Seminera sy Institiota
Lesona 24: Tahaka an’ Andriamanitra ny olon-drehetra


Lesona 24

Tahaka an’ Andriamanitra ny olon-drehetra

Fampidirana

Mba hiarovan’izy ireo ny tenany taorian’ny fahafatesan’i Lehia dia nomen’ny Tompo torolalana i Nefia sy ireo olona nisafidy ny hiaina am-pahamarinana tao amin’ny fianakavian’i Lehia mba hisaraka amin’i Lamana sy i Lemoela ary ireo mpanara-dia azy ireo. Fotoana fohy taorin’izany dia matetika namaritra ny fifandraisana nisy teo amin’ny Nefita sy Lamanita ireo fifandirana sy ady. Miresaka ny fomba hampihavanan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo tsy fitovian-kevitra tsy mampiray hina ny zanak’ Andriamanitra eo amin’ny lafiny fivavahana, foko, kolontsaina ary zavatra hafa ity lesona ity.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Dallin H. Oaks, “All Men Everywhere,” Ensign na Liahona, mey 2006, 77–80.

  • Howard W. Hunter, “The Gospel—A Global Faith,” Ensign, nôv. 1991, 18–19.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 26:23–28, 33; Jakôba 7:24; Enôsa 1:11, 20

Voasa hanatona Azy ireo zanak’ Andriamanitra rehetra

Asaivo mieritreritra ireo fivavahana, foko na kolontsain’olona sasantsasany eto amin’izao tontolo izao ireo mpianatra ary haka sary an-tsaina ireo fihetsika ataon’ireo olona sasantsasany amin’ireo olona hafa ao amin’ny vondrona hafa.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa taorin’ny fahafatesan’i Lehia dia nizara ho vondron’olona roa ny taranany: Nefita sy Lamanita (jereo ny 2 Nefia 5:1–7). Tsy ela taorian’io fisarahana io dia nanomboka nifanditra sy nifamaly ireo vondron’olona roa ireo (jereo ny 2 Nefia 5:34). Maneho ny zavatra niainan’ireo vondron’olona roa ireo fa rehefa tsy mahafantatra sy tsy manaraka ny didin’ Andriamanitra ireo olona dia matetika manome laka ny tsy fitovian-keviny eo amin’ny samy izy ireo sy amin’ny hafa izy ireo, izay mitarika amin’ny fisarahana sy fifankahalana amin’ny hafa. Mariho fa ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy kosa etsy andanin’izany dia maniry ny olon-drehetra hahatsapa fifankatiavana sy firaisan-kina.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 2 Nefia 26:23–28, 33. Asaivo jeren’ireo mpianatra ny fomba nampiasain’i Nefia ireo teny hoe tsy misy, na iza na iza, ary ny rehetra. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika ireo teny ireo ao amin’ny soratra masiny.

  • Inona no fotopampianarana manan-danja ianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia tokony ho takatr’izy ireo izao fotopampianarana manaraka izao: Tia ny olon-drehetra sy manasa azy ireo hanatona Azy sy handray ny famonjeny i Jesoa Kristy Azonao atao ny manoratra io fotopampianarana io eo amin’ny solaitrabe. Azonao entanina hapmpifandray ireo soratra masina 2 Nefia 26:33 amin’ny Almà 5:33–34 sy ny Almà 19:36 ireo mpianatra.)

Omeo fotoana vitsivitsy hamakiana am-pahanginana ny Jakôba 7:24 sy Enôsa 1:11, 20 ireo mpianatra ary hikaroka ny fanirian’ireo Nefita mba hitranga amin’ireo Lamanita nandritra ny fotoan’ny mpaminany Jakôba sy Enôsa.

  • Inona ireo fomban-drazana diso izay nanakana ireo Lamanita hanaiky ny fanasana hanatona an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no toetra na fomban-drazana diso izay tokony hialan’ireo Nefita mba hahafahany mizara ny filazantsara amin’ireo Lamanita, na dia eo aza ny fahafantarana fa matetika ireo Lamanita no mankahala ireo Nefita?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Mampanantena ny Bokin’i Môrmôna fa ireo rehetra manaiky sy manao asa mifandraika amin’ny fanasan’ny Tompo ny ‘mibebaka sady mino ny Zanany’ no tonga ‘olon’ny fanekempihavanan’ny Tompo’ (2 Nefia 30:2). Izany dia fampahatsiahivana mahery vaika fa tsy tokony misy harena na rohim-pirazanana na zavatra ananana hafa nolavaina tamin’ny fahaterahana hahatonga antsika hino fa ‘tsaratsara kokoa noho ny hafa’ isika (Almà 5:54; jereo koa ny Jakôba 3:9). Mandidy tokoa ny Bokin’i Môrmôna fa ‘Ianareo tsy hihevitra ny nofo iray ho ambony noho ny iray hafa, na ny olona iray dia tsy hihevitra ny tenany ho ambony noho ny iray hafa’ (Môsià 23:7)” (“All Men Everywhere,” Ensign na Liahona, mey 2006, 79).

