Seminera sy Institiota
Lesona 4 Ny fahalavoan’i Adama sy ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy


Lesona 4

Ny fahalavoan’i Adama sy ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy

Fampidirana

Ny Fahalavoan’i Adama dia ampahany feno tao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra. Izany dia nitondra ireo ny fahatanterahan’ny zavatra maro izay isan’izany ny fahafahatsika ho tonga ety an-tany sy hosedraina. Ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra ihany koa ny fanomezana ireo zanany ny fahafahana misafidy (jereo ny 2 Nefia 2:27). Ireo mpianatra dia hianatra ao anatin’ity lesona ity fa ny fomba tsara ampiasana ny fahafahantsika misafidy dia ny fikatsahana ny sitrapon’ Andriamanitra, izany hoe ny fanarahana ny ohatra izay nataon’i Jesoa Kristy.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 2:19–26, 28; Almà 42:6–10, 14; Mosesy 5:5–9

Ny fahalavoan’i Adama

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Bruce c. Hafen avy amin’ny Fitopololahy ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Loholona Bruce C. Hafen

“Niatomboka tamin’ny taonjato fahadimy dia nampianatra ny finoana Kristianina fa ny fahalavoan’i Adama sy i Eva dia hadisoana mahatsiravina. … Diso izany fomba fijery izany. … Tsy antambo ny fahalavoana. Tsy hadisoana na zavatra tampoka izany. Ampahany efa voadinika ao anatin’ny drafitry ny famonjena izany” (“Ny Sorompanavotana: Ho an’ny rehetra ny zava-drehetra,” Ensign na Liahona, mey 2004, 97).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahatakatra fa ny fahalavoana dia tsy hadisoana na zavatra tampoka fa ampahany efa voadinika kosa ao anatin’ny drafitry ny famonjena?

Asao handalina ny 2 Nefia 2:19–25 ireo mpianatra ary hitanisa ireo vokatra fanampiny nentin’ny Fahalavoana—ny zavatra nitranga tamin’i Adama sy i Eva rehefa avy nihinana ny voankazo voarara izy ireo. Asao ireo mpianatra avy eo hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra avy ao amin’ny fitanisan’izy ireo. (Fanamarihana: Ny fitadiavana fitanisana ao anatin’ny andalan-tsoratra masina dia fahaiza-mandalina ny soratra masina tokony hampianarinao miaraka amin’ity andalana ity; jereo ny Fampianarana sy fianarana filazantsara [2012], 23.) Tokony ahitana ireto manaraka ireto ao amin’ilay fitanisana: I Adama sy i Eva dia nentina niala ny saha Edena. Nanan-janaka izy ireo. Niditra tamin’ny toetra fisedrana. Very izy ireo ary nila fibebahana, ary niaina fifanoherana, izay manome alalana antsika hiaina ny tsara sy ny ratsy ary hampiasa amim-pahendrena ny fahafahany misafidy.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny lisitra eny amin’ny solaitrabe manazava ny antony maha-ampahany nilaina ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fahalavoan’i Adama? (Hanome valinteny maro isan-karazany izay afaka fintinina amin’ity fitsipika iray ity ireo mpianatra: Ny fahalavoan’i Adama dia nanome fahafahana antsika ho tonga eto amin’ny fiainana an-tany sy hivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.)

  • Inona no dikan’ny hoe “ny olon-drehetra … dia very” noho ny fahalavoana? (2 Nefia 2:21).

Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly izany fanotaniana izany dia asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Almà 42:6-10, 14 raha toa ka hikaroka ireo fiantraikany fanampin’ny fahalavoana kosa ireo mpianatra hafa. (Rehefa mizara izay hitany ny mpianatra dia azonao anampiana ny lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.

  • Inona no dikan’ny hoe “noesorina … tsy hoe eo anatrehan’ny Tompo”?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“[I Adama sy i Eva] dia nandika ny didin’ Andriamanitra izay nitaky ny fialan’izy ireo ny sahany kanefa nanome lalana azy ireo kosa izany mba hanan-janaka alohan’ny fiatrehana ny fahafatesana ara-nofo. Mba fanampin’alahelo sy fahasarotana bebe kokoa tamin’ny toe-javatra niainan’izy ireo dia nisy fiantraikany ara-panahy ihany koa ny fandikan’izy ireo lalàna, izay nahatonga azy ireo tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra intsony mandrakizay. Noho isika teraka ao anatin’izany tontolo lavo izany taorian’izay, ary noho isika handika ny lalàn’ Andriamanitra ihany koa dia voaheloka hahazo ireo sazy nihatra tamin’i Adama sy i Eva isika. …

