2010
Ny Fitaizan’ny Ray aman-dreny Amin-kerimpo ny Zanaka
Nôvambra 2010


Ny Fitaizan’ny Ray aman-dreny Amin-kerimpo ny Zanaka

Ny zavatra tena ilain’izao tontolo izao dia ny fitaizan’ny ray aman-dreny amin-kerimpo ireo zanaka amin’ny tsy fahatahorana haneho ny heviny ary hifikitra amin’izany.

Sary
Elder Larry R. Lawrence

Te hiresaka amin’ireo ray aman-drenin’ny zatovo aho androany. Hoavin’ny Fiangonana ireo zatovonareo mahiran-tsaina sy feno hery ireo ary noho izany dia izy ireo no kendren’ny fahavalo indrindra. Maro aminareo ry ray sy reny mahatoky no mihaino izao fihaonambe izao androany ary mivavaka mba hahazo valiny izay entina hanampiana anareo amin’ny fitarihana ny zanakareo ao anatin’ireo taonany tena manan-danja ireo. Vao lasa zatovo vao haingana ny zafikeliko voalohany, noho izany dia akaikin’ny foko ity lohahevitra ity. Tsy misy izany hoe ray aman-dreny tonga lafatra sy valiny mora azo izany, saingy misy ireo fitsipiky ny fahamarinana izay azontsika ianteherana.

Ny Teny filamatra amin’ny Fiaraha-mientana Ifampizarana ho an’ny ny Zatovolahy sy ny Zatovovavy ho an’ny taona 2010 dia nalaina avy tamin’ny bokin’i Josoa. Izany dia manomboka amin’ny hoe: “Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra” (Josoa 1:9) Izany andian-teny avy amin’ny soratra masina izany dia tarigetra tsara ho an’ny ray aman-dreny koa. Ny zavatra tena ilain’izao tontolo izao dia ny fitaizan’ny ray aman-dreny amin-kerimpo ireo zanaka amin’ny tsy fahatahorana haneho ny heviny ary hifikitra amin’izany.

Alaivo sary an-tsaina hoe nipetraka teo amin’ny lalamby ny zanakao vavy ary henonao ny fisiotsiokan’ny lakolosy kelin’ny fiaran-dalamby. Moa ve ianao hiteny azy mba hiala eo amin’ilay lalamby? Sa hisalasala ianao satria miahiahy hoe sao heveriny ho toy ny olona diso miaro azy be loatra? Raha toa ka tsy niraharaha ilay fampitandremanao izy, moa ve hamindra azy faingana any amin’ny toerana azo antoka ianao? Mazava ho azy fa hanao izany ianao! Ny fitiavanao ny zanakaovavy dia ho lohalaharana eo anatrehan’ireo zavatra hafa rehetra. Ianao dia hanome lanja bebe kokoa ny fiainany mihoatra noho ilay hatsaram-panahy izay mandalo fotsiny asehony aminao.

Ireo olana sy fakam-panahy dia tonga eo amin’ny zatovontsika amin’ny hafainganam-pandeha sy hery hananan’ny fiaran-dalamby iray mpitondra entana. Araka ny nampahatsiahivina antsika ao amin’ny fanambarana mikasika ny fianakaviana, dia tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny zanany ny ray aman-dreny.1 Izany dia midika hoe eo amin’ny lafiny ara-panahy ary koa eo amin’ny lafiny ara-batana.

Mamaky momba ny fanomezan’i Almà Zandriny torohevitra an’ilay zanany nania isika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. I Kôriantona dia nanao fahadisoana lehibe vitsivitsy rehefa nanao asa fitoriana teo anivon’ireo Zoramita. Tena tian’i Almà tokoa izy matoa noresahany mivantana ilay olana. Nambarany ny fahadisoam-panantenany lalina noho ny fijanganjangan’ny zanakalahiny ary nohazavainy taminy ny voka-dratsin’ny fahotana.

Entanin’ny fanahy foana aho isaky ny mamaky ireto teny feno herimpo avy amin’i Almà ireto: “Ary ankehitriny, ny Fanahin’ny Tompo dia milaza amiko hoe: Didio ny zanakao hanao ny tsara … , noho izany aho dia mandidy anao anaka, noho ny fahatahorana an’Andriamanitra ny hitsaharanao amin’ny helokao.” (Almà 39:12) Izany fandraisan’ny rainy andraikitra mialoha izany dia nitondra fiovana teo amin’i Kôriantona. Nibebaka sy nanompo tamim-pahatokiana izy taty aoriana (Almà 42:31 sy Almà 43:1, 2).

