2017
Manampy olona, pensilihazo iray isaky ny mandeha
October 2017


Manampy olona, pensilihazo iray isaky ny mandeha

Sary
helping out, one pencil at a time

Tamin’ny fotoana nanaovan’ny tsatòkako tetikasa hanampiana ireo mpitsoa-ponenana no niantombohan’ny zavatra rehetra. Tiako tokoa ilay tetikasa ka dia nangataka ny reniko aho mba hiresaka izany tamin’ny mpampianatro tany am-pianarana, ka dia naniry ny hanao zavatra niaraka tamin’ny ankizy tao amin’ny kilasy fahaefatra ny mpampianatro. Mba hanehoana ohatra mikasika ilay tetikasa dia nandondona isam-baravarana mba hangataka zavatra azo atao fanomezana izaho sy i Maddie anabaviko.

Tonga ilay andro hampahafantarana ilay tetikasa tamin’ny mpianatra ambiny tao amin’ny kilasy fahaefatra. Natahotra kely aho. Raha ny tena marina dia tena natahotra be aho, saingy nanao izay tsara indrindra azoko natao aho. Nolazaiko tamin’ireo mpianatra hafa tao amin’ny kilasy fahaefatra ny zavatra nilainay mba hamoriana fitaovam-pianarana ho an’ireo mpitsoa-ponenana. Notantaraiko fa nandondona isam-baravarana izahay ary nampanaoviko fanamby izy ireo mba hiezaka hanao misimisy kokoa noho izany amin’ny fanangonana vola. Nahangona amboaram-pitaovam-pianarana 100 izahay rehetra niaraka! Nasinay kahie, pensilihazo, ary fitaovam-pianarana hafa tao anatin’izany. Nampianay soratra ihany koa izany izay milaza hoe: “Tonga soa eto Alemana.”

Nentinay sy ny reniko tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana ireo amboaram-pitaovana. Tsy azo lazaina hoe nahafinaritra ilay toby, kanefa nisy toerana malalaka filalaovana sy faritra natao ho an’ny fianarana tao. Nisy fiaran-dalamby nitabataba mafy tokoa teo akaikin’ilay toby, dia nilaza tamiko ireo ankizy fa toy ny fiaramanidina mpiady haingam-pandeha nisidina tao Syrie sy tany amin’ny toerana hafa mitovy amin’izany ny fanenon’ilay izy. Mety ho toy ny baomba angamba ny feon’izany ho an’ireo ankizy izay efa nandre azy ireo tany amin’ny firenena niaviany.

Nihaona tamin’ny ankizy vitsivitsy mitovy taona amiko aho tao amin’ilay toby, ka anisan’izany i Daniel, izay mpilalao échec tena mahay. Tsy afaka nifaninana nilalao échec taminy aho, izay tena mampalahelo satria tia milalao échec aho, kanefa nanasa ahy hilalao baby-foot sy ping-pong izy ireo. Nilaza tamiko ireo zazalahy fa nalahelo ny tranony izy ireo ary tena te hiala tao amin’ilay toby dia handeha hianatra indray.

Rehefa avy nilalao baby-foot sy ping-pong izahay dia nanolotra ireo fitaovam-pianarana. Milamina tsara ny saiko fa afaka nanao zavatra tsara ho an’ireo ankizy nipetraka tao amin’ireo toby aho.