2017
“Aoka isika hizaka tena sy hahaleo tena”
October 2017


“Aoka isika hizaka tena sy hahaleo tena”

Rehefa manaiky sy manaraka ny fitsipika sy ny fotopampianarana miompana amin’ny ezaka voarindra hanatratrarana ny fizakan-tena izay ataon’ny Fiangonana ny Olomasin’ny Andro Farany dia mijinja ny fanomezana ny “fanantenana, fiadanana, ary fivoarana lehibe kokoa izy ireo.”

Sary
violin maker in workshop

Talohan’ny nahalasa azy ho mpikamban’ny Fiangonana dia nandany ny ankamaroan’ny fiainany amin’ny maha-olon-dehibe azy tamin’ny fikatsahana fahombiazana teo amin’ny ara-bola i Peter. Raha ny endriny ivelany no jerena dia toy ny hoe azony ilay izy. Ho porofon’izany dia efa nanana sy nitantana raharaham-barotra maromaro izy.

Rehefa nangataka an’i Peter ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana, ao Midlands andrefana ao Angletera, mba hanatrika fampianarana iray momba ny fitantanana ny volan’ny tena manokana izay atolotra amin’ny alalan’ny ezaka voarindra hanatratrarana ny fizakan-tena izay ataon’ny Fiangonana, dia niahiahy izy sao tsy afaka hampianatra na inona na inona azy ilay lesona. Raha vao nanomboka nanatrika ilay fampianarana anefa i Peter dia tonga dia tsapany vetivety teo fa mbola betsaka ny zavatra tokony hianarany.

“Tsy momba ny fitantanam-bola fotsiny ilay lesona. Ampahany amin’ilay lesona fotsiny izany,” hoy izy. “Ny zavatra nanan-danja indrindra ho ahy dia ny nianatra nanam-pinoana ny Ray any An-danitra, ny fomba hanomezany antsika rehetra fitahiana ara-nofo sy hanokafany ny varavarana mba hananana fizakan-tena marina raha manaraka ny fitarihany ara-panahy isika.”

Noho ny maha-mpikambana azy ao amin’ny kilasy iray fianarana momba ny fitantanana ny volan’ny tena manokana dia nianatra fahaiza-manao azo ampiharina isan’andro izy toy ny fandraisana an-tsoratra sy ny fanombantombanana ny fandanian’ny mpianakavy, ny famoronana teti-bola sy ny fiainana mifanaraka amin’izany, ny fampihenana ny trosa, ary ny fanaovana tahirim-bola ho an’ny ho avy. Rehefa nampiasa ireo fahaiza-manao ireo niaraka tamin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy ary ny fiasana mafy i Peter sy ny vadiny dia afaka nanefa trosa be dia be.

“Mahatsapa ho maivamaivana sy malalaka kokoa aho sady tsy nanana tahotra noho ny trosa sy ny fikorontanana eo amin’ny fitantanam-bola,” hoy izy. “Mahatsapa ny fitahiana be dia be avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny fomba izay tsy mbola tsapako mihitsy hatrizay aho. Nianatra nangataka fanampiana avy Aminy aho sy nihaino ny valinteniny rehefa nila fanampiana tamin’ny raharaha ara-nofo nosahaniko.”

Ezaka voarindra hanatratrarana ny fizakan-tena

Ny fizakan-tena dia mihoatra lavitra ny fananana asa, tahirin-tsakafo, na vola any amin’ny banky. Ny fizakan-tena kosa dia “ny fahafahana sy ny fanoloran-tena ary ny fiezahana hanome ireo zavatra ilaina ara-panahy sy ara-batana eo amin’ny fiainana ho an’ny tena manokana sy ny ankohonana. Rehefa lasa mizaka tena ireo mpikamba[n’ny Fiangonana], dia lasa afaka manompo sy mikarakara ny hafa bebe kokoa ihany koa”1 rehefa mametraka ny asa ho toy ny fitsipika mitarika ny fiainany izy ireo.

Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Ny fizakan-tena dia vokatry ny asa nataontsika ary manamafy orina ireo asa fanampiana hafa rehetra. Zavatra iray manan-danja eo amin’ny lafin-javatra mahasoa antsika ara-panahy ary koa ara-batana izany. … —Aoka isika hiasa hahazoana izay zavatra ilaintsika. Aoka isika hizaka tena sy hahaleo tena. Tsy misy fitsipika hafa ankoatra izany hahazoana ny famonjena. Raharahan’ny tena manokana ny famonjena, ary tsy maintsy miasa isika hahatanteraka ny famonjena antsika eo amin’ny lafin-javatra mahakasika ny ara-nofo sy ara-panahy.—”2

Teo ambany fitarihan’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana dia Olomasin’ny Andro Farany 500.000 mahery ao amin’ny firenena 100 mahery no nandray anjara tamin’ny ezaka voarindra hanatratrarana ny fizakan-tena ho an’ny taona 2014. Ankehitriny ny Fiangonana dia mampiditra ilay ezaka voarindra manerana an’i Amerika Avaratra.

