2017
Mamaha ny fifandirana ao anatin’ny fanambadianareo
October 2017


Mamaha ny fifandirana ao anatin’ny fanambadianareo

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Fitahiana maro mahafinaritra no mitosaka avy amin’ny famahana ireo fifandirana ao anatin’ny tontolo hahatsapana fitiavana.

Sary
couple holding hands

Sary nataon’i Sally Wern Comport

Namono ny vatafahitalavitra i Matt sy i Margaret (novaina daholo ireo anarana) taorian’ny fivoariana farany tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Nitaona fanahy ireo hafatra, ary nankafizin’izy ireo ny tontolo najakan’ny eritreritra tsara izay nameno ny tokantranon’izy ireo tamin’izany faran’ny herinandro izany.

Tsy mbola nisy olona mety ho kivy kokoa noho i Matt sy Margaret rehefa nifamaly mafy izy ireo, 24 ora latsaka kely taty aoriana, raha toa ka tokony hotehirizina ny vola amboniny tsy nampoizina azon’i Matt tany am-piasana na hividianana akanjo entina mianatra ho an’ireo ankizy lehibe kokoa. Tsy voavaha ilay adihevitra, ary samy nandeha nanao zavatra hafa i Matt sy Margaret, sady nahatsapa ho tsy nifankahazo resaka.

Mba hanorenana fanambadiana maharitra sy feno fifaliana, ny mpivady dia tsy maintsy mianatra ny fomba hamahana ny fifandirana mba hahatsapan’ny tsirairay fa mahazo izay tiany holazaina ilay iray hafa izy ary ireo fanapahan-kevitra dia noraisina miaraka amin’ny marimaritra iraisana azo ekena.

Fampitandremana sy fitarihana ara-panahy

Ireo soratra masina sy ny tenin’ny mpaminany sy apôstôly dia manolotra fampitandremana maro be momba ny fifandirana. Mamaky isika ao amin’ny 3 Nefia hoe: “Izay manana ny fanahin’ny fifandirana dia tsy Ahy fa an’ny devoly kosa, izay rain’ny fifandirana” (3 Nefia 11:29). Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa i Satana dia “miezaka ny hiterahan’ny fisarahana sy tsy fitovian-kevitra eo amin’ny ray sy ny reny. Misarika ny zanaka tsy hankatò ny ray aman-dreniny izy. … Fantatr’i Satana fa ny fomba azo antoka sy mahomby indrindra hampitsaharana ny asan’ny Tompo dia ny mampihena ny fahombiazan’ny fianakaviana sy ny fahamasinan’ny tokantrano.”1

Ny tsy fitovian-kevitra, ny fahazarana, na ny toe-javatra niainana teo aloha dia tsy azo ialana, saingy manana loharano maro be isika mba hanampiana antsika hahafantatra ny fomba hamahana izany. Ny fotopampianarana sy ny torolalana nampianarina nandritra ny fitsaohana ny Alahady sy ireo boky navoakan’ny Fiangonana dia afaka manampy ary azo hamafisina amin’ny fampahalalana tsara kalitao avy amin’ny matihanina raha ilaina. Afaka mianatra fomba hamahana fifandirana ny mpivady. Ny fitaomam-panahy dia afaka mitarika amin’ny fahalefahan’ny fo ka mahatonga ny mpivady hiova hatrany anaty.

Nampitandrina ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Ny sasany amin’ireo fotoana lehibe indrindra hahafahantsika mampiseho ny fitiavantsika dia ao anivon’ny tokantranontsika. Ny fitiavana no tokony ho ampahany manan-danja indrindra eo amin’ny fiainam-pianakaviana, kanefa indraindray dia tsy izany no zava-misy. Mety hisy tsy faharetana diso tafahoatra ao, ady hevitra be loatra, fifandirana be loatra ary ranomaso be loatra.”2

Rehefa mijanona maharitra ny olana ka manjary manimba ny fiainam-pianakaviana, dia mety misy antony goavana kokoa mahatonga ny fifandirana, ka anisan’izany ny tsy fahamatorana, ny fitiavan-tena, ny faniriana hanana fahefana hanjakazakana, ary ny avonavona. Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) hoe: “Efa ela no nahatsapako fa ny singa lehibe indrindra mahatonga ny fanambadiana iray ho feno fifaliana dia ny fieritreretana mafy izay hahasoa sy hahatsara ilay vadinao. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia ny fitiavan-tena no antony lehibe izay mahatonga ny adihevitra, ny fisarahan-toerana, ny fisaraham-panambadiana, ary ny alahelo lehibe.”3

