2017
Namangy an’i Joseph Smith i Jesoa
October 2017


Tantaran’i Jesoa

Namangy an’i Joseph Smith i Jesoa

Sary
Jesus visited Joseph Smith 1
Sary
Jesus visited Joseph Smith 2
Sary
Jesus visited Joseph Smith 3

Taona maro taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia nisy zazalahy nantsoina hoe Joseph Smith izay nanana fanontaniana. Tsy fantany ny fiangonana tokony handehanany.

Namaky ny Baiboly i Joseph. Nilaza ny Baiboly fa hamaly ny fanontaniantsika ny Ray any An-danitra raha mivavaka Aminy isika. Nankany anaty ala i Joseph dia nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra.

Nidina avy any an-danitra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa. Nilaza i Jesoa fa tsy misy tokony handehanan’i Joseph ireo fiangonana ireo satria tsy nampianatra ny zavatra rehetra izay hita tao amin’ny Fiangonany izy ireo.

Rehefa lehibe i Joseph dia nanampy tamin’ny famerenana ny Fiangonan’i Jesoa teto an-tany izy. Antsoina hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany. Manampy ny olona hianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra izany.

Ny famakiana ny soratra masina dia nampianatra ahy zavatra bebe kokoa momba ny Ray any An-danitra. Rehefa mivavaka aho dia afaka mamaly ny vavako ihany koa Izy.