Seminera sy Institiota
Lesona 20: Manamafy ny finoantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika


Lesona 20

Manamafy ny finoantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika

Fampidirana

Mitondra tanjaka sy fiarovana ara-pany ho an’ireo zanak’ Andriamanitra ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Maneho ireo toetra sy fihetsika izay afaka mitarika ny olona iray hihemotra ao amin’ny tsy finoana ny Bokin’i Môrmôna. Nampitandrina ny amin’ireo toetra sy fihetsika ireo ny mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna ary nampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara izay hampatanjaka ny finoantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 1:10–11; 9:28; Môsià 2:36–37; 26:1–4; Almà 12:9–11; 31:8–11; 46:7–8; Helamàna 4:11–13; 13:24–26; Môrmôna 9:7–8

Afaka manamaivana ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ireo toetra sy fihetsika

Asehoy izao fanontaniana izao ary asao ireo mpianatra hamaly fohifohy:

  • Ahoana no mety hahavery ny finoana sy fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo izay efa niaina fitahiana avy amin’ny filazantsara?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nampitandrina ny mpaminany Lehia fa ireo taranany indray andro any dia tsy hanana finoana an’i Jesoa Kristy sy amin’ny filazantsarany. Asao hamaky mafy ny 2 Nefia 1:10–11 ny mpianatra iray ary hangataka ireo mpianatra hikaroka ny vokatra nateraky ny tsy finoana teo amin’ny taranak’i Lehia. (Mety hanampy ny manazava fa ilay andianteny “hihemotra ao amin’ny tsy finoana” dia midika ho fikororosiana ara-panahy vokatry ny tsy finoana.

  • Inona ny vokatry ny tsy finoana izay nahazo ireo taranak’i Lehia?

Mariho fa na dia maro aza ireo antony izay nitarika tamin’ny faharavan’ny sivilizasiôna Nefita dia ny fihemorana teo amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany no tena fototry ny fitotonganan’ireo Nefita. Noho izany antony izany no hamerimberenan’ny mpanoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny fampitandremana amin’ireo toetra sy fihetsika izay mampalemy ny finoana amin’ny Tompo sy nampianarany tsy tapaka ny fomba hanorenana sy hanatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona.

Asao hamaky mafy ny Môsià 26:1–4 ny mpianatra iray ary amporisiho ny iray kilasy mba hikaroka ireo toetra sy fihetsika izay nanamaivana ny finoan’ireo olona sasantsasany nandritra ny fotoana nanjakan’ny Mpanjaka Môsià.

Asao hamantatra fitsipika iray izay nampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny zavatra nitranga tamin’ireo olona izay nisafidy ny tsy hino sy hanatanteraka ny fahamarinana ireo mpianatra. Ohatra amin’ireo fahamarinana mety ho hitan’ny mpianatra ireto manaraka ireto : Rehefa misafidy ny tsy hino sy tsy hanatanteraka ny fahamarinana ampianarina azy ireo ny vahoaka dia mihamafy fo ary tsy afaka ny hahazo ireo fitahian’ny finoana sy fijoroana ho vavolombelona.

  • Rehefa misafidy ny tsy hino sy tsy hanatanteraka ny fahamarinana ampianarina azy ireo ny vahoaka dia inona araka ny fahatakaranao no anton’ny mahatonga ny fony tsy hahatsapa ny Fanahy?

Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra toetra sy fihetsika fanampiny izay afaka mitarika amin’ny fihemorana amin’ny finoana sy fijoroana ho vavolombelona dia soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Asaivo mamaky iray na roa amin’ireto andalan-tsoratra masina ireto ny mpianatra tsirairay ary alaivo antoka fa misy miandraikitra ny andalan-tsoratra masina rehetra. Asaivo karohin’ireo mpianatra ao amin’ny andalan-tsoratra masina nampandraiketina azy ireo toetra sy fihetsika izay mitarika ireo olona amin’ny fihemorana ao amin’ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona.

2 Nefia 9:28

Môsià 2:36–37

Almà 12:9–11

Almà 31:8–11

Almà 46:7–8

Helamàna 4:11–13

Helamàna 13:24–26

Môrmôna 9:7–8

Asaivo mizara toetra na fihetsika izay hitany ireo mpianatra, rehefa avy nahazo fotoana ampy hikarohana izany, ary hanazava ny fomba ahafahan’izany mampalemy ny finoana sy fijorana ho vavolombelona. Fintino eo amin’ny solaitrabe eo akaikin’ny andinin-tsoratra masina mifanentana amin’izany ny valintenin’ireo mpianatra.

  • Inona amin’ireo toetra na fihetsika ireo no eritreretinao fa tena zava-doza ho an’ireo mpikambana tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony ato am-piangonana ankehitriny? Nahoana?

