2017
Lesona dimy ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony avy amin’ny Apôstôly tanora.
October 2017


Lesona dimy ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony avy amin’ireo Apôstôly tanora

Inona no zavatra azontsika ianarana amin’izao fotoana izao avy amin’ny zavatra niainan’ireo Apôstôly voalohany ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny?

Teo anelanelan’ny 23 sy 25 taona izy ireo, kanefa nanampy tamin’ny fanovana an’izao tontolo izao. Tanora ireo Apôstôly voalohany tao amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny. Nahatsapa ho tsy ampy fahaizana ny sasany. Nanao fahadisoana ny sasany. Kanefa nitondra fiovana avokoa izy rehetra. Ireto misy lesona dimy azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo.

1. Tsy voatery hahatsapa ho mahay ianao vao hahay

Sary
Heber C. Kimball

Sary nataon’i Elizabeth Thayer

Nahatsapa ho tsy ampy fahaizana i Heber C. Kimball rehefa nandray ny antsony ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny febroary 1835. Telo taona latsaka no naha-mpikambana azy ary vao 33 taona izy.

“Zavatra tena tsy nandrasako mihitsy izany,” hoy i Heber nitantara taty aoriana.1 Kanefa vonona hanaiky ilay antsony izy, ary tao anatin’ny tsodrano fanokanana azy dia nolazaina taminy fa “an-tapitrisany maro” no “hiova fo avy amin’ny alalany.”2

Fony izy Apôstôly dia nanao asa fitoriana roa nahomby tokoa tany Angletera izy. Nampiditra ho mpikambana andian’olona maro izy izay izay mety ho tafakatra any amin’ny an-tapitrisany ny taranak’izy ireo ankehitriny. Ho an’i Heber, ny fanekena ny antsony na dia tamin’ny fotoana nahatsapany aza fa kely fotsiny no azony natolotra dia nitahy azy sy ny maro hafa.

2. Ny fanapahan-kevitsika no mamaritra antsika, fa tsy ny toe-javatra iainantsika

Sary
Thomas B. Marsh

Nitsoaka niala ny tranony tany New Hampshire i Thomas B. Marsh fony izy 14 taona. Niasa tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolena tao Vermont izy; mpandroso sakafo tao Albany New York; mpandroso sakafo tao amin’ny toerana fivahinianana iray tao New York City; ary avy eo dia mpiasa an-trano tany Long Island. Niovaova ny toe-javatra niainany mandra-pihaonany tamin’i Elizabeth Godkin sy nanambadiany azy.

Taty aoriana dia notarihin’ny Fanahy izy sy i Elizabeth mba ho any New York andrefana. Tany no nandrenesan’izy ireo momba ny Bokin’ i Môrmôna. Nahita ireo tahadikan’ny pejy 16 voalohany i Thomas rehefa voatonta izany, ka namela azy hamaky ireo pejy efa nandalo fanitsiana ilay mpanonta printy. Nisafidy ny hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana i Thomas rehefa nino fa boky avy amin’Andriamanitra izany. Natao batisa tamin’ny 3 septambra 1830 izy.3

Nitory ny filazantsara tany amin’ny faritra maro i Thomas. Niaritra fahoriana izy rehefa voaroaka avy tao amin’ny Jackson County, Missouri, ny Olomasina tamin’ny nôvambra 1833. Mpikambana voalohany tao amin’ny filankevitra avo tao Missouri izy rehefa natsangana izany tamin’ny jolay 1834. Rehefa avy nantsoina ho Apôstôly izy fony 34 taona, dia Filohan’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izy. Na dia niaro fatratra an’i Joseph Smith tamin’ireo olona tsy niombon-kevitra tamin’izy ireo tany aloha aza izy dia lasa nahatsapa ho voafitaka koa i Thomas taty aoriana. Nisafidy ny handao ny Fiangonana izy tamin’ny 1838.4

Afaka mianatra isika avy amin’i Thomas Marsh fa ny toe-javatra iainana izay miovaova dia tsy voatery manakana antsika tsy hahazo ireo fitahian’ny filazantsara—na hitahy ny fiainan’ny hafa.

