2017
Valin-teny avy amin’ny fitaomam-panahy nandritra ny dinidinika arak’asa iray
October 2017


VALINTENY avy amin’ny fitaomam-panahy nandritra ny dinidinika arak’asa iray

Gibrair Padilha Dos Santos

São Paulo, Brésil

Sary
man standing on clock

Sary avy amin’ny Getty Images

Taorian’ny nanendrena ahy hitarika kaomity misahana ny fizakan-tena iray ao amin’ny tsatòka dia tonga saina aho fa hay ny tenako dia manao asa ambany kokoa noho izay sahaza ahy. Noho io fahatongavan-tsaina io dia naniry zavatra bebe kokoa avy amin’ny fiainako arak’asa aho.

Nahatsapa faniriana vaovao aho ny hitady asa tsaratsara kokoa sy hangataka fanampiana mba hanoratana curriculum vitae matihanina. Nalefako tany amin’ny orinasa maromaro ny curriculum vitae vaovao nataoko ary vetivety aho dia voantso hanao dinidinika.

Indray mijery fotsiny dia nanondro fehezan-teny iray tao amin’ilay curriculum izay miresaka ny asa nataoko tamin’ny naha-mpanolotsaina ahy tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka ilay mpitarika ny dinidinika dia nanontany hoe: “Azonao lazaina amiko ao anatin’ny dimy segaondra ve ny dikan’ity asa fanompoana ao amin’ny fiangonana ity?”

Nilaza aho fa anisan’ny mpitarika tao amin’ny fikambanana iray miandraikitra ny fitarihana sy ny fanampiana olona 2.500 mahery aho. Lasa liana ilay mpitarika ny dinidinika dia niteny hoe: “Manana iray minitra ianao hanapahana hevitra amin’ny fomba hanomezanao ahy valinteny dimy segaondra ho an’ity fanontaniana ity: ahoana no hitarihanao an’ireo olona 2.500 ireo?”

Fantatro fa izay no ho fotoana manan-danja indrindra tamin’ilay dinidinika. Nivavaka aho dia nangataka fanampiana tamin’ny Raiko any An-danitra, ary vetivety teo dia nahatsiaro ireo lesona nianarako tao amin’ny kilasy fianarana momba ny fizakan-tena. Tsapako ho nitombo be ny fahatokian-tenako.

Rehefa dila ny iray minitra dia nanontany ilay mpitarika dinidinika hoe: “Ahoana no hitarihanao an’ireo olona 2.500 ireo?”

“Manampy azy ireo hametraka tanjona izahay,” hoy aho namaly.

Nitsangana ilay mpitarika dinidinika, noraisiny ny tanako, dia hoy izy hoe: “Voaray ianao.”

Mahatalanjona ny fomba nanampian’ Andriamanitra ahy sy namaliany ny vavako. Feno fankasitrahana ny Mpamonjy ahy aho noho ny fitarihany ireo mpitarika antsika hamorona ny ezaka voarindra hanatratrarana ny fizakan-tena. Efa notahian’izany manokana aho ary efa nahita ilay dingana tsotra sy nentanim-panahin’ny ezaka voarindra hanatratrarana ny fizakan-tena nitahy olona maro tao amin’ny tsatòkanay. Resy lahatra tokoa aho ny amin’ny fahafahan’ireo fitsipiky ny fizakan-tena hanondrotra ny fiainana, ka rehefa lasa mpitarika olona 15 mahery tao amin’ny asako vaovao aho dia nanomboka nampianatra azy ireo ny fitsipiky ny fizakan-tena.

Nivoatra aho ary afaka manao zavatra bebe kokoa mihoatra izay noheveriko fa azoko atao. Mandray karama mahavelona tsara ahy sy ny fianakaviako aho izao. Io ezaka voarindra io dia manampy antsika hivoatra isan’andro amin’ny alalan’ny fanampiana antsika hanana fizakan-tena bebe kokoa.