Ny Loholona Marvin J. Ashton (1915–94) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanao fanamarihana ihany koa hoe: “Rehefa mieritreritrany fahatsapana ratsy sy ny tsy fahazoana aina nateraky ny fifandirana n olona iray, dia tsara ny manontany hoe: -Nahoana aho no mandray anjara?- …

“… Zava-dehibe ny miaiky fa isika no misafidy ny fitondrantenantsika. Loharanon’izany olana izany ilay olana nisy foana hatrizay dia ny avonavona.”4

Na inona na inona antony dia mila mianatra fahaiza-manao vaovao isika ary mampalefaka ny fontsika rehefa mitoetra maharitra ny olana.

Anton’ny fifandirana

Sary
silhouette of couple arguing

Maro ireo anton’ny fifandirana, manomboka amin’ny hevi-dravina an’ny tena manokana mankany amin’ny fomba fifandraisana aman’olona izay efa tafatoetra lalina ao anaty. Ankoatra ny fandresena ny fitiavan-tena sy ny tsy fahamatorana dia hiatrika antony hafa hiraisana amin’ny hafa izay mahatonga ny fifandirana ny mpivady ka anisan’izany ny antony tahaka izao manaraka izao:

  • Mpivady vao mianatra mizatra miaina ny fombafomban’ny tsirairay

  • Tsy fitoviana voajanahary eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy

  • Fahasorenana vokatry ny harerehana

  • Tsy fitovian-kevitra mikasika ny fomba tsara indrindra hanabeazana ny zanaka, na hitantanana ny vola

  • Zanaka mianatra mampiasa ny fahafahana misafidy

  • Tsy fitovian’ny zavatra tiana sy tsy tiana

  • Misendoatra noho ny fikorontanan-tsaina

  • Tsy fahampian’ny fahatakarana na ny fahaiza-manao amin’ny famahana fifandirana

Fampitandremana momba ny fahatezerana

Maro ireo fifandirana mipoitra eo amin’ny mpivady na ny fianakaviana noho ny fahatezerana tsy voafehy. Raha toa ka tsy mitandrina isika dia mety hieritreritra foana mikasika ny fomba nanaovan’ny vadintsika ratsy tamintsika aorian’ny zava-nitranga iray izay nahatezitra antsika taminy. Arakaraka ny hifantohantsika ela amin’izany no maha-betsaka ny anton-javatra azontsika hoforonina mba hanamarinana ny fomba fijerintsika. Izany fieritreretana zavatra ratsy tsy an-kiato izany dia misakana antsika tsy hitony, ary rehefa mipoitra ny onjam-pahatezerana faharoa kanefa tsy mbola voavaha ilay voalohany, dia mety hitarika amin’ny fahatezerana mafy dia mafy kokoa ny eritreritra na fahatsapana atosiky ny tsiry mpanentana.

Ohatra, nandritra ny fivoriana fakan-kevitra iray dia nofariparitan’i Marilyn fa nahasorena tokoa ny nandry teo am-pandriana rehefa avy nifampikitakita izy sy ny vadiny. “Fantatro fa nanana ny rariny aho,” hoy izy. “Fantatro fa handeha handrehitra jiro izy dia hialatsiny, kanefa tsy nataony mihitsy izany. Arakaraka ny nieritreretako an’izany no vao mainka nahatezitra ahy. Rehefa henoko nanomboka niesona izy dia tsy tantiko izany—nitsambikina niala teo am-pandriana aho dia nikitakita bebe kokoa azy ary avy eo dia nidina tany ambany. Dia inona hoy ianareo no teo fa tsy mbola niala tsiny ihany izy?” Ny zavatra niainan’i Marylin dia ohatra tsara amin’ny fomba tsy tokony hoentina mamaha ny fahatsapana fahatezerana.

Mety ho toa sarotra ialana ireo fahazaran-dratsy, na ireo tsy maharitra aza. Kanefa iafaka mianatra fahaiza-manao mba hitondrana fanampiana ireo mpivady. Ireto misy fomba fanao vitsivitsy tena manampy:

Fomba 7 hitoniana

Fakafakao haingana ireo eritreritrao. Ao amin’ny ohatra hitantsika teo, i Marylin dia afaka niteny tamin’ny tenany hoe: “Toy ny hoe manana ny rariny aho, kanefa misendaotra aho. Manan-danja bebe kokoa amiko noho ny zavatra hifandiranay ny fifandraisako amin’ny vadiko.”

