2017
Ny fomba hahafantaranareo mivantana
October 2017


VALINTENY avy amin’ireo mpitarika ny Fiangonana

Ny fomba hahafantaranareo mivantana

Avy tamin’ny tafasiry mivantana tamin’ny martsa 2017 niarahana tamin’ny Filoha Henry B. Eyring sy ny Loholona Jeffrey R. Holland.

Sary
young man

Ry namana tanora malalanay isany, ny fanirianay ho an’ny tsirairay aminareo dia ny hahafantaranareo mivantana, tsy miankina na amin’iza na amin’iza, fa tena misy Andriamanitra, fa fantany ianareo, ary nanao sorona hanonerana ny fahotan’izao tontolo izao ny Zanany Lahy.

Ny fanantenanay dia ny hahazoanareo mivantana fijoroana ho vavolombelona tsy voahozongozona fa naverina farany tamin’ny laoniny teto ambonin’ny tany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Niavaka ny asa nanirahana an’i Joseph Smith, kanefa ny vavaka tamim-panetrentena nataony dia maodely manampy ho anareo sy ho ahy. Niainga nankany amin’ilay ala kely i Joseph mba hivavaka amim-pinoana fa hamaly ny vavaka ataony sy hampitony ny fahasahiranan-tsaina nananany ny Andriamanitra iray be fitiavana. Nahazo izany toky izany izy tamin’ny alalan’ny famakiana ny tenin’Andriamanitra sy ny fahazoana tenivavolombelona fa marina izany. Nivavaka ihany koa i Joseph niaraka tamin’ny faniriana, tsy ny hihaino fotsiny ihany fa hankatò na mafy toy ny ahoana aza izany. Vonona izy ny hanatanteraka izay rehetra hambaran’Andriamanitra aminy.

Ao anatin’izany fomba fisainana izany, dia te hampanao fanamby an’ireo tanora ato amin’ny Fiangonana aho. Izao ilay fanamby: ataovy izay hahafantaranareo mivantana fa marina ireo zavatra ireo. Azonareo atao izany amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nasehon’i Joseph Smith: mandalina ny soratra masina, mamela ireo teny hirotsaka lalina ao am-ponareo, misaintsaina momba azy ireny hatrany hatrany, ary avy eo mangataka amin’Andriamanitra, amin’ny fahavononana hanaiky ny fitarihany—hatao marina tokoa anie ny sitrapony.

Raha toa ka toy ny fanasana tsotra ny fahitana izany fanamby izany, dia mampanantena anareo aho fa mety mitaky ezaka goavana izany. Tsy afaka mampanantena aho fa ho avy ao anatin’ny iray andro, na afaka herinandro ny valinteny ho anareo, kanefa afaka mampanantena aho fa hiresaka aminareo amin’ny fombany manokana sy amin’ny fotoany manokana Andriamanitra, raha toa ka mangataka amim-pinoana ianareo. Rehefa manaiky sy manao asa araka izany fanasana izany ianareo, dia hahita fa tsy ireo valinteny fotsiny no ho tonga, fa hanorina lamina arahina mba hahazoana fahalalana ara-panahy ihany koa ianareo, izay hitahy anareo amin’ny andronareo sisa.