2017
Ny fomba ahafahan’ny hafatra avy amin’ny fihaonambe manova ny fiainanao
October 2017


Ny fomba ahafahan’ny hafatra avy amin’ny Fihaonambe manova ny fiainanao

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Tena afaka ny hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy ianao. Hanampy anao hahita ny fomba hanaovana izany ireto fitaovana ireto.

Sary
desk with laptop and general conference issue

Mahatsapa ho lany hery ara-panahy ve ianao? Ary raha mba afaka mampiasa torolalana kely ara-panahy ianao? Tsara vintana ianao fa mety ho ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ilay zavatra tadiavinao! Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Ho an’ireo tanora mpikamban’ny Fiangonana dia mampanantena aho fa raha mihaino [ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany] ianareo dia hahatsapa ny fitombon’ny fitaoman’ny Fanahy Masina ao anatinareo. Hilaza aminareo izay tiany hataonareo amin’ny fiainanareo ny Tompo.”1

Ary tsy mifarana amin’ny faran’ny herinandro hitrangan’ny fihaonambe izany. Afaka mahatsapa ny Fanahy hatrany ianao amin’ny alalan’ny fandalinana ireo lahateny aorian’izany ihany koa!

Manampy antsika amin’ny fomba maro be ny fihaonambe. Ary angamba ny manan-danja indrindra, dia mamela antsika hanatona bebe kokoa ny Mpamonjy izany amin’ny alalan’ny fampianarana antsika ny fomba hahatongavana bebe kokoa tahaka Azy. Fomba iray tena tsara hisintonana zavatra betsaka avy amin’ny fihaonambe ny fifantohana manokana amin’ny fampianarana momba ireo toetra tahaka ny an’i Kristy, na izany mandritra ny fampitana mivantana, na mandritra ny fandalinanao ireo lahateny aorian’izay. Rehefa mihaino na mamaky sady mieritreritra toetra vitsivitsy tahaka ny an’i Kristy ao an-tsaina ianao dia afaka manampy anao hianatra ny fomba hitovizana bebe kokoa amin’i Kristy ireo teny sy ny Fanahy.

Afaka mamaly ity famotopotorana maimaika ity ianao mba hahitana hoe inona ny toetra iray na roa mety ho tianao hifantohana rehefa mandalina ny hafatra avy amin’ny fihaonambe. (Raha te hahita andiam-panontaniana miditra lalina kokoa dia jereo ny New Era ôktôbra 2016 na ny fizarana faha-6 ao amin’ny Torio ny filazantsarako.)

Safidio ny fehezan-teny izay mamaritra anao tsara indrindra ho an’ny tsirairay amin’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy miisa sivy etsy ambany.

  1. Ny finoana:

    1. Tsy azoko antoka raha toa ka i Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy.

    2. Mino an’i Jesoa Kristy aho ary manaiky Azy ho Mpamonjy ahy.

    3. Antenaiko fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy.

  2. Ny fanantenana:

    Sary
    young man
    1. Mahatsapa fiadanana sy manan-tena ny tsara rehetra aho momba ny hoavy.

    2. Mampatahotra ahy ny hoavy!

    3. Mazàna aho no tsy miraharaha tsotra izao ny hoavy. Raha tsy mieritreritra izany aho dia tsy voatery ny hanahy ny amin’izany.

  3. Ny fiantrana sy ny fitiavana:

    1. Miezaka mitia ny olona hafa aho, saingy misy olona sasantsasany izay toa mandreraka ahy foana.

    2. Tena sahirana mafy aho mikaraka-ra ny fiainako manokana ka tena sarotra ho ahy ny hieritreritra momba ny olona hafa.

    3. Maniry izay mahasoa sy ny fahasambarana mandrakizain’ny olona hafa aho.

  4. Ny hatsaran-toetra:

    1. “Madio eritreritra ary madio ny zavatra atao.” Toy ny tsy dia mahafinaritra loatra izany!

