2020
Fo trobaky ny ratra lalina: Fahatakarana ny herisetra ao amin’ny fianakaviana
Ôktôbra 2020


Fo trobaky ny ratra lalina: Fahatakarana ny herisetra ao amin’ny fianakaviana

Ny fitrangan-javatra tsy mahasoa ao amin’izay mety ho fifandraisana rehetra dia mety hitombo. Ny famantarana azy ireny dia afaka mamboraka ny herisetra na manakana izany mialoha ny hitrangany.

Sary
upset woman and husband

Ireo sary dia nampiasaina mba hanehoan-javatra ihany, ary olona nindramina no nalaina sary

Niantso ahy vao tsy ela ny ray torotoro fo iray. I Hoby zanany (novaina ireo anarana) dia any amin’ny oniversite ary vao niaraka aman’olona, ary nivoatra haingana izany. I Hery sakaizany dia maneritery ny hanatontosana ny fanambadiana ary mametra ny hifandraisan’i Hoby amin’ny fianakaviany. Niala tsiny tamin’izy ireo i Hoby, nanazava izany ho ny fitiavana sy faniriana mafy ananan’i Hery ny handany fotoana miaraka aminy amin’ny maha-mpifankatia azy ireo.

Lasa sahiran-tsaina ny fianakavian’i Hoby rehefa nahare izy ireo fa efa nanambady i Hery taloha ary manan-janaka, izay zavatra tsy nolazainy tamin’i Hoby. Nantsoin’izy ireo ny vadin’i Hery taloha, izay nilaza fa saro-piaro sy manana toetra mora tezitra i Hery. Rehefa nahare izany i Hery dia nisafoaka izy. Nilaza izy fa “mifehy loatra” ny ray aman-drenin’i Hoby ary nanonona ny fotoana iray izay tsy nankatoavan’izy ireo ny sangisangy ratsy nataony momba ny fahaizan’i Hoby izy. Nanizingizina tamim-panesoana i Hery ny handraisan’i Hoby ny fanapahan-keviny manokana amin’ny tsy hifandraisany intsony amin’ny ray aman-dreniny. Kivy ny ray aman-drenin’i Hoby rehefa tsy novaliana intsony ny antso sy SMS nalefan’izy ireo.

Samy te hanana fianakaviana sambatra avokoa ny rehetra, saingy na dia rehefa miezaka ny hiaina ny filazantsara aza ny olona dia mety hiteraka ratra ny fifandraisana. Ny olana sasany dia vokatry ny tsy fifankahazoana sy ny disadisa fahita matetika eo amin’ny fianakaviana rehetra. Ao amin’ny tokantrano salama anefa dia miala tsiny noho ny amin’ny fitondrantena tsy mety ny olona ary manarina ny fifandraisana simba, fa ao amin’ireo toe-javatra tsy mahasoa kosa dia misy fitrangana fampiasana tanjaka na fampijaliana miverimberina izay lasa mivadika ho herisetra.

Ny herisetra ao an-tokantrano sy ny Filazantsara

“Efa novakianareo ny fon’ny vadinareo malemy paika ary narianareo ny fitokian’ny zanakareo” (Jakôba 2:35).

Ny herisetra dia ireo fihetsika natao handratra na hifehezana. Izany dia ahitana karazana fitondrantena ahitana ny tsy firaharahiana, ny fanodinkodinan-tsaina, ny tsikera am-bava, ary ny herisetra ara-batana na ara-nofo.1 Mampalahelo anefa fa zava-misy ny fitondrantena mifono herisetra, ka ny manampahaizana sasany dia manombantombana fa ny iray ampahefatry ny ankizy maneran-tany dia mijaly noho ny herisetra ara-batana, na ara-nofo na ara-pihetsehampo.2 Ny tahan’ny olon-dehibe voa ihany koa dia avo, ka vehivavy 1 ao amin’ny 4 eo ho eo sy lehilahy 1 amin’ny 10 eo ho eo no miaina herisetra ara-batana avy amin’ny vadiny.

