2010
Raiso ny Fanahy Masina
Nôvambra 2010


Raiso ny Fanahy Masina

Ireo teny efatra—“Raiso ny Fanahy Masina” ireto—dia tsy teny tonontononina fotsiny; fa kosa mifono baiko avy amin’ny fisoronana izany—fampitandremana feno fahefana mba hihetsika ho azy fa tsy hetsehina.

Sary
Elder David A. Bednar

Ny hafatro dia mifantoka amin’ny maha-zava-dehibe ny mitolona mba tena handray ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Mivavaka aho ary manasa ny Fanahin’ny Tompo hampianatra sy hanorina ny tsirairay amintsika.

Ny fanomezan’ny Fanahy Masina

Tamin’ny volana Desambra 1839, raha tany Washington D.C., nikatsaka fanonerana ny hadisoana natao tamin’ireo Olomasina tany Missouri i Joseph Smith sy i Elias Higbee dia nanoratra tamin’i Hyrum Smith hoe: “Tamin’ny dinidinika nifanaovanay tamin’ny Filoha[n’i Etazonia] dia nanontany anay izy ny mampiavaka ny fivavahantsika amin’ny fivavahana hafa amin’izao andro izao. Rahalahy Joseph dia nilaza fa miavaka amin’ny fomba fanaovana batisa isika sy ny fanomezan’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tànana. Heverinay fa ny hevitra hafa rehetra dia tafiditra ao amin’ny fanomezan’ny Fanahy masina avokoa” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 97).

Ny Fanahy Masina dia mpikambana fahatelo ao amin’ny maha Andriamanitra; izy dia vatana Fanahy ary mijoro ho vavolombelona amin’ny fahamarinana rehetra. Ao amin’ny soratra masina, ny Fanahy masina dia voalaza fa Mpampionona (jereo ny Jaona 14:16–27; Môrônia 8:26), Mpampianatra (jereo ny Jaona 14:26; F&F 50:14), ary Mpanambara (jereo ny 2 Nefia 32:5). Ny Fanambarana avy amin’ny Ray sy ny Zanaka dia ampitaina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Izy no mpitondra hafatra sy vavolombelon’ny Ray sy ny Zanaka.

Ny Fanahy Masina dia maneho ny tenany amin’ny lehilahy sy ny vehivavy eto ambony tany amin’ny maha hery no sady amin’ny maha fanomezan’ny Fanahy Masina Azy. Ny hery dia afaka tonga eo amin’ny olona iray alohan’ny batisa, izany dia vavolombelona mandresy lahatra fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, ireo naman’ny Fiangonana mikatsaka ankitsimpo dia afaka mahazo finoana matanjaka mikasika ny fahamarinan’ny filazantsaran’ny Mpamonjy, ny Bokin’i Môrmôna, ny fisian’ny famerenana amin’ny laoniny, ary ny antso maha mpaminany an’i Joseph Smith.

Ny fanomezan’ny Fanahy Masina dia atolotra aorian’ny batisa nahazoana alalana ihany, amin’ny fametrahan-tànan’ireo izay mihazona ny Fisoronan’i Melkizedeka. Ny Tompo dia nanambara hoe:

“Eny, mibebaha ary aoka hatao batisa ny tsirairay avy aminareo, ho famelana ny fahotanareo;eny, aoka hatao batisa amin’ny rano, ary rehefa izany dia ho tonga ny batisan’ny afo sy ny an’ny Fanahy Masina. …

“Ary na zovy na zovy no manana finoana dia ho raisinareo ho mpikambana ao amin’ny fiangonako amin’ny alalan’ny fametrahan-tànana, ary hatolotro azy ny fanomezana ny Fanahy Masina” (F&F 33:11, 15).

Ny Apôstôly Paoly dia nanazava izany fomba fanao izany tamin’ireo Efesiana rehefa nanontany izy hoe:

“Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina.

“Ary hoy i Paoly: Ho amin’inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo ho amin’ny batisan’i Jaona.

“Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan’ny fibebahana ka nilaza tamin’ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.

“Ary raha nahare izany izy dia natao batisa ho amin’ny anaran’i Jesosy Tompo.

“Ary rehefa nametrahan’i Paoly tànana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina” (Asan’ny Apôstôly 19:2–6).

