Seminera sy Institiota
Lesona 16: Fibebahana sy famelan-keloka


Lesona 16

Fibebahana sy famelan-keloka

Fampidirana

Mba hahafahana ho voadio amin’ny fahotana dia tsy maintsy mampihatra ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ho amin’ny fibebahana isika. Afaka mandray ny famelan-keloka amin’ireo fahontantsika isika, izay hitondra fifaliana sy fiadanana eo amin’ny fanahintsika, rehefa mibebaka amin-kitsimpo. Hihazona izany famelan-keloka izany mandritra ny fiainantsika manontolo isika raha toa ka mitandrina amim-pahatokiana ny didin’ Andriamanitra ary tia sy manompo ny hafa.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 34:15–17; 3 Nefia 9:13–14, 19–22

Mampihatra ny finoana an’i Kristy ho amin’ny fibebahana

Asaivo maka sary an-tsaina ireo mpianatra hoe nasaina hanao lahateny mikasika ny fibebahana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo izy ireo. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra mety holazain’izy ireo amin’ny mpikamban’ny Fiangonana mikasika ity fotopampianarana ity. Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Mila finoana mafy orina amin’i Kristy isika mba hahafahana mibebaka” (“Point of Safe Return,” Ensign na Liahona, mey 2007, 100).

  • Nahoana no marina izany fanambarana izany?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 34:15–17, izay mirakitra ny fampianaran’i Amioleka an’ireo Zôramita mikasika ny fibebahana. Entano ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny ary hikaroka ny zavatra nampianarin’i Amioleka fa takiana amintsika mba hahazoantsika famelana.

  • Inona no fitsipika mikasika ny fahazoana famelan-keloka izay ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity, mandritra ny famalian’ireo mpianatra izany: Mba handraisana fitahiana feno indrafon’ny famelan-keloka dia tsy maintsy mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy ho amin’ny fibebahana isika. Mariho manokana amin’ireo mpianatra fa ilay andianteny hoe “finoana ho amin’ny fibebahana” dia miverimberina inefatra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Fotoana hanantitranterana ny fahaiza-mandalina soratra masina eo amin’ny fahaiza-mikaroka ireo teny miverimberina izany.)

  • Nahoana no tsy maintsy mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy isika mba hahafahana mibebaka sy hahazo famelan-keloka? (Tsy maintsy manana finoana amin’ny sorona fahafoizan-tena nataony isika mba hahafahan’izany sorona izany hanan-kery eo amin’ny fiainantsika. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotany ihany no ahafahantsika ho voavela ka hiovantsika fo sy hahavoadio antsika amin’ireo ota [jereo ny Môsià 5:2].)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fomba anatonana ny Mpamonjy sy ibebahana dia hazavao fa taorian’ny faharavana lehibe tany Amerika izay nanambarana ny fanomboana Azy dia nampianatra ny vahoaka ny Mpamonjy fa tsy maintsy mibebaka izy ireo ary handray ny famelanèkeloka avy Aminy. Asao handalina miaraka amin’ny namana iray ny 3 Nefia 9:13–14, 19–22 ireo mpianatra ary hikaroka ireo andianteny izay mamaritra ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa tsy maintsy ataontsika mba hanatonana Azy sy hibebahana. Rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo dia asao ireo mpianatra hizara izay zavatra hitany.

  • Inona no fitsipika ampianarin’ny Tompo ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny tsy maintsy ataontsika mba hahafahana mibebaka? (Na dia mety ho teny hafa aza no safidian’ireo mpianatra ampiasaina dia tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha manatona an’i Jesoa Kristy amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina isika, dia handray antsika Izy ary hanavotra antsikia amin’ny fahotantsika.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fanasan’ny Mpamonjy “[hanatona Azy] toy ny ankizy madinika” (andininy 22) sy ny “hiverina [Aminy]” (andininy 13) hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny dikan’ny fananana fo torotoro sy fanahy manenina?

  • Inona eo amin’ny traikefam-piainana nihatra tamin’ny olona iray no mety mahatonga azy manana fo torotoro sy fanahy manenina?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Bruce D. Porter ao amin’ny Fitopololahy: Manomàna tahadikan’io teny nambara io ho an’ny mpianatra tsirairay. Amporisiho ireo mpianatra hihaino hevi-baovao amin’ny fomba hanolorana fo torotoro sy fanahy manenina rehefa mibebaka isika.

