Seminera sy Institiota
Lesona 23: Ny fielezana sy fanangonana an’Isiraely


Lesona 23

Ny fielezana sy fanangonana an’Isiraely

Fampidirana

Nampiely ny mpianakavin’Isiraely ny Tompo satria nanamafy ny fony taminy izy ireo, kanefa nampanantena Izy fa hangoninna izy ireo amin’ny andro farany. Naneho mazava ireo faminanian’ny Bokin’i Môrmôna fa efa nanomboka ny fanangonana ilay nampanantenaina hatrizay. Manana andraikitra hitahy ireo fianakaviana eto an-tany ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fitoriana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Russell M. Nelson, “Ny fanangonana ny mpianakavy niely patran’i Isiraely,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 79-82.

  • C. Scott Grow, “Ny Bokin’i Môrmôna, ilay fitaovana fanangonana ny mpianakavy niely patran’i Isiraely,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 33–35.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 22:3–5; 2 Nefia 25:15–17; 3 Nefia 5:24–26; 20:13, 29–31; 30:2

Ny fielezana sy fanangonana ny mpianakavin’Isiraely

Manasà mpianatra iray izay niova fo tato am-piangonana na nanampy olona hafa ho tonga mpikamban’ny Fiangonana hizara ny traikefa nananany. Amporisiho hieritreritra olom-pantatra izay mety hanaiky hihaino ny hafatry ny filazantsara ireo mpianatra. Asaivo mikaroka ireo fahamarinan’ny filazantsara ireo mpianatra mandritra ity lesona anio ity izay afaka mamporisika sy manampy azy ireo amin’ny ezaka ataony hizara ny filazantsara amin’ny hafa.

Asao hamaky ny 1 Nefia 22:3–5 ireo mpianatra hahitany ny zavatra naminanian’i Nefia mikasika ny mpianakavin’Isiraely.

  • Inona no tiana lazaina amin’ny hoe “niely patrana” ny mpianakavin’Isiraely?

Hazavao fa lohahevitra manan-danja amin’i Nefia ny fielezan’ny mpianakavin’Isiraely satria tafiditra tanatin’izany fielezana izany ny fianakaviany. Niely nankany Amerika avy any Jerosalema izy ireo vokatry ny faharatsian’ny vahoaka tao amin’ny tanin’i Joda.

Lazao ireo mpianatra fa maro amin’ireo faminanian’ny Bokin’i Môrmôna no ahitana fanomezan-toky fa hangonina indray ny mpianakavin’Isiraely amin’ny andro farany. Adikao eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ary angataho ny mpianatra tsirairay hamaky farafahakeliny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina. Ataovy izay hahavoazara ny andinin-tsoratra masina tsirairay mba hovakin’ny mpianatra. Asaivo karohin’ireo mpianatra ny zavatra ilain’ny olona ianarana sy atao mba hahavoahangona azy ireo miaraka amin’ny mpianakavin’Isiraely.

2 Nefia 25:15--17

3 Nefia 5:24--26

3 Nefia 20:13, 29–31

3 Nefia 30:2

  • Inona ireo zavatra sasantsasany ilain’ireo olona ianarana sy atao mba hahafahany ho voahangona miaraka amin’ny mpianakavin’Isiraely? (Mety ho maro ireo fahamarinana hitan’ny mpianatra, isan’izany ito manaraka ito: Manangona ireo mpikambana ao amin’ny mpianakavin’Isiraely ny Tompo rehefa mino Azy sy mibebaka ary manatona Azy izy ireo.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ity fahamarinana ity dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Nahoana i Isiraely no naely patrana? Mazava ny valiny, tsotra izany, ary tsy misy ahiahy ny amin’izany. Naely patrana ireo Israelita razantsika satria nandà ny filazantsara izy ireo, nandoto ny fisoronana, nandà ny fiangonana, ary niala tao amin’ny fanjakana. …

“Inona avy ary izany no tafiditra ao anatin’ny fampodiana an’i Isiraely? Ny fampodiana an’i Isiraely dia ny mino sy manaiky ary miaina tsy misy fanoherana ireo zavatra rehetra nomen’ny Tompo ireo vahoaka voafidiny fahiny tany aloha tany. … Izany dia ny finoana ny filazantsara sy ny fidirana ho mpikamban’ny Fiangonana ary ny miditra ao amin’ny fanjakana. … Mety ho ny fanangonana eo amin’ny toerana iray voatendry na tany hiderana an’ Andriamanitra ihany koa izany” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 515).

  • Inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray mba hahavoahangona azy hiaraka amin’ny mpianakavin’Isiraely, araka ny voalazan’ny Loholona McConkie?

Asao misaintsaina ny fomba maha-voahangona azy ireo ao amin’ny mpianakavin’Isiraely ireo mpianatra noho ny finoany ny Mpamonjy, fibebahany ary fanatonany Azy.

1 Nefia 15:12–16; 22:8–12

Hitondra ny filazantsara amin’ny fianakaviana eto an-tany ireo mpikamban’ny Fiangonana, amin’ny andro farany.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nampiasa fanoharana momba ny hazo oliva i Lehia mba hampianarana ny fianakaviana mikasika ny fielezana sy fanangonana an’Isiraely (jereo ny 1 Nefia 10:12–14). Nilaza tamin’i Nefia i Lamana sy i Lemoela fa tsy afaka ny hahatakatra ny dikan’ny fampianaran’ny rainy izy ireo (jereo ny 1 Nefia 15:7).

Angataho ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 1 Nefia 15:12–16. Asao hikaroka ny zavatra azon’izy ireo ianarana avy amin’ny fanazavan’i Nefia momba ny mpianakavin’Isiraely ireo mpianatra.

  • Ahoana no hanampian’ny fanoharana momba ny hazo oliva antsika hahatakatra ny fielezana sy fanangonana an’Isiraely?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 13, iza no hitondra ny fahafenoan’ny filazantsara amin’ireo taranak’i Lehia tavela? (Ireo Jentilisa izay nandray ny fahafenoan’ny filazantsara.)

Hazavao amin’ireo mpianatra fa ny teny hoe Jentilisa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mazàna hiresahana ireo izay tsy avy amin’ny fokon’i Joda na avy amin’ny tanin’i Joda. Ny Bokin’i Môrmôna dia mitahiry faminaniana izay milaza fa handray ny fahafenoan’ny filazantsara ireo Jentilisa amin’ny andro farany (jereo ny 1 Nefia 15:13) ary ho tonga mpikamban’ny Fiangonana. Mampianatra ireo mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna fa hanana anjara andraikitra hitondra ny filazantsara amin’ny vazan-tany rehetra ireo Jentilisa ireo.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny famaritana ny teny Jentilisa dia asehoy sy vakio ity fanazavana manaraka avy amin’ny Loholona Bruce R. McConkie ity:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Hatreto ny fahafantarantsika ny Jiosy dia sady [ireo izay miaina ao] amin’ny fanjakan’i Joda ary ireo taranaka misy rohy mivantana aminy. … Ary araka ny voalazantsika, voakasiky ny fampiasana izany fiantsoana izany, fa ny olona hafa dia Jentilisa, anatin’izany ireo very sy niely patrana avy amin’ny taranaky ny fanjakan’i Isiraely. … Noho izany i Joseph Smith, avy amin’ny fokon’i Efraima, … dia ilay Jentilisa izay tamin’ny alalan’ny tanany no nivoahan’ny Bokin’i Môrmôna, ary ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany … no ireo Jentilisa izay mitondra ny famonjena amin’ny Lamanita sy ny Jiosy” (The Millennial Messiah [1982], 233).

Asaivo mifandimby hamaky ny 1 Nefia 22:8–12 ny mpianatra maromaro ary ireo ambiny kosa hamantatra ireo olona izay hotahiana sy hovoafahana amin’ny alalan’ny Jentilisa (mpikamban’ny Fiangonana) amin’ny andro farany. Mandritra ny famakian’ny mpianatra izany dia mety hanampy ny manazava fa ilay andianteny “mampihanjaka ny sandriny eo imason’ ny firenena” ao amin’ny andininy 10–11 dia miresaka ny fanehoan’ny Tompo ny heriny manerana an’izao tontolo izao.

  • Iza ireo hotahiana sy hovoafahana amin’ny alalan’ireo Jentilisa amin’ny andro farany? (Ny taranak’i Lehia, ny mpianakavin’i Isiraely rehetra, ary “ny foko rehetra ambonin’ny tany.”)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 9–11, ahoana no hitahian’ny Tompo ny “foko” (fianakaviana) eto an-tany amin’ny andro farany? (Ampio ny mpianatra mba hahita ity fahamarinana manaraka ity: Amin’ny andro farany, ny Tompo dia hiasa amin’ny alalan’ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hitahiana ireo fianakaviana eto an-tany amin’ny filazantsarany sy ny fanekempihavanany.)