Avelao hitony ny fihetsehem-ponao mialoha ny hiezahanao mandresy olana iray. Andraso hisindana ny fahatsapana ateraky ny tsiry mpanentana.

Mitadiava zavatra mampiala voly. Misafidiana hieritreritra zavatra hafa na manaova dia an-tongotra.

Soraty ny eritreritrao. Ho an’ny olona sasany dia manampy mba hampitombo ny fahatsiarovan-tena izany.

Avoahy amin’ny fomba ahitam-bokatsoa ny fihetseham-ponao. Ny fivazavazana momba izay zavatra tsapanao dia tsy hanampy anao “hanaisotra izany ao anatinao.” Arakaraka ny hanehoanao ny fiontanam-ponao amim-pahatezerana no hahatonga ireo zavatra tsapanao ho mahery vaika kokoa.

Mihainoa hira mampitony na mamakia boky mankahery.

Avereno hatrany amin’ny voalohany indray. Mijanona raha vao manomboka misy tsy fitovian-kevitra. Ny fikarohana dia nampiseho fa ny telo ka hatramin’ny dimy minitra voalohany amin’ny fifanakalozan-kevitra no hifotoran’izay mety hiseho manaraka eo. Mitenena hoe: “Mandeha any amin’ny tsy izy izy izany. Ndeha haverina hatrany amin’ny voalohany indray.”

Dingana hamahana ny fifandirana

Sary
couple sitting together at table

Ny Strengthening Marriage (Fanamafisana orina ny fanambadiana), boky torolalana an’ny LDS Family Services (Sampan-draharaha misahana ny fianakaviana an’ny OAF), dia manoro hevitra mba hanarahana dingana telo hamahana ny fifandirana: (1) fanehoana hevitra, (2) famakafakana ireo olana, ary (3) fisafidianana vahaolana mahafa-po ny roa tonta.5 Ireo dingana ireo dia mifototra amin’ny karazana fomba fifampiresahana sy fizarana izay ahitana fiaraha-miasa sy asa atao mba hamahana ny olan’ireo izay voakasika rehetra.

1. Fanehoana hevitra

Mizara ny heviny amim-pahitsina kanefa tsy mivatravatra ny tsirairay. Indraindray dia mamaha ilay olana ny fisaintsaina am-pitandremana ny zavatra lazain’ny iray satria manjary mazava fa ilay tsy fitovian-kevitra dia tsy fahatakarana kely fotsiny ny zavatra tiany holazaina. Ohatra, ny vehivavy iray izay mihevitra fa ny vadiny dia mikiry amim-pitiavan-tena ny mba hanatrehany lalao baolina basiketin’ny sekoly ambaratonga faharoa miaraka aminy fa tsy hampiaraka hiara-hisakafo hariva, dia mety hanjary hahatakatra fa tsy liana loatra amin’ny lalao baolina basikety ny vadiny fa te haneho amin’ny mpilalao iray izay nitsahatra nanatrika ny kilasy Sekoly Alahady fa mieritreritra momba azy izy.

2. Mamakafaka ireo olana

Mamakafaka lalina ireo olana ny mpivady. Ny zavatra hifantohana dia ny fahatakarana sy ny fanekena ny olan’ny tsirairay. Raha tohizana ilay ohatra momba ny baolina basikety, rehefa mahatakatra ny ahiahin’ilay vadiny ny amin’ilay mpianatra ilay vehivavy dia mety hino izy fa ilay vadiny dia miezaka ny hahay hametraka lamina mba hametraka ny zavatra ilain’ny hafa mialoha ny zavatra ilaina ao amin’ilay fanambadiana. Eto dia tsy maintsy atao izay hisian’ny fifampiresahana amim-pieritreretana tsara, ka ao anatin’izany, ny tsirairay dia hilaza ny zavatra tsapany amin’ny fomba feno fitandremana ary ny fifanoheran’izy ireo dia hanjary lasa fiaraha-miasa.

