Seminera sy Institiota
Lesona 21: Ny Fiavian’i Jesoa Kristy


Lesona 21

Ny Fiavian’i Jesoa Kristy

Fampidirana

Ireo toe-java-nisy sy nitranga niaraka tamin’ny fitsidihan’i Jesoa Kristy tany Amerika dia endri-damina amin’ny Fiaviany Fanindroany. Hanampy ireo mpianatra hampihatra ireo fitsipika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ho vonona tsara kokoa amin’ny “andro lehibe sy mahatahotra” (3 Nefia 25:5) rehefa hiverina indray i Kristy ity lesona ity.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Dallin H. Oaks, “Preparation for the Second Coming,” Ensign na Liahona, Mey 2004, 7–10.

  • Jeffrey R. Holland, “Preparing for the Second Coming,” New Era, des. 2013, 2–5.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Helamàna 14:20–30; 16:1–5; 3 Nefia 9:1–5, 12–14; 10:12

Nomena mba hanampy antsika hino sy ho vonona amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany ireo famantarana

Asao hizara ohatra amin’ireo tranga na hetsika eo amin’ny fiainany izay nitaky fanomanana (ohatra, asa fitoriana) ireo mpianatra. Avy eo dia anontanio hoe:

  • Inona no zavatra nentin’ny fiomanana nataonareo tamin’ny fitambaramben’izany zava-nitranga na niaina izany?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mety ho zava-niseho raha toa ka tsy niomana ianao?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity (1899–1994), ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy: Asao ireo mpianatra hihaino ny zavatra nampianarin’ny Filoha Benson mikasika ny hahafahan’ny Bokin’i Môrmôna manampy antsika hiomana:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna dia mahita lamina entina hiomanana amin’ ny Fiaviana Fanindroany isika. Misy ampahany lehibe ao amin’ny boky mifantoka amin’ny am-polo taona vitsivitsy talohan’ny nahatongavan’i Kristy tany Amerika. Amin’ ny alalan’ ny fandalinana tsara izany fotoana izany dia afaka mamantatra ny antony naharingana ny olona sasantsasany tao anatin’ ny fitsarana mahatsiravina isika izay nialoha ny Fiaviany sy ny antony nahatonga ireo olona hafa nijoro teo amin’ ny tempoly tany amin’ ny tanin’ i Soafeno sy nikasika tamin’ ny tànany ny ratra teo amin’ ny tanany sy ny tongony” (Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson [2014], 140).

  • Araka ny voalazan’ny Filoha Benson, nahoana no tokony handalina am-pahamatorana ny tantaran’ny fitsidihan’i Jesoa Kristy ny vahoakany tany Amerika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika? (Alaivo antoka ny fahatakaran’ireo mpianatra fa afaka mianatra ny lamina hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany isika amin’ny alalan’ny fandalinana ny tantaran’ny zava-nitranga mifandraika amin’ny fitsidihan’i Jesoa Kristy tany Amerika.)

Asao hikaroka ireo fitsipika sy fotopampianarana izay hanampy azy ireo hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany ireo mpianatra eo am-pandalinana ny tantaran’ny fitsidihan’ny Mpamonjy tany Amerika.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa talohan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy dia efa nilaza mialoha ireo famantarana izay hitranga amin’ny fahaterahana sy fahafatesan’ny Mpamonjy i Samoela ilay Lamanita. Asaivo jeren’ny mpianatra ny Helamàna 14:20–27 ary karohiny ireo famantarana amin’ny fahafatesan’i Kristy.

  • Inona ireo famantarana sasantsasany izay nambaran’i Samoela tamin’ireo Nefita fa hitranga amin’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy?

Asaivo mamaky ny Helamàna 14:28–30 ny antsasak’ireo mpianatra araha toa ilay ampahany ambiny mamaky ny Helamàna 16:4–5. Asaivo mijery ny antony nanomezana ireo famantarana ireo ny Nefita izy ireo. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hifantoka amin’ny andianteny hoe “ka ny fikasana dia …”

  • Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, nahoana no manome famantarana ny Tompo? (Ampio ny mpianatra mba hahita ity fitsipika manaraka ity: Manome famantarana sy zava-mahagaga ny Tompo mba hahafahantsika mino sy voavonjy ao Aminy. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fotopampianarana io.)

  • Inona no faritan’ny ao amin’ny Helamàna 14:29 fa hitranga amin’ireo izay tsy mino ireo famantarana sy zava-mahagaga ireo? (Hihatra amin’izy ireo ny fitsarana marina.)