Asao haka fotoana sy hisaintsaina ny fihetsiny amin’ireo olona izay avy amin’ny toe-java-niainana hafa noho ny azy ireo mpianatra. Amporisiho hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy izy ireo amin’ny fiezahana hitia ny zanak’ Andriamanitra rehetra, ao anatin’izany ireo hafa noho izy ireo amin’ny lafiny foko, kolontsaina na fivavahana.

Môsià 28:1–3; Helamàna 6:1–8

Mahazo faniriana hizara ny filazantsara amin’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa mirakitra traikefa mahavariana izay nananan’ireo Nefita nandritra ny fitoriany ny filazantsara tamin’ny Lamanita ny Bokin’i Môrmôna. Ampahatsiahivo ireo mpianatra ny fiovampo mahatalanjona teo amin’ireo zanakalahin’i Môsià (jereo ny Môsià 27), ary asaivo mamaky mafy ny Môsià 28:1–3 ny mpianatra iray. Asaivo jeren’ireo mpianatra ireo antony nanirian’ny zanakalahin’i Môsià hitory ny filazantsara amin’ireo Lamanita.

  • Amin’ireo antony hita ireo, inona amin’ireo no tena manan-danja manokana aminao rehefa mieritreritra mikasika ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa?

  • Inona ao amin’ny andininy 1 no teny manambara ny fomba fahitan’ny zanakalahin’i Môsià ny Lamanita?

  • Inona no ho fiantraikany eo amin’ny faniriantsika hizara ny filazantsara rehefa mandray ireo hafa amin’ny vondrona fivavahana, fiaviana na foko ho rahalahy sy rahavavintsika isika? (Rehefa mizara ny valinteniny ireo mpianatra dia ampio izy ireo hahatakatra izao fitsipika manaraka izao: Rehefa mandray ny hafa ho rahalahy sy rahavavintsika isika dia hitombo ny faniriantsika hizara ny filazantsara.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka izay nolazain’ny Filoha Howard W. Hunter (1907--95) ity:

Sary
Filoha Howard W. Hunter

“Tsy vitan’ny manana rohim-pihavanana ara-batana fotsiny izay mankany amin’i Adama sy i Eva, izay ray aman-dreniny voalohany eto an-tany, ny lehilahy sy vehivavy rehetra, fa koa manana lova ara-panahy mankany amin’ny Andriamanitra Ray Mandrakizay. Noho izany, mpirahalahy sy mpirahavavy ara-bakiteny ao amin’ny fianakavian’ Andriamanitra ny olon-drehetra eto an-tany.

“Ny fahatakarana sy fanekena izany maha-rain’ny olon-drehetra an’ Andriamanitra izany no ahafahan’ny olombelona rehetra hanana fankasitrahana amin’ny fiahian’ Andriamanitra azy ireo sy ny fifandraisany eo amin’izy samy izy. Hafatry ny fiainana sy fitiavana hanoherana mivantana ny fomban-drazana tsy mampivoatra izay mifototra amin’ny fiaviana, fiteny, toe-karena na fironana ara-pôlitika, na fari-pahaizana, na kolontsaina arahina, satria isika rehetra dia avy amin’ny fiaviana ara-panahy iray ihany” (Teachings of Presidents of the Church: Howard W. Hunter [2015], 123–24).

  • Inona no eritreritra tonga ao aminao eo am-pandrenesana ireo tenin’ny Filoha Hunter ireo?

Omeo minitra vitsivitsy ireo mpianatra hamakiany ny Helamàna 6:1–8. Mariho fa ny toe-javatra voafariparitra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia nitranga 50 taona taorian’ny nanompoan’ny zanakalahin’i Môsià teo anivon’ny Lamanita. Asaivo mieritreiritra ny fifandraisana nisy teo amin’ny Nefita sy Lamanita tamin’ny fotoana nanaovana ireo asa fitoriana ireo ny mpianatra ary hikaroka ny fiovan’ny fifandraisana tao anatin’ny 50 taona.

  • Inona no niova teo amin’ny fifandrasain’ny Nefita sy ny Lamanita? Nahoana no niova izany fifandraisana izany?

  • Inona no azontsika ianarana mikasika ny fizarana ny filazantsara avy amin’ny fihetsik’ireo zanakalahin’i Môsià sy ny vokatry ny fitorian’izy ireo?

Almà 27:1–2, 20–24; 53:10–11, 13–17; 4 Nefia 1:1–3, 11–13, 15–18

Mampihavana ny tsy fitoviana eo amin’ny olona ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fanontaniana manaraka ary asao hizara ny eritreriny izy ireo avy eo:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no afaka miaraka ao anatin’ny fanahin’ny fiadanana sy fitiavana ao am-piangonana ireo olona samy avy amin’ny karazam-piainana maro samihafa? Inona no mapiray hina ny mpikamban’ny Fiangonana?

