny fikasana dia ny hahazoanareo mino [ny Baiboly]; ary raha mino [ny Baiboly] ianareo dia hino ny [Bokin’i Môrmôna] ihany koa’ [Môrmôna 7:9]. Ireo boky ireo dia samy mampifandray azy amin’ilay anankiray. Ny boky tsirairay dia mijoro ho toy ny porofo fa velona Andriamanitra ary miteny amin’ny zanany amin’ny alalan’ny fanambarana ataony amin’ny mpaminaniny Izy.

“Ny fitiavana ny Bokin’i Môrmôna dia manitatra ny fitiavan’ny olona iray ny Baiboly ary dia toy izany koa ho an’ilay iray voalohany. Ireo soratra masin’ny famerenana amin’ny laoniny dia tsy mifaninana amin’ny Baiboly; fa mifameno amin’ny Baiboly izy ireo” (“Vavolombelona ara-tsoratra masina,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 43).

  • Inona no manaitra anao amin’ny famaritan’ny Filoha Nelson ny fifandraisan’ireo bokin-tsoratra masina roa ireo, ary nahoana?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny mpaminanin’ny Testamenta Taloha, Ezekiela dia naminany fa ny tapa-kazon’i Joda sy ny tapa-kazon’i Josefa dia hatambatra hiaraka. Hazavao fa ny “tapa-kazo” dia manondro hazo takelaka iray na horonan-taratasy izay mihorona manodidina zavatra vita amin’ny hazo (jereo Boyd K. Packer, “Soratra masina,”Ensign, nôv. 1982,51). Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny Ezekiela 37:15-19.

  • Maneho inona ireo tapa-kazo ireo? (Raha toa ka ilaina dia hazavao fa ny “tapa-kazon’i Joda” dia ny Baiboly ary ny “tapa-kazon’i Efraima” dia ny Bokin’i Môrmôna.)

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe ireo tapa-kazo roa na bokin-tsoratra masina ireo dia “ho iray eny an-tananao”? (andininy 17, 19).

Mba hanampiana ny mpianatra hamaly io fanontaniana io dia zarao ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer (1924-2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: Hazavao fa fotoana fohy talohan’ny nanaovan’ny Filoha Packer ity fanambarana ity dia namoaka fanontana vaovao ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly ny Fiangonana. Ny boky tsirairay dia samy misy fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy sy soratra masina hafa ho fanampiana izay mifandray amin’ny boky hafa, fampitambarana azy roa amin’ny fomba vaovao. Asao ny mpianatra hihaino ireo fitahiana voaomana ho an’ireo izay mandalina ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna miaraka.

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny tapa-kazo na firaketan’i Joda … ary ny tapa-kazon’i Efraima … dia voarandrana miaraka hany ka rehefa mandalina ny iray ianao, dia voasarika amin’ny ilay iray hafa; ary rehefa mianatra ny iray ianao dia hazavain’ny iray hafa. Iray eo an-tanana tokoa izy ireo. Tanteraka tokoa ankehitriny ireo faminanian’i Ezekiela.

“Arakaraka ny fandehan’ny taona, ireo soratra masina ireo dia hamokatra taranaka mifandimby izay Kristianina mahatoky izay mahafantatra ny Tompo Jesoa Kristy ary vonona ny hankatò ny sitrapony. …

“… Hisokatra amin’izy ireo [taranaka vaovao] ny fanambarana izay tsy mbola hisy toy izany eto amin’ity tantaran’izao tontolo izao ity. Eo am-pelantanan’izy ireo ankehitriny ny tapa-kazon’i Josefa sy i Joda. Hahazo fahalalana ambony mifandraika amin’ny filazantsara mihoatra lavitra ny zavatra takatr’ireo razambeny izy ireo. Hanana fijoroana ho vavolombelona izy ireo fa i Jesoa no Kristy ary hanana fahafahana ny hanambara sy hiaro Azy” (“Soratra Masina,” Ensign, nôv. 1982, 53).