“… Noho izany dia hatramin’ny fotoana nialan’ireo ray aman-dreny voalohany ireo tao amin’ny Saha Edena no nanirahan’ilay Andriamanitra sy Raintsika rehetra, izay nanaiky ny fanapahan-kevitr’i Adama sy i Eva, ireo anjely avy any an-danitra mba hanambara amin’izy ireo—izay miampitampita ka tody aty amintsika—fa ny fitambaran’ireo zavatra maro nifanesy ireo dia natao mba hanatanterahana ny fahasambarantsika mandrakizay. Ampahany tamin’ny drafiny masiny, izay nanolorana Mpamonjy iray, dia ny zanaka naterak’ Andriamanitra ara-bakiteny—izay ‘Adama,’ iray hafa no niantsoan’i Paoly apôstôly azy [jereo ny 1 Korintiana 15:45]—izay ho tonga amin’ny mitataovovonan’ny fotoana mba hanavotra tamin’ny fandikan-dalàna nataon’ilay Adama voalohany. Ny Sorompanavotana dia hahatanterahana ilay fandresena feno amin’ny fahafatesana ara-nofo. … Hanome famelan-keloka amin’ny alalan’ny famindram-pony ihany koa izany ho an’ireo fahotana nataon’ny tsirairay amin’ny olona rehetra manomboka amn’i Adama ka hatramin’ny fiafaran’izao tontolo izao, miankina amin’ny fibebahana sy ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra” (“Where Justice, Love, and Mercy Meet,” Ensign na Liahona, mey 2015, 105–6).

  • Nahoana isika no miatrika ireo fanasaziana mitovy amin’ny an’i Adama sy i Eva? (Teraka tao amin’ny tany izay efa lavo isika, ary mandika ny lalàn’ Andriamanitra.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifanesy hamaky mafy ny 2 Nefia 2:26, 28 sy Mosesy 5:5–9 ary mandritra izany kosa ireo mpianatra ambiny hitady ny fomba ahafahana mandresy ny vokatry ny fahalavoana eo amin’ny fiainantsika.

  • Araka ireo andalan-tsoratra masina ireo, ahoana no ahafahantsika ho voavonjy amin’ny vokatra ara-panahin’ny fahalavoana? (Tokony ahitana izao fitsipika manaraka izao ireo valinteny: Rehefa mibebaka isika ary mangataka ny famelankeloka avy amin’ Andriamanitra dia afaka ho voavonjy amin’ny otantsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.)

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny anjara asan’ny fahalavoana ao anatin’ny drafitry ny famonjena ary ny fomba “nandrafetana [izany] ho amin’ny fifaliantsika mandrakizay.” Asao ny mpianatra iray na roa mba hizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy.

2 Nefia 2:14, 16, 26–29; Helamàna 14:30–31; 3 Nefia 27:13

Ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy

Asehoy ity teny manaraka ity izay nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

“I Adama sy i Eva dia lasa olona mety maty [tamin’ny alalan’ny fahalavoana]. Soa ihany fa ho afaka nanan-janaka sy nanatanteraka ny tanjona nanorenana ny tany koa izy ireo. … Tonga amintsika amin’ny alalan’ny fahalavoana koa ireo fitahiana sasany. Nampanan-kery fanomezam-pahasoavana roa fanampiny avy amin’ Andriamanitra koa izany, izay sarobidy mitovy amin’ny aina mihitsy aza—dia ny fahafahana misafidy sy ny maha-tompon’andraikitra” (“Constancy amid Change,” Ensign, nôv. 1993, 34, nampiana soramandry).

  • Amin’ny fomba ahoana no maha-“sarobidy mitovy amin’ny aina mihitsy aza” ny fahafahana misafidy sy ny maha- tompon’andraikitra?

Asao ireo mpianatra handalina ny 2 Nefia 2:14, 16, sy 26 ary hikaroka ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny maha-samihafa ny zanak’ Andriamanitra amin’ireo zava-boariny hafa.

  • Inona no fahasamihafana hasongadin’ireo andininy ireo mikasika ny zanak’ Andriamanitra sy ireo zava-boariny hafa? (Tokony hanome izao fotopampianarana manaraka izao ny mpianatra: Nohariana mba hihetsika ny zanak’ Andriamanitra fa tsy ho hetsehina.)

  • Inona no dikan’ny hoe noharian’ Andriamanitra mba hihetsika isika fa tsy hohetsehina?

  • Nahoana no manan-danja ny mahafantatra fa ny zanak’ Andriamanitra dia nohariana mba hihetsika avy amin’ny alalan’ny tenany manokana fa tsy ho hetsehina.”

Mba hanampiana ny mpianatra hamaly io fanontaniana io dia azonao atao ny mifanakalo hevitra amin’ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer (1924-2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Misy fiteny fahiny manao hoe: ‘Ny Tompo dia mifidy ahy, ary i i Losifera kosa dia mankahala ahy, saingy ny safidiko no manan-danja’ dia mamaritra fahamarinana ara-potopampianarana izay milaza fa ny fahafahantsika misafidy dia mahery lavitra noho ny sitrapon’ny fahavalo. Sarobidy ny fahafahana misafidy. Afaka manome izany tsy am-pisainana sy tsy am-pahamatorana isika saingy tsy azo alaina amintsika an-keriny kosa izany.