3. Mitandrema: Tsy misy izany hoe tsara loatra ka tsy hianjera

Sary
Lyman Johnson

I Lyman Johnson no tanora indrindra tamin’ireo nantsoina. 23 taona sy efa-bolana izy tamin’izay fotoana izay. Voatendry ho mpisorona avo izy andro vitsivitsy monja taorian’ny nahafeno 20 taona azy tamin’ny 1831 ary efa nanao asa fitoriana maromaro ho an’ny Fiangonana. Nandritra ny fotoana nanompoany tany amin’ny iray amin’ireo asa fitoriana ireo dia nanao lahateny iray izy izay tsaroan’ny olona fa “iray amin’ireo fijoroana ho vavolombelona mahery vaika indrindra mikasika ny asa nanirahana an’i Joseph Smith, sy ilay asa lehibe amin’ny andro farany.”5

Indrisy anefa fa tsy naharitra ela ny fanompoan’i Lyman tamin’ny naha-Apôstôly azy. Nandritra ny korontana ara-toekarena tao Kirtland, Ohio, tamin’ny 1837, dia nivadika tamin’i Joseph Smith izy. Nesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana i Lyman tamin’ny 1838.

Na tsara toy ny ahoana aza ny fahaizany mitory, na inona na inona anjara fanompoana nohazoniny tato amin’ny Fiangonana, dia mbola lavo ihany i Lyman. Nilaza i Brigham Young fa taty aoriana i Lyman dia niaiky fa naniry ny mba ho afaka ny mbola hino ny filazantsara izy: “Feno fifaliana sy haravoana aho. … Faly aho na andro na alina. … Kanefa ankehitriny dia haizina, fijaliana, alahelo ary fahoriana lalina no tsapa.”6

4. Ny fankatoavana dia tsy miantoka ny hananana fiainana tsy misy fitsapana, kanefa mendrika ny iainana izany

Sary
Parley P. Pratt

Rehefa avy notokanana ho Apôstôly i Parley P. Pratt, dia nanome andraikitra miavaka ho an’i Parley i Oliver Cowdery, izay isan’ireo voatondro hanampy hisafidy ny Apôstôly, ka nilaza fa izy dia “hiatrika ireo zava-tsarotra mitovy amin’izay nolalovan’ireo Apôstôly fahiny eo amin’ny fanatontosana ity asa fanompoana ity.” Nilaza izy fa i Parley dia ho voahidy anaty “fonja be mimanda sy tranomaizina,” saingy tsy tokony hampatahotra azy izany satria ireo fisedrana ireo dia hahatonga azy “handray ny voninahitra” izay notehirizin’ny Tompo ho azy.7

Nanaraka izany lamina izany ny fiainan’i Parley. Nisy fotoana izy niaina tao anaty fahantrana lalina. Niaritra fandrabirabiana izy rehefa nitory ny filazantsara. Naiditra am-ponja izy tamin’ny 1838 sy 1839 noho ny fiampangana vokatry ny fahasahiranana niainan’ny mpikamban’ny Fiangonana tao Missouri. Na izany aza dia nahazo ireo fitahiana nampanantenain’i Oliver ihany koa i Parley. Tsy ela akory taorian’ny nanafahana azy tao am-ponja dia nanoratra izy hoe: “Salama izahay, ary miroborobo tokoa ao amin’ny Tompo, taorian’ny fahorianay rehetra.”8

5. Tsy manan-danja noho ny finoana ny taona

Sary
Orson Pratt

I Orson Pratt, rahalahin’i Parley no Apôstôly tanora indrindra faharoa. Notokanana teo amin’ny faha-23 taonany izy ary zokin’i Lyman Johnson herinandro vitsivitsy monja. Ny asa fanompoana efa nataon’i Orson ho an’ny Fiangonana dia manolotra ohatra tena tsara tokoa ny amin’ny fomba ahafahan’ny tanora ho tonga fitaomana mahery vaika mba hitrangan’ny zavatra tsara.

