Seminera sy Institiota
Lesona 17: Ny herin’ny Teny


Lesona 17

Ny herin’ny Teny

Fampidirana

Nanao ezaka lehibe mba hanoratana sy hiarovana soratra masina izay hitahy antsika amin’izao androntsika izao ireo mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna. Hahazo fampahatsiahivana ireo mpianatra, ao amin’ity lesona ity, fa afaka mandray hery handresena an’i Satana, hamakivakiana ny lalany eto amin’ny fiainana an-tany ary farany hahazoana ny fiainana mandrakizay rehefa mandalina sy mitoetra amin’ny tenin’ireo mpaminany.

Vakiteny Enti-mandalina

  • (Richard G. Scott, “Ny herin’ny soratra masina,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 6–8.

  • D. Todd Christofferson, “Ireo fitahian’ny soratra masina,” Ensign na Liahona, mey 2010, 32–35.

  • “The Power of the Word,” toko 8 ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson [2014], 115–24.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 3:19–20; 5:21–22; Ômnia 1:14–17; Môsià 1:3–5; Almà 37:3–4, 8

Ny maha-zava-dehibe ny soratra masina

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary anontanio ireo mpianatra no mety ho valintenin’izy ireo amin’izany faniontaniana napetrany izany:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Manana trosa [lehibe] ho an’ireo izay nirakitra sy niaro tamim-pahatokiana ny teny nandritra izao taon-jato maro, izay matetika asa mafy sy nitaky fahafoizan-tena—Mosesy, Isaia, Abrahama, Jaona, Paoly, Nefia, Môrmôna, Joseph Smith, ary ireo maro hafa. Inona no zava-dehibe fantatr’izy ireo mikasika ny soratra masina izay tokony ho fantatsika koa?” (“Ny fitahiana avy amin’ny soratra masina,” Ensign na Liahona, mey 2010, 32).

  • Inona araka ny eritreritrao no zavatra fantatr’ireo mpanoratra ireo fa manan-danja amin’ny soratra masina izay tokony ho fantatsika koa?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nodidian’ny Tompo hiverina any Jerosalema mba haka ny takela-barahina i Nefia sy ny rahalahiny. Asao hifandimby hamaky amin’ny feo avo ny 1 Nefia 3:19–20 sy 5:21–22 ny mpianatra vitsivitsy raha toa ka hikaroka ny maha-zava-dehibe ireo takela-barahina ho an’i Lehia sy ny fianakaviany kosa ireo mpianatra ambiny.

  • Araka ireo andininy ireo, nahoana no zava-dehibe ny soratra masina? (Tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: Mitahiry ireo tenin’ Andriamanitra sy ny didiny araka ny nampitaina tamin’ireo mpaminany ny soratra masina.)

Mba entina hanamafisana izany fahamarinana izany dia ampahatsiahivo ireo mpianatra fa taon-jato maro taorian’ny nahatongavan’ny fianakavian’i Lehia tany amin’ny tany nampanantenaina dia nihaona tamin’ny vahoakan’i Zarahemlà (ny Miolekita), izay niala tao Jerosalema taoriana kelin’ny nialan’ny fianakaviany izy ireo.

Asao hamaky am-pahanginana ny Ômnia 1:14–17 sy Môsià 1:3–5 ireo mpianatra ary hanamarika ny fiavahana nisy teo amin’ireo izay nanana soratra masina (ny Nefita) sy ireo izay tsy nanana (ny Miolekita). (Fanamarihana: Mba hianarana mikasika ny fahaiza-mandalina soratra masina “mampitaha sy mampiavaka” dia jereo ny Fampianarana sy fianarana ny filazantsara: Boky torolalana ho an’ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara [2012], 22.)

  • Inona no vokatra nihatra tamin’ireo Miolekita noho ny tsy fananany soratra masina? (Jereo koa ny 1 Nefia 4:13.)

  • Inona ireo fitahiana azon’ny Nefita noho ny fananany soratra masina?

Asao hamaky amin’ny feo avo ny Almà 37:3–4, 8 ny mpianatra iray ary ireo ambiny kosa hikaroka ny fitahiana izay noraisin’ny Nefita avy tamin’ny takela-barahina.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 8, inona ireo fitahiana izay noraisin’ny Nefita avy tamin’ny takela-barahina?

  • Inona araka ny eritreritrareo no tian’i Almà lazaina rehefa niteny izy fa “efa nanitatra ny fitadidian’ity vahoaka ity” ireo soratra masina?

