2017
Ny dia nataon’i Jane
October 2017


Ny dia nataon’i Jane

Monina any Texas Etazonia ny mpanoratra.

New York, Etazonia, 1843

Sary
janes journey

Nijery ilay sambo nitsingevana niala avy teo amin’ny seranan-tsambo nankeny amin’ny Farihin’i Erie i Jane Manning. Tsapany ho toy ny hoe lasa niara-nitsingevana tamin’ilay sambo ny nofinofiny.

Vao herintaona lasa izay no nidirany ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy nanapahany hevitra hifindra monina mba hiaraka amin’ireo Olomasina tany Nauvoo. Niara-nandeha nanaraka ny moron’ny reniranon’i Erie nankany Buffalo New York ny reniny sy ny olona fito hafa tao amin’ny fianakaviany. Saingy rehefa tonga tao Buffalo izy ireo dia tsy navela nitaingina ilay sambo noho ny volon-koditr’izy ireo.

“Dia inona izany izao no hataontsika?” hoy i Isaac anadahiny nanontany moramora.

Nanakoako tao anatin’ny rivotra mamanala ilay fanontaniana. Mbola tany amin’ny 1.287 km no nisy an’i Nauvoo. Afaka nilavo lefona izy ireo dia nandeha nody, na niezaka ny nandeha nanao ilay dia taty aoriana. …

Saingy tsy nahandry izany i Jane! Fantany fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Niteny tamin’ny mpaminany indray Andriamanitra. Nila nandeha tany Nauvoo niaraka tamin’ny fianakaviany izy.

Nijoro mahitsy tsara naneho fahavononana i Jane dia nijery niankandrefana. “Handeha an-tongotra isika.”

Dia nandeha an-tongotra izy ireo. Mandra-pahasimba ny kiraron’izy ireo. Mandra-pahavakivaky sy naratra ny tongotr’izy ireo ary tsy maintsy nivavaka izy ireo mba ho sitrana. Indraindray izy ireo dia natory nitafo lanitra, ary tena natevina tokoa ny fanala ka toy ny ranomandry nirotsaka izany. Nandrahona ny handefa azy ireo tany am-ponja ny olona sasany satria noheveriny fa andevo nitsoaka izy ireo. Tsy fantatr’izy ireo fa fianakaviana mainty hoditra afaka ry Manning mianakavy. Dia mbola nandeha an-tongotra ihany izy ireo, sady nihira hira tao amin’ny fihirana mba hanalana andro.

Rehefa akaiky ho tonga tao Nauvoo izy ireo dia tonga teo akaikin’ny renirano iray.

“Tsy misy tetezana,” hoy i Isaac.

Nanetsika ny lohany ho fanekeny izany i Jane. “Dia tsy maintsy hiroboka hiampita an’io izany isika koa!” Rehefa nandingana niroboka tao amin’ilay rano izy dia hatreo amin’ny kitrokeliny ilay rano. Nandroso tsimoramora izy. Nisamboaravoara niakatra hatreny amin’ny lohaliny ilay rano dia avy eo nihoatra ny valahany. Rehefa tonga teny afovoan’ilay renirano izy dia niakatra hatreo amin’ny tendany ny rano! Soa ihany fa tsy nihalalina kokoa ilay izy, ka dia niampita tsy azon-doza ny fianakaviana Manning.

Nony farany dia tonga tao Nauvoo izy ireo. Afaka nahatazana ireo rindrina vatosokay tsara tarehin’ny Tempolin’i Nauvoo teo an-tendrombohitra, izay azo nitazanana ilay lohasaha, i Jane. Na dia tsy mbola vita aza ilay izy dia tena nampitolagaga azy. Nisy olona nanoro azy ireo ny trano nipetrahan’ny Mpaminany Joseph Smith.

Nisy vehivavy lava sady mainty volo nijoro teo amin’ny lalana fidirana ny varavarana. “Mandrosoa, mandrosoa!” hoy izy niantso. “Izaho no i Emma Smith.”

Toa nandalo dia niserana ireo minitra vitsy taorian’izay. Nihaona tamin’ny Mpaminany i Jane, dia nametraka seza ho an’ny fianakaviana Manning manontolo manerana ilay efitrano izy. Naka toerana tsara tamim-pankasitrahana teo amin’ilay seza i Jane dia nihaino rehefa nampahafantatra azy ireo tamin’ny olona rehetra izay tao i Joseph, ka anisan’izany ny Dokotera Bernhisel izay namany. Dia nitodika tany amin’i Jane i Joseph ary nanontany hoe: “Ianao no nitarika an’ity vondrona kely ity, sa tsy izany?”

“Eny tompoko!” hoy i Jane namaly.

Nitsiky i Joseph. “Andriamanitra anie hitahy anao! Mba te hihaino mikasika ny dianareo aho izao.”

Notantarain’i Jane ny tongony naratra sy ny natorian’izy ireo tao anaty ranomandry ary ny niampitany ilay renirano. Nihaino tamim-pahanginana ny rehetra. “Fa tsy dia nampaninona ilay izy ka,” hoy izy namarana. “Nanohy ny lalanay tamim-pifaliana izahay, nihira hira tao amin’ny fihirana ary nisaotra an’ Andriamanitra noho ny hatsarany tsy misy fetra sy ny famindram-pony taminay tamin’ny fitahiany anay, ny fiarovany anay, ary ny fanasitranany ny tongotray.”

Nangina daholo ny rehetra tao anatin’ny fotoana fohy. “Inona no hevitrao momba izany ry Dokotera? Hoy i Joseph Smith nony farany, sady nikapoka ny lohalik’ilay lehilahy. “Tsy finoana ve izany?”

“Raha izaho izany dia mety efa nilavo lefona aho angamba ary niverina tany an-tranoko!” Nanaiky i Dokotera Bernhisel.

Nanetsika ny lohany naneho ny fanekeny i Joseph dia nitodika tany amin’i Jane sy ny fianakaviany ka niteny hoe: “Hotahian’ Andriamanitra anie ianareo. Isan’ny namanay ianareo.”