2010
Ilay Herim-panovan’ny Finoana sy ny Toetra
Nôvambra 2010


Ilay Herim-panovan’ny Finoana sy ny Toetra

Ny fiainana feno fahamarinana sy tsy miova dia miteraka hery sy tanjaka ao anaty, izay afaka hanohitra foana ny fitarihana mikiky ataon’ny fahotana sy ny fandikan-dalàna.

Sary
Elder Richard G. Scott

Rehefa takatra sy ampiasaina tsara ny finoana dia misy fiantraikany tena lehibe sy mahery vaika. Ny finoana toy izany dia afaka manova ny fiainan’ny olona iray hiala amin’ny zavatra mahamonamonaina sy mahazatra fanao isan’andro mba ho lasa fifaliana sy fahasambarana tsara rindra. Zava-dehibe ny fampiharana ny finoana ao anatin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any an-danitra. Kanefa ny finoana marina, ny finoana ny famonjena dia mifototra amin’i Jesoa Kristy Tompo, finoana ny fotopampianarany sy ny fampianarany, finoana ny fitarihana ara-paminanian’ireo voahosotry ny Tompo ary finoana ny fahafahana mahita ireo toetra miafin’ny tena izay afaka manova fiainana. Raha ny marina ny finoana ny Mpamonjy dia resaka asa sy hery.

Ny finoana no fototra niorenan’ireo singa nanatanterahana ny fahariana. Matoky aho fa i Jesoa Kristy Mpamonjy dia mampiasa ny finoany amin’ny fananana hery hanao asa eo ambany fitarihan’ny Ray any an-danitra. Nampiasain’ny Tompo izany mba hamoronana ireo vahindanitra faran’izay lavitra indrindra ary hanamboarana ireo “quark” izay singa faran’izay kely indrindra fantatsika ankehitriny. Kanefa dia mino aho fa mbola misy singa kely kokoa tao amin’ilay fahariana mahagaga.

Ny finoana ny amin’ny hoavy dia asehon’ny olon-droa izay fehezina any amin’ny tempoly. Takatr’izy ireo fa amin’ny alalan’ny fankatoavana ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny drafitry ny fahasambaran’ny Raintsika any an-danitra dia afaka miara-manana fiainana feno fifaliana izy ireo. Tsapan’izy ireo fa rehefa miseho ireo olana izay natao mba hivoarana, dia hahita fomba izy ireo araka ny fibitsihan’ny Fanahy masina, mba handresena izany amin’ny fomba izay mitondra soa sy mampivoatra ny toetra.

Ny finoana sy ny toetra dia mifandray akaiky. Ny finoana ny herin’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra dia hiteraka toetra mafy orina izay ho azo ampiasaina amin’ny fotoanan’ny filàna fanampiana tampoka. Ny toetra toy izany dia tsy mivelatra ao anatin’ny fotoana isian’ny olana na fakam-panahy lehibe. Fa izany no fotoana natao hampiasana azy. Ny fampiharanao ny finoana an’ireo fitsipika marina dia mamolavola toetra. Ny toetra mafy orina dia mampitombo ny hery ahafahanao mampihatra finoana bebe kokoa. Vokatr’izany dia mitombo ny fahaizanao sy ny fahatokianao eo amin’ny fiatrehana ireo fitsapana mitranga eo amin’ny fiainana. Arakaraka ny maha-mafy orina kokoa ny toetranao no hanananao fahafahana bebe kokoa hahazo tombontsoa avy amin’ny fampiharanao ny herin’ny finoana. Ho hitanao ny fiaraha-miasan’ny finoana sy ny toetra amin’ny fifanomezan’izy ireo hery. Ny toetra dia voatenona tsikelikely avy amin’ny kofehin’ny fitsipika sy ny fotopampiarana ary ny fankatoavana izay nampiharina.

Hoy ny Filoha Hugh B. Brown hoe: “Na aiza na aiza eo amin’ny fiainana ka misy soatoavina lehibe ara-panahy izay miandry ny hakan’ny olona azy, dia ny finoana ihany no afaka maka azy ireo. Tsy miaina ny olona raha tsy manana finoana satria ao anatin’ny zava-miseho eo amin’ny fiainana dia ny famolavolana ny toetra no ivon’ny olana—izay tsy avy amin’ny rafipisainana fa avy amin’ny finoana ireo fitsipika tonga lafatra sy ny fanoloran-tena hanaraka izany amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena.” (ao amin’ny Tatitry ny Fivoriambe, Ôkt. 1969, 105). Mampihatra ny finoana isika amin’ny alalan’ny fanaovana asa. Nilaza i Joseph Smith fa “ny finoana [dia] resaka asa sy hery.” (Lectures on Faith [1985], 72).

