2020
Fomba mihoatra ny iray handalinana ny soratra masina
Ôktôbra 2020


Endrika nomerika ihany: Tanora sy mpivady vao herotrerony

Fomba mihoatra ny iray handalinana ny soratra masina

Na dia tsy tia mamaky teny aza ianao dia misy fomba maro handalinana ny soratra masina.

Tiako ny antsoko amin’ny maha mpitendry pianô ao amin’ny Kilonga ahy amin’izao fotoana izao. Herinandro vitsivitsy lasa izay no namerimberina hira iray ireo ankizy. Nahatsapa ny Fanahy aho raha nihira izy ireo nanao hoe:

Raha mandalina aho,

misaintsaina am-bavaka,

ho ao ny Fanahy hanazava ahy

hoe, tena marina izany.1

Saingy nisy fanontaniana ihany koa tonga tampoka tao an-tsaiko. Ahoana raha toa ka tsy—“tia mamaky ny soratra masina” tahaka ny aroso ao amin’ny andininy voalohany ao amin’ilay hira ianao? Araka ny hevitro dia tao an-tsaiko foana tato ho ato ny lohahevitra momba ny famakian-teny satria mihoatra ny iray ireo namako izay efa nizara fa manana olana amin’ny tsy fahafahana mamaky teny izy ireo. Ary maro amin’ireo olona izay fantatro no tsy mankafy ny famakian-teny tsotra izao! Misy fomba ve mbola hahafahan’izy ireo hanana traikefa manan-danja amin’ny soratra masina sy hampiroborobo “fijoroana ho vavolombelona fa marina izy ireny”?

Toa mianatra tsara kokoa ny olona rehefa aseho amin’ny fomba maro samihafa ny fampahalalana, mety amin’ny alalan’ny fitenenana am-bava sy amin’ny alalan’ny zavatra hita maso izany, sy rehefa averina ireo lesona any aoriana any. Raha izany no tao an-tsaiko dia niezaka nieritreritra fomba hafa handalinana ny soratra masina arak’izay tratrako aho. Ankehitriny, marina fa tsy ny zava-drehetra ao amin’io lisitra io no azo isaina ho fomba fandalinana voahevitra sy lalina ny soratra masina izay nampianarin’ny mpaminany fa manan-danja amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika—ny sasany amin’izany dia hevitra miserana sy mahafinaritra fotsiny ihany—saingy hitako fa mety hitondra hevi-baovao avy aminao manokana izy ireo farafaharatsiny. Aoka homentsika ny ezaka tsara indrindra azontsika atao ny fandalinana ny filazantsara mba hahafahantsika samy “hahay sy hahatadidy” araka ny voalazan’ilay hira!

Hevitra momba ny fandalinana ny soratra masina

  1. Fantaro ireo teny izay miverimberina ao amin’ny tsodranon’ny patriarikanao ary tadiavo ao amin’ny soratra masina ireo teny ireo.

  2. Rehefa mandalina ianao dia ataovy sary ao amin’ny diary fandalinanao na ao amin’ny sisin’ny boky torolalana Avia, hanaraka Ahy ampiasainao ireo zavatra ao an-tsainao.

  3. Manamboara kilalao kely maneho tantara ao amin’ny soratra masina.

  4. Miantsoa havana izay mipetraka lavitra ary miaraha mamaky aminy an-telefaona.

  5. Soraty ny lisitr’ireo fanontaniana izay tianao hapetraka amin’ Andriamanitra ary avy eo dia mitadiava valiny rehefa mamaky ianao.

  6. Mijereva horonan-tsary iray avy ao amin’ny BookofMormonVideos.org na ny BibleVideos.org.

  7. Sokafy amin’ny toko izay sendra anao ny soratra masina ary manomboha mamaky.

  8. Mihirà hira iray avy ao amin’ny fihirana ary avy eo dia jereo ireo soratra masina izay voatanisa eo ambanin’ilay hira.

