2020
Misoroka ny fanararaotana
Ôktôbra 2020


Misoroka ny fanararaotana

Sary
silhouette of girl

Ao anatin’ny fiarahana madio dia miala tsiny ny olona noho ireo teny na zavatra natao tsy mety ary miantehitra amin’ny herim-panavotan’ny Mpamonjy mba hanampy azy ireo hivoatra sy hibebaka. Fa tsy mahasoa kosa ilay toe-javatra rehefa manohy manao zavatra tsy mety amin’ny hafa ny olona, ary ireo fiarahana ireo dia mety ho lasa anjakan’ny fanararaotana.

“Tsy misy toerana ho an’ny [fanararaotana sy ny] fanafintohinana toy izany ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra,” hoy ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson (“Ireo harena ara-panahy,” Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019). Lahatsoratra maro ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana amin’ity volana ity no hanampy antsika hamantatra sy hiady amin’ny fanararaotana:

  • Ao amin’ny lahatsoratro ao amin’ny pejy 18 dia miresaka momba ny toetoetry ny fanararaotana aho ary mampahafantatra loharano vitsivitsy hanampiana anao na olona fantatrao hamantatra sy hanasitrana fiarahana anjakan’ny fanararaotana.

  • Ao amin’ny pejy 58 dia misy zatovovavy iray mizara ny zavatra niainany tamin’ny fanararaotana ara-nofo azy tamin’ny fahazazany sy ny fomba nahafahany nahazo risi-po sy hery hiresahana sy hitadiavana fanampiana tamin’ireo olon-dehibe azo antoka sy ny Mpamonjy.

  • Ao amin’ny pejy N12 amin’ny Namana amin’ity volana ity ianao dia afaka mahita asa atao an-tsoratra izay hanampy raha hifanakalo hevitra miaraka amin’ireo zanakao momba ny “filazana hoe tsia.” Ampiasao io asa atao io ho fototry ny lesona atao amin’ny takarivam-pianakavy momba ny fisorohana ny fanararaotana.

  • Mety handratra toy ireo karazana fanararaotana hafa ihany koa ny fanararaotana ara-pihetsehampo. Vakio ny “Famantarana ny herisetra ara-pihetseham-po” ao amin’ny endrika nomerika an’ity laharana ity mba hianarana momba-na fambara dimy mampitandrina ny amin’izany ary ny fomba hahazoana fanampiana.

Raha efa voa ianao dia afaka mangataka fitarihana sy fahasitranana amin’ Andriamanitra ary mitady fanampiana ihany koa amin’ireo olona azo antoka. Fantatry ny Tompo ny fahatsapana ananantsika, ary hitarika antsika hahazo fiarovana sy fifaliana Izy rehefa mitodika any Aminy isika.

Enga anie isika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ary hanatona Azy isan’andro,

Jason Whiting, PhD

Sekoly fianarana momba ny fiainam-pianakaviana ao amin’ny Oniversite Brigham Young