2017
Ho lasa tena mpianatra tokoa
October 2017


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Ho lasa tena mpianatra tokoa

Sary
youth, woman, man silhouettes

Manana tombontsoa hampanantena ny Ray any An-danitra isika isaky ny fivoriana fanasan’ny Tompo fa hahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy sy hitandrina ny didiny mba hananantsika ny Fanahiny miaraka amintsika (jereo ny Môrônia 4:3; 5:2; F&F 20:77, 79). Ho tonga ho azy ao amintsika ny fahatsiarovana mandrakariva Azy rehefa mitondra ny anarany eo amintsika isika. Ataontsika amin’ny fomba maro izany fa indrindra rehefa manompo ny hafa amin’ny anarany, sy mamaky ny teniny masina, ary mivavaka isika mba hahafantatra izay tiany hataontsika.

Nitranga tamiko izany rehefa nanao batisa ny zatovolahy iray aho. Fantatro fa nantsoin’ny mpanompo voatendrin’ny Mpamonjy ho misiônera aho mba hampianatra ny filazantsarany sy hijoro ho vavolombelona momba Azy sy ny Fiangonany marina. Izaho sy ny mpiara-mitory tamiko dia nampanantena ilay zatovolahy fa hodiovina amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izy rehefa mibebaka amim-pinoana ny Mpamonjy sy ataon’ny iray amin’ireo mpanompony nahazo lalana batisa.

Rehefa nanarina ilay zatovolahy avy tao amin’ny rano tao amin’ny dobo fanaovana batisa aho dia nibitsibitsika tamiko izy hoe: “Madio aho, madio aho.” Tamin’izay fotoana izay dia tsaroako ny batisan’ny Mpamonjy nataon’i Jaona Mpanao Batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana. Mihoatra izany aza, tsaroako fa nanao ny asa famonjen’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty sy velona aho—natrehan’ny Fanahy Masina, tahaka an’i Jaona.

Ho ahy sy ho antsika tsirairay, ny fahatsiarovana ny Mpamonjy dia mety ho mihoatra ny fianteherana fotsiny amin’ny fahatsiarovana ny fahalalantsika sy ny zavatra niainantsika niaraka Taminy. Azontsika atao isan’andro ny manao safidy izay hampanakaiky antsika bebe kokoa Azy amin’izao fotoana izao.

Ny safidy tsotra indrindra angamba dia ny mamaky soratra masina. Rehefa manao izany isika dia afaka mahazo fahatsapana ho akaiky Azy kokoa. Ho ahy, ny fifanakaikezana dia tsapa matetika rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna aho. Ao anatin’ireo minitra voalohany hamakiako ao amin’ireo toko ao amin’ny 2 Nefia, dia reko ao an-tsaiko ireo feon’i Nefia sy i Lehia mamariparitra ny Mpamonjy toy ny hoe mahafantatra Azy mihitsy izy ireo. Tonga ny fahatsapana ho akaiky kokoa.

Ho anareo dia mety ho toko hafa ao amin’ny soratra masina no hampanakaiky indrindra anareo Aminy. Kanefa na aiza na rahoviana no hamakianareo ny tenin’Andriamanitra, miaraka amin’ny fikasana amim-panetrentena sy marina hahatsiaro ny Mpamonjy, dia hampitombo ny fanirianareo hitondra ny anarany eo aminareo eo amin’ny fiainanareo isan’andro ianareo.

Izany faniriana izany dia hanova ny fomba hanompoanareo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo. Hivavaka hangataka fanampiana amin’ny Ray any An-danitra ianareo amin’ny filofosana na dia amin’izay heverinareo fa toa antso tsy manan-danja aza. Ny fanampiana hangatahinareo dia ny fahafahana hanadino ny tenanareo sy hifantoka bebe kokoa amin’izay irian’ny Mpamonjy ho an’ireo izay antsoina hanompo.

Nahatsapa ny fitarihany sy ny maha-akaiky Azy aho tao anatin’ny fanompoako ireo zanakay rehefa nivavaka aho mba hahafantatra ny fomba hanampiana azy ireo hahita fiadanana izay ny filazantsara ihany no mitondra izany. Tamin’ny fotoana toy izany dia tsy niraharaha loatra ny mba hahitan’ny olona ahy hoe ray mahomby aho, fa niraharaha lalina kosa momba ny fahombiazana sy izay mahasoa ny zanako.

Ny faniriana hanome ho an’ireo izay tompointsika ny zavatra izay homen’ny Mpamonjy azy ireo dia mitarika amin’ny fanaovana vavaka izay fitalahoana amin’Andriamanitra, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy marina tokoa. Rehefa mivavaka araka izany fomba izany isika, izany hoe amin’ny anaran’ny Mpamonjy, amim-pinoana Azy, dia mamaly ny Ray. Mandefa ny Fanahy Masina Izy mba hitarika sy hankahery ary handrisika antsika. Satria ny Fanahy dia mijoro ho vavolombelona mandrakariva momba ny Mpamonjy (jereo ny 3 Nefia 11:32, 36; 28:11; Etera 12:41), dia mitombo ny fahafahantsika mitia ny Tompo amin’ny fontsika sy ny eritreritsika ary ny tanjatsika manontolo (jereo ny Marka 12:30; Lioka 10:27; F&F 59:5).

Ho tonga miadana sy tsikelikely ireo fitahiana avy amin’ny fahatsiarovana isan’andro sy tsy tapaka rehefa manompo Azy, sy mivoky amin’ny teniny, ary mivavaka amim-pinoana ny anarany isika. Ary izany fahatsiarovana izany dia hamolavola antsika ho tonga tena mpianatry ny Tompo Jesoa Kristy tokoa ao amin’ny fanjakany eto ambonin’ny tany, ary any aoriana any dia miaraka amin’ny Ray any amin’ny tontolo be voninahitra ho avy.