Tonga amin’izay tiantsika hahatongavana isika amin’ny alalan’ny fiezahan’ny tena ho tonga tsy tapaka toy ilay tiantsika hahatongavana isan’andro. Ny toetra tsara dia fisehoana sarobidin’ilay hoe lasa inona ianao. Ny toetra tsara dia manan-danja bebe kokoa noho izay zavatra ara-nofo na ny fahaizana azonao tamin’ny alalan’ny fianarana na izay tanjona tratranao na manao ahoana na manao ahoana ny fandokandokafan’ny olona an’izany. Any amin’ny fiainana ho avy, ny toetra tsaranao dia hotombanana mba hitsarana ny fomba nampiasanao ilay fahafahana niaina teto an-tany.

Na i Satana na izay mety ho hery hafa dia tsy afaka ny hanambany na hanimba ny fivoaran’ny toetranao. Ianao ihany no afaka manao izany amin’ny alalan’ny tsy fankatoavana. Ny toetra tsara dia tsara dia lasa toy ny lavenona tsy misy dikany intsony rehefa kikisan’ny famitahana sy ny fandikan-dalàna.

Ny toetra ahitana fahamendrehana fatratra dia vokatry ny fanaovana safidy tsara tsy tapaka eo anatrehan’ny olana sy ny fitsapan’ny fiainana. Ny safidy toy izany dia natao tamin’ny alalan’ny fahatokiana ny zavatra inoana ary rehefa manao zavatra arak’izany finoana izany dia mahazo fanamafisana fa marina izy ireo.

Inona avy ny sasany amin’ireo fitsipika manome hery izay ifotoran’ny finoana?

  • Fahatokiana an’Andriamanitra sy ny fahavononany hanome fanampiana rehefa ilaina na manao ahoana na manao ahoana ny fahasarotan’ilay toe-java-miseho.

  • Fankatoavana ny didiny ary fananana fiainana izay mampiseho fa afaka matoky anao Izy.

  • Fahaizana mihaino sy manaraka ny bitsika malefaky ny Fanahy.

  • Fanatanterahana amin-kerimpo izay voalazan’izany bitsika izany.

  • Faharetana sy fahatakarana rehefa avelan’Andriamanitra ho sahirana isika mba hivoarana ary rehefa tonga tsikelikely ao anatin’ny fotoana maharitra ireo valiny.

“Ny finoana dia ny zavatra izay antenaina nefa tsy hita; koa aza mitohika, satria tsy mahita ianareo, fa tsy mandray fijoroana ho vavolombelona raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo” (Etera12:6). Noho izany isaky ny “mizaha toetra ny finoanao” ianao—izany hoe manao asa amim-pahamendrehana arak’ilay zavatra tsapa—dia hahazo porofo marina avy amin’ny Fanahy. Rehefa manao zavatra arak’izay farany hahatakaranao azy ianao nefa mbola miahiahy ny amin’izay tokony hatao dia amin’ny alalan’ny fampiharana ny finoana no hitarihana anao hahita vahaolana izay tsy ho azonao amin’ny fomba hafa ankoatr’izany. Na dia tena matanjaka aza ny finoanao dia tsy hanome valisoa foana eo no ho eo ihany araka ny sitraponao Andriamanitra. Fa Andriamanitra kosa dia hanome izay zavatra tsara indrindra ho anao ao amin’ny drafiny mandrakizay rehefa hitondra tombontsoa faran’izay lehibe izany. Mahaiza mankasitraka fa avelan’Andriamanitra ho sahirana mandritra ny fotoana ela ianao alohan’ny hahatongavan’ny valiny. Izany dia mahatonga ny finoanao hitombo ary mahatonga ny toetranao hivoatra.

Ny fototry ny toetra iray dia ny fandalana ny fahamarinana. Ny toetra mendrika dia hanamafy orina ny fahaizanao mamantatra ny fitarihana hitondran’ny Fanahy ary ny fankatoavana izany. Ny fampiharanao tsy tapaka ny finoana dia miteraka toetra mafy orina. Ilay fototra azo antoka ho an’ilay toetranao izay mivoatra dia miorina amin’ny alalan’ny fandraisana an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany ho ivon’ny fiainantsika.

