Seminera sy Institiota
Lesona 2 Mampandry sofina amin’ny tenin’ireo mpaminany


Lesona 2

Mampandry sofina amin’ny tenin’ireo mpaminany

Fampidirana

Miantso ireo mpaminany i Andriamanitra mba hijoro ho vavolombelona an’i Jesoa Kristy, hanambara fibebahana, ary hanasa ny rehetra mba hanatona ny Mpamonjy. Mampianatra ny Bokin’i Môrmôna fa ireo izay mapandry ny sofiny amin’ireo mpaminany dia ho voatahy, ary miaina fanenenana sy alahelo kosa ireo izay manohitra azy ireo.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 1:4–15, 18; Mosià 11:20–25; 13:33–35

Ny andraikitr’ireo mpaminany

Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Ahoana no mampiavaka ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ireo finoana hafa ny finoantsika ny mpaminany velona iray?

  • Nahoana ireo mpaminany no ilaina ankehitriny toy ny nilàna azy ireo tamin’ireo vanim-potoana hafa teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao?

Asao ny mpianatra maromaro mba hifandimby hamaky mafy ny 1 Nefia 1:4-15, 18 ary ireo hafa kosa hanaraka ny famakiana sy hikaroka ny fomba niantsoana sy nanomanana an’i Lehia ho tonga mpaminany.

  • Inona no zavatra niainan’i Lehia ka nanomana azy ho tonga mpaminany? (Nandray tenivavolombelona an’i Jesoa Kristy izy ary nahita mialoha ny fandringanana ny olon-dratsy sy ny famindrampo maimaim-poana ho an’ireo izay tena manatona an’ Andriamanitra.)

  • Nahoana ny olona tao Jerosalema no nila mpaminany toa an’i Lehia? (Ataovy izay hahazoana antoka fa hitan’ireo mpianatra izao fahamarinana manaraka izao eo am-pamaliana izany fanontaniana izany: Miantso ny mpaminany Andriamanitra ary manambara ny sitrapony amin’ny alalan’izy ireo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka izay nolazain’ny Filoha John Taylor (1808-87) ity:

Sary
Filoha John Taylor

“Mila hazo velona isika—mila loharano velona—mila faharanitan-tsaina velona, avy amin’ilay fisoronana velona avy any an-danitra, amin’ny alalan’ny fisoronana velona ety an-tany. … Ary tamin’ny fotoana taloha izay nifandraisan’i Adama tamin’ Andriamanitra, hatramin’ny fotoana izay nandraisan’i Jaona ny fanambarany teo amin’ny nosin’i Patmôsy, na ny fisokafan’ny lanitra teo alohan’i Joseph Smith, dia nila fanambarana vaovao foana isika izay mifanaraka amin’ny toe-javatra manokana izay nisy ny fiangonana na ny olona.

“Ny fanambarana noraisin’i Adama dia tsy nanampy an’i Noà tamin’ny fanamboarany ny sambofiarany; ary ny fanambarana nomena an’i Noà koa dia tsy nilaza tamin’i Lota mba handao an’i Sôdôma; na nanampy ny zanak’isiraely koa handao an’i Egypta. Ireo olona ireo dia nahazo fanambarana ho an’izy ireo manokana, toa ny noraisin’i Isaia, Jeremia, Ezekiela, Jesoa, Petera, Paoly, Jaona ary i Josefa. Ary tsy maintsy ho toy izany koa ny antsika” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: John Taylor [2001], 158).

  • Nahoana no manan-danja ny mahafantatra fa ny Tompo dia manohy manambara ny sitrapony amin’ireo mpaminany velona ankehitriny?

  • Ahoana no ahafahan’ny fandalinana ny andraikitry ny mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hanampy antsika amin’izao androtsika izao?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

Mosià 11:20–25

Mosià 13:33--35

Hazavao fa na dia manambara ireo hafatra mifandraika amin’ny fotoanany aza ireo mpaminany dia misy koa ireo hafatra izay hambaran’ireo mpaminany rehetra. Asao ireo mpianatra hamantatra ny hafatra toy izany mandritra ny famakian’izy ireo mangina ireo andalana eo amin’ny solaitrabe. Asao ireo mpianatra hanisy marika ao amin’ny soratra masin’izy ireo ny hafatra fototra izay hambaran’ny mpaminany Abinadia amin’ireo andalana tsirairay. (Fanamarihana: Ny fanisiana marika ny soratra masina dia fahaizana mandalina ny soratra masina izay azonao dinihina ny fampianarana azy mandritra ny lesona.)

Asaivo mizara ny zavatra hitany ireo mpianatra ary hamintina ny zavatra hitany amin’ny alalan’ny fanantitranterana ny fotopampianarana: Ireo mpaminanin’ Andriamanitra dia manambara fibebahana sy mijoro ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy.

