2017
Manampia olona iray anio
October 2017


Mandra-pihaonantsika indray

Manampia olona iray anio

Nalaina tao amin’ny “Inona no zavatra nataoko ho an’ny hafa androany?” Liahona, nôv. 2009, 84–87.

Tanan’ny Tompo Isika. Miantehitra amintsika Izy.

Sary
Christ healing at Bethesda

SOMBINY AVY TAMIN’NY, I KRISTY NANASITRANA NY MARARY TAO BETESDA, NATAON’I CARL HEINRICH BLOCH, NAHAZOANA LALANA AVY TAMIN’NY BRIGHAM YOUNG UNIVERSITY MUSEUM OF ART

Matoky aho fa ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay avy dia manam-pikasana ny hanompo sy hanampy ireo izay mila fanampiana. Nanao fanekempihavanana isika tamin’ny batisa mba “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany” [Môsià 18:8]. Impiry ny fonao no tsy tohina rehefa nanatri-maso ireo zavatra ilain’ny hafa? Impiry ianao no nikasa ho ilay mpanampy ny hafa? Kanefa impiry impiry no nanakanan’ny fiainana andavanandro izany, ka navelanao ho ataon’ny hafa izany, ka nahatonga anao nieritreritra hoe “Eisy! tsy maintsy hisy olona hanampy amin’izany.”

Lasa variana loatra amin’ny zava-manahirana eo amin’ny fiainantsika isika. Raha toa isika ka maka fotoana kely hisainana, ary hanao jery todika ny zavatra ataontsika dia ho hitantsika fa … matetika isika no mandany andro manao zavatra tsy dia manan-danja loatra eo amin’ny drafitry ny fiainana, ka manadino ireo foto-kevitra manan-danja kokoa. …

Voahodidin’ireo olona mila ny fitiavantsika, ny fankaherezantsika, ny fanampiantsika, ny fampiononantsika, sy ny fahatsaran-toetra asehontsika isika, na izy ireo fianakaviana, na namana, na olom-pantatra na olona hafa mihitsy. Isika no tanan’ny Tompo ety an-tany, ary nodidina mba hanompo sy hampitraka ireo zanany. Miantehitra amintsika tsirairay Izy. …

Enga anie ny tonon’ilay fihirana malaza iray hilatsaka lalina any anatin’ny fanahintsika … :

Nanao soa teto an-tany ve aho androany?

Ka nanampy ireo mila izany?

Nankahery ny malahelo ve aho ary nampifaly ny hafa koa?

Raha tsy izay dia tsy nahomby tokoa.

Nisy enta-mavesatra nihamaivana ve androany

Noho ny finiavako hizara?

Nisy marary sy trotraka nila fanampiana ve tany ho any?

Ka teo ve aho nikarakara?

[“Have I Done Any Good?” Hymns, lah. 223].

… Enga anie isika hanontany tena amin’ilay fanontaniana hoe … “Inona no zavatra nataoko ho an’ny hafa androany?” Ny torohevitro ho an’ireo mpikambana maneran-tany dia ny hitady olona iray izay mandalo fotoan-tsarotra na marary na manirery, ary hanao zavatra iray ho azy anio.