Ilay ezaka voarindra dia ahitana lesona sy loharanom-pitaovana “hanampiana ny mpikamban’ny Fiangonana mba hianatra sy hampihatra ny fitsipiky ny finoana, ny fanabeazana, ny asa mafy ary ny fahatokiana ny Tompo. Ny fanekena sy ny fiainana ireo fitsipika ireo,” hoy ny Fiadidiana Voalohany, “dia hamela [antsika] handray ireo fitahiana ara-nofo nampanantenain’ny Tompo.”3

Sary
fisherman

Faly sy feno fanantenana

Tsy nanana fanantenana intsony i Maria Edilene Romão. Tsy nety nahita asa izy, reny tokan-tena izy, ary nanan-janaka maro velomina.

Tamin’izay izy no nasain’ny mpikambana roa avy ao amin’ny paroasiny ao Santa Catarina, Brésil hanatrika fampaherezam-panahy iray momba ny fizakan-tena. Rehefa tapitra ilay fampaherezam-panahy dia niditra tao amin’ny vondrona iray i Maria mba hanampy azy hitady asa.

“Izay no fotoana voalohany teo amin’ny fiainako ninoako ny hoavy iray izay ahafahako mikarakara ny fianakaviako,” hoy izy nahatsiaro. “Nino aho fa hanampy ahy hanova ny fiainako ilay kilasy fianarana momba ny fizakan-tena.”

Tena nanampy tokoa ilay izy.

Nandritra ireo 12 herinandro manaraka dia nanoka-tena ho an’ny vondrona nisy azy, ny fianarany, ary ny fanolorantenany i Maria. Nanatratra ny tanjony tamin’ny hery nohavaozina izy. Nizatra ny fomba fiatrehana dinidinika fitadiavana asa izy. Tao anatin’ny roa herinandro dia nanao dinidinika fitadiavana asa iray izy ka nahavita izany tsara. Nahazo asa izy taorian’izany dinidinika izany.

“Niova mandrakizay ny fiainako,” hoy i Maria, izay tsy sahirana mafy intsony tamin’ny famelomana ny fianakaviany. “Ankehitriny aho dia faly, feno fientanentanana, manam-paharetana ary feno fanantenana. Mino aho fa velona sy tia ahy ny Ray any An-danitra. Fantatro fa rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy aho dia tahina.”

“Ny fitaovana tsara indrindra”

Sary
seamstresses

Ny fizakan-tena dia fomba iray hanatontosana zavatra iray manan-danja kokoa hoy ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ny tanjontsika faratampony dia ny ho lasa tahaka ny Mpamonjy ary izany tanjona izany dia hatsarain’ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena ataontsika ho an’ny hafa. Arakaraka ny halehiben’ny fizakan-tenantsika no hitomboan’ny fahafahantsika manompo na hihenany.”

Nanampy ny Loholona Hales fa rehefa mizaka tena ihany isika “vao tena afaka manaraka marina ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy teo amin’ny fanompoana sy fitahiana ny hafa.”4

Nianatra izany fahamarinana izany ho an’ny tenany i Sergio Galbuchi rehefa nanomboka ny raharaham-barotra azy manokana izy taoriana kelin’ny niantsoan’ny fiadidian’ny tsatòka azy ho manam-pahaizana manokana momba ny fizakan-tena ao amin’ny tsatòka. Rehefa vonona tsara niaraka tamin’ny finoana sy ny fahaiza-manao ary ny fahalalana azony tamin’ny naha-mpikambana azy tao amin’ilay kaomity i Sergio dia nanokatra tranom-barotra tao Buenos Aires, izay nivarotana “taozavatra sy sakafo” avy ao Argentine, izy sy i Silvia vadiny.

“Raha ny hevitro dia fomba iray hampiharana finoana ny fahatongavana ho mizaka tena,” hoy i Sergio. Tany am-piandohana dia tsy niaina ilay fahombiazana nantenain’izy ireo izy sy i Silvia, ka dia nijanona ho fototra niorenan’ny ezaka nataon’izy ireo ny finoana. Kanefa teo am-piandrasany ny handray ny tombom-barotra avy amin’ny asany dia niasa mafy sy nanome tombony an’ireo mpanjifa tamin’ny vokatra namidiny sy ny asa fitoriana ny filazantsara izay nataony izy ireo.

