2017
Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina manampy ahy?
October 2017


Valinteny avy amin’ny Apôstôly iray

Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina manampy ahy?

Nalaina tao amin’ny “Ny Fanahy Masina,” Liahona, mey 2016, 105–107.

Sary
how can the Holy Ghost help me

Mpikambana fahatelo ao amin’Ny Andriamanitra ny Fanahy Masina. Mijoro ho vavolombelon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Izy.

Mampianatra antsika Izy. Manome fanantenana ho antsika Izy. Manampy antsika hanao ny tsara Izy.

Manome ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ho antsika Izy. Manome fahalalana ho antsika Izy ary manampy antsika hahatsiaro ireo zavatra manan-danja.

Manampy antsika ho voadio amin’ny fahotana Izy. Mankahery antsika Izy.

Ny Fanahy Masina ihany koa dia manampy antsika hanao safidy manan-danja.

Miteny ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika moramora Izy. Afaka maheno Azy amin’ny fomba samihafa ny tsirairay amintsika.