Asaivo misafidy toetra na fihetsika voatanisa eo amin’ny solaitrabe ireo mpianatra ary manazava ny zavatra azon’izy ireo atao mba hiarovan-tena tsy ho tratran’izany toetra na fihetsika izany.

Omeo fotoana kely hisaintsainana ireo toetra na fihetsika izany nanambana hamotika ny finoany na ny fijoroany ho vavolombelona ireo mpianatra ary hilaza ny azony atao mba hanamafisana orina azy ireo.

2 Nefia 28:21–23; Môrmôna 5:16–18

Ny voka-dratsin’ny fahaverezan’ny finoana sy fijoroana ho vavolombelona

Ampahatsiahivo ireo mpianatra nandritra ny fitarihan’ny mpaminany Môrmôna ny tafika Nefita dia nisy fotoana nanatrehany ny zavatra feno faharatsiana sy tsy nisy fanantenana niainan’ny vahoakany. Asaivo mandalina ny Môrmôna 5:16–18 ireo mpianatra ary hikaroka ny famaritan’i Môrmôna ny toe-javatra niainana ara-panahin’ny vahoakany.

  • Inona no dikan’ny hoe “tsy miaraka amin’i Kristy sy Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao” araka ny eritreritrareo?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny tenin’i Môrmôna mikasika ireo izay mamery finoana amin’ny Tompo sy mandà ny hibebaka? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia tokony ho takatr’izy ireo izao fitsipika manaraka izao: Hisitika eo amintsika ny Fanahy ary tsy hahazo ny fitarihan’ny Tompo isika raha toa ka mamela ny tenantsika ho very finoana sy mandà ny hibebaka.)

  • Araka ny andininy 18, inona no nolazain’i Môrmôna fa ho vokatry ny tsy fananana fitarihan’ny Tompo?

Hazavao fa matetika mandeha miadana sy tsikelikely ny dingan’ny fahaverezan’ny Fanahy sy fahazoan’ny devoly babo araka ny nampianarin’i Nefia. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 2 Nefia 28:21–23, ary asaivo tadiavin’izy ireo ireo teny na andianteny izay mamaritra ny fihemorana tsikelikely eo amin’ny ara-panahy.

  • Inona ireo toetra hitan’i Nefia fa afaka ny hitarika amin’ny fihemoran’ny olona iray ara-panahy?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tena zava-doza ho an’ny finoantsika ireo toetra ireo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Tahaka ny hanomezana antsika ny fahamarinana andalana anampy andalana sy hamiratan’ny hazavana tsikelikely rehefa mankatò isika, dia toy izany koa, rehefa tsy mankatò isika, dia mihamihena, saika tsy tsikaritra akory, ny fahamarinana ananantsika amin’ny fahamarinana ary midina tsikelikely ny fahamaizinana ka mora ho an’ireo mpieboebo no mandà fa misy zavatra miova.

“Efa nandre ny avonavon’ny olona iray izay nihananalavitra tsikelikely ny Fiangonana aho. Tamin’ny voalohany dia nitsahatra tsy nampianatra ny kilasin’ny Sekoly Alahady aloha izy, avy eo nihananalavitra ny Fiangonana izy ary nitsitapitapy teny ny fanadinoany nandoa fahafolonkarena. … Tsy tsapany ny fahasamihafana nisy, kanefa izaho nahatsapa. Nihamaloka ny hazavana teo amin’ny masony ary na ny famirapiratana teny amin’ny endirny koa aza. Tsy afaka nahita izany izy satria iray amin’ny voka-dratsin’ny tsy fankatoavana an’ Andriamanitra ny fisian’ny tsy fahatsiarovan-tena ara-panahy izay misakana ny fahatsapana rehetra rehefa tapaka ny fifandraisana amin’ Andriamanitra. Tsy vitan’ny mihena fotsiny ny fijoroana ho vavolombelona ananana amin’ny fahamarinana fa na dia ny fahatsiarovana ny fahatsapana tanatin’ny hazavana aza dia toy ny hadisoam-pieritreretana sisa” (“A Life Founded in Light and Truth” [Brigham Young University devotional, 15 aog. 2000], 3, speeches.byu.edu).

  • Inona araka ny hevitrao no endrika sasantsasany izay maneho fa manomboka mamery ny finoany sy ny fijoroany ho vavolombelona ny olona iray?

1 Nefia 15:7–11; 2 Nefia 25:28–29; Môsià 4:11–12; 15:11; Helamàna 15:7–8

Fitandrovana ny Finoana sy ny Fijoroana ho Vavolombelona

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Eo amin’ny zava-boahary dia manjary matanjaka kokoa ireo hazo izay maniry amin’ny toerana be rivotra. Rehefa mitsoka mafy manodidina ny zana-kazo iray ny rivotra dia manao zavatra roa ireo hery ao anatin’ilay hazo. Voalohany, manaitaitra ny fakan’ilay hazo izy ireo hitombo haingana kokoa sy hisandrahaka lavidavitra kokoa. Faharoa, manomboka mamorona rafitra sela izay mahatonga ny vatan’ilay hazo sy ireo rantsany ho matevina kokoa sy mahatanty kokoa ny herin’ny rivotra ireo hery ao anatin’ilay hazo. Miaro ny hazo amin’ny rivotra izay azo antoka fa hiverimberina ireo faka sy rantsana matanjaka kokoa ireo.

