Seminera sy Institiota
Lesona 14 Ny Herin’ny Fanafahan’ Andriamanitra


Lesona 14

Ny Herin’ny Fanafahan’ Andriamanitra

Fampidirana

Ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra tantaran’olona tsirairay sy fiaraha-monina maro izay tratran’ny fanababoana tamin’ny endrika isan-karazany. Maro amin’ireo fitantarana no manome ohatra fa i Jesoa Kristy ilay mpanafaka lehibe sy loharanon’ny fanampiana rehefa tsy azo tanterahina ny fitsoahana na ny famonjena. Rehefa manatona kokoa ny Tompo isika amin’ny alalan’ny fibebahana, fanetrentena, ary vavaka dia voaomana kokoa ara-panahy ny hiantso sy handray ny hery fanafahan’ Andriamanitra.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 1:20; Almà 36:1–3, 27–29

Manana hery hanome fanafahana Andriamanitra

Asao ireo mpianatra handinika hoe oviana izy ireo no niaiky volana tamin’ny herim-po sy tanjaky ny olona iray izay niatrika fanamby lehibe na sarotra. Angataho izy ireo hitatitra fohy ny zavatra hitany.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 1Nefia 1:1 mba hitadiavana ny zavatra nolazain’i Nefia mikasika ireo olana natrehiny teo amin’ny fiainany.

  • Ahoana ny namintinan’i Nefia ireo fahatsapany tao aorian’ny niainany “fahoriana maro“

  • Nahoana no heverinao fa ny olona iray dia afaka ahatsapa fa “nahita sitraka fatratra tokoa tamin’ny Tompo” na dia niaina fanamby na olana?

Lazao ireo mpianatra hampifandray ny 1Nefia 1:1 amin’ny 1 Nefia 1:20 ary hitady antony iray hoe ahoana i Nefia no namaritra fahatsapana “sitraky ny Tompo fatratra.”

  • Inona no fitsipika ao amin’io andininy io ka mety hanampy ny olona iray hahatsapa fanantenana rehefa miaina fanamby sy olana? (Tokony hahita izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Rehefa maneho finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka handray ny famindram-pon’ Andriamanitra sy ny fanafahany.)

Hazavao fa ny andian-teny hoe “Izaho, Nefia dia haneho aminareo“ dia manasosoka hevitra fa i Nefia dia nikasa ny ny handrakitra ireo ohatra amin’ny hery fanafahan’ Andriamanitra. Asao ny mpianatra hanopy maso ny 1 Nefia toko 1–8 sy 16–18, mba hitadiavana ireo ohatra avy amin’ny fiainan’i Nefia izay maneho ohatra amin’ny hery fanafahan’ Andriamanitra. Asao ny mpianatra mba hizara fohy ireo ohatra nofantarin’izy ireo. Raha mitolona amin’ny fitadiavana ohatra ireo mpianatra dia azonao atao ny mitari-dalana ary ireo amin’ny iray na mihoatra amin’ireo andalana manaraka ireto: 1 Nefia 3:23–31; 4:1–18; 7:16–19; 8:7–12; 16:10, 18–31, 36–39; 17:48–55; sy 18:1–3, 11–21.

Vakio mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona L. Tom Perry (1922–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona L. Tom Perry

Maro amin’ireo tantaran’ny Bokin’i Môrmôna no tantara mikasika ny fanafahana. Ny niaingan’i Lehia ho any an-tany foana niaraka tamin’ny fianakaviany dia momba ny fanafahana tamin’ny faharavan’i Jerosalema. Ny tantaran’ny Jaredita dia tantaram-panafahana, tahaka ny tantaran’ny Miolekita. I Almà Zandriny dia nafahana tamin’ny fahotana. zatovolahy miaramilan’i Helamàna dia nafahana tamin’ny ady. Nafahana tao an-tranomaizina i Nefia sy Lehia. Ny lohahevitry ny fanafahana dia tena miharihary ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo.” (“Ny herin’ny fanafahana,” Ensign na Liahona, mey 2012, 94).

Ho toy ny ohatry ny fanafahana ara-panahy, dia hazavao fa i Almà namaritra ny fanafahan’ny tamin’ny ota ny zanany lahy Helamàna. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 36:1–3 ary asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Almà 36:27–29 (mariho fa Almà 5:1–12 dia mirakitra torohevitra mitovy). Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny, ary hitady ireo hev-baovao izay mety hanampy ny olona iray izay mitolona amin’ny fahoriana sy ny olana.

  • Inona ireo hevi-baovao izay hitanao taomin’ireo andalana ireo ka kety hanampy ny olona iray izay miatrika olana ara-panahy na ara-nofo?