Mety hitranga amin’ny fifandraisana rehetra ny herisetra, ary na ny lahy na ny vavy dia afaka ny ho mpanao izany daholo. Saingy ny lehilahy no toa mirona kokoa amin’ny fifehezana sy ny fahavitana herisetra ara-batana sy ara-nofo mamohetra, ary ny vehivavy no ampitahorina sy tsindriana na ampijalian’ny vadiny kokoa.3

Ny herisetra dia sady mandratra ny fanahin’ilay mpanao heloka no mandratra ny an’ilay iharan’ny heloka ary mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy. Ireo mpaminany maoderina dia nilaza fa “ireo izay manao herisetra amin’ny vadiny sy ny zanany… dia hijoro eo anoloan’ Andriamanitra indray andro any hamaly izany.”4 Matetika ireo mpanararaotra dia tsy miraharaha na manova ireo fitsipiky ny filazantsara. Ohatra, nanoro hevitra mpivady iray aho ka nivadi-pitokisana tamin’ny vadiny ralehilahy teo amin’ny lafiny ara-pihetsehampo ary niloaka tamin’ny fampiasana ny tahirim-bolan’izy ireo, saingy tsy niala tsiny anefa izy fa nanery ny vadiny mba hamela azy kosa ary niziriziry fa azy ny “fahotana lehibe kokoa” raha tsy mamela azy izy. Nataony tsinontsinona ny fijaliana nahazo ny vadiny ary nihambo izy fa marina eo anatrehan’ Andriamanitra raha tsy izany ve izy ho mpiasan’ny tempoly. Rehefa niresaka tamin’ireo mpitarika ny Fiangonana ny vadiny dia nohamaivaniny ilay fivadiham-pitokisana ary nataony hoe tafahoatra loatra ny an’ny vadiny, hoe namoy fo izy. Ralehilahy dia nandà ny “fitsipiky ny … fanajana, ny fitiavana, [ary ny] fiantrana”5 ary nampijaly ny vadiny. Ny ezaka nataon-dravehivavy hiaina ireo fitsipiky ny filazantsara dia tsy afaka namaha olana izay ralehilahy no nahatonga azy. Isika tsirairay avy dia afaka ny ho solafaka amin’ny fanaovana fitondrantena tsy mahasoa. Misy ireo toetoetra sasany fahita ao amin’ireo karazana herisetra rehetra, ary arakaraka ny maha-goavana sy matetika azy ireny no maha tsy hahasoa an’ilay fifandraisana. Ireto manaraka ireto dia dimy amin’ireo fitrangana herisetra fahita matetika izay afaka hanampy anao hamantatra ny fitondrantena tsy mahasoa eo amin’ny tenanao sy eo amin’ny hafa.

Sary
sad little girl

1. Faharatsian-toetra

“Ny lelany no anaovany fitaka; Ny poizin’ny menarana no ao ambanin’ny molony: … Feno hozona sy fangidiana ny vavany” (Romana 3:13–14).

Nisy lehilahy iray tonga nanatona ahy mba hanaraka fitsaboana izay tsy nankasitrahan’ny vadiny, izay nandrabiraby azy satria “nila fanampiana.” Namana tsara sy mazoto izy any am-piangonana, saingy ao an-tokantrano kosa dia tena mandratra ny fanambaniana feno haratsiam-panahy ataony. Nitsikera ny fidiram-bolany ravehivavy ary miantso ny asany amin’ny maha-mpampianatra azy ho “asam-behivavy.” Hoy izy tamin’ny zanany lahy hoe, “Enga anie ialahy tsy ho lasa olona malemy tahaka ny dadan’ialahy,” ary isan’andro izy dia mandany fotoana amin’ny telefaonina miaraka amin-dreniny, manambanimbany ny vadin’izy ireo. Ny olona mpitsikera dia mahatsapa ho voamarina amin’ny fampijaliana sy ny “fitiavana hampijaly ny hafa;” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:13). Ireo olona ao anaty fianakaviana ireo dia tsy mitandrina ny didin’i Jesoa hoe “aza mitsara” sy “aza manameloka” (Lioka 6:37) rehefa manambany, mampiseho hoe rikoriko, na manome anaram-bositra.