Jereo ny fahasamihafan’ny ohatra niseho tamin’i Almà sy ny niseho tamin’ny ray anankiray hafa ao amin’ny soratra masina, dia i Ely ao amin’ny Testamenta Taloha izany. I Ely dia mpisorona avo tao Isiraely tamin’ny andron’i Samoela mpaminany. Nohazavain’ny soratra masina fa notezeran’ny Tompo mafy izy, “satria ny zanany nahatonga ozona ho an’ny tenany, nefa tsy nosakanany” (1 Samoela 3:13). Tsy nibebaka mihitsy ireo zanakalahin’i Ely ireo ary nijaly i Isiraely iray manontolo noho ny hadalan’izy ireo. Ny tantaran’i Ely dia mampianatra antsika fa ny ray aman-dreny izay tia ny zanany dia tsy afaka ny ho mati-kenamaso amin’izy ireo.

Nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana iray, taona maro lasa izay, dia nampahatsiahy antsika ny Loholona Joe J. Christensen hoe: “Ny fitaizan’ny ray aman-dreny ny zanaka dia tsy fifaninana izay ho mamy hoditra indrindra.”2 Tao anatin’izany fomba fisainana izany ihany koa no nilazan’ny Loholona Robert D. Hales hoe: “Matahotra ny zanatsika isika indraindray—matahotra ny hanoro hevitra azy ireo sao manafintohina azy ireo.”3

Taona maro lasa izay dia naniry ny handeha hanao dia mandritra ny faran’ny herinandro ny zanakay lahy 17 taona hiaraka tamin’ny namany izay ankizilahy tsara toetra avokoa Niera izy mba omena lalana handeha. Naniry ny hiteny hoe eny aho, saingy noho ny antony tsy fantatra, dia toa tsy azoazoko izany ilay dia. Nozaraiko tamin’ny vadiko izany fahatsapako izany ary dia tena naneho fanohanana tokoa izy. “Mila mihaino izany feo fampitandremana izany isika” hoy izy.

Mazava ho azy fa diso fanantenanana ilay zanakay lahy ary nanontany ny antony tsy namelanay azy handeha. Novaliako tamin-kitsimpo izany hoe: tsy fantatro ny antony. “Ohatry ny tsy azoko fotsiny ny aiko momba ilay izy,” hoy aho nanazava, “ary tiako loatra ianao ka tsy afaka ny tsy hiraharaha ireo zavatra tsapako ato anatiko ireo aho.” Somary taitra ihany aho rehefa nilaza izy hoe: “Tsy maninona izany ry Dada! Azoko tsara.”

Ny zatovo dia mahatakatra zavatra lavitra mihoatra noho izay eritreretintsika satria izy ireo koa dia manana ny fanomezan’ny Fanahy Masina. Miezaka ny hamantatra ny Fanahy izy ireo rehefa miteny ny Fanahy ary mijery ny ohatra asehontsika izy ireo. Izy ireo dia mianatra mihaino avy amintsika ilay bitsika azony—izay manao hoe rehefa “tsy mahazo aina momba ny zavatra iray” izy ireo, dia tena tsara ny tsy fanaovana izany.

Tena zava-dehibe tokoa ny firaisan-kinan’ny mpivady rehefa mandray fanapahan-kevitra eo amin’ny lafin’ny fitaizana zanaka. Raha misy iray amin’ny ray na reny tsy mahazo aina momba ny zavatra anankiray dia tsy tokony omena ny fahazoan-dalana. Raha misy tsy mahazo aina momba ny sarimihetsika iray na fampisehoana iray amin’ny fahitalavitra na kilalao iray amin’ny videô, na fety iray, na akanjo iray, na akanjo filomanosana iray, na zavatra iray atao ao amin’ny internet, dia sahia mifanohana sy milaza hoe tsia.