Mba entina hanazavana ny dikan’ity andianteny ity dia asao hamaky mafy ity teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ity ny mpianatra iray raha toa kosa ireo ambiny hikaroka hevi-baovao izay hahafahan’ny soratra masina manitatra ny fitadidiantsika:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Manitatra ny fitadidiantsika ny soratra masina amin’ny alalan’ny fanampiana antsika hatrany hahatsiaro ny Tompo sy ny fifandraisantsika Aminy sy amin’ny Ray. Mampahatsiahy antsika ny zavatra fantatsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana izy ireny. Ary manitatra ny fitadidiantsika koa izy ireny amin’ny lafiny iray hafa amin’ny alalan’ny fampiarana antsika ireo vanim-potoana, vahoaka ary zava-nitranga izay tsy nolalovantsika na niainantsika mivantana. …

“Manitatra ny fitadidiantsika koa ny soratra masina amin’ny alalan’ny fanampiana antsika tsy hanadino ny zavatra nianarantsika sy nianaran’ireo taranaka teo aloha. Ireo izay tsy manana na minia tsy mahafantatra ireo tenin’ Andriamanitra voarakitra dia hitsahatra tsy hino Azy amin’ny farany ary hanadino ny tanjon’ny fisian’izy ireo” (“The Blessing of Scripture,” 33).

  • Inona ireo fomba sasantsasany izay hanitaran’ny soratra masina ny fitadidiantsika?

  • Inona amin’ireo fotopampianarana, fitsipika na tantara ao amin’ny soratra masina no nanitatra na nampivelatra ny fitadidianao ny Tompo sy ny fiandraisanao Aminy?

1 Nefia 8:21–24, 29–30; 15:23–24; 2 Nefia 3:12; 32:3; 33:4–5; Jakôba 2:8; 7:10–11; Almà 5:10–13; 31:5; 37:2, 8–10; Helamàna 3:29–30; 15:7–8

Mitondra fitahiana ny tenin’ Andriamanitra

Manasà mpianatra iray hamintina fohifohy ny fahitan’i Lehia ny hazon’ny fiainana (jereo ny 1 Nefia 8). Angataho ireo mpianatra hilaza ny zavatra isoloan’ny anja-by tena ary nahoana no manan-danja eo amin’ny ampahan’ny fahitana izany. Asao ireo mpianatra hamaky tsirairay ny 1 Nefia 8:21–24, 29–30.

Asaivo mikaroka ny 1 Nefia 15:23–24 ireo mpianatra ary hikaroka ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fihazonana mafy ny tenin’ Andriamanitra. Amporisiho ireo mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.

  • Araka ny eritreritrao, midika inona ny hoe “mihazona mafy” ny tenin’ Andriamanitra?

  • Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo dia inona ireo fitahiana afaka raisintsika amin’ny fihazonana mafy ny tenin’ Andriamanitra? (Tokony ho takatry ny mpianatra izao fitsipika manaraka izao: Tsy ho potika ara-panahy na oviana na oviana isika raha toa ka mifikitra mafy amin’ny tenin’ Andriamanitra ary tsy hanana hery handresena antsika ny fahavalo.)

Asehoy ity teny nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary manasà mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Mamela ahy ianareo hilaza fa ny fihazonana mafy ny anja-by dia mahatonga be dia be ny fampiasana ombam-bavaka sy tsy tapaka ary amim-pahamatorana ny soratra masina ho toy ny loharano azo antoka mikasika ny fahamarinana nambara sy ho toy ny mpitarika azo antoka eo amin’ilay dia mamakivaky ny lalana ety sy tery mankany amin’ny hazon’ny fiainana—ary indrindra mankany amin’ny Tompo Jesoa Kristy” (“Lehi’s Dream: Holding Fast to the Rod,” Ensign, Ôkt. 2011, 36).

Hazavao fa mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna maromaro no nampianatra ireo fitahiana fanampiny izay nirotsaka tamin’ireo izay nifikitra mafy tamin’ny tenin’ Andriamanitra. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Asao ny mpianatra tsirairay handalina iray na roa amin’izany ary hitady ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra. Avy eo dia angataho hanoratra ireo fitahiana hitany eo amin’ny solaitrabe ireo mpianatra eo akaikin’ny soratra masina mifanentana amin’izany:

2 Nefia 3:12

2 Nefia 32:3

2 Nefia 33:4–5

Jakôba 2:8

Jakôba 7:10–11

Almà 5:10–13

Almà 31:5

Almà 37:2, 8–10

Helamàna 3:29–30

Helamàna 15:7–8

  • Oviana ianao no niaina iray tamin’ireo fitahiana ireo?