  • Inona avy ireo karazana famatorana ara-panahy na ara-nofo izay hatrehin’ny olona ankehitriny? (Anisan’ireo ohatra ny tsy faharatsian’ny fahasalamana, fiankinandoha amin’ny zava-mahadomelina sy ny pôrnôgrafia, fahantrana, fanararaotana, fanavakavahana, fahotana, tsy finoana , ary fikomiana.)

Asehoy ary vakio izao fanambarana nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka izao:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Moa ve ianao eo am-pitolomana amin’ny fahazaran-dratsy iray mampiankin-doha—paraky na sigara na zava-mahadomelina na filokana, na ilay areti-mifindra mandravarava amin’izao vanim-potoana izao dia ny pôrnôgraphia? Mikorontana ve ny fanambadinao sa misy loza manambana ny zanakao? Mikorontan-tsaina ve ianao mikasika ny maha-lahy na maha-vavy sa mitady hasin’ny tena? Miatrika aretina ve ianao—na ny olon-tianao—na koa fahakiviana na fahafatesana? Mankanesaaloha any amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy na inona dingana mety horaisinao hamahana ireny olana ireny. Matokia ireo fampanantenan’ny lanitra. Amin’izany lafiny izany , fijoroana ho vavolombelon’i Almà dia fijoroako ho vavolombelona: ‘Fantatro fa nilaza izy hoe, Na zovy na zovy no hametraka ny fitokiany amin’ Andriamanitra dia hotohanana izy amin’ny fizahan-toetra azy sy ny fahasahiranany ary ny fahoriany, ary hasandratra izy amin’ny andro farany‘’ [Almà 36:3]” (“Ireo zavatra simba ho amboarina,” Ensign na Liahona, mey 2006, 70).

  • Inona no nolazain’ny Loholona Holland mety hanampy antsika hanomboka hamaha ireo olana ananantsika sy ireo fanamby?

1 Nefia 6:4; Môsià 21:2–5, 14–16; 23:23–24; 24:13–15, 21; Almà 34:9; Helamàna 5:9

I Jesoa Kristy no loharanon’ny fanafahana.

Asao ireo mpianatra hamaritra ny antony samihafa hoe nahoana ny mpanoritra iray no mety ho voatosika hanaoratra boky. (Ohatra hoe, ny mpanoratra iray te hitantara tantara, hizara ny fahaizany amin’ny lohahevitra iray na mikasika ny fivelomana.) Rehefa avy nizara ny heviny ireo mpianatra dia asao ny mpianatra hamaky amim-pahanginana ny 1 Nefia 6:4 ary hikaroka ny iray amin’ireo antony nanosika an’i Nefia hanoratra.

  • Inona no nolazain’ny mpaminany Nefia ho tanjon’ny nanoratan’ny firaketany ? (Naniry ny handresy lahatra ny olona ny hanatona an’ Andriamanitra sy ho voavonjy.)

Mijoroa ho vavolombelona amin’ireo mpianatra fa ny herin’ Andriamanitra izay hamonjy dia ny hery fanafahana.

Adikao eny amin’ny solaitrabe ary hazavao ny mpianatra fa ireo andalana ireo dia mamaritra ireo olona izay nila fanafahana:

Ny vahoakan’i Limia

Ny vahoakan’i Almà

Ny Olon-drehetra

Môsià 21:2–5, 14–16

Môsià 23:23–24; 24:21

Almà 34:9; Helamàna 5:9

Asao ny mpianatra hamaky mangina ireo andininy eny amin’ny solaitrabe ary hitady ny zavatra ampianarin’ny isaky ny andalana mikasika ny loharanon’ny fanafahana amin’ny fanamby sy ny olana.

  • Inona no ianaranao avy amin’ireo andalana ireo mikasika ny loharanon’ny fanafahana? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia hamafiso izao fotopampianarana manaraka izao: I Jesoa Kristy dia manana ny hery hanafaka antsika amin’ny toetrantsika very sady lavo sy amin’ireo fanamby hafa amin’ny fiainana mety maty.)

Asehoy ity teny manaraka ity izay nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary asao mpianatra iray mba hamaky mafy izany:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Maniry aho ny hijoro ho vavolombelona amin’ny hery fanafahan’ Andriamanitra. Amin’ny fotoana iray eo amin’ny fiainantsika dia mila izany hery izany isika rehetra. Ny olona rehetra izay velona dia eo afovoan’ny fitsapana. … Hitovy ho antsika rehetra ny zavatra roa. Ampahany amin’ny famolavolana amin’ny fiainana mety maty izy ireny.