3. Fisafidianana vahaolana mahafa-po ny roa tonta

Ny mpivady dia miara-mieritreritra izay vahaolana azo heverina ary manapa-kevitra ny amin’ireo vahaolana mahafa-po ny roa tonta. Izany dia miompana amin’ny zavatra izay azon’ny tsirairay atao mba hamahana ireo olana fa tsy amin’ny zavatra azon’ny vadiny atao. Ny fifanarahana toy izany dia mety hizaha toetra ny fahamatorana sy ny faharetana, saingy, rehefa mandeha ny fotoana, izany dia hitarika amin’ny finoana fa misy fiarovana ao amin’ny filazana ny zavatra tsapa sy ny fahatokisana fa horesahina mandritra izany ny fanirian’ny olona tsirairay. Ireo mpivady ao amin’ilay ohatra dia afaka mifanaiky ny hanokana zoma alina iray hiarahana mijery lalao baolina basikety, zoma alina iray izay hanatrehan’ilay lehilahy samirery ilay lalao, ary zoma alina roa hanaovana fiaraha-mientana ho an’ny mpivady. Tsy manan-danja loatra ny fomba nifidianan’ilay mpivady ny handaniany ny zoma alina noho ny hoe mahafa-po azy roa ny hatsaran’ny dingana narahana teo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra.

Vokatry ny famahana ny fifandirana

Sary
couple praying together

Fitahiana maro mahafinaritra no mitosaka avy amin’ny famahana ireo fifandirana ao anatin’ny tontolo hahatsapana fitiavana. Izany dia ahitana ny fiarovana; fivoaran’ny tena manokana, izay mitarika amin’ny fiadanana ao anaty; finoana mitombo; toetra mihatsara; ary fahamarinan-toetra an’ny tena manokana.

Rehefa voavaha ny fifandirana, dia afaka maka ny toeran’izany ireo lamina vaovao. Dia misokatra ho an’ireo mpivady ny varavarana mba hilazan’izy ireo ny eritreritra tsara ananany sy hampisehoana fanohanana. Rahavavy Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nilaza hoe: “Manana hery mahavariana ny teny. Sady afaka manamafy orina izany no afaka mampilofika. Isika rehetra angamba dia afaka mahatsiaro teny mandratra izay nampilofika antsika ary teny hafa nambara tamim-pitiavana izay namelombelona ny fanahintsika. Ny fisafidianana ny tsy hiteny afa-tsy zavatra tsara mikasika ny hafa, sy tsy hiteny afa-tsy zavatra mahasoa amin’ny hafa, dia mampitraka sy mampatanjaka an’ireo olona manodidina antsika ary manampy ny hafa mba hanaraka araka ny fomban’ny Mpamponjy.”6

Ireo mpivady izay nanao ezaka mba hivoatra tao anatin’ny fotoana maharitra tamin’ny famahana ny fifandirana dia mioty valisoa tena tsara. Ny lehilahy manambady iray izay niaina tao anatin’ny fifandraisana nikorontana teo aloha dia niteny hoe: “Sarotra ho ahy ny manao jery todika ny toetoetran’izany fifandraisana izany teo aloha sy ny hino fa tena nisy izany. Fa dia nahoana aho no nahavitra nitondra ny vadiko toy izany? Feno fankasitrahana aho noho ny Fanahy izay misarika ny saiko sy ny faharetana nasehon’ny vadiko ahy.”

Famaranana

Mitaky ezaka voasaina tsara sy asa ny fandresena ny fifandirana. Ny zavatra izay holazainao na hataonao manaraka eo dia afaka ny ho loharano hiandohan’ny lamin’ny fifaneraserana tsara kokoa ao anatin’ny fanambadianao. Ianareo koa dia afaka mioty ireo vokatry ny Fanahy araka ny niainan’ny Nefita: “Tsy nisy fifandirana teo amin’ ny tany, noho ny fitiavan’ Andriamanitra, izay nitoetra tao am-pon’ ny vahoaka.

“Ary tsy nisy fialonana, na adiady, na tabataba … ; ary marina tokoa fa tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy” (4 Nefia 1:15–16).

Fanamarihana

  1. M. Russell Ballard, “The Sacred Responsibilities of Parenthood” (Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young, 19 aog. 2003, speeches.byu.edu.

  2. Thomas S. Monson, “Ny Fitiavana—Fitsipika Fototry ny Filazantsara,” Liahona, mey 2014, 93.

  3. Gordon B. Hinckley, “Loyalty,” Liahona, mey 2003, 59.

  4. Marvin J. Ashton, “No Time for Contention,” Ensign, mey 1978, 9.

  5. Jereo ny Strengthening Marriage: Resource Guide for Couples (2006), 19–20.

  6. Jean B. Bingham, “Hoentiko ao an-tokantranoko ny fahazavan’ny filazantsara,” Liahona, nôv. 2016, 7.