2017
Tany Paris hatrany Sapporo
October 2017


Tany Paris hatrany Sapporo

Mipetraka amin’ny toerana samy hafa eto amin’izao tontolo izao izahay, kanefa mitovy ny fahatsapanay rehefa natsangana teo akaikin’ny toerana misy anay ny tempoly!

Sary
from Paris to Sapporo

Rachel no anarako. Mipetraka eo akaikin’ny Tempolin’i Paris, Frantsa izahay.

Tena manan-danja ho an’ny fianakavianay ny tempoly. Mialoha ny nananganana ny tempolin’i Paris dia nandeha im-betsaka isan-taona nanao dian’ny mpianakavy nankany amin’ny Tempolin’i Francfort Alemana izahay. Nandany adiny 10 ny familiana fiara nandeha tany sy niverina nody!

Tianay ny nijery ny fananganana ilay tempoly vaovao. Isan-kerinandro, aorian’ny fotoam-bavaka any am-piangonana, dia nampandalovin’ny ray aman-dreninay teo ny fiaranay mba hahitanay ny fizotry ny fananganana. Tamin’ny voalohany dia nandrodana trano tranainy izy ireo ary nihady lavaka lehibe. Dia nanomboka nanangana ilay tempoly niha-avo hatrany izy ireo. Vetivety dia nijoro teo ny tranon’ny Tompo!

Tsindrindaona ery izaho sy ny iray tampo amiko handeha ao amin’ny tempoly indray andro any. I Esther zokiko vavimatoa no afaka manao batisa voalohany. Miandry mafy ny anjara fotoana handehananay ihany koa izahay rehetra. Tianay ny tempoly ary faly izahay fa manana iray ato amin’ny tanànay mihitsy!

Ny anarako dia i Koshi. Mipetraka eo akaikin’ny Tempolin’i Sapporo Japana aho. Tiako ny mipetraka eo akaikin’ny varavarankelin’ny tranonay dia mijery ny fananganana ny tempoly.

Nanasa ny namako mahafinaritra iray hiaraka aminay aho nandritra ny varavarana misokatra. Hitany hoe tsara be daholo ny zavatra rehetra.

Tiako ny mieritreritra ny fanokanana ny tempoly ho toy ny tsingerintaona nisian’izany tempoly izany. Fitsingerenan’ny taona nahaterahako ihany koa izany andro izany. Ary an’ny Filoha Monson ihany koa! Tao amin’ny tempoly mihitsy izaho sy ny ray aman-dreniko rehefa notokanana izany.

Feno fankasitrahana aho mipetraka eo akaikin’ny tempoly. Rehefa sarotsarotra ny androko any an-tsekoly dia afaka mandalo ny tokotanin’ny tempoly aho eny an-dalana hody. Tsapako ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ahy rehefa any aho. Miandrandra ny fotoana ahafahako miditra ao anatiny aho mba hanao batisa ary hanambady any aoriana any.