Seminera sy Institiota
Lesona 9 ‘Katsaho aloha ny fanjakan’ Andriamanitra’


Lesona 9

“Katsaho aloha ny fanjakan’ Andriamanitra”

Fampidirana

Ny mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna Jakôba rehefa namporisika ny olony hikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra (jereo ny Jakôba 2:18) dia nanao izany tamin’ny fotoana nisian’ny olana goavana teo amin’ny fanaovana fahotana sy ny fieboeboana, ny fitiavan-karena, ary ny fitondran-tena maloto. Ireo fahotana ireo dia loza manambana amin’ny firaisan-kina sy ny fivoaran’ny fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany. Ny hoe mikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra dia ny fametrahana ho lohalaharana ny fiainana ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika. Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hanolotena sy hahafoy ny ota ary hikaroka kokoa ny fanjakan’ Andriamanitra.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Dieter F. Uchtdorf, “Ny fieboeboana sy ny fisoronana,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 55-58.

  • “Thou Shalt Have No Other Gods before Me,” chapitre 14 ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Eglise: Spencer W. Kimball (2006), 145-53.

  • “Ny didy lehibe indrindra—Tiavo ny Tompo,” toko 1 ao amin’ny Enseignements des présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson (2014), 37-45.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 7:14–16, 19, 21–24

Mampianatra ny fomba hanarahana ny lalàna mitondra mankany amn’ny fanjakan’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna

Asao ireo mpianatra mba handinika ireo zavatra izay ilay jerena matetika mba hihazonana ny toe-batana mba ho tomombana tsara (ohatra, ny fijerena ny menaky ny maotera na ny vatoaratra mpamantatra ny setroka, na ny fanaovana fizaham-pahasalamana amin’ny mpitsabo na mpitsabo nify).

  • Inona avy ireo tombontsoa azo avy amin’ny fijerena izany matetika? (Afaka mamaha ireo olana sy miala amin’ireo olana sy loza amin’ny ho avy koa isika.)

Hazavao fa isika koa dia mila mamerina mjery tsy tapaka ireo fepetran’ny fiainantsika ara-panahy mba hanombanana ny fahalementsika sy hisorohana loza.

Lazao ireo mpianatra fa tamin’i Almà zanany mpisorona avo dia namangy ireo olon’ny Fiangonana tao Gideôna izy ary nandrisika azy ireo mba hanombana ny toetoetr’izy ireo ara-panahy. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 7:19 ary hikaroka ny toetoetra ara-panahin’ireo vahoaka tao Gideôna.

  • Ahoana ny namaritan’i Almà ny toetoetra ara-panahin’ny vahoakan’i Gideôna: (Ilay vahoaka dia “mby amin’ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.”)

Hazavao fa ny “fanjakan’ Andriamanitra” dia manana dikan’ny roa farafahakeliny—ny iray eto an-tany ary ny iray any an-danitra. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie (1915-85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ao amin’ny Almà 7:19 ny “fanjakan’ Andriamanitra” eto dia iresahana ny fanjakana selestialy:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny rafitra misy azy ankehitriny no fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. … Ao amin’ireo tontolo mandrakizay, dia ny fanjakana selestialy no fanjakan’ Andriamanitra. … Ny filazantsara dia natao hanomanana ny olona ho amin’ny fandovana ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra” (Mormon Doctrine, 2ème ed. [1966], 415–17.)

Asao ireo mpianatra hamaky ny Almà 7:14–16 ary hitady ny zavatra nampianarin’i Almà mba ho ataon’ny olony mba handovana ny fiainana mandrakizay.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nanasa ny vahoaka hibebaka i Almà na dia efa teo amin’ny lalan’ny fahamarinana aza izy ireo? (Ny vahoakan’i Gideôna dia mila mijanona eo amin’ny lalan’ny fahamarinana).

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Almà 7:21-24. Asao ireo mpianatra hikaroka ireo asa atao sy toetra izay afaka hanampy antsika handovana ny fanjakan’ Andriamanitra.

  • Inona no ilaintsika atao sy ananana mba hanarahana ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra? (Fintino ireo valintenin’ny mpianatra amin’ny fanoratana ny fitsipika manaraka izao eny amin’ny solaitrabe: Amin’ny alalan’ny fiainana ireo fitsipiky ny filazantsara dia manaraka ny lalana mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra isika.)

Asao ireo mpianatra mba handinika ny fomba anampian’ny asa ataon’izy ireo azy ireo ho tonga bebe kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy sy hivoatra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Asao izy ireo hisaintsaina ny fivoarana izay ataon’izy ireo amin’izao fotoana izao.

