2017
Mampitombo ny raharaham-barotro amin’ny fivarotana mofomamy vita amin’ny vary
October 2017


Mampitombo ny raharaham-barotro amin’ny fivarotana mofomamy vita amin’ny vary

Lordita Yagomyom

Misamis Occidental, Philippines

Sary
rice cakes

Sary nataon’i Carolyn Vibbert

Naniry ny handefa ny zanako lahy hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno aho kanefa tsy ampy hanohanana azy mba handehanany hanao izany ny fivarotana bibingka (mofomamy vita amin’ny vary) iray kilao isan-kerinandro.

Nanampy ara-bola ny fianakaviana ny zanako lahy ary niahiahy be momba ny toe-bolanay izy ka sadaikatra ny handao anay. Olana tsy tapaka ho an’ny fianakavianay ny mitady vola. Nirehareha ny amin’ny zanako lahy 25 taona aho noho ny faniriana marina nananany mba hanompo ny Tompo, saingy fantatro fa mila karazana fahagagana izahay hanatontosana ny nofinofiny hanao asa fitoriana.

Niditra tao anatin’ny kilasy iray fianarana momba ny fizakan-tena aho. Fantatro tamin’ny alalan’ny fikatsahana hanao zavatra tsy tapaka sy fampiasana finoana fa ho voatahy ny fianakaviako. Nandritra ny fivoriana iray dia notaomim-panahy handeha any amin’ny tsenabe iray aho. Tany no nahitako vehivavy maro nivarotra tsakitsaky vita teo an-toerana. Nanao fifanekena ara-barotra tamin’ny vehivavy iray aho. Nolazaiko azy fa hametraka ny entako aho ny maraina mba hamidiny ary haka ny tombombarotra rehefa mifarana ny andro. Samy nahazo tombontsoa avy amin’ilay fifanarahana izahay. Vetivety aho dia nahita mpivarotra betsaka kokoa. Nitombo ka lasa nisy mpivarotra 10 tao amin’ny raharaham-barotro nandritra ny fotoana naha-tao amin’ny kilasy fianarana momba ny fizakan-tena ahy.

Nianatra nampisaraka ny volako manokana tamin’ny vola avy amin’ny varotra nataoko aho ary nandoa karama ho an’ny tenako. Nianatra nanatsahatra ny fandaniam-potoana nanamboarana entana tsy azo namidy aho ary nifantoka kosa tamin’izay nahazoana tombony. Nianatra momba ny fanaovana raharaham-barotra amin’ny fampiasana ny tambazotra ifaneraserana ihany koa aho. Ny mpiara-miasa amiko tamin’ny fanatanterahan-javatra tao amin’ilay kilasy fianarana momba ny fizakan-tena dia nanampy ahy hanokatra kaonty Facebook. Nanomboka teo dia nianatra momba ny fananganana laza tsara ho an’ny raharaham-barotra sy ny famonosan’entana izahay. Taty aoriana dia nitombo ny raharaham-barotro ka afaka niala tamin’ny asany izay tena nandrera-batana ny vadiko ary niara-niasa tamiko.

Vao haingana ny olona iray no nanontany ahy hoe manao ahoana ny varotro. Tamim-pifaliana no nilazako taminy fa mivarotra mofomamy vita amin’ny vary 12 kilao aho izao.

“Tena tsara izany 12 kilao isan-kerinandro izany!” hoy izy.

“Tsia, ranadahy,” hoy aho. “Mivarotra 12 kilao isan’andro aho.”

Nilaza tamiko ny zanako lahy taty aoriana fa faly izy fa afaka mamelona anay ankehitriny ny raharaham-barotro.

“Toa afaka manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno amin’izay aho izao,” hoy izy.

Manompo ao amin’ny misiônan’i Philippines San Pablo izy ankehitriny. Feno fankasitrahana aho amin’ny ezaka voarindra hanatratrarana ny fizakan-tena. Tena tamin’ny fo tokoa no nilazan’ny Tompo hoe: “Ary ny tanjoko dia ny hamatsy ny olomasiko” (F&F 104:15).