Tena mbola sarobidy lavitra kokoa noho ny hazo iray ianareo amin’ Andriamanitra. Zanakalahiny sy zanakavaviny ianareo. Nataony matanjaka sy afaka mahatanty ireo tadion’ny fiainana ny fanahinareo. Afaka mampitombo ny finoanareo sy ny tanjakareo ara-panahy ireo tadio mandritra ny fahatanoranareo, tahaka ny rivotra mamely ny zana-kazo iray, ka hanomana anareo ho amin’ireo fotoana ho avy eo amin’ny fiainanareo” (“Tadio ara-panahy,” Ensign na Liahona, mey 2014, 18).

  • Inona no azonao atao mba hahazoana tanjaka ara-panahy sy hahatohitra ireo fanamby manozongozona ny finoana sy fijoroana ho vavolombelona?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa mirakitra fitsipiky ny filazantsara izay afaka mitarika ny olona tsirairay hikatsaka ny fananana finoana sy fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa ny Bokin’i Môrmôna.

Asaivo vakian’ny mpianatra iray amin’ny feo avo ny 2 Nefia 25:28–29 ary hazavao fa mamintina ny toriteny mavesan-danja nataon’i Nefia tamin’ny vahoakany mikasika ny fomba hahavoavonjy azy ireo izany andinin-tsoratra masina izany. Angataho hikaroka ny zavatra nampianarin’i Nefia izay fanapahan-kevitra manan-danja indrindra ho ataontsika eo amin’ny fiainantsika ireo mpianatra.

  • Inona no nampianarin’i Nefia izay fanapahan-kevitra manan-danja indrindra ho ataontsiak eo amin’ny fiainantsika? (Ampio ny mpianatra mba hahita ity fitsipika manaraka ity: Raha toa ka misafidy ny hino an’i Jesoa Kristy sy hitsaoka Azy amin’ny herintsika, saintsika ary tanjatsika manontolo isika dia hijanona matanjaka ara-panahy sy tsy horoahina isika.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona L. Whitney Clayton avy ao amin’ny Fitopololahy ity, ary mangataha mpianatra iray hamaky mafy izany.

Sary
Loholona L. Whitney Clayton

“Namporisika antsika sy niangavy antsika aza ireo mpaminany tao anatin’ny vanimpotoana rehetra mba hino an’i Kristy. … Ny fanapahan-kevitra mba hino no tena safidy tsara indrindra mihoatra noho izay safidy hafa nataontsika. Mamolavola ireo fanapahan-kevitra hafa rehetra horaisintsika izany. …

“Tsy fitsipika tsy arahan’asa ny zavatra inoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ary ny finoana. Tsy mitranga fotsiny amintsika izany. Ny zavatra inoana dia zavatra safidiantsika—manantena izany isika, miasa ho amin’izany, ary manolo-tena ho amin’izany. Tsy hino tsy nahy ny Mpamonjy sy ny filazantsarany isika tahaka ny tsy hivavahantsika na handoavantsika ny fahafolonkarena tsy nahy. Misafidy amim-pahazotoana ny hino isika, tahaka ny hisafidiantsika ny hitandrina ireo didy hafa” (“Safidio ny hino,” Ensign na Liahona, mey 2015, 38).

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “tsy fitsipika tsy arahan’asa ny zavatra inoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ary ny finoana”?

  • Nahoana no fomba tsara indrindra hanamafisana ny finoantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona ny fiezahana miaina ireo fitsipiky ny filazantsara?

Mba entina hanampiana ireo mpianatar hahita fomba vaovao hafa izay ahafahantsika manao ezaka hampatanjahana ny finoantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona dia soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ary angataho ny mpianatra tsirairay hamaky farafahakeliny iray amin’izany am-pahanginana. Asao hikaroka ireo fitsipika izay afaka hampatanjaka ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy amin’ny filazantsarany izy ireo.

1 Nefia 15:7–11

Môsià 4:11–12.

Môsià 15:11

Helamàna 15:7–8

Asao ny mpianatra hizara hevi-baovao izay tsikariny tao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Azonao atao ny manasà ireo mpianatra hijoro ho vavolombelona tamin’ny fomba nampiharany ireo na fitsipika hafa teo amin’ny fiainany ary nitahiana azy ireo tamin’ny finoana nihanatanjaka amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Amporisiho hanao izay ezaka ilaina mba hampatanjahana ny finoany amin’ny Tompo ireo mpianatra.

Vakitenin’ny Mpianatra