2017
Ilir Dodaj
October 2017


Fanehoana ny finoana

Ilir Dodaj

Durrës, Albanie

Sary
ilir with son

Mijery ireo fitaovana fiasany i Ilir ary ny zanany kosa dia mandrefy ny halavany.

Sary
ilir and family kneeling in prayer

Mandohalika mivavaka miaraka amin’ny zanany i Ilir sy i Gjystina vadiny.

Sary
Ilir and son

Ny fanompoan’i IIir amin’ny maha-eveka azy dia naneho ohatra tsara ho an’ny zanany lahy, izay niteny hoe: “Manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka aho. Tiako ny fianakaviako ary mivavaka isan’andro ho an’ny olona mila fanampiana aho.”

Sary
ilir walking with son

Mandeha amin’ny lalana ao Durrës i Ilir sy ny zanany lahy.

Sary
series of images of adult couples together

Efa mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny 10 taona i Ilir sy i Gjystina.

Tsy mety amin’ny fotoantsika foana ny asa fanompoana, kanefa amin’ny maha-ray sy eveka azy dia niezaka nampiseho tamin’ny zanany i IIir Dodaj fa mendrika ny hatao izany.

Cody Bell, mpaka sary

Sary
Ilir Dodaj with son

Nisy fivontosana tao amin’ny vavonin’ny vehivavy zokiolona iray tao amin’ny paroasy ary nila fanampiana isan’andro izy satria tsy afaka nihetsika teo amin’ny fandriany. Nony farany dia nanontany izy raha mba afaka mankany fotsiny aho, tsy olona hafa mpihazona ny fisoronana na izay mety ho olona hafa, satria narary mafy izy ary efa ho faty. Nahazo aina izy fa nanampy azy ny evekany.

Indray andro dia nodidiana ny foko ka tsy afaka namangy azy nandritra ny fotoana fohy aho. Rehefa niverina nijery azy aho dia hoy izy hoe: “Eveka a! fa nahoana ianao no mbola tonga manampy ahy kanefa vao avy nodidiana?”

Hoy aho taminy hoe: “Hanompo ny hafa no antsoko.”

Efa antomotra ny andro hahafatesany ary efa nanomboka simba ny vatany. Mafy ny nahita azy toy izany, kanefa tsy natahotra ny ho faty izy. Tia an’ Andriamanitra izy ary nahafantatra ny drafitry ny famonjena. “Fantatro fa manana drafitra mahatalanjona ho ahy Andriamanitra,” hoy izy.

Rehefa nodimandry izy dia nieritreritra ny zavatra niainako niaraka taminy sy ny hatsaran’ny antsoko amin’ny maha-eveka aho. Feno fankasitrahana aho afaka manompo ny hafa, mitia ny hafa, ary manampy azy ireo. Tiako ny filazantsara.