2. Famitahana

“Efa azon’ny fanahy mandainga ianao, ary efa nandà ny fanahin’ Andriamanitra ianao” (Almà 30:42).

Hita matetika miaraka amin’ny herisetra ny famitahana rehefa manamaivana ny zavatra ataony, manao ny hafa ho tompon’andraikitra, na milalao teny ireo mpanao ratsy. Izany dia mampikorontan-tsaina ny olona iharan’ny herisetra, araka ny nosoritsoritan’ny olona iray nandray anjara tamin’ny fikarohana nataoko hoe: “Taitra ka mikoropaka [ny vadiko], manao sarintsarina fialan-tsiny izy ary avy eo miteny hoe, -Ka ilay izy anie hadisoanao ihany e- … izay averimberiny foana mandra-pinoako izany.”6 Izany fandavana ny zava-misy miseho amin’ny hafa izany dia fampikorontanan-tsaina, ka izany dia mahatonga ny olona iharan’izany hisafotofoto sy hanontany tena momba ny fitadidiany sy ny heviny. Tahaka ny endrika famitahana hafa, ny fampikorontanan-tsaina dia ampiasaina mba hanodinkodinana ny sain’ny hafa rehefa miresaka sy mba hamitahana.

Ireo izay manararaotra ny hafa dia manohitra mafy ny fanekena fa mandratra ny hafa izy ary matetika izy dia milaza fa izy no hanaovan-dratsy. Rehefa tsy faly tamin’ny tsikera nataon’i Hery tamin’ny ray aman-dreniny i Hoby dia tezitra i Hery ary niziriziry fa “naniratsira” azy izy. I Hery dia anisan’ireo “izay mihiaka fandikan-dalàna … ary zanaky ny tsy fankatoavana ny tenany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:17). Tsy vitan’ny hoe nandroso ny laingany fotsiny izy fa sosotra tamin’ny fahamarinana ihany koa.7

Sary
man with head in hands

3. Fanamarinan-tena

“Hiekenao ny fahadisoanao sy ity ratsy izay efa nataonao.” (Almà 39:13).

Ny olona manetry tena dia manenina ny fandratrana ny hafa ary mibebaka sy mihatsara. Ny olona mpandratra kosa dia manohitra ny antson’ny feon’ny fieritreretana amin’ny alalan’ny fanamarinan-tena. Nilaza ny mpandray anjara tamin’ny fikarohako hoe: “Tsy hahazoako aina mihitsy ilay nampiharako herisetra ara-batana, dia avy eo aho anefa mieritreritra fa tsy ho nataoko ilay izy raha tsy niloaha-bava fotsiny izy.” “Tsy nankamin’ny fibebahana ny alahelony” (Môrmôna 2:13) fa navela tamin’izao fotsiny noho ny hatezerana sy fanomezan-tsiny mangidy.

Tao anatin’ny sehatry ny fitsaboana, dia nolazaiko ny vehivavy iray izay fa mbola tsy nahita azy nampiseho alahelo araka an’ Andriamanitra mihitsy aho nandritra ny taona maro nanakianany ny vadiny. Tsy nenina no valinteny nomeny fa esoeso kosa: “Dia zavatra hafa tsy ataoko indray izao izany!” Ny olona mpanararaotra dia tsy manaiky ho tompon’andraikitra, mora tohina, ary miaro tena foana. Mora tafintohina avy amin’ny zavatra bitika izy ireo.

4. Eboebo

“Amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany” (Filipiana 2:3).