“Lasa nahafantatra olona maro be izahay,” hoy i Sergio. “Ary nanana fahafahana nizara Bokin’i Môrmôna maromaro izahay.”

Tamin’ny voalohany dia mpikambana 10 tao amin’ny tsatòka misy an’i Sergio izay nila fanampiana tamin’ny fizakan-tena no hitan’ny kaomity misahana ny fizakan-tena ao amin’ny tsatòka. Fa niditra an-tsehatra avy eo ireo eveka.

“Ankehitriny dia mahafantatra olona 35 mila fanampiana izahay,” hoy i Sergio rehefa nitombo ny ezaka natao. “Nanasa azy ireo tsirairay ny eveka mba handray anjara ao amin’ireo kilasy.”

Nitombo ny finoan’izy ireo, nanao ny fanovana nilaina izy ireo, ary nampiasa fahaiza-manao vaovao.

“Isaky ny miresaka amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana aho dia miezaka milaza amin’izy ireo fa io no fitaovana tsara indrindra noraisintsika avy amin’ny Fiadidiana Voalohany,” hoy i Sergio nanampy izany. “Tsara kokoa noho izay mety ho vola azo nomena mba hanampiana olona izany, ary ny fampianarana omeny dia mazava kokoa noho ny ankamaroan’ireo lesona nianarako fony aho tany amin’ny oniversite.”

Ny tena manan-danja indrindra dia izao, ireo izay mahavita ireo lesona momba ny fizakan-tena mandritra ny 12 herinandro dia lasa mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa ary mianatra ny fomba hampiasana ny fahaiza-manaon’izy ireo mba hananganana ny fanjakan’ Andriamanitra.

“Io kilasy fianarana momba ny [fizakan-tena] io dia tsy mifantoka fotsiny ihany amin’ny fandraharahana ataontsika. Izy io dia mifantoka ihany koa amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra sy ny hafa,” hoy i Sergio. “Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa isika mandritra ireo telo volana laniantsika ao amin’io kilasy io. Marina tokoa fa mety hanampy antsika ho lasa mahavita mizaka tena bebe kokoa ny raharaham-barotra iray, fa ny tanjona faratampony dia ny hanompo.”

Fitomboana sy fanaovana asa

Sary
mother with sons

“Efa fampianarana fototra hatramin’izay ho an’ny Olomasin’ny andro Farany,” hoy ny Filoha Joseph F. Smith (1838–1918), “ny hoe ny fivavahana iray izay tsy manana hery hamonjena ny olona ara-batana sy tsy mampiroborobo azy ireo ary tsy mahatonga azy ireo ho faly eto amin’ny fiainana an-tany dia tsy azo ianteherana mba hamonjy azy ireo ara-panahy, mba hampisandratra azy ireo amin’ny ho avy.”5

Tsy tokony ho gaga isika izany fa rehefa mampatanjaka ny olona iray eo amin’ny ara-nofo isika dia mampatanjaka azy ara-panahy ihany koa. Ny Loholona David sy Rahavavy Theresa Nish, izay misiônera misahana ny fizakan-tena ao amin’ny Nosy Salomon, dia nahita mivantana io fifandraisan’ny ara-nofo sy ara-panahy io teo anivon’ireo mpikamban’ny Fiangonana any an-toerana.

“Ny fivoarana ara-panahy sy ny fankanesana any amin’ny tempoly dia fantatra mazava tsara fa avy amin’ireo fitsipika sy fahaiza-manao ary fahazarana ampianarina ao amin’ny My Foundation (Ny fototra iorenako) sy ilay fanazavana feno ao amin’ny My Path to Self-Reliance (Ny lalako mankany amin’ny fizakan-tena),” hoy izy ireo mikasika ireo kiboky mirakitra ilay ezaka voarindra. “[Ireo kiboky ireo] dia manampy ny olona hivoatra ara-panahy sy ara-nofo, izay mitondra mankany amin’ny fizakan-tena ara-panahy sy ara-nofo.”