Te-hizara taratasy iray aminareo avy tamin’ny reny iray vonton’alahelo aho. Nanomboka tsy nanana ny fanahy tsikelikely ilay zatovolahy zanany ary tsy nazoto niangona intsony. Nohazavainy ny fomba nitrangan’izany: “Nandritra ireo taona naha zatovo ny zanako lahy dia niahiahy aho ary niezaka ny nanakana azy mba tsy hanao kilalao feno herisetra be loatra amin’ny videô. Niresaka tamin’ny vadiko aho ary nampiseho azy ireo lahatsoratra tao amin’ny Ensign sy tao amin’ny gazety izay nampitandrina momba ireo karazana kilalao ireo. Kanefa ny vadiko dia nahatsapa fa tsy nisy nahatahorana ny amin’izany. Nilaza izy fa tsy any ivelany mandray zava-mahadomelina akory ny zanakay lahy ka tokony hampitsahatra ny tebitebiko aho. Nafeniko indraindray ny fitaovana filalaovana izany dia averin’ny vadiko any aminy indray izany. Toa lasa mora kokoa ho ahy ny nilavo lefona … toy izay niady tamin’izany. Tena tsapako fa manandevo toy ny zava-mahadomelina ihany ny fanaovana kilalao amin’ny fitaovana elektrônika. Hanao izay vitako aho mba hiarovana ireo ray aman-dreny hafa tsy hiaina izany toe-javatra izany.

Ry rahalahy sy rahavavy raha toa ka misy zavatra tsy mampahazo aina ny vadinao dia manehoa fanajana an’ireo fahatsapana ananany ireo. Rehefa misafidy ilay fomba mora amin’ny alalan’ny tsy fitenenana sy ny tsy fanaovana na inona na inona ianao dia mety hanome vahana ilay fitondran-tena mamotika.

Afaka misoroka ny ratram-po maro ny ray aman-dreny amin’ny alalan’ny fampianarana ny zanany mba hanemotra ny fiarahana aman’olona ahitana fanehoana fitiavana lalina mandrapahatonga ilay fotoana hahavonona azy ireo hanambady. Zava-doza ny fisakaizana aloha loatra amin’ny ankizilahy na ankizivavy iray. Ny hoe lasa “olon-droa miaraka” dia miteraka fisakaizana lalina ara-pihetsehampo, izay matetika loatra mitarika any amin’ny fisakaizana ara-batana. Fantatr’i Satana izany fisehon-javatra izany ary ampiasainy mba hahazoany tombontsoa. Hanao izay tratrin’ny heriny izy mba hanakanana ny zatovolahy tsy handeha hanao asa fitoriana sy hanakanana ny fanambadiana any amin’ny tempoly.

Zava-dehibe ny fananan’ny ray aman-dreny fahasahiana mijoro amin’ny heviny sy mandray andraikitra alohan’ny handresen’i Satana. Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Rehefa misy zavatra mahakasika ny fitsipi-pitondrantena, dia sady manana zo isika no manana adidy hanandratra feo fampitandremana.”4

Izaho dia nino foana fa tsy misy zavatra tena tsara miseho rehefa mandroso ny alina ary ny zatovo dia mila mahafantatra hoe amin’ny firy izy ireo no tokony hody any an-trano.

Mibaribary ny fahendrena lehibe rehefa tsy matory ny ray aman-dreny fa miandry ny fahatongavan-janany ao an-trano. Manao safidy tsara lavitra kokoa ny zatovolahy sy zatovovavy rehefa fantatr’izy ireo fa miandry azy ireo ny ray aman-dreniny mba hihaino mikasika ny zavatra nataony nandritra ilay takariva sy hanoroka azy ireo mba hirariana azy ireo ho tsara mandry.

Te haneho fampitandremana manokana aho momba ny fomba fanao iray izay mahazatra any amin’ny kolotsaina maro. Ny tiako horesahana dia ny fandehanan’ny rehetra matory any amin’ny tranon’olona anankiray na ny fandaniana ny alina any an-tranon’ny namana iray. Hitako tamin’ny naha eveka ahy fa maro loatra ireo zatovo nandika vao voalohany ny Tenin’ny Fahendrena na ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena tao anatin’ireny fandehanan’ny rehetra matory any amin’ny tranon’olona anankiray ireny. Matetika loatra no mitranga ny fanandramany voalohany ny pôrnôgrafia na ny fandraofan’ny mpitandro filaminana azy ireo vao voalohany amin’ny fotoana handanian’izy ireo ny alina tany ivelan’ny trano lavitra tany.