Zarao roa ny kilasy. Asao handalina ny Almà 27:1–2, 20–24 ny antsasak’ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nataon’ireo Nefita mba hanampiana ireo vahoaka Antia-Nefia-Lehia. Asao ksoa ny antsasany handalina ny Almà 53:10–11, 13–17 ary hikaroka ny zavatra nataon’ny vahoaka Antia-Nefia-Lehia (ny vahoakan’i Amôna) ho an’ireo Nefita. Rehefa avy nanome fotoana ampy ireo mpianatra dia asao izy ireo hizara izay zavatra nianarany.

  • Inona araka ny eritreritrao no nahatonga ireo vondron’olona roa ireo hifaneho fifankatiavana sy fifampiahiana teo amin’izy ireo toy izany? (Ampio hamantatra ity fitsipika manaraka ity ireo mpianatra mandritra ny fifanakalozana hevitra: Rehefa mandray ireo fampianaran’i Jesoa Kristy ny olona dia hiray hina izy ireo.)

Hazavao fa ohatra mahafinaritra maneho izany fitsipika izany ny voarakitra ao amin’ny 4 Nefia. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 4 Nefia 1:1–2 . Antitrantero fa taorian’ny fitsidihan’ny Mpamonjy tany Amerika dia nibebaka sy natao batisa ary nandray ny Fanahy Masina ary niova fo tamin’ny Tompo ireo Nefita sy lamanita rehetra. Asaivo karohin’ieo mpianatra ny 4 Nefia 1:3, 11–13, 15–18, ary tadiaviuny ireo fitahiana niainan’ireo vahoaka rehefa samy niova fo amin’ny filazantsara ny olon-drehetra.

  • Inona ireo teny na andianteny mamaritra ny vahoaka tamin’izany fotoana izany?

  • Nahoana no mitarika amin’ireo fitahiana ireo ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 4 Nefia 1:17.

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe tsy misy “fombafomban’ny -ita”? (Tsy nanisy zavatra nampiavaka azy ireo intsony ny vahoaka toy ny fiantso tahaka ny hoe Nefita na Lamanita. Nandresy ny fahasamihafana izay nisy teo aminy izy ireo ary niaina tao anatin’ny firaisan-kina sy fiadanana.)

  • Ahoana no nitarafanao ny fanesoran’ny filazantsara ireo tsy fitoviana teo amin’ny olona avy amin’ny karazam-piainana sy fiaviana samihafa?

Mba hahatakaran’ireo mpianatra bebe kokoa ny fomba hampiraisan’ny fiainana ny filazantsara ireo olona avy amin’ny karazam-piainana sy fiaviana samihafa dia zarao ity teny nambara manaraka nolazain’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Nanendry anao ho teraka amin’ny rohim-pirazanana manokana izay nandraisanao ny lovan’ny foko, kolontsaina ary fomban-drazana ny Rainao any An-danitra. Afaka manome lova tsy hita noanoa sy antony lehibe hifaliana izany rohim-pirazanana izany. Kanefa andraikitrao ny manapa-kevitra raha toa ka misy ampahany amin’izany lova izany tokony hajanona satria tsy miara-dalana amin’ny drafitry ny fahasambarana. …

“Mijoro ho vavolombelona aho fa hanala ireo sakantsakan’ny fahasambarana sy hahita fiadanana sesehena ianao rehefa mijanona voalohany ho mahatoky amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy sy ny fampianarany ho fototra ijoroan’ny fiainanao ianao. Raha toa ka misy fomba ama-panaon’ny fianakaviana na firenena izay mifanohitra amin’ny fampianaran’ Andriamanitra dia ialao izy ireny. Raha toa misy fomba amam-panao izay mifanaraka amin’ny fampianarany dia tokony hankamamiana sy arahina izany mba hihazonana ny kolontsainao sy ny lovanao” (“Removing Barriers to Happiness,” Ensign, mey 1998, 86–87).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mihena ny tsy fitovian-kevitra misy eo amin’ny olona samy hafa fiaviana na karazam-piainana rehefa manao ho lohalaharana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo?

  • Ahoana no nanampian’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao hahatsapa firaisan-kina amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay samy hafa fiaviana sy karazam-piainana aminao?

Farano amin’ny fijoroana ho vavolombelona fa ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra ohatra marina niainan’ireo olona samy faha fiaviana sy karazam-piainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy nampihavanany ireo tsy fitoviana. Mampihavana ireo tsy fitoviana eo amin’ny fiaviana, foko, kolontsaina, taona ary ny maha-lahy na maha-vavy ka mampiray hina ireo zanak’ Andriamanitra ny Sorompanavotana sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Amporisiho hieritreritra ny fomba ahafahan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy hanampy azy ireo handresy ireo fomban-drazana na hevitra diso nianaran’ny olona tao amin’ny fianakaviany na namany, na famahana tsy fitoviana nandalovan’izy ireo niaraka tamin’ny olom-pantany ireo mpianatra. Amporisiho hikatsaka ireo fomba mba hahafahana miray hina amin’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy azy eo an-toerana ireo mpianatra.

Vakitenin’ny Mpianatra