Ny batisa hasitrika dia “ôrdônansy voalohan’ny filazantsara, ary tsy maintsy harahin’ny batisan’ny Fanahy mba ho feno” (Bible Dictionary, “Baptism”). Ny Mpaminany Joseph Smith dia nanazava fa “ny batisa dia ôrdônansa masina manomana amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina; izy no fantsona sy fanalahidy hiasan’ny Fanahy Masina. Ny fanomezan’ny Fanahy Masina amin’ny fametrahan-tànana dia tsy afaka raisina amin’ny alalan’ny fitsipika hafa ankoatry ny fitsipiky ny fahamarinana” (Teachings: Joseph Smith, 95–96).

Ny ôrdônansin’ny fanamafisana ny mpikamban’ny Fiangonana vaovao iray sy ny fanolorana ny fanomezana ny Fanahy Masina dia sady tsotra no lalina. Ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka mendrika dia mametraka ny tanany eo ambonin’ny lohan’ny olona iray ary miantso ny anarany. Avy eo, amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana masina sy ny anaran’ny Mpamonjy dia hamafisina ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ilay olona ary dia tenenina izao fehezanteny manan-danja izao: “Raiso ny Fanahy Masina.”

Ny fahatsoran’ilay ôrdônansy dia mety hitarika antsika tsy ahita ny dikany. Ireo teny efatra—“Raiso ny Fanahy Masina” ireto—dia tsy teny tonontononina fotsiny; fa kosa mifono baiko avy amin’ny fisoronana izany—fampitandremana feno fahefana mba hihetsika ho azy fa tsy hetsehina (jereo ny 2 Nefia 2:26). Ny Fanahy masina dia tsy miasa feno eo amin’ny fiainantsika satria nisy tanana napetraka teo ambony lohantsika sy notenenina ireo teny efatra ireo. Rehefa raisintsika io ôrdônansy io, ny tsirairay amintsika dia manaiky ny andraikitra masina sy tsy mitsahatra ny haniry, hikatsaka, hiasa ary hiaina am-pahamendrehana mba tena “handray ny Fanahy Masina” sy ny fanomezan’ny fanahy ambiny. “Fa inona no soa azon’ny olona raha atolotra azy ny fanomezana kanefa tsy mandray izy? Indro tsy mankasitraka izay omena azy izy sady tsy mankasitraka an’ilay mpanome fanomezana” (F&F 88:33).

Inona no tokony ataontsika mba hahatonga izany fampitandremana nahazo alalana hikatsaka ny fiarahan’ny mpikambana fahatelo ao amin’ny maha Andriamanitra izany, ho zava-misy tsy tapaka? Mamelà ahy hanome soso-kevitra fa isika dia mila (1) maniry ankitsi-po ny handray ny Fanahy Masina; (2) manasa araka ny tokony ho izy ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainantsika; ary (3) mankatoa am-pahatokiana ny didin’Andriamanitra.

Maniry amin-kitsimpo

Voalohany dia tokony haniry, hiandrandra, ary hikatsaka ny fiarahan’ny Fanahy Masina isika. Izaho sy ianao dia afaka mianatra lesona iray lehibe mikasika ny faniriana marina avy amin’ny mpanara-dia mahatokin’ny Mpampianatra izay voafaritra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

“Ary ny roa ambin’ny folo dia nampianatra ny valalabemandry; ary indro nataony izay nandohalehan’ny valalabemandry teo amin’ny lafin-tany, sy hivavahany amin’ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa. …

“Ary nivavahany ho an’izay niriany indrindra; ary niriany ny hanomezana ny Fanahy Masina azy ireo” (3 Nefia 19:6, 9).

Moa ve isika mahatsiaro tahaka izany koa ny mivavaka am-pahavitrihana sy tsy tapaka ho an’izay tokony iriantsika indrindra dia tsy inona fa ny Fanahy Masina? Sa voarebirebin’ny fiahiana izao tontolo izao isika sy ny fahazaran’ny fiainana andavanandro ary mihevitra ho mandeha ho azy na koa manamaivana aza izay sarobidy indrindra amin’ny fanomezana rehetra? Ny fandraisana ny Fanahy Masina dia manomboka amin’ny faniriantsika amin-kitsimpo sy tsy tapaka ny fiarahany eo amin’ny fiainantsika.