Ny fiainanao eto an-tany ary koa ny famonjena anao mandrakizay dia mitaky fanapahan-kevitra tsara maro izay tsy misy sarotra na dia ny iray aza. Ireo fanapahan-kevitra ireo dia miaraka mamolavola toetra iray izay mahatohitra ny fikikisan’ireo hery mitarika any amin’ny fahotana sy ny fandikan-dalàna. Ny toetra mendrika dia toy ny bakoly sarobidy vita amin’ny akoran-javatra voafantina, namboarina niaraka tamin’ny finoana sy nokaliana tsara tamin’ny alalan’ny asam-pahamarinana ary natsofoka tao anatin’ny hainafon’ny fiainana zavatra izay manome hery. Zavatra tsara tarehy fatratra izany ary tsy voavidy vola ny hasarobidiny. Kanefa mety ho simba ao anatin’ny fotoana iray izany amin’ny alalan’ny fandikan-dalàna ka mitaky ezaka mandreraka sy maharitra ny famerenana manamboatra azy. Rehefa voaro amin’ny alalan’ny fifehezan-tena ny toetra tsara dia haharitra mandrakizay.

Ny zavatra ara-nofo dia tsy mamokatra fifaliana sy fahafahampo ary haravoana noho ny fahatontosan-javatra eto an-tany. Tsy mitondra antsika velively any amin’ny fisandratana koa izany. Ilay toetra feno fahamendrehana, ilay lamban’ny hery sy fankatoavana anaty izay namboarina tamin’ny alalan’ireo fanapahan-kevitra tsara tsy tambo isaina, no manoro ny lalana tokony halehan’ny fiainana. Ny fiainana feno fahamarinana sy tsy miova dia miteraka hery sy tanjaka ao anaty izay afaka hanohitra foana ny fitarihana mikiky ataon’ny fahotana sy ny fandikan-dalàna. Ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny fankatoavanao ny didiny dia hanamafy orina ny toetranao. Ny toetranao dia fandrefesana ny hoe lasa inona ianao. Izany dia porofo maneho ny fomba nampiasanao ny fotoananao teto an-tany ao anatin’izao andron’ny fizahan-toetra izao.

Ny hevitra fototra iray izay takatsika rehetra dia ny hoe izay novidianao ihany no azonao. Marina koa izany eo amin’ny lafiny ara-panahy. Ianao dia mahazo ny zavatra novidianao tamin’ny fankatoavana sy ny finoana an’i Jesoa Kristy ary ny fampiharana tamim-pahavitrihana ireo fahamarinana nianaranao. Ny zavatra azonao dia toetra voavolavola, fitomboan’ny fahafahana manao zavatra ary fahatontosana amim-pahombiazana ilay tanjona eto an-tany mba hozahana toetra sy hahazo fifaliana.

Tsy tokony hidonana-poana ianao eo amin’ny fiainana raha tsy izany ilay olona araka ny nofo dia hampihena tsikelikely ny ezakao mba hiaina amim-pahamendrehana. Ianao dia tonga toy ny zavatra ataonao sy ny zavatra eritreretinao. Ny tsy fananana toetra mafy orina dia mitarika ny olona iray ho latsaka an-katerena mba hanome fahafahampo ny filàny sy hikatsaka tombontsoa ho an’ny tenany manokana. Ianao dia tsy afaka ny hanohana amim-pahombiazana ny toetra malemilemy iray amin’ny alalan’ny fihamboana fa matanjaka ianao.

Ny olona izay mandray fanapahan-kevitra miankina amin’izay toe-javatra miseho fotsiny dia azo antoka raha alaina sary an-tsaina fa handika lalàna lehibe amin’ny farany. Tsy misy anja-bin’ny fahamarinana hitazonana izany olona izany amin’ny lalana marina. Hifanehatra amin’ny fakam-panahy tampoka foana izy ka hivily lalana tsy hanaraka ny didy. Ireo safidy ireo dia hamarinina amin’ny alalan’ny filazana fa tsy dia ratsy manao ahoana akory izy ireo ary eken’ny fiaraha-monina kokoa sy ahazoana namana maro. Ny olona mahiran-tsaina iray izay tsy manana fitsipika ifotorana dia afaka mahatontosa zavatra mahavariana sy mandalo vetivety, indraindray. Kanefa toy ny lapa vita amin’ny fasika ihany izany zava-bita izany. Rehefa tonga ny fisedrana toetra dia mirodana izany ary matetika mitondra ny hafa manaraka azy. Na dia manao izay hanafenana tsara ny fandikany ny didy iray aza ny mpandika lalàna iray dia saika lasa fantatry ny besinimaro foana ihany izany amin’ny farany. I Satana mihitsy aza no manao izay ahafantaran’ny besinimaro an’izany. Izy sy ny mpanara-dia azy dia vonona ny hitondra fampahoriana faran’izay lehibe vita eo amin’ireo zanaky ny Ray any an-danitra. Ny fanehoana tsy fankatoavana na ny tsy fanajana ny fanomezan-toky lehibe iray dia mahatonga foana ilay fanontaniana hoe, sao dia mbola misy zavatra hafa any. Mihena ny finoana sy ny fahatokian’ny hafa ny toetran’izany olona izany.