Sary
Loholona Bruce D. Porter

“Inona izany hoe fo torotoro sy fanahy manenina izany? … Ny fanekena tonga lafatra nataon’ny Mpamonjy tamin’ny Ray Mandrakizay no tena mamaritra ny atao hoe fo torotoro sy fanahy manenina. Mampianatra antsika ny ohatr’i Kristy fa toetra tahaka ny an’ Andriamanitra ny fo torotoro. Rehefa torotoro fo isika dia misokatra tanteraka amin’ny Fanahin’ Andriamanitra ary manaiky ny fiankinantsika Aminy amin’ireo zava-drehetra ananantsika sy ny maha-izy antsika rehetra. Ny fahafoizana voasaringotra anatin’izany dia ny fahafoizana ny fieboeboana amin’ny endriny rehetra. Toy ireny tanimanga azo volavolaina eny an-tanan’ny mpanao vilany tanimanga ireny no ahafahana mamolavola sy manome endrika eny an-tanan’ny Tompo ireo torotoro fo.

“Fepetra mialoha koa amin’ny fibebahana ny fo torotoro sy ny fanahy manenina [jereo ny 2 Nefia 2:6–7]. “Ny atao hoe fo torotoro sy fanahy manenina dia mahatsapa ‘alahelo araka an’ Andriamanitra [izay] miasa ho amin’ny fibebahana’ (2 Korintiana 7:10). Mitranga izany rehefa miredareda tokoa ny faniriantsika ho voadio amin’ny fahotana ka vonton’alahelo ny fontsika ary maniry ny hanana fiadanana amin’ny Raintsika any An-danitra isika. Ireo izay manana fo torotoro sy fanahy manenina dia vonona hanao na inona na inona sy ny zava-drehetra takian’ Andriamanitra amin’izy ireo, tsy amim-panoherana sy tsy amin’ny lonilony. Manatsahatra ny fanaovana zavatra araka ny fombantsika isika ary mianatra ny manao azy ireo araka ny fomban’ Andriamanitra kosa. Ao anatin’ny toetoetran’ny halemem-panahy toy izany no ahafahan’ny Sorompanavotana misy fiantraikiany ary hitrangan’ny fibebahana marina” (“A Broken Heart and a Contrite Spirit,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 32).

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Porter, inona no dikan’ny hoe manatona an’i Kristy amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina?

Asao hisaintsaina ny zavatra afaka ataony bebe kokoa mba hampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanolorana ny fo torotoro sy fanahy manenina eo Aminy ireo mpianatra. Azonao omena minitra vitsivitsy izy ireo hanoratana ireo zavatra tonga ao an-tsainy voarainy avy amin’ny Fanahy.

Mijoroa ho vavolombelona fa misy ho antsika tsirairay ny fanomezan’ny fibebahana feno indrafo an’ny Mpamonjy. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny fahatsapana ananan’izy ireo mikasika ny sorona fahafoizan-tena sy ny fanomezan’ny fibebahana an’ny Mpamonjy.

Enôsa 1:4–8; Môsià 4:1–3; Almà 19:29–30, 33–36; 36:19–21

Mitondra fifaliana sy fiadanana ny famelan-keloka amin’ireo fahotana

  • Ahoana no mety fihetsikao manoloana ny olona izay te-hahafantatra ny fomba ahafahan’izy ireo mahafantatra raha voavela amin’ny fahotany tany aloha izy ireo?

Asao hikaroka ny Enôsa 1:4–8; Môsià 4:1–3; ary Almà 36:19–21 ireo mpianatra ary hikaroka ireo fomba ahafahan’ny olona mahafantatra fa nandray ny famelan-keloka amin’ny otany izy ireo.

  • Ahoana no ahafahana mahafantatra fa mandray ny famelan-keloka amin’ny otantsika isika, araka ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Ampio ny mpianatra mba hahita ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mibebaka amin-kitsimpo sy mandray ny famelana ny helotsika isika dia ho afaka ny fahatsapana ho meloka, ho heniky ny Fanahin’ny Tompo isika ary hahatsapa fifaliana sy fiadanana. Raha tarihin’ny bitsiky ny Fanahy, dia azonao atao ny mizara ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ho an’ireo izay tena mibebaka tokoa kanefa toa tsy mahatsapa ho maivamaivana: tohizo ny fitandremana ny didy. Mampanantena anareo aho fa ho maivamaivana ianareo amin’ny fotoan’ny Tompo. Mitaky fotoana ihany koa ny fahasitranana” (“Mibebaha … mba hahazoako manasitrana anareo,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 42).

Mba hanehoana bebe kokoa izany fitsipika izany dia mangatahà mpianatra vitsivitsy hamaky amin’ny feo avo andinin-tsoratra masina maromaro izay mamariparitra ny fiovam-pon’ny Mpanjaka Lamônia sy ny vahoakany, ao amin’ny Almà 19:29–30, 33–36. Asao hikaroka ireo fitahiana izay noraisin’ny vahoaka noho ny fibebahany sy ny finoany ireo mpianatra.

