2020
Inona no dikan’ny hoe tena niova fo?
Ôktôbra 2020


Avia, hanaraka Ahy: Bokin’i Môrmôna

Inona no dikan’ny hoe tena niova fo?

3 Nefia 274 Nefia

(19–25 ôktôbra)

Sary
What does it mean to be truly converted

Taorian’ny nisehoan’ny Mpamonjy tamin’ireo Nefita dia niaina firaisan-kina sy fiadanana efa ho nandritra ny 200 taona izy ireo satria “niova fo ho an’ny Tompo avokoa” izy rehetra (4 Nefia 1:2).

Fahasambarana sy firaisan-kina

Faly ireo Nefita ary niray hina tamin’ny alalan’ireo asa marina nataony (jereo ny 4 Nefia 1:2–15).

  • Tsy niangatra ary tsara fanahy izy samy izy.

  • Nanaraka ny didin’i Kristy izy ireo.

  • Nanetry tena tamin’ny fifadian-kanina sy ny vavaka izy ireo.

Inona avy ireo ohatra sasany momba ny asa feno fahamarinana nasehon’ireo Nefita? Afaka mamaky ny 4 Nefia 1:2–15 ianao ary mameno ny banga amin’ny ohatra fanampiny izay hitanao.

  • _______________________________________________________________

  • _______________________________________________________________

Alahelo sy fisaraham-bazana

Mampalahelo anefa fa ireo taona nisian’ny firaisan-kina sy fahasambarana ireo dia tsy naharitra mandrakizay. Lasa tsy nankatò ny didin’ Andriamanitra intsony ireo Nefita ny farany (jereo ny 4 Nefia 1:24–31). Tamin’ny fanaovana izany dia:

  • Lasa tia tena sy nieboebo izy ireo.

  • Nanorina ny fiangonany manokana izy ireo ho fitadiavam-bola.

  • Nandà ny Fiangonan’i Kristy izy ireo.