I Cheryl Redd, izay mpanentana momba ny fizakan-tena ao Utah, Etazonia, dia nanazava ny fomba nanampian’ireo fitsipika ara-panahy ao amin’ilay ezaka voarindra azy hivoatra teo amin’ny ara-nofo: “Tsapako fa ireo fitsipika sy hevitra fototra ireo dia azo ampiharina amin’ny lafin-javatra rehetra amin’ny fiainantsika. Nanampy ahy hifantoka bebe kokoa amin’ny andraikitro amin’ny maha-vady sy reny ahy ireo atrik’asa ireo. Amin’izao fotoana izao aho dia manana ireo fitaovana hananana fahatakarana tsaratsara kokoa momba ny fitantanana ny volan’ny fianakaviana. Hitako ny maha-toy ny fandraharahana ny fiaraha-miasa amin’ny vadintsika mba hitantanana ny vola. Mila ireo fitaovana ireo ho an’ny fianakaviantsika isika mba hahomby.”

Manerana ny Fiangonana, io fahatakarana bebe kokoa io dia lasa fahatokiana bebe kokoa sy tanjaka ara-panahy. Vokatr’izany dia nampitomboin’ny mpikambana ny fanolorantenan’izy ireo mba hankany am-piangonana, handoa fahafolonkarena, ary hijanona ho mendrika ny ho any amin’ny tempoly.

“Nanintona ny saiko izany,” hoy i George Echevarría izay mpikambana vaovao ao amin’ny ezaka voarindra hanatratrarana ny fizakan-tena. I George, izay mpitondra taxi ao Pérou, dia nilaza fa nanampy azy hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara ilay ezaka voarindra rehefa nameno faniriana tao anatiny mba hampivoatra ny tenany. Amin’izao izy dia manantena ny ho lasa manampahaizana momba ny herinaratra, mba hanamboatra ilay moto-taxi izay nentiny nandritra ny taona maro.

“Tsy tokony hijanona amin’izao fotsiny isika dia hiandry izay hitranga amintsika eo,” hoy izy. “Tokony hihetsika hanao asa isika.”

”Hotahina ny fiainanareo”

Sary
woman kneeling in prayer

Mijinja ny fampanantenana nomen’ny Tompo ireo Olomasin’ny andro Farany manerana izao tontolo izao rehefa mianatra sy miaina ary mampihatra amim-pahazotoana ireo fitsipiky ny fizakan-tena ara-panahy sy ara-nofo izy ireo. Na dia afaka mahazo tombontsoa avy amin’ilay ezaka voarindra avokoa aza ny rehetra dia nitahy, indrindra indrindra, ireo izay, na tsy nanana, na nila fampatanjahana tamin’ny fizakan-tena ara-nofo sy ara-panahy izany. Ny Kitapom-bola maharitra ho an’ny fianarana dia manohana ny ezaka voarindra hanatratrarana ny fizakan-tena amin’ny alalan’ny fanampiana ireo izay manana drafitra hahazo fiofanana ara-panabeazana mba ho afaka hampiasa ireo loharanom-pitaovana ilaina.

Ny soratra masina dia mampanantena ny fanampian’ny Tompo rehefa miezaka manatratra ny fizakan-tena isika. Hoy Izy hoe: “Ary ny tanjoko dia ny hamatsy ny olomasiko” (F&F 104:15).

Rehefa nanao fanamarihana momba izany tanjona izany ny Fiadidiana Voalohany dia nanambara hoe: “Io fanambarana io dia fampanantenana avy amin’ny Tompo fa hanome antsika fitahiana ara-nofo Izy ary hanokatra ny varavarana mba hananana fizakan-tena, izay fahafahana ho antsika mba hamatsy ny zavatra ilaina eo amin’ny fiainana ho an’ny tenantsika sy ho an’ny olona ao amin’ny fianakaviantsika.”

Rehefa mandalina, mampihatra ary mampianatra ireo fitsipika ireo amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana isika dia mampanantena ny Fiadidiana Voalohany hoe “hotahina ny fiainanareo. Hianatra ny zavatra tokony hatao eo amin’ny lalana mitondra anareo mankany amin’ny fizakan-tena bebe kokoa ianareo. Homena fanantenana sy fiadanana ary fivoarana bebe kokoa ianareo.”6

Fanamarihana

  1. Boky torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana (2010), 6.1.1.

  2. Thomas S. Monson, “Guiding Principles of Personal and Family Welfare,” Ensign, sept. 1986, 3; jereo koa ny Marion D. Romney, ao amin’ny Welfare Services Meeting Report, 2 ôkt. 1976, 13.

  3. Ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ny My Foundation: Principles, Skills, Habits (kiboky, 2015), 2.

  4. Robert D. Hales, “A Gospel Vision of Welfare: Faith in Action,” ao amin’ny Basic Principles of Welfare and Self-Reliance (kiboky, 2009), 2.

  5. Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith (1998), 164.

  6. Ny Fiadidiana Voalohany, ao amin’ny My Foundation, 2.