  • Inona ireo fitahiana manokana noraisin’ny Mpanjaka Lamônia, ny vadiny ary ireo Lamanita hafa maro vokatry ny fibebahany sy ny finoany? (Niova fo izy ireo, nahita anjely ny nitafa tamin’izy ireny, natao batisa, nanorina ny fiangonana, ary nandrotsaka ny Fanahiny tamin’izy ireo ny Tompo.)

  • Oviana ianao no nahita ny hafa niaina ny sasantsasany amin’ireo fitahiana ireo rehefa nibebaka sy niezaka nanatona ny Tompo izy ireo?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinan’io fitsipika io sy ny maha-zava-dehibe azy io dia vakio ity teny nataon’ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Taratasy azo avy amin’ireo izay nanao fahadisoana goavana. Hoy izy ireo manontany, ‘Moa ve aho mbola ho afaka ny ho voavela heloka ihany?’

“Ny valiny dia eny!

“Mampianatra antsika ny filazantsara fa afaka ho azo amin’ny alalan’ny fibebahana ny fanamaivanana ny fijaliana sy ny fahatsapana ho meloka. Ankoatra ireo—tena vitsy—izay lasa any amin’ ny fahaverezana rehefa nahafantatra ny fahafenoana, dia tsy misy fahazaran-dratsy, na fiankinan-doha, na fikomiana, na tsy fankatoavana na fandikan-dalàna, na kely izany na lehibe izay tsy hahazo anjara amin’ilay fampanantenana famelan-keloka tanteraka.

“Avia ary hifandahatra isika hoy Jehovah: na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.” Izany dia tanteraka, hoy i Isaia, ‘raha manaiky sy mankato ianareo’ [Isaia 1:18–19]” (“The Brilliant Morning of Forgiveness,” Ensign, nôv. 1995, 19).

Asao hisaintsaina zavatra niainana izay nahatsapany fifaliana sy fiadanan-tsaina azo avy amin’ny fibebahana tanteraka ireo mpianatra.

Môsià 4:11–12, 26

Fandrasaina ny famelana ny fahotantsika

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 4:11–12, 26. Asao hikaroka ny zavatra nampianarin’ny Mpanjaka Benjamina mikasika ny fomba handraisana ny famelana ny fahotantsika ireo mpianatra.

  • Ahoana no ahafahantsika handray ny famelana ny fahotantsika mandritra ny androm-piainantsika, araka ireo teny voalazan’ny Mpanjaka Benjamina ireo? (Tokony hahatakatra izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Afaka mandray ny famelana ny fahotantsika isika raha toa ka mahatsiaro ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny hatsaram-panahiny amintsika, mijoro tsy ho voahozongozona amin’ny finoantsika ary manompo ny hafa.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa ity fitsipika ity dia asaivo vakian’ny mpianatra iray mafy ity teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Ny mibebaka dia midika hoe miezaka ny hiova. Toa miendrika fanimbazimbana ny fijalian’ ny Mpamonjy tao Getsemane sy teo amin’ ny hazofijaliana noho ny nataontsika ny fanantenana fa tokony hanova antsika ho olo-marina Izy ka tsy tokony hitaky ezaka marina avy aty amintsika izany. Fa ny izy dia mikatsaka ny famindrampony isika mba hameno sy hamaly soa ireo ezaka lehibe nataontsika (jereo ny 2 Nefia 25:23). Tokony hivavaka bebe kokoa hanana fotoana sy fahafahana hiasa sy hiezaka ary handresy ny ota isika, izay angamba mitovy amin’ ny fanaovantsika vavaka bebe kokoa mba hahazo famindrampo. Tena azo antoka fa hitahy ilay olona izay maniry ny hijoro manoloana ny fitsarana amim-pahamendrehana ny Tompo. Olona izay niasa mafy isan’ andro isan’ andro mba hanova ny fahalemena amin’ ny tanjaka. Mety mitaky ezaka matetitetika ny fibebahana marina, sy fiovana marina kanefa misy zavatra manadio sy manamasina ao anatin’ ny fiezahana toy izany” (“Ilay fanomezana masin’ny Fibebahana,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 39).

  • Inona no eritreritra sy fahatsapana mandalo eo aminao amin’ny fahafantaranao fa ny Tompo dia “mankasitraka” anao rehefa miezaka mandresy ny ota sy ny fahalemena ara-nofo ianao?

Zarao amin’ny olona iray ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Omeo antoka ireo mpianatra fa hiaina fifaliana sy fiadanan-tsaina izy ireo rehefa mibebaka. Amporisiho handinika ny fiainany ireo mpianatra ary hampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy ho amin’ny fibebahana.

Vakitenin’ny Mpianatra