Ao anatin’ny eboebo ny hoe mieritreritra foana fa manan-jo ary tsy mifantoka afa-tsy amin’ny tena. Nisy lehilahy iray nivazavaza foana tamin’ny vady aman-janany isaky ny mihevitra izy fa “tsy manome haja” azy izy ireo. Raha tsy mifanaraka amin’ny heviny hono ny hevitr’izy ireo dia “manambany” azy na “tsy mankatò” izy ireo. Ny fieboeboana dia mifantoka amin’ny fifaninanana sy ny fahefana ary ny fandresena. Mifanohitra amin’izany kosa, ny fianakaviana salama dia ahitana fiaraha-miasa izay hifandanjan’ny rariny, ary ireo olona ao amin’izany dia “nifampitondra araka ny hitsiny” (4 Nefia 1:2). Tokony ho mpiara-miasa mitovy lenta ny mpivady,8 ka ny tsirairay dia afaka miteny ary manan-danja avokoa ny hevitry ny roa tonta.

5. Fifehezana

“Rehefa … [m]ampiasa fifehezana na fanjakazakana na fanerena amin’ny fanahin’ny zanak’olombelona [isika], … dia indro, misintona ny lanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:37).

Na dia manome lanja ny fahafahana misafidy aza isika dia mahavariana fa tena mifampiteny matetika ny tokony hoeritreretina sy ho tsapa ary hoatao ireo olona ao amin’ny fianakaviana. Ny sasany aza dia manao fifehezana mihitsy amin’ny alalan’ny fampitahorana, na fanambaniana, na tsy fitiavana, na fandrahonana. Ny lehilahy iray izay dia tena hentitra amin’ny fiandrandrana fa ny vadiny dia hanomana sakafo maraina isan’andro amin’ny fotoana voatokana iray, mahavita zavatra voafaritra tsara eo amin’ny lafiny firaisana ara-nofo, ary mihaino azy manoloana ireo “olany”, izay mazàna manodidina ny zavatra tokony hatsarain-dravehivavy. Arahiny maso akaiky ny fandaniam-bolany ary tezitra izy raha tsy mamaly ireo SMS alefany haingana izy.

Ny renim-pianakaviana hafa indray dia naneho ny hakiviany tsy tapaka amin’ny zanany vavy izay amin’ny taonan’ny maha-zatovovavy isaky ny mampiseho alahelo na tsy mahavita ny zavatra andrandrain’ilay reny an’ilay zanany vavy. Raha tsy azo ireo zavatra andrasana, na raha maneho olana ilay vadiny, dia miavonavona be izy ka tsy miresaka na amin’iza na amin’iza.

Sary
holding hands

Fanantenana sy fanasitranana

“Efa nohenoiko ny fitarainanao; indro hahasitrana anao Aho” (2 Mpanjaka 20:5).

Na dia mahavaky ny fo aza ny herisetra dia afaka mitranga foana ny fiovana. Ireo izay iharan’izany dia afaka manatona ireo loharanom-panampiana ara-panahy sy ireo matihanina ary mikatsaka ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy mba hahasitrana ny ferin’izy ireo. Mba hahazoana fanampiana dia mankanesa ao amin’ny abuse.ChurchofJesusChrist.org.

Ireo izay nampihatra herisetra dia tsy maintsy mibebaka ary mikatsaka fanampiana. Takiana amin’izany ny hoe “[m]idina any amin’ny fanetrentena lalina” (3 Nefia 12:2) ary manaiky ny maha tompon’andraikitra tanteraka amin’ny fitondrantena nataony. Mitaky mihoatra noho ny fampanantenana ho an’ny fotoana fohy sy ny ezaka ivelany fotsiny ny fiovana. Ny fanaintainan’ny fibebahana lalina dia tena maningotra ny fanahy ary ny olona sasany dia tsy ho vonona ny hanao izany, ka izany dia hahatonga ireo izay iharan’ny herisetra tsy maintsy handray fanapahan-kevitra sarotra mikasika ny fomba hiarovana azy ireo.9