“Voalohany, ireo fitsapana indraindray dia haninjitra antsika, ampy ho antsika ny ahatsapa ny filàna fanampiana mihoatra ny antsika manokana. Ary ny faharoa, Andriamanitra ao amin’ny hatsaram-panahiny sy ny fahendreny dia nanao ny herin’ny fanafahana ho misy ho antsika” [Fampaherezam-panahin’ny Oniversite Brigham Young , Jan. 15, 2008], 1; speeches.byu.edu).

  • Oviana ianao no nandray “fanampiana mihoatra noho ny azy” mandritra ireo olana?

Raha ampy ny fotoana dia azonao atao ny milaza ny tantaran’ny vahoakan’ny Almà ao amin’nyMôsiah 24:13-15 mba hanaovana ohatra ny hevitra fa ny fanafahan’andriamanitra dia tsy midika foana hoe ny enta mavesatsika dia voafafa, ary koa, Andriamanitra matetika dia manafaka antsika amin’ny alalan’ny fampatanjahana ny fahafahantsika hizaka ny enta-mavesatsika. Ny faharetana sy ny fiaretana dia takiana amin’ireo toe-javatra ireo toy ny rehefa misy olana ara-pahasalamana mitohy mandritra ny fiainan’ny olona iray. Ny fanafahana dia tonga amin’ny fomban’ Andriamanitra manokana ary araka ny fandahara-potoanany.

Môsià 7:33; 29:20; Almà 58:10–11; 3 Nefia4:33

Ny fidirana amin’ny Herin’ny Fanafahana

Mijoroa ho vavolombelona fa misy fanantenana ho antsika tsirairay rehefa mahita ny tenantsika manokana ao anatin’ny toe-javatra izay tsy ahafahana manatanteraka fitsoahana na famonjena. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny soratra masina dia mirakitra ny torolalana mikasika ny fomba hidirana ny herim-panafahan’ny Mpamonjy.

Tanisao eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: (Aza ampidirina ao ny fampahalalana izay ao anaty fononteny izay nomena mba ho an’ny mpampianatra ihany.) Asao ireo mpianatra mba hamaky ny andalana tsirairay ary hikaroka ireo asa atao izay manampy antsika handray ny herim-panafahan’ny Mpamonjy.

Môsià 7:33 (Mitodiha amin’ny Tompo miaraka amin’ny tanjon’ny fo feno, fahatokisana azy, hanompo azy amim-pahazotoana)

Mosiah 29:20 (Manetre tena, mitalahoà mafy tokoa amin’ Andriamanitra)

Almà 58:10–11 (Haidino ao amin’ny vavaka ny fanahin’olona iray, ho fanantenana fanafahana)

3 Nefia 4:33 (Mibebaha, manetre tena)

Rehefa avy nanome fotoana ampy dia asao ireo mpianatra hizara sy hifanakalo hevitra ny fihetsika reherta izay nofantarin’izy ireo, ary soraty eny amin’ny solaitrabe ireo valinin’ny mpianatra. Hamafiso izao fitsipika manaraka izao: Rehefa mitodika amin’ Andriamanitra miaraka amin’ny tanjon’ny fenon’ny fo sy mivavaka ho an’ny fanampiany, hanana ny fanahin’ny fibebahana sy fanetrentena dia afaka hiditra ny herin’ny fanafahany.

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ity.

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Maniry foana ny hitarika antska any amin’ny fanafahana amin’ny alalan’ny fahatongavantsika ho marina kokoa. Mitaky fibebahana izany. Ary raiso ny fanetrenena. Noho izany ny lalana mankany amin’ny fanafahana dia mitaky foana fanetrentena mba ahafahan’ny Tompo hitarika antsika amin’ny alalan’ny tanany any amin’ny toerana izay tiany hitondrana antsika amin’ny alalan’ny fahoriantsika ary ho amin’ny fanamasinana” (“The Power of Deliverance” [Brigham Young University devotional, Jan. 15, 2008], 4; speeches.byu.edu).

  • Ahoana no hanampian’ny fibebahana, ny fanetrentena ary vavaka antsika mba hiditra ny herim-panafahan’ny Tompo?

  • Oviana ianao na ny olona fantatrao iray no nitodika tamin’ny Tompo ho amin’ny fanafahana ary nandray izany? Ahoana no nampitomboan’izany traikefa izany ny fahatokianao an’i Jesoa Kristy?

Amporisiho ireo mpianatra hisaintsaina fotoana iray izay niainan’izy ireo ny herim-panafahan’ny Tompo teo amin’ny fiainan’izy ireo. Amporisiho izy ireo hirakitra ireo traikefany ho an’ny fahatsiarovana ho amin’ny hoavy. Diniho ny fanasana ireo mpianatra mba hizara ny traikefan’izy ireo izay tsy masina loatra na an’olona manokana.

Vakitenin’ny Mpianatra