2017
Sarah sy ilay fitarafana
October 2017


I Sarah sy ilay fitarafana

Mipetraka any Colorado, Etazonia ny mpanoratra.

Ny Fanahy Masina angamba no afaka hanampy an’i Sarah tsy hatahotra mafy.

“Fony tety an-tany i Kristy, dia nampanantena Izy fa handefa ny Fanahy Masina hankahery antsika, ilay namantsika marina sy mandrakizay” (Chants pour les enfants, 105).

Sary
Sarah and the MRI

“Toa mila manao fitarafana ny lamosiny i Sarah,” hoy i Dokotera Frank. Nitsiky tamin’i Sarah izy. “Hataontsika rahampitso izany. Hiverina aho afaka minitra vitsy.”

Nanaintaina efa elaela ny lamosin’i Sarah. Rehefa nifoha izy tamin’io maraina io dia nanaintaina mafy tokoa izany ka sarotra ho azy ny nijoro mahitsy, ary zara raha afaka namindra izy. Tonga tany amin’i Dokotera Franck i Sarah sy ny reniny mba hahafantarana izay tsy mety.

“Fitarafana iray hafa indray ve?” hoy i Sarah nanontany, niandrandra nijery an’i Neny. Efa nanao fitarafana iray izy teo aloha. Tsaroany ny halehiben’ny tahotra tsapany tao anatin’ilay fantsona lehibe izay naka ny sarin’ny ati-vatany.“Miala tsiny

aho, Sarah,” hoy i Neny. “Fa ireo sary dia hanampy an’i Dokotera Frank hahafantatra izay tsy metimety amin’ny lamosinao. Fantatro fa vitanao io. Ary ho eo akaikinao aho.” Nofihinin’’i Neny ny tanan’i Sarah.

“Kanefa ianao tsy afaka miditra ao miaraka amiko,” hoy i Sarah. Niondrika ny lohany, ary nitsotsorika teo amin’ny takolany ny ranomaso. Afaka niaraka taminy tao anatin’ilay efitrano i Neny, saingy raha vantany vao miditra ao amin’ilay fantson’ilay milina i Sarah dia irery izy.

Nosakambinin’i Neny i Sarah. “Marina izany fa fantatrao ve hoe iza no afaka ny ho eo hampionona anao?”

Tsaroan’i Sarah fa nandre anarana iray iantsoana ny Fanahy Masina izy: ilay Mpampionona. Ny Fanahy Masina angamba no afaka hanampy azy tsy hatahotra mafy.

“Ny Fanahy Masina?” Hoy i Sarah nanontany.

Nanaiky tamin’ny lohany i Neny. “Marina izany. Afaka mivavaka ianao mba hanampian’ny Fanahy Masina anao. Hivavaka ho anao ihany koa izaho sy i Dada.”

Nanome hevitra tsara ho an’i Sarah izany. “Afaka mangataka tsodrano amin’i Dada ve aho?”

Nitsiky i Neny. “Mazava ho azy. Fantatro fa tena ho tiany ny hanao izany.”

Napetrak’i Dada teo amin’ny lohan’i Sarah ny tanany tamin’izay alina izay ary nomeny tsodranon’ny fisoronana izy. Rehefa nitsodrano an’i Sarah izy mba hampiononon’ny Fanahy Masina i Sarah, dia nanenika ny vatany ny hafanana malefaka. Nijanona niaraka taminy nandritra ny alina manontolo ilay fahatsapana.

Ny ampitso dia natory teo amin’ny latabatra izay hisosa ho ao anatin’ilay fantsony ao amin’ny milina fitarafana i Sarah. Naverimberiny tao an-dohany ireo teny nampiasain’i Dada nandritra ilay fitsofan-drano azy: Ho eo hampionona anao ny Fanahy Masina. Namihina mafy ny tanan’i Neny i Sarah. Dia nasosan’ilay mpitsabo mpanampy ho ao anatin’ilay fantsony izy.

Nanenoneno hafahafa ilay milina fitarafana rehefa naka ny sarin’ny lamosiny. Nila natory tsy nihetsika i Sarah mba tsy hanjavozavo ireo sary. Nisahotaka vetivety izy, kanefa nahatsapa ilay hafanana indray izy avy eo. Toy ny iray amin’ireo famihinan’i Neny izany na bodofotsy mafana iray. Fantany fa hilamina ny zavatra rehetra. Tsy tandritandriny akory dia vita ilay fitarafana!

Nasehon’i Dokotera Franck an’i Sarah sy i Neny tao amin’ny biraony ireo sarin’ny lamosin’i Sarah. “Nety tsara ny nataonao fa tsy nihetsiketsika ianao,” hoy ny nolazain’i Dr. Frank tamin’i Sarah raha nandohalika teo akaikiny izy. “Ireto sarin’ny lamosinao ireto dia mampiseho fa mila fandidiana ianao mba hanampiana anao hamindra tsara.”

Nitelin-drora i Sarah.

“Tianay hatao ato ho ato ilay fandidiana,” hoy i Dokotera Frank sady niandrandra nijery ny renin’i Sarah. Dia niverina nitodika tany amin’i Sarah izy. “Mety ho afaka herinandro vitsivitsy aorian’izay ianao vao hahatsapa toy ny teo aloha, kanefa rehefa avy nijery anao aho androany dia fantatro fa ho vitanao izany.”

Niezaka nieritreritra momba ireo zavatra rehetra ho ataony i Sarah rehefa ho voatsabon’i Dokotera Franck ny lamosiny. Ho afaka ny hihazakazaka sy hilomano ary hitsambikina ao anatin’ny ravin-kazo misavovona aho. Nalahelo ireo zavatra ireo izy. Kanefa mbola nampatahotra kokoa noho ny fitarafana ny fandidiana! Dia tsaroan’i Sarah ireo vavaka nataony sy ny tsodrano nomena azy manokana. Nandefa ny Mpampionona ho eo aminy ny Ray any An-danitra. Hanampy azy indray Izy.

Nijery an’i Dokotera Frank izy. “Dia afaka mitsambikina ao anatin’ny ravin-kazo misavovona ve aho avy eo?” hoy izy nanontany.

Nitsiky izy. “Afaka mitsambikina ao anatin’ny ravin-kazo misavovona ianao avy eo.”