Matanjaka kokoa ny fitarihan’ireo namana manodidina rehefa lavitry ny fitarihantsika ny zanatsika ary rehefa mihamalemy ny hery fiarovany rehefa mandroso ny alina. Rehefa mahatsapa ho tsy mahazo aina ianao momba ny hetsika iray atao mandritra ny alina, dia aza matahotra ny handray andraikitra eo anatrehan’izany feo mampitandrina ao anaty izany. Aoka ianao mba hivavaka foana rehefa ilaina ny miaro ny zanakao izay sarobidy aminao.

Ny fitaizan’ny ray aman-dreny amin-kerimpo ny zanaka dia tsy voatery midika hoe hiteny hoe tsia. Ny ray aman-dreny koa dia mila sahy miteny hoe eny araka ny torohevitr’ireo mpaminany maoderina. Nanoro hevitra antsika ireo mpitarika antsika ao amin’ny Fiangonana mba hametraka rafitra tsara ao an-tokantranontsika. Eritrereto ireto zavatra fototra dimy tokony atao ireto izay manana hery mba hanamafy orina ny zatovontsika: ny vavaky ny mpianakavy, ny fandalinan’ny fianakaviana ny soratra masina, ny fiarahan’ny fianakaviana misakafo ary ny fanaovana tafa sy dinika tsy tapaka amin’ny zanaka tsirairay.

Mitaky herimpo ny fanangonana ireo zanaka rehefa manao izay zavatra ataony any izy ireo mba hiara-handohalika amin’ny maha-fianakaviana. Mitaky herimpo ny mamono ny fahitalavitra sy ny solosaina ary mitarika ny fianakaviana mba hifantoka ao amin’ireo pejin’ny soratra masina isan’andro. Mitaky herimpo ny fandavana fanasana amin’ny Alatsinainy hariva mba hahafahanao hanokana izany hariva izany ho an’ny fianakavianao. Mitaky herimpo sy herintsaina ny tsy fanaovana fandaharam-potoana be loatra, mba hahafahan’ny fianakavianao ho ao an-trano amin’ny fotoam-pisakafoanana hariva.

Ny iray amin’ireo fomba mahomby indrindra hitarihana ny zanakalahy iray na ny zanakavavy iray dia ny midinidinika aminy manokana. Rehefa mihaino tsara isika dia afaka mahita ny fanirian’ny fony sy manampy azy ireo hametraka tanjona tsara ary koa mizara ireo fahatsapana ara-panahy azontsika momba azy ireo. Mitaky herimpo ny fanomezana torohevitra.

Ezaho alaina sary an-tsaina hoe mety ho lasa inona ny taranaka vao misondrotra raha toa ka ampiharina tsy tapaka ao amin’ny tokantrano rehetra ireo zavatra tsara anankidimy ireo. Mety ho lasa tahaka ny tafik’i Helamàna ny zatovontsika, izany hoe: tsy mety resy (jereo ny Almà 57:25–26).

Andraikitra tena mampanetry teny ny fitaizan’ny ray aman-dreny ny zatovo amin’izao andro farany izao. Miezaka mafy handavo ity taranaka ity i Satana sy ny mpanara-dia azy ary miantehitra amin’ny ray aman-dreny mahery fo ny Tompo mba hampitraka azy ireo. Ry ray aman-dreny, “Mahereza sy matanjaha; aza matahotra” (Josoa 1:9). Fantatro fa mandre ny vavaka ataonareo Andriamanitra ary hamaly izany. Mijoro ho vavolombelona aho fa manohana sy mitahy ireo ray aman-dreny be herimpo ny Tompo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo Izao,” Liahona, Ôkt. 2004, 49.

  2. Joe J. Christensen, “Rearing Children in a Polluted Environment,” Ensign, Nôv. 1993, 11.

  3. Robert D. Hales, “With All the Feeling of a Tender Parent: A Message of Hope to Families,” Liahona, Mey 2004, 90.

  4. Boyd K. Packer, “Our Moral Environment,” Ensign, Mey 1992, 67.