Asehoy ity teny manaraka ity izay nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Andraikitsika ny manao izay ahatanteraka ny fanekempihavanan’i Abrahama. Ny taranatsika no ireo taranaka voatendry mialoha sy nomanina mba hitahy ny olona rehetra maneran-tany. … Rehefa vita ny 4.000 taona nitsinjovana sy nanomanana, dia izao ilay fotoana voatondro hitondrana ny filazantsara amin’ny olona rehetra maneran-tany. Izao no fotoanan’ ilay fanangonana an’ i Isiraely efa nampanantenaina. Ary dia mila mandray anjara isika! Tsy mampientanentana ve izany? Ny Tompo dia miantehitra amintsika sy amin’ireo zanakalahintsika—ary tena velom-pankasitrahana lalina Izy amin’ireo zanakavavintsika—izay manompo am-pahamendrehana manao asa fitoriana amin’izao fotoana lehibe fanangonana an’i Isiraely izao” (“Fanekempihavanana,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 88).

  • Araka ny eritreritrao, ho toy ny ahoana ny zavatra tsapan’ireo nangonina (mpikambana vaovao) mikasika ireo izay nanangona azy ireo (ireo izay nizara ny filazantsara tamin’izy ireo)?

  • Inona ireo fomba sasantsasany izay afaka handraisantsika anjara amin’ny asan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitoriana ny filazantsara amin’ireo fianakaviana eto an-tany?

3 Nefia 16:4–5; 21:1–7

Ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fanangonana an’i Isiraely

Asao hamaky am-pahanginana ny 3 Nefia 21:1–7 ireo mpianatra ary hikaroka ny famantarana izay mampilaza ny fiatombohan’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany.

  • Niresaka momba “[ireo] zavatra izay homeko anareo” (andininy 2) ny Mpamonjy. Aiza no horaketina ireo Teniny tamin’ny Nefita? (Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.)

  • Inona no famantarana izay mampilaza ny fiatombohan’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany? (Tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia famantarana fa manatontosa ny fanekempihavany amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany Andriamanitra.)

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny 3 Nefia 16:4–5 ary asao ny mpianatra ambiny hikaroka ny vokatra nentin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny hafatry ny filazantsara amin’ny andro farany.

  • Ahoana no hanampian’ny Bokin’i Môrmôna hanatanteraka ny fanangonan’ Andriamanitra ny olona amin’ny andro farany? (Iray amin’ireo fahamarinana mety ho hitan’ireo mpianatra ity manaraka ity: Manampy ny olona hanana fahalalana ny Mpanavotra mba hahafahan’izy ireo ho voahangona ao Aminy ny Bokin’i Môrmôna.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity: Asaivo mihaino ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fanangonana an’i Isiraely ireo mpianatra.

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia famantarana iray ho an’izao tontolo izao manontolo fa manomboka manangona an’i Isiraely ny Tompo ary manatontosa ny fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama, Isaka ary Jakôba. Tsy mampianatra fotsiny izany fotopampianarana izany isika fa mandray anjara koa amin’izany koa. Manao izany isika rehefa manampy amin’ny fanangonana ireo voafinidin’ny Tompo amin’ny lafiny roan’ny voaly.

“Ny Bokin’i Môrmôna no eo anivon’ity asa ity. Manambara ny fotopampianaran’ny fanangonana izy io. Izy io dia mahatonga ny olona hianatra momba an’i Jesoa Kristy sy hino ny filazantsarany ary hikambana ao amin’ny Fiangonany. Raha ny tena marina, raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna, dia tsy ho nitranga ny fanangonana an’i Isiraely izay efa nampanantenaina” (“The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 80).

Asaivo mizara izay traikefa nananany tamin’ny fahitana ny fanampian’ny Bokin’i Môrmôna ny hafa hianatra mikasika an’i Jesoa Kristy sy ho voahangona ao amin’ny Fiangonana ireo mpianatra.

Ametraho fanamby hanampy amin’ny dingan’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny fizarana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona izay tsy miray finoana amintsika ireo mpianatra.

Vakitenin’ny Mpianatra