Natao batisa tamin’ny 19 septambra 1830, izay tsingerintaona naha-feno 19 taona azy i Orson. Fotoana fohy taorian’izay dia nahazo fanambarana ho azy i Joseph Smith izay nilaza fa zana-k’Andriamanitra i Orson, ary voatahy izy satria nino, ary ny andraikiny dia ny hitory ny filazantsara (jereo F&F 34:3–6). Araka izany dia nanao asa fitoriana maro i Orson, anisan’izany ny iray niaraka tamin’i Lyman Johnson tamin’ny 1832 izay nanaovan’izy ireo batisa olona efa ho 100 isa sy nanokanany loholona maro.

Rehefa nantsoina ho Apôstôly i Orson dia tsy tao Kirtland izy. Tamin’ny 23 aprily 1835, tao amin’ny tanàn’i Columbus, no nahafantarany fa notakina ny fanatrehany ny fivoriana iray tany Kirtland izay natao ny 26 aprily.

Nandeha tany avy hatrany izy, tsy nahafantatra ny tanjon’ilay fivoriana. Tsy nahafantatra izy hoe nantsoina ho Apôstôly ny tenany. Niditra ilay efitra izy raha iny “nivavaka sy naniry ny fahatongavany” iny ny mpanatrika ilay fivoriana.9 Nanaiky ny antsony i Orson rehefa nahatsapa ny fanohanan’ny Olomasina.

Amin’ny maha-Apôstôly azy dia nanomana kiboky izay nirakitra ireo tantara momba ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith izy izay natonta voalohany indrindra. Amin’ny maha-mpamaky lay azy tamin’ny 1847, dia nitazona rakitsoratra amin’ny antsipiriany momba ilay dia natao nankany andrefana izy. Nanoratra kiboky maro ho an’ny misiônera ihany koa izy ary mpiaro mafy ny Bokin’i Môrmôna.

Hafa mihitsy ny ankehitriny … sa mitovy?

Samy hafa amin’ny fomba maro ny tanora ankehitriny raha ampitahaina amin’ny tamin’ny 1835. Kanefa ireo lesona ireo dia mbola afaka manampy ny tanora ankehitriny amin’ny ezaka ataon’izy ireo mba hanatratra ny fahaiza-manaony lehibe indrindra mba hahazoana fahombiazana. Indro misy famintinana:

  • Raha toa ka mahatsapa ho tsy ampy fahaizana ianareo dia mandrosoa ihany.

  • Manana olana avokoa ny olon-drehetra. Afaka mandresy ny anareo ianareo.

  • Ho faly kokoa ianareo raha toa ka mijanona ho mazoto ato amin’ny Fiangonana.

  • Manolora tena hatrany. Aoka ianareo ho mpankatò sy ho mahatoky. Ho avy ireo fitahiana.

  • Manana zavatra manan-danja omena ianareo. Miantehitra aminareo ny Tompo.

Fanamarihana

  1. “Extracts from H. C. Kimball’s Journal,” Times and Seasons, apr. 15, 1845, 868.

  2. “Minutes, Discourse, and Blessings, 14–15 February 1835,” ao amin’ny The Joseph Smith Papers, Documents, Volume 4: April 1834–September 1835, ed. Matthew C. Godfrey sy ny hafa (2016), 229.

  3. Jereo ny “History of Thos. Baldwin Marsh,” The Deseret News, 24 mar. 1858, 18.

  4. Jereo ny “History of Thos. Baldwin Marsh,” The Deseret News, 24 mar. 1858, 18; Kay Darowski, “The Faith and Fall of Thomas Marsh,” ao amin’ny Revelations in Context: The Stories behind the Sections of the Doctrine and Covenants, Matthew McBride sy James Goldberg, eds. (2016), 57–59.

  5. Edward W. Tullidge, Tullidge’s Histories (1889), boky 2 (fanampiny), 175.

  6. Brigham Young, Discourse, June 17, 1877, ao amin’ny Journal of Discourses, 19:41.

  7. Oliver Cowdery, ao amin’ny “Minutes and Blessings, 21 February, 1835,” ao amin’ny Joseph Smith Papers, Documents, Volume 4: April 1834–September 1835, 240–41.

  8. “Letter from Parley P. Pratt, 22 November 1839,” josephsmithpapers.org/paper-summary/letter-from-parley-p-pratt-22-november-1839/1.

  9. “Extracts from H. C. Kimball’s Journal,” Times and Seasons, 15 apr. 1845, 869.