2017
Ankoatra ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina dia inona no fomba tsara indrindra hanamafisako orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako?
October 2017


Fanontaniana & Valiny

“Ankoatra ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina dia inona no fomba tsara indrindra hanamafisako orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako?”

Mazava ho azy fa tsy ho azo indray mandeha miaraka ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Hitombo amin’ny alalan’ny zavatra iainana ara-panahy tsirairay isak’izay mandeha izany, araka ny voalazan’ny soratra masina hoe “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika” (2 Nefia 28:30). Noho izany ianao dia tokony hikolokolo sy hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao, tahaka ny voa maniry mihitsy (jereo ny Almà 32:28–43). Ary tahaka ny zava-maniry izay tsy afaka ny hivelona amin’ny rano fotsiny ihany, dia tsy iray fotsiny ihany ny fomba “tsara indrindra” mba hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Mila fomba maromaro mitambatra ianao.

Tsy isalasalana fa ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina dia fomba tsara hikolokoloana ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Rehefa mandalina ny filazantsara sy mivavaka omban’ny tena finiavana ianao mba hahafantatra fa marina ny zavatra iray dia hanampy anao ny Fanahy Masina mba hahatsapa ny fahamarinan’ny filazantsara (jereo ny Môrônia 10:4–5).

Afaka manamafy orina ihany koa ny fijoroana ho vavolombelona anananao ianao amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy. Rehefa miaina ny fitsipiky ny filazantsara iray ianao, toy ny fifadian-kanina, ny fitandremana ny Sabata ho masina, na ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, dia manomboka mahazo fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fomba sy ny antony maha-marina izany, toy izay hoe satria marina fotsiny izany. Nilaza i Jesoa fa rehefa mifidy ny “hanao ny sitrapony” ianao dia “hahalala ny amin’ny fampianarany” (Jaona 7:17).

Fomba iray hafa hikolokoloanao ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny fizarana izany. Hoy ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015), Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny fijoroana ho vavolombelona iray dia tokony ho azo mandritra ny fizarana izany!” (“The Candle of the Lord,” Ensign, jan. 1983, 54; Tambuli, jolay 1983, 34). Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao ao am-piangonana, ao amin’ny kilasin’ny seminera, ao an-trano ary amin’ny namana. Rehefa manao izany ianao dia afaka mijoro ho vavolombelona aminao ny Fanahy Masina fa marina ny zavatra zarainao.

Rehefa manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao amin’ny fomba maro samihafa ianao dia hitombo sy hihalalim-paka izany, ary hahatsapa fiadanana sy fifaliana ianao.