Seminera sy Institiota
Lesona 3 Mitondra fitahiana ny fankatoavana


Lesona 3

Mitondra fitahiana ny fankatoavana

Fampidirana

Ny fankatoavantsika ireo didin’ Andriamanitra dia fomba iray izay hanehoantsika ny fankasitrahantsika ireo fitahiany mahatalanjona. Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra amin’ny fankatoavana. Ny faniriantsika hankato dia mitombo rehefa mitombo ny fitiavantsika an’ Andriamanitra. Ny fankatoavana ireo didy dia manome fahafahana an’ Andriamanitra hanome ny fanampiana izay ilaintsika rehefa mikatsaka ny hanatontosa ireo andraikitra sarotra isika.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 2:2–4, 9–13, 16, 19–20; Môsià 2:20–24, 41

Amin’ny alalan’ny fankatoavantsika, dia maneho fankasitrahana an’ Andriamanitra isika ary mandray ireo fitahiany lehibe indrindra

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona Joseph B. Wirthlin

“Ahoana no ahafahantsika manonitra ny trosa izay ananan’ny Mpamonjy amintsika? Naloany ny trosa izay tsy anjarany mba hanafahana antsika amin’ny trosa izay tsy ho voaloantsika mandrakizay. Hiaina mandrakizay isika noho Izy. Afaka ho voafafa ny otantsika noho ny Sorompanavotany tsy manam-petra, izay manome lalana antsika hiaina ny lehibe indrindra amin’ireo fanomezan’ Andriamanitra rehetra: dia ny fiainana mandrakizay.

“Afaka hanana vidiny ve ny fanomezana toy izany? Afaka hanonitra ny fanomezana toy izany ve isika?” (“Earthly Debts, Heavenly Debts,” Ensign na Liahona, mey 2004, 43).

Omeo fotoana fohy ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ireo mety ho valintenin’ny fanontaniana farany izay napetraky ny Loholona Wirthlin. Amporisiho ny mpianatra hikaroka ireo fitsipika na fotopampianarana mandritra ny lesona izay hanampy amin’ny famaliana ilay fanotaniana.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Môsià 2:20–24. Asao izy ireo hitady ny zavatra nampianarin’ny Mpanjaka Benjamina mikasika ny tokony hijerentsika ny tenantsika amin’ny fifandraisana amin’ Andriamanitra.

  • Nahoana, araka ny hevitrao, no nampianatra ny Mpanjaka Benjamina fa “mpanompon’ Andriamanitra tsy mahasoa” isika na inona na inona ataontsika.

  • Na dia tsy afaka manonitra ny trosantsika amin’ Andriamanitra aza isika dia inona kosa ny sosokevitra omen’ireo andininy ireo ahafahantsika maneho ny fankasitrahantsika tamin’ny zavatra rehetra nataony ho antsika? (Ampio ny mpianatra mba hamantatra izao fitsipika manaraka izao: Rehefa mahafantatra ny trosantsika mandrakizay amin’ Andriamanitra isika dia maniry ny hanompo Azy sy hitandrina ireo didiny.)

Teneno ireo mpianatra fa iray amin’ireo tantaran-tsoratra masina lehibe indrindra mikasika ny fankatoavana dia hita ao amin’ny fiatombohan’ny Bokin’i Môrmôna izay mirakitra ny fomba nanatanterahan’ny mpaminany Lehia sy ny fianakaviany zavatra tena sarotra nasain’ Andriamanitra nataon’ izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 2:2-4 .

  • Nahoana no sarotra tamin’i Lehia sy ny fianakaviany ny nankato ny tenin’ Andriamanitra mba handao an’i Jerosalema?

Asao ireo mpianatra handalina ny 1 Nefia 2:9–13, 16, ka hitady ny fahasamihafana teo amin’ny fihetsika sy ny fitondran-tena nananan’i Lamàna sy i Lemoela ary ny an’i Nefia mba ho fanatanterahana io didy io. (Fanamarihana: Izany asa atao izany dia handrisika an’ireo mpianatra hampihatra ny maha- manan-danja ny fahaizana mandalina ny soratra masina amin’ny alalan’ny fampitahana sy ny fampifanoherana.)

  • Inona avy ireo teny sy andian-teny izay mamaritra ny fihetsik’i Lamàna sy i Lemoela? (Nanamafy ny hatony izy, nimonomonona, ary tsy nahafantatra ny fitondran’ Andriamanitra ny olona.)

  • Ahoana no fihetsik’i Nefia manoloana ny didy handaozana an’i Jerosalema? (Nanetry ny tenany izy. Naniry ny hahafantatra ny zavatra mikasika an’ Andriamanitra. Nanana fahatokiana tamin’ireo teny izay nambaran’ny rainy izay mpaminany; ary nivavaka koa izy.)