Hevero ny hanasana ireo mpianatra haka minitra vitsivitsy mba hijery ohatra mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna nanambara fibebahana na nijoro ho vavolombelona an’i Jesoa Kristy. (Ohatra amin’ireo nanambara fibebahana i Isaia ao amin’ny 2 Nefia 16:9-11; i Jakôba ao amin’ny Jakôba 2-3; i Abinadia ao amin’ny Mosià 11-12; i Samoela ao amin’ny Helamàna 13-16; ary i Môrmôna ao amin’ny Môrmôna 3. Ohatra amin’ireo fampianarana mikasika an’i Jesoa Kristy dia izay nozarain’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 19 sy ao amin’ny 2 Nefia 25; i Almà ao amin’ny Alma 7; ary i Môrmôna ao amin’ny Môrmôna 7.) Asao ireo mpianatra hizara ny ohatra nataon’izy ireo amin’ny iray kilasy.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tsy tapaka manambara fibebahana sy mijoro ho vavolombelona an’i Jesoa Kristy ireo mpaminany?

  • Nahoana no manampy antsika hahazo famonjena ny fihainoana ireo hafatra ireo?

Helamàna 13:24–33; 3 Nefia 8:24–25; 9:10–11

Ny fandàvana ireo mpaminanin’ Andriamanitra dia mitarika any amin’ny fanenenana

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity (1899–1994), ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Rehefa mamaky bantsilana ny fahotan’izao tontolo izao ny mpaminany, dia te hampangina ny mpaminany ireo olon’izao tontolo izao na manao toy ny hoe tsy misy akory izy ireny, fa tsy mibebaka kosa amin’ireo fahotany. Tsy ny laza mihitsy no entina hanaporofoana ny fahamarinana. … Rehefa mihamanakaiky ny fiavian’ny Tompo fanindroany dia afaka manantena ianao fa hiharatsy kokoa ny olona eto amin’izao tontolo izao ary amin’izay dia hihena ny lazan’ny mpaminany eo amin’izy ireo” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson [2014], 152).

  • Nahoana araka ny hevitrao no tsy mahomby amin’ny fampandriana sofina amin’ny tenin’ny mpaminany ny olona sasany?

Asao ny iroe mpianatra mba hikaroka amim-pahanginana ireo tenin’i Samoela mpaminany ao amin’ny Helamàna 13:24-29 ary hijery ireo antony nandavan’ny tsirairay ireo fampitandremana nataon’ny mpaminany. Azonao atao ny mamporisika indray ireo mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.

  • Araka ny voalazan’i Samoela, nahoana no nandà ireo mpaminanin’ Andriamanitra ny Nefita?

  • Na dia tsy meloka noho ny fanarabirabiana na famonoana ireo mpaminany aza isika, dia ahoana no ahafahan’ireo andininy ireo ho tonga fampitandremana ho antsika amin’izao fotoana izao?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 13:30–33 ary mandritra izany kosa ny iray kilasy dia hitady ireo zavatra izay naminanian’i Samoela ilay Lamanita, hitranga amin’ireo izay nandà ny tenin’ny mpaminany. Avy eo dia asao ireo mpianatra mba hamaky ny fahatanterahan’zany faminaniana izany ao amin’ny 3 Nefia 8:24-25; 9:10-11.

  • Inona no fahamarinana azontsika fintinina avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Tokony hahita izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Raha mandà ny tenin’ireo mpaminanin’ny Tompo isika dia hiaina nenina sy alahelo. [Jereo koa 3 Nefia 28:34.])

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ireto teny manaraka nolazain’ny Filoha Ezra Taft Benson ireto:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Raha te ahafantatra ny toerana misy antsika manoloana ny Tompo isika dia handeha saintsainintsika ny toerana ijoroantsika amin’ny kapiteniny eto amin’ity fiainana an-tany ity—moa ve ny fiainantsika mirindra manaraka ireo voahosotry ny Tompo—ilay mpaminany velona—Filohan’ny Fiangonana, sy ny Kôlejin’ny Fiadidiana Voalohany” Fampianarana: Ezra Taft Benson, 150).

“Ny fihetsika asetrintsika amin’ireo tenin’ny mpaminany velona rehefa milaza amintsika izay tokony hataontsika izy, saingy tsy tiantsika henoina, dia fomba iray hitsapana ny fahatokiantsika” (Fampianarana: Ezra Taft Benson, 152).

  • Ahoana no anampian’ireo fanambarana nataon’ny Filoha Benson ireo anao ho mazoto kokoa amin’ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany velona?