Manasa araka ny tokony ho izy

Vonona kokoa handray sy hahafantatra ny Fanahin’ny Tompo isika rehefa manasa Azy araka ny tokony ho izy eo amin’ny fiainantsika. Tsy afaka manery, na mandidy ny Fanahy Masina isika. Tokony hanasa Azy eo amin’ny fiainantsika kosa isika miaraka amin’ny fahatsarana sy ny fahalefahana mitovy izay hiangaviany antsika (jereo F&F 42:14).

Ireo fanasantsika ny fiarahan’ny Fanahy Masina dia miseho amin’ny endrika maro: amin’ny alalan’ny fanaovana sy ny fitandremana ny fanekem-pihavanana; amin’ny alalan’ny vavaka amin-kitsimpo ataon’ny tena manokana sy ataon’ny fianakaviana; amin’ny alalan’ny fikarohana am-pahazotoana ny soratra masina; amin’ny fanamafisana araka ny tokony ho izy ny fifandraisana amin’ny mpikamban’ny fianakaviana sy ny namana; amin’ny fikatsahana eritreritra, asa ary fomba fiteny tsara; ary amin’ny fanompoam-pivavahana ao an-tokantrano, any amin’ny tempoly masina sy any am-piangonana. Mifanohitra amin’izay kosa, ny tsy firaharahiana na fandikana ny fanekempihavanana sy ny teny nomena, ny tsy fivavahana sy tsy fianarana ny soratra masina, ary ny eritreritra, ny asa, sy ny fomba fiteny tsy araka ny tokony ho izy dia mahatonga ny Fanahy hiala na hanalavitra antsika.

Araka ny nampianarin’ny Mpanjaka Benjamina ny vahoakany dia: “Ary ankehitriny, lazaiko aminareo ry rahalahiko fa rehefa avy nahalala sy nampianarina ireo zava-drehetra ireo ianareo, raha mandika lalàna ianareo sy manohitra izay voalaza, dia mampihataka ny tenanareo amin’ny Fanahin’ny Tompo, hany ka tsy mety hanana toerana eo aminareo Izy mba hitarika anareo amin’ny làlan’ny fahendrena hahazoana mitahy sy mampiroborobo ary mitsimbina anareo” (Môsià 2:36).

Mankatoa am-pahatokiana

Ny mankatoa am-pahatokiana ny didin’Andriamanitra dia tena ilaina mba handraisana ny Fanahy Masina. Ampahatsiahivina antsika izany fahamarinana izany isakerinandro rehefa mihaino ny vavaky ny fanasan’ny Tompo sy mandray am-pahamendrehana ny mofo sy ny rano isika. Rehefa mampanantenany fahavononantsika hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy, ny hahatsiaro Azy mandrakariva, ary ny hitandrina ny didiny isika, dia mahazo fampanantenana fa afaka hanana ny Fanahiny miaraka amintsika mandrakariva (jereo F&F 20:77). Noho izany, ny zavatra rehetra ampianarin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy ataontsika sy hahatongavantsika dia natao mba hitahiana antsika miaraka amin’ny fiarahan’ny Fanahin’ny Masina.

Saintsaino ny antony hivavahantsika sy handalinantsika ny soratra masina. Eny, miandrandra sy maniry ny hifandray am-bavaka amin’ny Ray any an-danitra isika amin’ny anaran’ny Zanany. Ary eny, maniry ny hahazo ny fahazavana sy ny fahalalana misy eo amin’ny asa mahazatra isika. Saingy miangavy aho mba saintsaino fa ireo fomba mahazatra masina ireo dia fomba voalohany indrindra izay ahafahantsika mahatsiaro ny Ray any an-danitra sy ny Zanany Tiany ary takiana ho an’ny fiarahana tsy tapaky ny Fanahy Masina.

Eritrereto ny antony hivavahantsika ao amin’ny Tranon’ny Tompo sy amin’ny fivorian’ny Sabata. Eny, manompo ny havantsika maty isika any amin’ny Tempoly—ary ny fianakaviantsika sy ny namantsika eo anivon’ny paroasy sy ny sampana izay misy antsika. Ary eny, mahita fifaliana amin’ny fifaneraserana izay hitantsika eo amin’ny rahalahy sy rahavavy isika. Fa voalohany indrindra dia mivory miaraka isika ao anaty firaisana mba hikatsaka ny fitahiana sy ny fampianarana avy amin’ny Fanahy Masina.