Toeram-pisedrana ity fiainana eto an-tany ity. Ny fomba fiatrehantsika ireo fanamby ao anatiny dia mamaritra hoe hatraiza ny tanjaky ny toetrantsika. Manamafy orina ny toetranao ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany.

Efa nohamariniko manokana fa ny zavatra toy ny finoana, vavaka, fitiavana, fanetren-tena dia tsy manan-danja raha tsy lasa manana toerana ao anatintsika mihitsy izany amin’ny alalan’ireo zavatra iainantsika manokana ary ampian’ny bitsiky ny Fanahy Masina. Tany am-boalohany dia nahita aho fa azoko halalinina ara-tsaina ny fampianaran’ny filazantsara ary amin’ny alalan’ny herin’ny rafi-pisainana sy ny fanadihadihana dia azoko fantarina fa manan-danja izy ireo. Saingy ilay hery sy fahaizana goavan’izy ireo eo amin’ny fisintonana ahy hihoatra ny fisainako sy ny fahaiza-manaoko dia tsy tanteraka raha tsy nisy ny fampiharana natao tamim-paharetana sy tsy tapaka izay namela ny Fanahy Masina nampianatra miadana sy namelabelatra ny dikan’izy ireo tao am-poko. Hitako fa rehefa nanompo tamin-kitsimpo ny hafa aho dia novolavolain’Andriamanitra ny toetrako. Nampitombo ny fahafahana mamantatra ny fitarihan’ny Fanahy tao anatiko Izy. Ny mampiavaka ny drafitry ny filazantsara dia ny hoe rehefa manao ireo zavatra nasain’ny Tompo ataontsika ireo isika dia omena ny fahatakaran-tsaina sy ny hery rehetra ilaina mba hahazoana fiadanana sy hahatontosana zavatra marobe eo amin’ny fiainana. Miaraka amin’izay koa dia mahazo ilay fiomanana ilaina amin’ilay fahasambarana mandrakizay eo anatrehan’ny Tompo isika.

Ny fijoroana ho vavolombelona iray dia ampatanjahan’ireo fahatsapan-javatra ara-panahy izay manamafy ny fahamarinan’ny fampianarana na ny asa iray natao tamim-pahamarinana. Matetika izany fitarihana izany no miaraka amin’ny fihetsehampo mahery vaika izay miteraka ranomaso ary manasarotra ny fahafahana miteny. Saingy ny fijoroana ho vavolombelona dia tsy fihetsehampo. Lafiny iray tena manan-danja ao amin’ny toetra izany izay voatenona tamin’ny kofehin’ireo fanapahan-kevitra tsara tsy tambo isaina. Ireo safidy ireo dia azo avy amin’ny fahatokiana ireo zavatra izay inoana ary farafaharatsiny tsy hita tany am-piandohana. Ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka dia manome fiadanana, fankaherezana ary fahatokiana. Izany dia miteraka finoana fa rehefa ankatoavina tsy tapaka ny fampianaran’ny Mpamonjy dia ho tsara ny fiainana, ho azo antoka ny hoavy ary hisy ny hery handresena ireo olana izay mitranga eny amin’ny lalantsika. Ny fijoroana ho vavolombelona iray dia mitombo amin’ny alalan’ny fahatakarana ny fahamarinana, izay tonga tsikelikely avy amin’ny vavaka sy ny fandinihina ny fotopampianaran’ny soratra masina. Izany dia kolokoloina amin’ny alalan’ny fiainana ireo fahamarinana ireo miaraka amin’ny finoana mifikitra amin’ilay fahatokiana tsara fa ho azo ilay vokatra nampanantenaina.

Ny fijoroanao ho vavolombelona dia ho lasa matanjaka amin’ny alalan’ny fankatoavana an-tsitrapo ny lalàn’ny fahafolonkarena sy ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina ary hanome fitahiana be dia be anao ny Tompo noho izany. Rehefa lasa matanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona dia hiezaka mafy kokoa haka fanahy anao i Satana. Tohero ny ezaka ataony. Ho lasa matanjaka kokoa ianao ary hihena ny fitarihany anao.