“Misy ihany koa ilay fialan-tsiny fahagola manao hoe: ‘Ny devoly no nampanao ahy izany.’ Tsy marina izany! Afaka mamitaka sy mitarika anao amin’ny làlan-diso izy, saingy tsy manana fahefana hanery anao, na hanery an’iza na iza ho amin’ny fandikan-dalàna na hitazomana anao ao anatin’izany” (“Cleansing the Inner Vessel,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 74).

Asao ireo mpianatra sasany mba hamaky ny 2 Nefia 2:26–29 ary ny hafa hamaky ny Helamàna 14:30–31. Amporisiho ireo mpianatra mba hanasongadina ireo teny sy andianteny izay mampiseho ireo vokatra hitranga amin’ny hoavy amin’ireo safidy izay ataontsika ankehitriny. Asao ireo mpianatra mba hizara ny sasany amin’ireo teny sy andianteny izay nasongadin’izy ireo.

  • Inona no fahamarinana afaka ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fiantraikan’ireo safidy ataontsika? (Tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: Ny fomba fampiasantsika ny fahafahantsika misafidy dia mamaritra ny fivoarantsika ara-panahy sy ireo fitahiana mandrakizay.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra izany fahamarinana izany dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Rehefa misafidy ny hanao ny sitrapon’ny Raintsika any An-danitra isika dia voakajy ny fahafahantsika misafidy, mitombo ny fahafaha-manao eo anoloantsika ary mivoatra isika. … Fa marina koa ny mifanohitra amin’izany: rehefa tsy mitandrina ny didy sy ny bitsiky ny Fanahy Masina isika dia hihena ireo fahafahana hanao zavatra, hihena ny fahaiza-manaontsika hanao zavatra ary hihena ny fandrosoana. … Ny fankatoavantsika ny didy dia miaro ny fahafahantsika misafidy amin’ny farany” (“Fahafahana misafidy: Zava-dehibe eo amin’ny drafitry ny fiainana,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 25-26.)

  • Inona ireo voka-dratsy izay ateraky ny fampiasana mihoa-pampana ny fahafahana misafidy?

  • Ahoana ny fomba hiarovan’ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra ny fahafahantsika misafidy?

  • Nahoana no zava-manan-danja eo amin’ny fivoarantsika ara-panahy ny fampiasantsika ny fahafahantsika misafidy mba “hanaovana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra”?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 27:13 ary diniho ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy tamin’ny fampiasana am-pahamarinana ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny ny tenin’ny Mpamonjy hoe “Tonga aho … hanao ny sitrapon’ny Raiko” amin’ny fampiasantsika amim-pahendrena ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy ?

Zarao ity teny nolazain’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo fitahiana lehibe izay tonga amin’ny fampiasana amim-pahamarinana ny fahafahantsika misafidy:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Mifantoka amin’ny fivoarana sy ny fandrosoan’ny tenanao manokana ny Tompo. Mihahaingana izany fandrosoana izany rehefa mamela Azy an-tsitrapo hitarika anao ao anatin’ireo traikefan’ny fivoarana izay atrehinao ianao, na tianao hatrany am-piandohana izany na tsia. Rehefa mahatoky ny Tompo ianao, rehefa vonona ny hamela ny fonao sy ny sainao hifantoka amin’ny sitrapony, rehefa mangataka ny hotarihin’ny Fanahy hanao ny sitrapony ianao, dia ho azonao antoka ny hahazo ilay fahasambarana lehibe kokoa eny an-dalana eny sy ny zava-bita mampivoatra indrindra avy amin’ity traikefa eto an-tany ity. Raha hiadianao hevitra avokoa ny zavatra rehetra asaina ataonao, na manohitra mafy isak’izay misy zava-tsarotra tsy mahafaly, dia manao izay hahasarotra kokoa ny hitahian’ny Tompo anao ianao. [Jereo ny 1 Nefia 3:7.]

“Ny fahafahanao misafidy, ilay zo hanao safidy, dia tsy nomena mba hahafahanao mahazo izay tianao. Fa natolotra kosa io fanomezam-pahasoavana masina io mba hisafidiananao ny tian’ny Rainao any An-danitra ho anao. Amin’izany fomba izany izy dia afaka hitarika anao ho tonga olona izay iriany ahatongavanao. [Jereo ny F&F 58:26-32.]” (“Finding Joy in Life,” Ensign, mey 1996, 25).

Asaivo mieritreritra fotoana izay nandraisan’izy ireo fanapahan-kevitra ny hihetsika amim-pahamarinana ireo mpianatra. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fomba nitondran’ireo vokatra ireo fitahiana ho azy ireo.

Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina ny fomba hanarahan’izy ireo tsaratsara kokoa ny ohatra nomen’i Jesosa Kristy tamin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny fahafahantsika misafidy dia afaka hitarika antsika any amin’ny fiainana mandrakizay.

Vakitenin’ny Mpianatra