Seminera sy Institiota
Lesona 27: Finoana, fanantenana, ary fiantrana


Lesona 27

Finoana, fanantenana, ary fiantrana

Fampidirana

Ilain’ireo izay maniry ny hitoetra eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra ny toetra feno finoana, fanantenana ary fiantrana. Fanomezana avy amin’ Andriamanitra izay hirotsaka amin’ireo izay mikatsaka azy ireo izany toetra izany amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nataon’i Jesoa Kristy.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Etera 12:28; Môrônia 10:18–21

Zava-dehibe amin’ny famonjena ny finoana, fanantenana ary ny fiantrana.

Asao mitanisa haingankaingana toetra maromaro izay eritreretin’izy ireo fa manan-danja ny fahazoana azy eto amin’ity fiainana an-tany ity ireo mpianatra. Avy eo dia angataho hamariparitra toetra izay faran’ny manan-danja indrindra ilaina mba handovana ny fanjakan’ Andriamanitra izy ireo.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa teo am-pamaranan’i Môrônia ny asa tanatin’ny takela-bolamena dia nanoratra teny famporisihana farany ho an’ireo izay hamaky izany rakitsoratra izany indray andro any izy. Nantitranteriny ho ampahan’izany torohevitra izany ny toetra telo izay tokony ananana izay zava-dehibe ho an’ny famonjena. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 10:18--21 ary asao ny ambiny hamantatra izany toetra telo izany.

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe ho an’ny famonjena ireo toetra dia ny finoana, fanantenana ary fiantrana ireo?

Mba entina hanampiana ireo mpianatra hamaly izany fanontaniana izany dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Etera 12:28 ary asaivo mamantatra ny fotopampianarana ampita ao amin’io andinin-tsoratra masina io izy ireo.

  • Inona no fotopampianarana voarakitra ao amin’io andinin-tsoratra masina io? (Tokony hahita izao manaraka izao ny mpianatra: Mitaona antsika hanatona an’i Jesoa Kristy ny fampivelarana ny finoana, fanantenana ary fiantrana.)

Asao mikaroka ireo fitsipika sy fotopampianarana izay afaka manampy azy ireo hahatakatra sy hampivelatra kokoa ireo toetra manan-danja ireo ny mpianatra mandritra ity lesona ity.

Almà 32:26-29, 37--41; Môrônia 7:21, 25–28, 33

Mamela antsika “[hi]hazon[a] avokoa ny zavatra tsara” ny finoana.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe: Mampitombo ny finoantsika amin’i Jesoa Kristy.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nampiasa fanoharan’ny voa iray izay mitsimoka ny mpaminany Almà mba entina ampianarana ireo Zôramita ny fomba ampivelarana ny finoana an’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky ny Almà 32:26--29 amin’ny feo avo. Entano ny mpianatra hamantatra andianteny izay mamaritra ny fomba azon’izy ireo atao hampivelarana ny finoan’izy ireo.

Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny andianteny hitany sy hanazava ny zavatra ampianarin’izany andianteny izany azy ireo mba hahafahany mampivelatra ny finoany. Eo am-pijeren’ireo mpianatra ireo andianteny dia tsara raha soratanao eo ambanin’ny lohahevitra eo amin’ny solaitrabe izy ireo. Mety ahitana toy izao izany andianteny izany: hamoha sy hanaitra ny faharanitan’ ny saina; fanandramana ny teniko; maniry ny hino; manisy toerana, mba hahazoana mamboly [ny teny] ao am-ponareo. Raha ilaina dia ampio ireo mpianatra mba hahatakatra fa ny teny faharanitan’ny saina dia ilazana ny fahafahana mandanjalanja sy manao asa.

  • Ao amin’ny andininy 29, nahoana i Almà no nilaza, araka ny eritreritrareo, fa tsy ho lasa fahalalana tomombana ny finoantsika aorian’ny fanaovana izany andrana izany?

  • Aminao, inona no ilaina mba hananana fahalalana tomombana amin’ny finoantsika?

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky ny Almà 32:37–41 ary asaivo karohin’ireo mpianatra ny tsy maintsy ataon’izy ireo mba hampitomboana ny finoana ilaina hahazoana ny fiainana mandrakizay.