    2. Madio sy madio am-po aho.

    3. Sarotra ho ahy ny mitoetra ho madio.

  5. Ny fahalalana:

    Sary
    young woman reading scriptures with younger sister
    1. Be dia be ny zavatra ataoko ka tsy tena manana fotoana aho hitadiavana ny valin’ny fanontaniako.

    2. Dainn! Mianatra hoe e? Tena mankaleo indraindray ny miezaka mianatra zavatra.

    3. Mikatsaka amim-pahazotoana ny hahatakatra ny fahamarinana sy hitady ny valin’ny fanontaniako aho.

  6. Ny faharetana:

    1. Afaka miandry aho kanefa tsy sosotra na diso fanantenana.

    2. Afaka miandry aho angamba, saingy mety ho tezitra amin’izany ihany aho.

    3. Faran’izay ratsy ny miandry. Tiako ho azo izao dieny izao ny zavatra rehetra.

  7. Ny fanetrentena:

    1. Tiako halaina antoka fa ataoko irery daholo ny zavatra rehetra.

    2. Miantehitra amin’ny Tompo aho mba hahazo fanampiana.

    3. Rehefa manao zavatra iray aho dia matetika aho no manadino fa afaka mangataka fanampiana amin’ny Ray any An-danitra.

  8. Ny fahazotoana:

    1. Mandany ny ankamaroan’ny fotoanako rehetra amin’ny fijerena fahitalavitra sy ny fiarahana amin’ny namana ary ny tsy fandraisana andraikitra aho!

    2. Matetika aho no sahirana amin’ny fifantohana amin’ireo zavatra manan-danja eo amin’ny fiainako, fa miezaka aho.

    3. Mandany ny fotoanako sy ny heriko amin’ireo zavatra manan-danja indrindra aho.

  9. Ny fankatoavana:

    1. Manaraka an-tsitrapo ny torohe-vitry ny mpitarika ahy sy ny ray aman-dreniko aho.

    2. Izaho ihany mazàna no mibaiko ny tenako. Matetika no sarotra ho ahy ny mihaino olona hafa.

    3. Manaraka ny torohevitry ny mpitarika ahy sy ny ray aman-dreniko aho, saingy indraindray aho dia mimonomonona ny amin’izany.

Sary
young woman

Jereo ary ny valinteninao. Inona ny toetra tianao hiezahana mba hananana? Mba hianarana ny fomba hikolokoloana azy ireo dia afaka mifidy iray na roa ianao ary mifantoka tsara amin’izy ireo rehefa mihaino ny fihaonambe.

Ary raha namaly ianao fa nety tsara daholo ny nataonao tamin’izy tsirairay avy, dia tohizo izany! Mbola afaka mifidy iray na roa izay toa nanan-danja be taminao nandritra ilay famotopotorana ianao dia mifantoka amin’izany mandritra ny fandalinanao ny fihaonambe. Na aiza na aiza no misy anao eo amin’ny lalanao mba ho tonga tahaka an’i Kristy dia afaka mitodika mandrakariva amin’ireo fampianaran’ny mpitarika antsika ianao mba hanampy anao eo amin’ny lalanao.

Raha tsy afaka manapa-kevitra ny amin’izay toetra hofidina ianao amin’izao dia aza manahy! Afaka mihaino fihaonambe foana ianao ary mijery izay manan-danja indrindra aminao amin’izay.

Rehefa voafidinao ilay toetra tianao hifantohana dia azonao atao ny manoratra izany mba hahavonona anao handray fanambarana momba izany eo am-pihainoanao ny fihaonambe na rehefa mandalina ireo lahateny aorian’ny fihaonambe ianao. Rehefa mihaino sy mandalina ianao dia avelao ny Fanahy hitarika anao hahita fomba miavaka hahafahanao mikolokolo ilay toetra. Jereo ity ohatra eto ambany ity!

Fanamarihana

  1. Robert D. Hales, “Ny Fihaonamben’ny Fiangonana: Manamafy Orina ny Finoana sy ny Fijoroana ho Vavolombelona,” Liahona, nôv. 2013, 6.