  • Nahoana no tsy nitovy ny an’ireo rahalahiny ny fanatanterahan’i Nefia ny tenin’i rainy?

Omeo fotoana fohy ireo mpianatra mba hisaintsainany raha toa ka mitovy kokoa amin’i Lamàna sy i Lemoela na i Nefia izy ireo rehefa nasain’ny Tompo na ireo mpitarika ny Fiangonany mba hanao zavatra sarotra.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 2:19–20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hamantatra ny fampanantenana nomen’ny Tompo ireo Nefita.

  • Inona amin’ny filazana ao amin’ireo andininy ireo no mamintina ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’i Nefia? (Alaivo antoka fa takatr’ireo mpianatra izao fitsipika manaraka izao: Rehefa mitandrina ny didy isika dia hiroborobo eo amin’ny tany. Azonao atao ny milaza fa io dia iray amin’ireo foto-kevitra miverimberina matetika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hijery ireo fomba maro hiverimberenan’io foto-kevitra io, mandritra ny fandalinany ny Bokin’i Môrmôna.)

  • Inona ireo toetra tsara ankasitrahan’ny Tompo nananan’i Nefia? Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja amin’ny tsirairay amintsika ny manana ireo toera tsara ireo eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny Tompo?

  • Na dia mety tsy hitondra firoboroboana ara-nofo foana aza ny setrin’ny fankatoavana dia inona kosa ny ireo fitahiana afaka andrandraintsika ho vokatr’izany fankatoavantsika ny Tompo izany? (Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io dia diniho ny famakiana ny Môsià 2:41.)

2 Nefia 31:6–10, 15–16; Môsià 15:7; 3 Nefia 11:11; 12:19–20, 48

Ny fanarahana ny ohatry ny fankatoavan’ny Mpamonjy dia hanampy antsika hanatona Azy sy ny Ray.

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Amin’ireo lesona rehetra ianarantsika avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy dia tsy misy mazava sy mahery kokoa noho ny lesona momba ny fankatoavana” (“Raha tia ahy ianareo dia hitandrina ny didiko,” Ensign na Liahona, mey 2014, 35).

  • Inona ireo ohatra avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay maneho ohatry ny fankatoavany?

Mba hanampiana ireo mpianatra ifanakalo hevitra bebe kokoa dia asao izy ireo hamaky ny Môsià 15:7 sy 3 Nefia 11:11 ary hikaroka ny zavatra foin’i Jesoa atao mba hanehoany fankatoavana ny Rainy.

Asao ireo mpianatra mba hifandimby hamaky mafy ny 2 Nefia 31:6-10, 15-16 mandritra izany ny mpikambana ao amin’ny kilasy hitady ny zavatra afaka hianarantsika avy amin’ny ohatry ny Mpamonjy mikasika ny maha-manan-danja ny fankatoavana sy ireo fitahiana izay tonga amin’izany fankatoavana izany.

  • Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ilay ohatry ny Mpamonjy mikasika ny maha- manan-danja ny fankatoavana? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehony mikasika ireo fitahiana iza tonga amin’ny alalan’ny fankatoavana? (Ataovy izay hahitan’ireo mpianatra izao fitsipika izao: Rehefa manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ny Rainy mikasika ny fankatoavan isika dia mitoetra ao amin’ny làlana tery izay miarika mankany amin’ny famonjena

Asehoy ity teny nolazain’ny Loholona Robert D; Hales ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Loholona Robert D. Hales

Rehefa matotra ara-panahy ny fankatoavana dia lasa “fankatoavana toy ny an’ny Mpamonjy.” Ny fitiavana marina ny Ray any An-danitra sy ny Zanany no manosika ho amin’izany. … Fanalahidin’ny fankatoavana tahaka ny an’ny mpamonjy ny fitiavantsika ny Mpamonjy” (“Raha tia ahy ianareo dia hitandrina ny didiko,” 36–37).

  • Nahoana ny fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy no “fanalahidy” amin’ny fitandremana ireo didy?

Lazao fa i Jesoa Kristy efa nitsangana tamin’ny maty dia nampianatra ireo Nefita mikasika ny tanjon’ny fankatoavana ireo didy. Asao ny mpianatra mba hamaky am-pahanginana ny 3 Nefia 12:19–20, 48 mba ahitana ireo tanjona ireo.

  • Araka ireo andininy ireo, dia inona no nolazain’ny Mpamonjy fa antony nanomezana antsika ireo didy? (Tokony hahita izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Rehefa manatona an’i Kristy ary mitandrina ireo didy isika, dia ho tonga bebe kokoa tahaka azy sy ny Raintsika any An-danitra, ary dia ho voavonjy.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fankatoavanao eo amin’ny fanatonanao ny Mpamonjy?

Omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsainany hoe inona no tokony ataony mba ho lasa mpankato kokoa ny didin’ny Ray any An-danitra mba ahafahan’izy ireo ho tonga tahaka Azy sy ny Zanany.

1 Nefia 3:4–7, 15–16; 4:1–2; 7:12; 17:1–31; 18:1–4

Manome fanampiana ireo izay mankato ny tompo

Asao ny mpianatra handinika fotoana iray izay toa sarotra tamin’ny nitandremana didin’ Andriamanitra iray manokana na tamin’ny fanatanterahana ny antso ao am-piangonana na asa izay miendrika fanamby. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa i Nefia sy ireo rahalahiny dia niatrika loza ary saika fahafatesana tamin’ny nandidian’ny Tompo azy ireo ny hiverina any Jerosalema mba hahazoana ireo takela-barahina. Asao ireo mpianatra hamaky ny 1 Nefia 3:4-7 sy hamantatra fitsipika iray mba hianaran’izy ireo avy amin’ny ohatr’i Nefia ka afaka mampitombo ny fahafahan’izy ireo manokana ny ho mpakato.

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fanatanterahan’i Nefia didin’ Andriamanitra sarotra iray? (Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao raha hitan’ny mpianatra izany: Rehefa mikatsaka ny hanao izay nandidian’ny Tompo isika, dia hanomana làlana hanatontosana izany ho antsika izy.)

Mba hanampiana ireo mpianatra mahatakatra izany fitsipika izany dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao filazana izao ary omeo fotoana ireo mpianatra hikarohany izany, ka hitady hoe ahoana ny nanatanterahan’i Nefia rehefa nikaroka ny hanatontosa zavatra sarotra nodidiana ho ataony izy: 1 Nefia 3:15–16; 4:1–2; 7:12. Ao aorian’ny fizaran’ireo mpianatra izay zavatra hitany dia hazavao fa taty aoriana i Nefia dia namaritra ny sasan amin’ireo fomba izay hanampian’ny Tompo ireo izay mitandrina ny didiny. Asao ireo mpianatra hamaky ny 1 Nefia 17:1–4 sy hamantatra ireo fomba hanampian’ny Tompo antsika. Asao ihany koa ireo mpianatra hanasongadina ny andian-tenin’i Nefia hoe “ary dia toy izany ny ahitantsika,” izay ampiasaina nadritra ny Bokin’i Môrmôna mba hanomanana ireo mpamaky hitandrina manokana ny teny izay manaraka izany.

Mandrita ny fizaran’ireo mpianatra ny valin-teniny, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto:

mamelona

Mankahery

Manomana lalana

Asao ireo mpianatra haka fotoana fohy hanopy maso ny antara ao amin’ny 1 Nefia 17:5-31; 18:1-4, mba hitadiavana ireo fomba nameloman’ny Tompo sy nakaherezany ary nanomanany lalana ho an’ny fianakavian’i Lehia.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nameloman’ny Tompo sy nakaherezany ny fianakavian’i Lehia? Ahoana no nanomanany lalana hanampiana azy ireo?

  • Inoa ireo fitahiana nomen’ny Tompo ny fianakavian’i Lehia ka mitovy amin’ireo fitahiana ilaintsika ankehitriny?

  • Oviana ianao no niaina ny fanampian’ny Tompo amin’ny iray amin’ireo fomba ireo raha niezaka ny hankatoa azy?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny Tompo dia maniry ny fankatoavantsika mba hahafahany manome antsika ireo fitahiana tsy hita noanoa amin’ny fiezahantsika ny hitovy tahaka Azy. Zarao ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973):

Sary
Filoha Harold B. Lee

Ilay didy tena sarotra indrindra aminao ny mitandrina azy amin’izao fotoana izao no manan-danja indrindra amin’ny didin’ Andriamanitra rehetra. … Reseo izany olana izany ary aorian’izay dia manomboha indray manao asa amin’ilay didy manaraka izay sarotra indrindra aminao ny mitandrina azy. Izany no fomba hanamasinanao ny tenanao manokana amin’n fitandremana ny didin’ Andriamanitra” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Harold B. Lee [2000], 30).

Asao ireo mpianatra handinika mikasika ireo didy izay hitan’izy ireo fa sarotra ny mankato azy. Amporisiho izy ireo mba hanao drafitra ny ho tonga mpankato kokoa ka hahahafeno tsara kokoa ny fepetra handraisana ny fanampian’ny Tompo.

Vakitenin’ny Mpianatra