  • Inona ny fitsipika ampianarin’i Almà ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fomba ahafahantsika mampatanjaka hatrany ny finoantsika? (Tokony hahatakatra izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Hitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy raha toa mamoky am-pahazotoana ny fontsika amin’ny tenin’ Andriamanitra isika. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

  • Inona araka ny hevitrareo ny dikan’ny hoe mivoky am-pahazotoana ny teny? Inona avy ireo asa mitohy afaka ataontsika mba hivokisana amin’ny tenin’ Andriamanitra ary hanampiana ny fihalalim-pakan’ny finoana ao am-pontsika?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ivokisana amin’ny tenin’ Andriamanitra dia asehoy ity teny nambaran’ny Filoha Henry B. Eyring ity ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy raha toa kosa ireo ambiny hikaroka ireo fomba mahomby amokisana ny finoantsika:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Na betsaka manao ahoana aza ny finoantsika hankatò an’ Andriamanitra ankehitriny, dia mila manamafy izany hatrany isika ary mitahiry izany ho vaovao mandrakariva. Afaka manao izany isika amin’ny alalan’ny fanapahana hevitra ankehitriny ny hankatò faingana kokoa ary ny ho tapa-kevitra kokoa ny haharitra. Ny fianarana manomboka aloha sy ny tsy fiovaovana no fanalahidin’ny fiomanana ara-panahy. …

“… Manorina ny finoana hahavitana ireo sedran’ny fankatoavana isika rehefa mandeha ny fotoana sy amin’ny alalan’ireo safidy ataontsika isan’andro. Afaka misafidy dieny izao isika ny hanao faingana izay rehetra asain’ Andriamanitra ataontsika. Ary afaka manapa-kevitra ny tsy hiovaova isika eo amin’ireo sedra madiniky ny fankatoavana izay manorina ilay finoana ampy hitondra antsika hamakivaky ireo sedra lehibe, izay tsy maintsy ho avy” (“Spiritual Preparedness: Start Early and Be Steady,” Ensign, nôv. 2005, 38, 40). Start Early and Be Steady,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 38, 40).

  • Inona no nolazain’ny Filoha Eyring fa tsy maintsy ataontsika mba hampatanjahana na hamokisana ny finoantsika?

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no tena tsy azo ialana amin’ny fanorenantsika ny finoantsika sy ny fahatokiantsika Azy ny fankatoavana tsy voahozongozona sy isan’andro ny tenin’ Andriamanitra?

Asao hizara ny vokatry ny fanarahana ireo fitsipika nampianarin’i Almà teo amin’ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy ny mpianatra vitsivitsy.

Lazao ireo mpianatra fa nijoro ho vavolombelona ny maha-manan-danja mandrakizay ny finoana an’i Jesoa Kristy ny mpaminany Môrmôna. Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky amin’ny feo avo ny fijoroana ho vavolombelon’i Môrmôna ao amin’ny Môrônia 7:21, 25–28, 33 raha toa kosa ireo mpianatra ambiny ieritreritra ny zavatra afaka ataon’izy ireo mba hampitomboany ny finoany ny Tompo sy “hihazona” ireo fitahiana nofaritan’i Môrmôna.

Etera 12:4, 8–9; Môrônia 7:40–42

Vatofantsiky ny fanahy ny fanantenana

Asao mba hamaky mafy ny Etera 12:8–9 ny mpianatra iray ary ny iray hafa kosa hamaky ny Môrônia 7:40–42. Asao hamantatra ny toetra izay afaka hananana ireo mpianatra eo am-pampitomboana ny finoana.

  • Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, inona no toetra azo noho ny finoantsika?

Vakio ireto teny roa ireto ary asaivo faritan’ireo mpianatra ny fahasamihafana eo amin’izy ireo: (1) Manantena aho fa tsy ho avy ny orana anio. (2) Manana fanantenana aho fa raha mibebaka dia hahazo famelan-keloka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Inona no mahasamihafa ireo endri-panehoana fanantenana ireo? (Ilay voalohany dia faniriana tsy azo antoka mahakasika ny zavatra iray tsy ananana fifehezana ary ilay faharoa dia fanehoana fahatokiana izay manosika hanao asa.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny dikany ara-tsoratra masina ny fanantenana dia asao hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity ireo mpianatra:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ny fanantenana dia … fahatokiana maharitra fa ny Tompo dia hanatanteraka ny fampanantenany amintsika. Izany dia fahatokiana fa raha manana fiainana mifanaraka amin’ny lalàn’ Andriamanitra sy ny tenin’ireo mpaminany isika amin’izao fotoana izao, dia handray ireo fitahiana iriantsika amin’ny hoavy. Izany dia finoana sy fiandrandrana fa hivaly ny vavaka ataontsika. Izany dia miseho ao anatin’ny fananana fahatokiana, toe-tsaina tia mijery ny lafy tsaran-javatra, fientanentanana ary fikirizana amim-paharetana” (“Ny hery mandrakizain’ny Fanantenana,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 22).

Asao hamaky amim-pahanginana ny Môrônia 7:41 ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra ananantsika fanantenana eo am-pampitomboantsika finoana an’i Kristy.

  • Inona no fitsipika ampianarin’i Môrmôna mikasika ny fanantenana ao amin’io andinin-tsoratra masina io? (Tokony hahita izao manaraka izao ny mpianatra: Raha mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahazo fanantenana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany fa hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no misy ifandraisany akaiky tokoa ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanantenana?

Asao hamaky mafy ny Etera 12:4 ny mpianatra iray ary ireo ambiny kosa mikaroka ny fomba namariparitan’i Môrônia izany fanantenana izany.