Omena vahana ilay fitarihan’i Satana izay mitombo eto amin’izao tontolo izao mba hampisy tontolo iray ahafahana misedra ny tenantsika. Raha mampisy fisafotofotoana i Satana ankehitriny, ny toerana iafarany kosa dia efa napetrak’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Tsy handresy ny devoly. Na dia ankehitriny aza dia tsy maintsy miasa ao anatin’ny faritra napetraky ny Tompo izy. Tsy afaka maka fitahiana efa azo izy. Tsy afaka manova toetra izay efa vita tenona avy tamin’ireo fanapahan-kevitra tsara izy. Tsy manana hery hanimba ireo fifamatorana mandrakizay teo amin’ny mpivady sy ny zanaka natao tany amin’ny tempoly izy. Tsy afaka mampitsahatra finoana marina izy. Tsy afaka maka ny fijoroanao ho vavolombelona izy. Eny mety ho very ireo zavatra ireo rehefa manaiky ho resin’ny fakam-panahiny. Saingy tsy manana hery ao aminy sy avy aminy izy mba hamotehana ireo.

Ho famintinana:

  • Andriamanitra dia mampiasa ny finoanao mba hamolavolana ny toetranao.

  • Ny toetra dia fisehoan’ny hoe lasa inona ianao.

  • Ny toetra mafy orina dia avy amin’ny fanaovana safidy tsara tsy tapaka.

  • Ny fototry ny toetra iray dia ny fandalana ny fahamarinana.

  • Rehefa mafy orina kokoa ny toetranao dia hanana fahafahana bebe kokoa hampihatra ny herin’ny finoana ianao.

Ny fanetren-tena dia ilay toetra izay manome fahafahana antsika mba hampianarina avy any ambony amin’ny alalan’ny Fanahy na mba hampianarina avy amin’ireo loharano izay avy amin’ny fitaomam-panahin’ny Tompo no nipoirany, toy ny soratra masina ary ireo hevitra avy amin’ny mpaminany. Ny fanetren-tena dia tany sarobidy sy lonaka hanirian’ny toetra marina. Mitsimoka eo amin’izany ny voan’ny fivoaran’ny tena manokana. Ny voa toy izany dia mamokatra voankazo sarobidin’ny fitarihana ara-panahy rehefa volena amin’ny alalan’ny fampiharana ny finoana ary voarantsana amin’ny alalan’ny fibebahana ary hampahatanjahana amin’ny alalan’ny fankatoavana sy ny asa soa. Dia tonga ny fitaomana sy ny hery masina avy eo—fitaomana hahafantarana ny sitrapon’ny Tompo ary hery hanomezana ilay fahafahana hanatanteraka izany sitrapo azo avy amin’ny fitaomam-panahy izany.

Afaka mizara fitsipika efatra aminareo ve aho izay nitondra fahatsapana fiadanana sy fifaliana faran’izay lalina teo amin’ny fiainako? Napetraky ny Tompo ao anatin’ny drafiny mandrakizay ireo vato fehizoro ireo ary samy tena ilaina izy ireo. Miara-miasa ao anatin’ny filaminana izy ireo ary mifanamafy orina. Rehefa ampiharina amim-pahavitrihana sy tsy tapaka izy ireo dia miteraka toetra mafy orina, fitomboan’ny fahafahana manova ireo olana miseho eo amin’ny fiainana ho toy ny dingana mitondra mankany amin’ny fifaliana amin’izao fotoana izao sy mandrakizay. Ireto izy ireo:

  • Finoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fandaharam-potoanany mba hahazoana hery hanatontosana zavatra.

  • Fibebahana mba hanitsiana ny vokatra naterak’ireo fahadisoana noho ny fanadinoana na noho ny fahotana.

  • Fankatoavana ny didin’ny Tompo mba hahazoana hery sy fitarihana eo amin’ny fiainantsika.

  • Asa fanompoana atao amim-pitiavana mba hampivoarana ny fiainan’ny hafa.

Raha toa ka vonona ny hiaina amim-pahamarinana ianao dia aza kivy. Mety toy ny sarotra ny fiainana ankehitriny saingy mifikira mafy amin’ilay anja-bin’ny fahamarinana. Lasa mivoatra bebe kokoa noho izay eritreretinao ianao. Ireo olana mianjady aminao dia mamaritra ny toetra sy ny fitsipi-pitondrantena ary ny fahatokiana ao amin’ireo fampanantenan’ny Rainao any an-danitra sy ny Mpamonjy rehefa mankatò tsy tapaka ny didin’Izy ireo ianao. Enga anie ny Fanahy Masina ka hibitsika aminao ny mba handraisanao lalandava fanapahan-kevitra izay manamafy orina ny toetranao sy hahazoana fifaliana sy fahasambarana bebe kokoa. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.