Ny vavaka, fianarana, fivoriana, fivavahana, fanompoana sy ny fankatoavana dia tsy singa mitokana sy mahaleo tena amin’ny lisitry ny zavatra tokony atao ao amin’ny filazantsara. Ny tsirairay amin’ireo fomba marina ireo kosa dia singa manan-danja amin’ny fikatsahana lehibe ara-panahy ny hanatanteraka ilay baiko ny handray ny Fanahy Masina. Ny didy avy amin’Andriamanitra izay hankatoavintsika sy ny torohevitra tarihin’ny Fanahy avy amin’ny mpitariky ny Fiangonana izay harahintsika dia mifantoka indrindra amin’ny fahazoana ny fiarahan’ny Fanahy Masina. Raha jerena ifotony, ny fampianarana sy fiaraha-mientan’ny filazantsara rehetra dia miainga amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika.

Izaho sy ianao dia tokony hifofotra mafy mba ho tonga tahaka ireo tafika voalaza ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay “hanatontosa ny teny tsirairain’ny fibaikoana tamin’ny antsipiriany;eny, ary dia efa natao taminy araka ny finoany. …

“… Ary sarotiny izy ireo amin’ny fahatsiarovana ny Tompo Andriamaniny isan’andro isan’andro; eny, ezahiny ny hitandrina lalandava ny fitsipiny sy ny fitsarany ary ny didiny” (Almà 57:21; 58:40). (Almà 57:21; 58:40).

Fijoroana ho vavolombelona

Ny Tompo dia nanambara fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia “ilay hany Fiangonana marina sy velona eto ambony tany manontolo” (F&F 1:30). Ity Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ity dia marina satria Fiangonan’ny Mpamonjy; Izy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). Ary dia Fiangonana velona izy noho ny asa sy ireo fanomezan’ny Fanahy Masina. Tena voatahy isika miaina amin’ny fotoana misy ny fisoronana eto an-tany, ary afaka mandray ny Fanahy Masina.

Taona maro taorian’ny namonoana ny Mpaminany Joseph Smith dia niseho tamin’ny Filoha Brigham Young izy ary nizara ity torohevitra tsy lefin’ny fotoana ity. “Ilazao ny olona mba hietry sy hahatoky ary hanao izay hihazonana ny fanahin’ny Tompo, dia hitondra azy ireo amin’ny marina izany. Mitandrema ary aza mitodi-damosina ilay feo malefaka; hampianatra [anareo izay] tokony atao sy ny tokony aleha Izy; hamokatra ny voan’ny fanjakana Izy. Lazao ny rahalahy mba hihazona ny fon’izy ireo hisokatra amin’ny finoana matanjaka, ka rehefa tonga amin’izy ireo ny Fanahy Masina, ny fon’izy ireo dia ho vonona handray Azy. Afaka hanavaka ny Fanahin’ny Tompo amin’ireo fanahy hafa rehetra izy ireo. Hibitsika fiadanana sy fifaliana amin’ny fanahin’izy ireo izany. Hanaisotra ny faharatsiana, ny fankahalana, ny ady sy ny ratsy rehetra ao amin’ny fon’izy ireo izany ary ny fanirian’izy ireo iray manontolo dia ny hanao ny tsara, ny hitondra ny fahamarinana sy ny hanorina ny fanjakan’Andriamanitra. Lazao ny rahalahy fa raha manaraka ny Fanahin’ny Tompo izy ireo dia tsy hanana olana.” (Teachings: Joseph Smith, 98)

Mivavaka aho mba tena haniriantsika amin-kitsimpo sy hanasantsika araka ny tokony ho izy ny Fanahy masina ho eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Mivavaka ihany koa aho mba hankatoa ampahatokiana ny didin’Andriamanitra ny tsirairay amintsika ary mba tena handray ny Fanahy Masina. Mampanantena aho fa ny fitahiana nofaritan’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’i Brigham Young dia azon’ny olona tsirairay izay mandre sy mamaky ity hafatra ity ampiarina sy tratrarina.

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fisiana sy fahaveloman’ny Ray sy ny Zanaka. Mijoro ho vaolombelona aho fa ny Fanahy Masina dia mpanambara, mpampionona ary mpampianatra lehibe indrindra izay tokony hanovozantsika ny fampianaranantsika. Ary mijoro ho vavolombelona aho fa ny fitahiana sy fanomezan’ny Fanahy dia miasa ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa kristy naverina amin’ny laoniny, marina ary velona amin’izao andro farany izao. Izany no hijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’ny Tompo Jesoa kristy, amena.