  • Inona amin’ny fampiasain’i Môrmôna ny vatofantsika no mampianatra antsika mikasika ny fanantenana? Ahoana no itovian’ny fiainan’ny olona iray amin’ny sambo tsy misy vatofantsika?

Manasà mpianatra vitsivitsy hizara fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fanantenana ananany eo amin’ny fiainany vokatry ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Etera 12:33–34; Môrônia 7:43–48

Ny fiantrana dia ny fitiavana madion’i Kristy

Asao hamaky amin’ny feo avo ny Môrônia 7:43–44 ny mpianatra iray, ary angataho ireo mpianatra ny hamantatra ny toetra izay nambaran’i Môrmôna fa tsy maintsy kolokolointsika raha vao manana finoana sy fanantenana isika.

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity (1899–1994), ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Raha toa ka tena mikatsaka ny ho tonga bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy sy ny Tompontsika isika dia ny fianarana mitia toy ny nitiavany no tokony ho tanjona ambony indrindra banjinintsika. Nantsoin’i Môrmôna ho ‘ny lehibe indrindra amin’ny zavatra rehetra’ ny fiantrana (Môrô. 7:46)” (“Godly Characteristics of the Master,” Ensign, nôv. 1986, 47).

Mba hanazava ny antony maha-zava-dehibe ny fiantrana dia manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Môrônia 7:45–47. Mariho fa manampy antsika hahatakatra ny hoe fiantrana ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fitanisana ny atao hoe fiantrana sy ny tsy fiantrana.

  • Inona amin’ireo teny na andianteny ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no mamelabelatra ny maha-zava-dehibe ny fiantrana?

  • Inona no eritreritra na hevi-baovao afaka zarainao amin’ny toetoetran’ny fiantrana ao amin’ny andininy 45?

Asao ny mpianatra hamaky mafy ny Môrônia 7:48.

  • Inona no torohevitra aroson’i Môrmôna ho ataontsika eo am-pikatsahantsika ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana? (Ampio ny mpianatra mba hahita ity fitsipika manaraka ity: Raha toa ka mivavaka amin’ny fontsika iray manontolo sy manaraka an’i Jesoa Kristy isika dia afaka ny ho heniky ny fiantrana.)

  • Nahoana no manampy antsika ho lasa mpanara-dia tsaratsara kokoa an’i Jesoa Kristy ny fikatsahantsika ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana?

Asao mba hamaky amin’ny feo avo ny Etera 12:33–34 ny mpianatra iray ary ny mpianatra ambiny kosa hikaroka ny fifandraisana misy eo amin’ny fiantrana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Inona no fifandraisana misy eo amin’ny fiantrana sy ny Sorompanavotana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Lolohona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ny famaritana tsara indrindra ny ‘fitiavana madion’i Kristy,’ … dia tsy izay ezahantsika Kristiana atao kanefa tsy mahomby isika amin’ny fanehoana izany amin’ny hafa, fa izay nataon’i Kristy, ary nahomby tanteraka Izy tamin’ny fanehoana izany tamintsika. Ny fiantrana marina dia fantatra indray mandeha ihany. Naseho tamin’ny fomba tonga lafatra sy tena marina tao anatin’ny fitiavan’i Kristy antsika izay tsy nety levona sy lehibe indrindra ary nanavotra izany. … Ny fitiavan’i Kristy antsika no ‘mizaka ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, miaritra ny zavatra rehetra.’ Hita ao amin’i Kristy fa ‘ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay.’ Izany dia ilay fiantrana—ny fitiavana madiony ho antsika—izay, raha tsy misy an’izany, dia ho tsinontsinona sy tsy hanan-kantenaina isika, ary ho fadiranovana indrindra amin’ny olona rehetra. Marina tokoa fa ireo izay hita manana ireo fitahian’ny fitiavany amin’ny andro farany—ny Sorompanavotana, ny Fitsanganana amin’ny maty, ny fiainana mandrakizay, ny fampanantenana mandrakizay—dia tena ho soa ho azy tokoa izany” (Christ and the New Covenant [1997], 336).

  • Ahoana no nanampian’ny Loholona Holland anao hahatakatra ny filazana fa “ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay” ary nahoana izany no “lehibe indrindra” amin’ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy?

  • Inona no afaka ataonao mba hizarana amin’ny hafa ny fitiavana madion’i Jesoa Kristy izay natolony maimaim-poana ho anao?

Asao hamerina hijery ny Môrônia 7:45 ireo mpianatra ary avy eo hametraka tanjona ny hivavaka sy hiasa bebe kokoa amin’ny fampivelarana toetra irain’ny fiantrana. Mijoroa ho vavolombelona amin’ny fanampiana avy amin’ Andriamanitra izay noraisinao teo am-piezahanao nampitombo ny fiantrana teo amin’ny tenanao.

Vakitenin’ny Mpianatra