  • Inona ireo fitahiana izay misy rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly miaraka ho iray isika? (Tokony hahita izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Rehefa mandalina ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna miaraka isika dia mahazo ny fijoroana ho vavolombelona lehibe indrindra fa i Jesoa no Kristy.)

  • Amin’ny fomba ahoana no ampitomboan’ny fandalinana miaraka ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly ny fahalalanao sy ny fijoroanao ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy?

Asao ny mpianatra iray hamaky ny2 Nefia 3:11–12. (Mety hanampy ny manazava fa ireo andininy ireo dia ampahany amin’ny faminanian’i Josefa tao Egypta. Manonona boky roa i Joseph amin’ireo andininy ireo—ny boky izay nosoratan’ny taranak’i Joseph dia ny Bokin’i Môrmôna ary ny boky izay nosoratan’ireo taranak’i Joda dia ny Baiboly.)

  • Inona no vokatra ateraky ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly eo amin’izao tontolo izao raha “miara-mihanaka” ireo boky roa ireo? (Tokony hamantatra ireto hevitra manaraka ireto ny mpianatra: Ireo boky ireo dia haneho ny hadisoana eo amin’ ireo fotopampianarana diso, hampangina ny fifandirana ary hanorina fandriampahalemana.)

Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina hoe ahoana no mety hampiasan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly mitambatra mba hampatanjahana ny fijoroany ho vavolombelona sy ny fahatokiany ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Asao ireo mpianatra mba hizara ny eritreriny sy ny fahatsapany. Ary asao koa izy ireo mba hiasa amin’ny alalan’ny bitsika izay azony.

1 Nefia 13:23–29, 35–36, 38–41

Naverina tamin’ny laoniny ireo fahamarinana mazava sy sarobidy

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny Mpaminany Joseph Smith dia nodidian’ny Tompo mba hitondra dikateny mazava kokoa tamin’ny Baiboly, dikateny nataon’i Mpanjaka James. o fanitsiana io dia fantatra amin’ny hoe Dikantenin’iJoseph Smith. Asehoy ary vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith (1805-44) ity:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Mino ny Baiboly araka izay nosoratan’ny penin’ireo mpanoratra tany am-piandohana aho. Nanao fahadisoana maro ireo mpandika teny tsy nanam-pahalalana sy ireo mpandray an-tsoratra tsy nitandrina, na ireo mpisorona mpanao ny fanatambarana na ireo mpisorona noresena lahatra tamin’ny zavatra diso” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 207).

  • Nahoana no nilaina ny fanitsiana amin’ny fomba mzava ny Baiboly?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nahazofahitana mikasika ny fivoahan’ny Baiboly i Nefia. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 13:23–25. Asaivo karohin’ireo mpianatra ny famaritan’i Nefia ny Baiboly fony izany nosoratana tany am-boalohany.

  • Inona no zavatra nampianarin’ny anjely an’i Nefia mikasika ny Baiboly rehefa noforonina izany tamin’ny voalohany? (“Mirakitra ireo fanekempihavanan’ny Tompo” izany, tena “manan-danja lehibe izany,” ary “mirakitra ny fahafenoan’ny filazantsaran’ny Tompo.”).

Asao ireo mpianatra hamaky ny 1 Nefia 13:26–28 ary hikarokany zavatra nianaran’i Nefia fa hitranga amin’ny Baiboly sy anton’izany.

  • Inona no nataon’ilay fiangonana makadiry sady maharikoriko tamin’ny Baiboly? (Hamafiso fa ilay fiangonana maharikoriko sady makadiry dia tsy fiangonana iray voafaritra tsara na fikambanana fa kosa dia teny entina mampifandray amin’ny ankapobeny ireo izay rehetra miady amin’i Kristy [jereo 1 Nefia 13:4-9; 14:10].)

  • Araka ny voalazan’ny andininy faha 27, inona no antony nanesorana ireo ampahany tsotra sy sarobidy indrindra?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 13:29 ka mandritra izany ireo mpianatra hafa dia hikaroka ny vokatry ny fanesorana ireo ampahany tsotra sy sarobidy indrindra ireo tao amin’ny Baiboly.