Ny Raintsika any An-danitra dia sahiran-tsaina ny amintsika toy ilay ray izay niantso ahy satria nitaintaina be momba ny zanany vavy. Ny fitiavan’ Andriamanitra dia “tsy [m]isy farany toy ny mandrakizay” (Mosesy 7:41), ary mijaly izaitsizy Izy rehefa mifandratra ireo zanany. Nitomany Izy tao anatin’ny resaka feno fitiavana nifanaovany tamin’i Enoka. “Jereo ireto rahalahinao ireto; asan’ny tanako ireo, … nomeko ny didy fa tokony hifankatia izy ireo, … nefa indro tsy manam-pitiavana izy ireo ary mankahala ny iray ra aminy ihany” (Mosesy 7:32–33). Misy ny fitomaniana ao amin’ny lanitra sy ety an-tany rehefa misy vatana sy fanahy maratra. Miaraka amin’ny fanetrentena sy ny herin’ Andriamanitra ary ny fanampian’ny matihanina rehefa ilaina izany, dia azo atao tsara ny manatsahatra ny fitondrantena mamotika ary manorina tokantrano mihaja sy voaro ary feno fitiavana.

Fanamarihana

  1. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa mikasika ny herisetra ara-batana dia jereo ny abuse.ChurchofJesusChrist.org. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa mikasika ny herisetra sy ny fanararaotana ara-nofo dia jereo ny Benjamin M. Ogles, “Agency, Accountability, and the Atonement of Jesus Christ: Application to Sexual Assault” (fampaherezam-panahy an’ny Oniversite Brigham Young University, 30 jan. 2018), speeches.byu.edu; ary Chieko N. Okazaki, “Healing from Sexual Abuse” (Fivoriambe tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 23 ôkt. 2002).

  2. Jereo ny Maryam Ajilian Abbasi, Masumeh Saeidi, Gholamreza Khademi, Bibi Leila Hoseini, Zahra Emami Moghadam, “Child Maltreatment in the World: A Review Article,” International Journal of Pediatrics, vol. 3, no. 1 (2014), 353–65.

  3. Jereo ny Hamby, S., “Current controversies: Are women really as violent as men? The ‘gender symmetry’ controversy,” ao amin’ny Claire M. Renzetti, Jeffrey L. Edleson, and Raquel Kennedy Bergen, Sourcebook on Violence Against Women, ed. faha-3 (2018), 78–82.

  4. “Ny fianakaviana, Fanambarana ho an’izao tontolo izoa,” Liahona, mey 2017, 145; jereo ihany koa ny abuse.ChurchofJesusChrist.org.

  5. “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.”

  6. Jason B. Whiting, Megan Oka, and Stephen T. Fife, “Appraisal distortions and intimate partner violence: Gender, power, and interaction,” Journal of Marital and Family Therapy (2012), suppl: 1:113–49.

  7. Mba hahitana ohatra hafa ao amin’ny soratra masina mikasika ny fanoherana ny fahamarinana dia jereo ny Jaona 3:19–21; Asan’ny Apostoly 7:54; 2 Nefia 1:25–26; ary ny 2 Nefia 4:13.

  8. Jereo “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”; jereo ihany koa ny H. Burke Peterson, “Unrighteous Dominion,” Ensign, Joay 1989, 6–11, mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa mikasika ny fotopampianaran’ny hoe mitovy lenta ny lahy sy ny vavy ary fanontaniana mila heverina rehefa miresaka mikasika ireo fifandraisana ao amin’ny fanekempihavanana.

  9. Ireo izay ao anaty fifandraisana feno herisetra dia matetika voatery handray fanapahan-kevitra mahakasika ny hiarovany ny tenany, na ny hafa, ary koa sao mila mametraka fetra ny amin’ny fifaneraserany amin’ireo izay mandratra azy ireo. Niresaka momba izany toe-javatra sarotra izany ny Filoha James E. Faust (1920–2007) rehefa voafandrika ao anaty “fifandraisana maharitra nefa toa tsy azo avotana intsony ka manimba ny hasiny manokana ny olona iray” (“Enriching Your Marriage,” Liahona, Apr. 2007, 3); jereo ihany koa ny fizarana “Help for Victims” ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana izay miompana amin’ny fisorohana ny herisetra mba hahazoana fampahalalana sy safidy misimisy kokoa.