1 Nefia 10:21; 2 Nefia 9:39; Jakôba 2:12–14, 20–28; 3:10–12; Môsià 2:20–25; 4:13, 21–26; 3 Nefia 12:27–30

Ny fitiavan-karena, ny fieboeboana, ary ny fahalotoam-pitondrantena dia manakana antsika tsy hikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra

Hazavao fa manerana ny Bokin’i Môrmôna dia mampitandrina ny olona amin’ny ota ireo mpaminanin’ Andriamanitra. Ohatra, i Jakôba dia nodidian’ny Tompo mba hanafay ny vahoakany noho ny ota izay “fahavetavetana eo anoloan’ANdriamanitra” (Jakôba 2:5).

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Jakôba 2:12–14, Jakôba 2:20–21, and Jakôba 2:23–28. Asao ireo mpianatra mba hanopy maso ireo andalana ireo entina hikarohana ireo ota manokana izay nolazain’i Jakôba. Asaivo manisy marika ireo teny na andianteny izay mamaritra ireo ota ireo ny mpianatra. Rehefa avy nanome fotoana ampy ho an’ireo mpianatra, dia asao izy ireo hizara ireo ota noresahan’i Jakôba isaky ny andalana. Soraty tsirairay eo amin’ny solaitrabe toy izao manaraka izao ireo fahotana hitan’izy ireo avy amin’ireo andinin-tsoratra masina voalaza etsy ambony:

Fitiavan-karena

Fieboeboana

Fahalotoam-pitondrantena

Jakôba 2:12–14

Jakôba 2:20--21

Jakôba 2:23–28

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakôba 3:10–12 ary asao kosa ireo mpianatra ambiny hikaroka ireo teny na andianteny izay nampiasain’i Jakôba hanehoana ny mahaloza goavana ny fahotan’ireo vahoaka.

  • Inona ireo teny na andian-teny izay maneho ny maha-loza goavana ny fahotan’ireo vahoaka?

  • Nampiasain’i Jakôba ny andianteny hoe “ny vokatra mahatsiravin’ny” fahotana (andininy faha 12). Asaivo ampifandraisin’ireo mpianatra ny Jakôba 3:12 amin’ny 2 Nefia 9:39 sy 1 Nefia 10:21. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo andininy tsirairay ireo. Asao ny iray kilasy mba hikaroka ny voka-dratsy fanampin’ny fahotana. Asao ireo mpianatra mba hikaroka fahamarinana iray avy amin’ireo andalana mikasika ny fomba ahafahan’ny fahotana toy ny fieboeboana, ny fahalotoam-pitondrantena, ary ny fitiavan-karena hisy fiatrainkany eo amin’ny olona iray izay mikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra. (Tokony hahita fahamarinana iray toy ity manaraka ity ireo mpianatra: Ny fahotana dia mitarika any amin’ny fahafatesana ara-panahy ary manakana antsika amin’ny fidirana ny fanjakan’ Andriamanitra.

Soraty eny amin’ny solaitrabe koa ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

Fitiavan-karena

Fieboeboana

Fahalotoam-pitondrantena

Jakôba 2:12–14

Môsià 4:13, 21–26

Jakôba 2:20--21

Môsià 2:20–25

Jakôba 2:23–28

3 Nefia 12:27–30

Asao ireo mpianatra mba hifidy sy hamaky iray amin’ireo andalana ireo. Asao izy ireo hitady ireo fomba hialany amin’ny otan’ny fitiavan-karena, ny fieboeboana, ary ny fahalotoam-pitondrantena. Rehefa avy nanome fotoana ampy ireo mpianatra dia asao izy ireo hizara izay zavatra hitany.

  • Ahoana no mety hanampian’ity torohevitra manaraka ity izay ao amin’ireo andalana ireo ny mpikamban’ny Fiangonana iray hikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra ary hampahatanjaka ny Fiangonan’ny Tompo ety an-tany?

Matio 6:33; Jakôba 2:17–19

Tokony hikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra ambonin’ireo zavatra mahaliana hafa isika

Hazavao fa ankoatra ny fampitandremana ny vahoakany mikasika ny fitiavan-karena, ny fieboeboana, ary ny fahalotoam-pitondrantena, dia nanome torohevitra azy ireo mba handreseny ny fanirian-dratsin’izy ireo koa i Jakôba. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakôba 2:17-19 ary ireo hafa kosa hikaroka ny torohevitra izay nomen’i Jakôba.

  • Inona no afaka ianarantsika avy amin’ny torohevitr’i Jakôba izay afaka hanampy antsika hiala ny fahotana? (Tokony hanome valinteny toy izao manaraka izao ny mpianatra: Andriamanitra dia nandidy antsika hikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra ambonin’ny zavatra hafa mahaliana antsika rehetra.)