  • Inona ireo hafatra mifono faminaniana izay sokajianao ho anisan’ny tena manan-danja indrindra ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

Môsià 15:10–13; 3 Nefia 10:12; 12:1–2; Etera 7:23–27

Ny fanarahana dia ny mpaminanin’ Andriamanitra dia mitondra fitahiana

Teneno ireo mpianatra fa ny mpaminany Abinadia dia nampianatra an’ny Mpanjaka Noà sy ireo mpisorony ratsy fanahy mikasika ny maha-manan-danja ny fampandriana sofina amin’ny tenin’ireo mpaminany. Asao ny mpianatra iray mba hamaky ny Môsià 15:10–13 ary mandritra izany kosa ny iray kilasy dia hamintina ireo andininy ho azo ambara ao anatin’ny fitsipika iray.

  • Ahoana no hanehoanao ireo tenin’i Abinadia ho lasa filazana manambara fitsipika iray? (Afaka hamintina ity andalana ity toy izao manaraka izao ireo mpianatra: Ireo izay mihaino ny tenin’ireo mpaminany, mino an’i Jesoa Kristy sy ny hery fanavotany, ary mibebaka amin’ireo ota dia ho mpandova ny fanjakan’ Andriamanitra.)

Asao ireo mpianatra hieritreritra ary hizara ireo ohatra avy amin’ny Bokin’i Môrmôna mikasika olona tsirairay na vondron’olona mahatoky ka voatahy noho ny fampandrian’izy ireo sofina tamin’ny tenin’ireo mpaminany. Mety hahitana izao manaraka izao ny sasany amin’ireo ohatra: Ny fianakavian’i Lehia dia afaka tamin’ny fandravana noho ny fanarahan’izy ireo ny torohevitra ny handao an’i Jerosalema (2 Nefia 1:4). I Almà zokiny dia nihaino ireo tenin’i Abinadia ary nanana fahafahana nampianatra olona maro (Môsià 17:1–4; 18:1–3). Ny miaramialn’ny Kapiteny Môrônia dia nianatra ny fomba atao mba hiarovan’izy ireo ny tenany amin’ireo Lamanita tamin’ny alalan’ny fanarahan’izy ireo ny torohevitr’i Almà (Almà 43:23–24).

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao soratra masina manaraka izao (tsy anisan’izany ireo fitsipika nasongadina):

3 Nefia 10:12 (Ny fiarovana dia tonga amin’ny fanarahana ny mpaminanin’ Andriamanitra.)

3 Nefia 12:1–2 (Ireo mpaminany dia mampianatra antsika ny fomba handraisantsika famelana amin’ireo ny helotsika.)

Etera 7:23–27 (Rehefa manaraka ny torohevitr’ireo mpaminany sy mahatsiaro ny Tompo isika dia hitahy antsika Izy arakaraka ny filàntsika.)

Hampamakio iray amin’ireo andalana eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra ary hamintina izay novakiany ho azo ambara anaty fitsipika iray. Mandritra ny fizaran’ireo mpianatra izany fitsipika izany dia azonao soratana eo akaikin’ny andalana tsirairay ireo fitsipika naroson’izy ireo.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa ireo fitahiana fanampiny dia tonga amin’ny alalan’ny fanarahana ny mpaminany, dia asehoy ity teny nolazain’ny Loholona M. Russel Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Zava-dehibe ry rahalahiko sy anabaviko ny manana mpaminanin’ Andriamanitra eo anivontsika. Fitahiana lehibe sy mahatalanjona no tonga eo amin’ny fiainantsika rehefa mihaino ny tenin’ny Tompo izay omeny antsika amin’ny alalan’ny mpaminany isika. … Tokony ho eny sy eo no eo ny valintenintsika rehefa maheno ny torohevitry ny Tompo izay ambarany amin’ny alalan’ny tenin’ny Filohan’ny Fiangonana isika. Ny tantara dia naneho fa misy fiarovana, fiadanana, firoboroboana, ary fahasambarana avy amin’ny fanatanterahana ny torohevitry ny mpaminany” (“His Word Ye Shall Receive,” Ensign, mey 2001, 65).

  • Oviana ianao no notahiana tamin’ny fanatanterahanao tsy nisy fikomiana sy teo no eo ny torohevitra mifono faminaniana?

  • Eo am-piatrehanao ny hoavy, nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny fananana mpaminany eto an-tany?

Omeo fanamby ireo mpianatra mba hisaintsaina raha toa ka mampiseho ny faniriany hanaraka amim-pahatokisana ireo mpaminanin’ Andriamanitra ny fihetsik’izy ireo manokana. Asao izy ireo handinika ny zavatra ilan’izy ireo hovaina eo amin’ny fiainany mba hahazoany feno ireo fitahiana izay nampanantenaina ho an’ireo izay mahatoky.

Vakitenin’ny Mpianatra