Hazavao fa manomboka tanteraka ireo famantarana sy zava-mahagaga nampanantenaina ao amin’ny tantara izay voarakitra ao amin’ny 3 Nefia—isan’izany ny faharavana izay famantarana ny fahafatesan’ny Mpamonjy. Asaivo mifandimby mamaka mafy ny 3 Nefia 9:1–5, 12–14; 10:12 ireo mpianatra vitsivitsy ary ireo mpianatra ambiny kosa mikaroka ny zava-nitranga tamin’ireo izay nino ny hafatr’i Samoela sy i Nefia ary koa izay nitranga tamin’ireo tsy nino.

  • Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, nahoana no nofongorana ny sasantsasany tamin’ireo vahoaka? Nahoana kosa ireo hafa no navahana tamin’izany?

Mariho fa nampianarina hamantatra ireo famantarana izay hialoha ny Fiaviany Fanindroany ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ankehitriny. Asaivo mifanakalo hevitra amin’ny fomba hahafahan’ny fahatakarana sy fahafantarana ireo famantarana ho an’ny Fiaviana Fanindroany, izay efa nambaran’ireo mpaminany, manampy ireo mpikamban’ny Fiagonana amin’izao fotoana izao hiomana tsara kokoa amin’ny Fiaviany, ireo mpianatra.

3 Nefia 11:1–17

Miomana hihaona amin’ny Mpamonjy

Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy miseho amin’ireo Nefita. Asaivo mamerina mamaky ny tantaran’ny Mpamonjy nitsidika ireo Nefita ireo mpianatra ary amporisiho hikaroka ireo fitahiana voarain’ireo izay nino ny famantarana ny fahafatesan’ny Tompo sy niomana amin’ny Fiaviany ireo mpianatra.

Asao ny mpianatra maromaro mba hifandimby hamaky mafy ny 3 Nefia 11:1–12.

  • Nahoana no manomana ny olona hiaina izany zava-nitranga izany ny finoana amin’ireo famantarana izay efa nampanantenaina amin’ny fiavian’ny Tompo?

  • Ahoana no fomba ampahatsiahivan’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny filantsika miomana?

Asao hifandimby hamaky amin’ny feo avo ny 3 Nefia 11:13–17 ireo mpianatra ary haka sary an-tsaina ny mety ho fahatsapana raha toa nanatrika teo tamin’izany fotoana izany.

  • Ahoana no mety hanehoan’izany zava-nitranga izany ny zavatra irian’ny Tompo Jesoa Kristy ho antsika tsirairay? (Tokony haneho ireto fahamarinana manaraka ireto ny valintenin’izy ireo: Manasa ireo rehetra hanatona Azy sy handray fijoroana ho vavolombelona fa Izy no Andriamanitry ny tany manontolo i Jesoa Kristy.)

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hitovian’ireo zava-nitranga ireo amin’ny zavatra hitranga amin’ny Fiaviana Fanindroan’i Jesoa?

  • Inona no azonao atao mba hanarahana ny fanasan’ny Mpamonjy mba hahavonona anao hijoro manoloana Azy indray andro any?

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ahoana raha rahampitso ny andro hahatongavany? Raha fantatsika fa hihaona amin’ny Tompo isika rahampitso—amin’ny alalan’ny fahafatesantsika aloha loatra na amin’ny alalan’ny fahatongavany tsy nampoizina—inona no ho ataontsika anio? Inona ireo fibabohana ho ataontsika? Inona ireo fomba fanao hajanontsika? Inona ireo fifandirana na olana hovahantsika? Famelan-keloka toy ny ahoana no ataontsika? Fijoroana ho vavolombelona inona no hozaraintsika?

“Raha ho ataontsika izany amin’izany fotoana izany, nahoana no tsy izao ankehitriny izao dia atao? Nahoana no tsy hikatsaka fiadanana rehefa afaka mahazo fiadanana?” (“Preparation for the Second Coming,” Ensign na Liahona, mey 2004, 9).

  • Nahoana no zava-dehibe ny fiomanan’ny tenanao toy ireny hoe rahampitso ireny andro hiavian’ny Tompo?

Asao hikatsaka sy hanaraka ireo bitsiky ny Fanahy ireo mpianatra eo am-piomanany hihaona amin’ny Tompo.

Vakitenin’ny Mpianatra