  9. Tsidiho ny topics.ChurchofJesusChrist.org ary mandalina zavatra izay mahaliana anao.

  10. Jereo ny zava-kanto ao amin’ny internet izay maneho ny soratra masina ianaranao.

  11. Sasin-tenin’ny toko na ny fizarana ao amin’ny boky ihany no vakiana.

  12. Mandefasa feon-kira milamindamina sady mamaky mafy.

  13. Mitadiava fomba izay ifandraisan’ny toko tsirairay amin’ny tempoly.

  14. Raha toa ka mandalina matetika ny soratra masina amin’ny endrika nomerika ianao dia manandrama mamaky ny tahadika amin’ny endrika vita printy na ny mifamadika amin’izany.

  15. Manaova hosodoko na sarina tantara na tranga iray avy ao amin’ny soratra masina.

  16. Mody manaova hoe nasaina hanao lahateny momba lohahevitra iray ao am-piangonana ianao ary manaova fandalinana momba izany.

  17. Rehefa avy namaky toko iray avy ao amin’ny soratra masina dia avereno soratana amin’ny fiteninao manokana izany.

  18. Araho ireo fanamarihana ambany pejy ao amin’ny andinin-tsoratra masina izay tena ankafizinao ary avy eo dia araho ireo fanamarihana ambany pejy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina izay nitondrana anao, ary avy eo dia araho ireo fanamarihana ambany pejy ireo, etsetra.

  19. Mifandimbiasa mamaky mafy andinin-tsoratra masina miaraka amin’ny namana sy miresaka momba ny zavatra izay novakianareo.

  20. Ampiasao ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina mba handalinana teny na lohahevitra iray.

  21. Jereo avokoa ireo soratra masina rehetra ao amin’ny fanamarihana ao amin’ny faran’ny lahatenin’ny fihaonambe maneran-tany iray.

  22. Mametraha soratra masina iray amina toerana izay hitanao isan’andro ary miezaha manao tsianjery an’izany amin’ity herinandro ity.

  23. Manorata taratasy kely homena olona ary asio soratra masina mitondra teny fankaherezana ao anatiny.

  24. Ataovy kisary ny tetiandron’ireo tranga rehefa mamaky ny Bokin’ i Môrmôna ianao.

  25. Mitadiava “namana mpiara-mamaky soratra masina” ary mifandefasa andinin-tsoratra amin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra isa-maraina.

  26. Atombohy avy amin’ny toko faran’ny Bokin’i Môrmôna ary vakio mankany amin’ny voalohany.

  27. Mamakia soratra masina izay misy fijoroana ho vavolombelona ary avy eo dia soraty ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

  28. Raha toa ka milalao zava-maneno ianao dia manandrama manoratra hira iray izay miresaka ny zavatra tsapa ao anatin’ny andinin-tsoratra masina iray.

  29. Anontanio ny olona ao amin’ny fianakaviana na ny namana ny momba ny andinin-tsoratra masina izay tena ankafizin’izy ireo.

  30. Rehefa mamaky ianao dia ataovy sary ireo zavatra izay voafaritra ao, toa ny tsipìkan’i Nefia izay tapaka.

  31. Vakio ary ataovy tsianjery ny andinin-tsoratra masina ampiasaina amin’ny fampianarana ny leson’ny misiônera izay hita ao amin’ny toko fahatelo ao amin’ny Torio ny Filazantsarako.

  32. Mamakia boky iray avy ao amin’ny Baiboly izay tsy mbola novakianao mihitsy tany aloha.

  33. Manaova fikarohana momba ny fiainan’olona mahery fo iray ao amin’ny soratra masina ary manorata tatitra momba ny tantaram-piainany.

  34. Lalaovy an-tsehatra ny tantara avy ao amin’ny soratra masina mandritra ny takarivan’ny mpianakavy na fiaraha-mientana hafa ataon’ny Fiangonana.

  35. Mitadiava teny nindramina avy amin’ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana mba hampiarahina amin’ny toko tsirairay izay vitanao.

  36. Vakio ireo fanampiana amin’ny fandalinana soratra masina toa ny Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna na ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

  37. Mandania fotoana eny amin’ny zavaboary ary eritrereto ny fomba ifandraisan’ny zavatra izay hitanao amin’ny filazantsara, ary avy eo dia mitadiava andinin-tsoratra masina momba ny zavatra izay nianaranao.

Manana hevitra manokana ve ianao? Zarao amin’ny namanao izany!

Fanamarihana

  1. “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka” Bokin-kiran’ny ankizy, 66