  • Midika inona aminao ny hoe mikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra aloha?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity (1899–1994), ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Rehefa mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana isika dia mizotra araka ny tokony ho izy ireo zavatra hafa rehetra na koa miala tsy ho ao anatin’ny fiainantsika. Ny fitiavantsika ny Tompo no hitantana ireo zavatra tiantsika, ny zavatra ampiasantsika ny fotoantsika, ny zavatra safidiantsika ho atao, ary ny fahaizantsika mandahatra ny zavatra ataontsika araka ny laharam-pahamehana” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson [2014], 40).

  • Inona ireo ohatra sasantsasany amin’ireo zavatra izay “mizotra araka ny tokony ho izy na miala tsy ho ao amin’ny fiainantsika” rehefa mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana isika?

  • Inona no ohatra amin’ny zavatra iray izay mizotra araka ny tokony ho izy na niala teo amin’ny fiainanao rehefa nametraka ny Ray any An-danitra sy ny fanjakany ho lohalaharana eo amin’ny fiainanao ianao?

  • Inona no fiantraikan’ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amintsika rehefa alaim-panahy amin’ny fieboeboana, ny fitiavan-karena, ny fahalotoam-pitondrantena, na ireo ota hafa isika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 6:33. Lazao ny mpianatra fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia mivaky toy izao manaraka izao: “Aza mikatsaka ny zavatr’izao tontolo izao fa katsaho aloha ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny hampitoetra ny fahamarinany, dia hanampy anao ireo zavatra rehetra ireo” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 6:33 [ao amin’ny Matio 6:33, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy a]).

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“‘Katsaho … aloha ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra’ dia midika fametrahana aloha ny laharam-pahamehana amin’ Andriamanitra sy ny asany. Ny asan’ Andriamanitra dia ny fanatanterahana ny fiainana mandrakizain’ny zanany (jereo ny Mosesy 1:39), sy ny zavatra rehetra izay mifandraika amin’izany. … Ny zavatra hafa rehetra dia laharam-pahamehana ambany kokoa. … Toy ny nolazain’ny olona iray hoe rehefa tsy misafidy ny fanjakan’ Andriamanitra aloha isika dia ho kely ihany ny zavatra hoentin’ilay zavatra nosafidiantsika ho solon’izany rehefa atambatra amin’ny farany” (“Focus and Priorities,” Ensign, mey 2001, 83–84).

  • Inona avy ireo fomba afaka ataon’ny olon-dehibe vao herotrerony iray izaympikamban’ny Fiangonana “hanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra”?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Amin’ny fisafidianana ny ho ao amin’ny fanjakan’ [Andriamanitra, dia manasaraka ny tenantsika—fa tsy hoe hitoka-monina—amin’ny fomban’izao tontolo izao isika. Ho maotina ny fiakanjontsika, ho madio ny eritreritritsika ary ho mendrika ny fitenintsika. Ireo horonantsary sy fahitalavitra izay jerentsika, ny mozika izay henointsika, ny boky, ny gazetiboky, ary ny gazety izay vakiantsika dia tokony ho mitondra soa. Hifidy ny namantsika izay mandrisika antsika amin’ny tanjona mandrakizay isika ary hitondra ny hafa amin’ny hatsaram-panahy. Tsy ho tiantsika ireo fahazaran-dratsin’ny fahalotoam-pitondrantena, filokana, sigara, toaka ary ireo zava-maha--domelina tsy ara-dalàna. Ireo hetsika fanaontsika Alahady dia ho taratry ny didin’ Andriamanitra mba hahatsiarovana ny andro Sabata sy hitandremana izany ho masina. Hanaraka ny ohatra nomen’i Jesoa Kristy isika amin’ny fomba fifandraisantsika amin’ny hafa. Miaina isika mba ho mendrika ny hiditra ny tranon’ny Tompo” (“The Covenant of Baptism: To Be in the Kingdom and of the Kingdom,” Ensign, nôv. 2000, 8).

  • Ahoana no ahafahan’ny fikatsahana ny fanjakan’ Andriamanitra hitaona amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitaoman’ny fikatsahana ny fanjakan’ Andriamanitra ny fiainanao na ny fiainan’ny olona ao amin’ny fianakavianao na olom-pantatra iray?

Amporisiho ireo mpianatra mba hisaintsaina izay mety ho azony atao mba hanohizana ny fikatsahana ny fanjakan’ Andriamanitra. Amporisiho izy ireo hihaino ny bitsiky ny Fanahy ary hanoratra izay kasain’izy ireo atao. Mijoroa ho vavolombelona amin’ireo fitahiana izay tonga avy tamin’ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainanao.

Vakitenin’ny Mpianatra