Asao hamaritra ny zavatra afaka ataon’ny tanora tokan-tena iray eo amin’ny fiainany andavanandro mba hifikirana mafy amin’ny tenin’ Andriamanitra ireo mpianatra.

Angataho mba hieritreritra izy ireo raha toa ka azo faritana ho fifikirana mafy amin’ny anja-by ny fampiasana ny soratra masiny.

Asao hanoratra zavatra miavaka izay azon’izy ireo atao mba hifikirana mafy kokoa amin’ny anja-by sy handray bebe kokoa ireo fitahiana ireo ny mpianatra .

Almà 37:38null46

Mitondra amin’ny fiainana mandrakizay ny tenin’ Andriamanitra

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nahazo fitaovana avy amin’ny Tompo, izay nantsoina hoe Liahônà ny mpaminany Lehia. Asao hamaky mafy ny Almà 37:38–42 ny mpianatra iray ary ireo ambiny kosa hikaroka ny fomba nitahiana ny fianakavian’i Lehia tamin’ny Liahônà.

  • Ahoana no nanasoavan’ny Liahônà ny ankohonan’i Lehia?

  • Inona no notakiana mba ho ataon’ny fianakavian’i Lehia mba hiasan’ny Liahônà araka ny tokony ho izy? (Rehefa manandrina ny sofiny amin’ireo torolalana sy mampihatra finoana sy fahazotoana izy ireo vao miasa ireo sahaza. Jereo koa ny 1 Nefia 16:28.)

Hazavao fa nampianarin’i Almà fa ny fampiasana ny Liahônà dia toy ny “karazany” sy “endrika”—izany ho toy ny tandindona—amin’ny fomba tokony ampiasaintsika ny tenin’ Andriamanitra. Asaivo mamaky mafy ny Almà 37:43–46 ny mpianatra iray raha toa kosa ireo mpianatra ambiny hikaroka ny fampifandraisana nataon’i Almà eo amin’ny Liahônà sy ny tenin’ i Kristy.

  • Inona no fitsipika ampianarin’i Almà amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny tenin’i Kristy? (Tokony ho takatry ny mpianatra izao fitsipika manaraka izao: Hotarihina amin’ny lalana mahitsy mankany amin’ny fiainana mandrakizay isika raha toa ka mampandry sofina amin’ireo tenin’i Kristy. Azonao amporisihina hanisy marika ny fiverenan’ny teny raha ao amin’ny andininy 45–46 ireo mpianatra. Lazao ireo mpianatra fa fahaiza-mandalina izay afaka ampivelatra ny fandalinan’izy ireo ny soratra masina ny fianarana mamantatra ny fifandraisana eo amin’ny antony sy vokany.)

  • Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe “lalana mahitsy” mankany amin’ny fiainana mandrakizay?

  • Inona ireo zavatra azonao atao ankoatra ny famakiana fotsiny ny tenin’i Kristy sy fanombohana “mampandry sofina” amin’izy ireny?

Farano amin’ny fampisehoana ity teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar ity ny lesona, ary asao ireo mpianatra hamaky sy hisaintsaina ny fanontaniana napetraky ny LoholonaBednar.

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ambony lavitra noho ny fitsetsefana tsindraindray ny rano velona ny fikorianany tsy tapaky.

“Moa ve izaho sy ianao mamaky sy mandinika ary mandalina ny soratra masina amin’ny fomba izay ahafahantsika mamikitra mafy amin’ilay anja-by—sa mihazona tsotra fotsiny izany isika? Moa ve izaho sy ianao mibosesika mandroso any amin’ilay loharano misy ilay rano velona—ka miantehitra amin’ny tenin’ Andriamanitra? Fanontaniana manan-danja tokony hosaintsainintsika tsirairay avy amim-bavak izany” (“A Reservoir of Living Water” [Church Educational System fireside for young adults, 4 feb. 2007], 7, lds.org/broadcasts).

Anontanio raha misy mpianatar te-hizara ny fijoroany ho vavolombelona amin’ireo fitahiana voarainy avy tamin’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra. Amporisiho hanohy hisaintsaina ny fanontaniana napetraky ny Loholona Bednar ireo mpianatra ary asao izy ireo hanatanteraka ireo zavatra tsapany sy neritreretiny nandritra ny lesona mba hahatonga ny fandalinany ny tenin’ Andriamanitra hahomby sy hitondra ventiny kokoa ho azy ireo.

Vakitenin’ny Mpianatra