  • Inona no nitranga vokatry ny fanesorana ireo fampianaran’ny Tompo tsotra sy sarobidy ireo tao amin’ny Baiboly ?

  • Inona no porofo hitanao eo amin’izao tontolo izao ankehitriny izay mahatonga ny “vahoaka maro izaitsizy tokoa no tafintohina” vokatry ny tsy fisian’ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny 1 Nefia 13:35–36, 38–41 ary mandritra izany kosa dia hikaroka ireo vahaolana aroson’ny Tompo mikasika io olana io ireo mpianatra ambiny.

  • Inona no ho ataon’ny Tompo mba handresena ireo olana nateraky ny fanesorana ny fahamarinana tsotra sy sarobidy tao amin’ny Baiboly?

  • Inona ireo “boky hafa” izay navoakan’ny Tompo ho toy ny ampahany amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ho fanampin’ny Bokin’i Môrmôna? (Amporisiho ireo mpianatra hanisy fanamarihana ao amin’ny sorata masin’izy ireo fa ireo “boky hafa” dia metyahitana ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ny Voahangy Lafo Vidy, ary ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy faha 40, ahoana no fomba amahan’ny Bokin’i Môrmôna sy ireo “boky hafa” ireo olana nateraky ny fanesorana ireo ampahany tsotra sy sarobidy tao amin’ny Baiboly? (Tokony ho takatry ny mpianatra izao fahamarinana manaraka izao: Ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masin’ny andro farany dia manampy hampiorina ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ary mamerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy izay nesorina tao.)

Mba hanomezana ohatra ny fanamafisan’ny Bokin’i Môrmôna ny fahatakarantsika ny fotopampianarana sy ireo fitsipika izay hita ao amin’ny Baiboly, dia zarao ity fanambarana nataon’ny Loholona Tad R. Callister, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ity:

Sary
Loholona Tad R. Callister

“Ny Baiboly dia vavolombelona iray momba an’i Jesoa Kristy ary ny Bokin’i Môrmôna dia anankiray hafa koa. Nahoana no zava-dehibe ilay vavolombelona faharoa? Mety hanampy ity ohatra manaraka ity: Firy no isan’ny tsipika mahitsy azonao atao miala avy amin’ny teboka iray eo amin’ny taratasy iray? Ny valiny dia hoe tsy manam-petra. Eritrereto mandritra ny fotoana fohy hoe izany teboka iray monja izany dia maneho ny Baiboly ary ireo tsipika mahitsy an-jatony maro avy eo amin’ ilay teboka dia maneho ny fandikana samihafa ny Baiboly ary ireo dikateny samihafa ireo dia samy maneho fiangonana iray hafa.

“Inona no mitranga anefa raha toa ka misy teboka faharoa eo amin’ izany taratasy izany izay maneho ny Bokin’i Môrmôna? Firy no isan’ny tsipika mahitsy azonao faritana eo anelanelan’ireo teboka ifantohana ireo: ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna? Iray ihany. Dikanteny iray ihany momba ireo fotopampianaran’i Kristy no afaka hisy noho ny fijoroana ho vavolombelon’ireo tenivavolombelona roa ireo.

“Averina indray fa ny Bokin’i Môrmôna dia toy ny tenivavolombelona mitondra fanamafisana sy fanazavana ary fampiraisana mikasika ireo fotopampianarana nampianarina tao amin’ny Baiboly” (“Ny Bokin’i Môrmôna—ilay boky iray avy amin’ Andriamanitra,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 75).

  • Nahoana no manan-danja ny fananana ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly miaraka ho tenivavolombelona amin’ireo fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra hijoro ho vavolombelona sy hizara ireo ohatra amin’ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna azy ireo hahatakatra kokoa ny Baiboly na hanakaikezany kokoa ny Mpamonjy.

Vakitenin’ny Mpianatra