2020
Famantarana ny herisetra ara-pihetseham-po
Ôktôbra 2020


Amin’ny endrika nomerika ihany

Famantarana ny herisetra ara-pihetseham-po

“Tsy be herisetra ny vadiko. Vazavazainy aho ary mahazo anarana manevateva, saingy tsy herisetra izany, sa tsy izany?”

Fantatsika fa “manameloka ny fihetsika maneho herisetra amin’ny endriny rehetra ny Tompo.”1 Ary ny endrika herisetra hafa, toy ny herisetra ara-batana dia mora hita fa ny herisetra ara-pihetseham-po dia mety ho sarotra fantarina. Ny vokatr’izany dia mety hiteraka fikorontanan-tsaina, tahotra, henatra, tsy fananana fanantenana ary fahatsapana ho tsy manan-danja.

Ny herisetra ara-pihetseham-po dia ny fanandraman’ny olona iray hanaisotra ny fahafahana misafidin’ny olona iray hafa sy hifehy an’izany amin’ny alalan’ireo teny na fihetsika izay mibaiko ny fihetseham-po na ny safidy. Afaka mitranga amin’ny karazana fifandraisana rehetra ny herisetra ara-pihetseham-po: eo amin’ny mpivady, na eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, na eo amin’ny finamanana, na eo amin’ny fifandraisan’ny mpifankatia, na eo amin’ny samy mpiara-miasa.

Inona avy ireo ohatra sasantsasany amin’ny herisetra ara-pihetseham-po?

Ny fahalalana ny soritra famantarana ny herisetra ara-pihetseham-po dia afaka manampy anao hiaro ny tenanao sy ireo olon-tianao. Ireto misy fihetsika vitsivitsy maneho herisetra:

  • Manome anarana manevateva anao na manambanimbany anao.

  • Manala baraka anao eny imasom-bahoaka.

  • Mitsikera sy manambany ny zava-bitanao sy ny zavatra ataonao.

  • Manome tsiny anao noho ny zavatra izay ataon’izy ireo ihany ary tsy mandray andraikitra.

  • Manao izay hahatsapanao ho meloka mba hahatonga anao hanao zavatra ho azy ireo satria nanao zavatra ho anao izy ireo.

  • Manokana anao tsy hifangaro amin’ny hafa sy mifehy ny fomba handanianao ny fotoanao.

  • Mandrahona raha toa ka tsy manao fihetsika na zavatra iray.

  • Tsy mampiseho fitiavana raha tsy manao zavatra sasantsany ho azy ireo ianao.

  • Manodinkodina ny sainao ara-panahy amin’ny fampiasana ny finoana ara-pivavahana mba hifehezana anao.

Ahoana no hamantarako ny herisetra ara-pihetseham-po?

Samy manan-danja avokoa na ny fahafantarana ireo fihetsika feno herisetra na ny famantarana mampitandrina ao anatinao. Ireto manaraka ireto dia karazana fiheverana mahazatra sy fanapahan-kevitra izay mety hitazona anao ao amina fifandraisana feno herisetra ara-pihetseham-po:

  1. Mamela ny fihetsiky ny olona izay mpanao herisetra aminao:

  2. Manamarina ny fihetsik’ilay mpanao herisetra: “Tsy tena fanaony izao raha ny tokony ho izy—mandalo fanerena be fotsiny izy amin’izao fotoana izao.”

  3. Manamaivana ilay fihetsika: “Tsy dia tena mafy toy ny ahoana izany.”

  4. Manome tsiny ny tenanao amin’ny fihetsika izay ataon’izy ireo: “Raha mba vitako ara-potoana ny sakafo hariva dia tsy ho noana be toy iny izy ka nivazavaza ahy.”

  5. Tsy firaharahina ny tsy fahazoan’aina ara-pihetseham-po. Tamin’ny voalohany, rehefa niaina herisetra ara-pihetseham-po ianao dia mety ho te-hitsoaka ilay nahavanona izany satria tsy mahazo aina ianao na manana fahatsapana ratsy manoloana ny tenanao rehefa akaikinao izy ireo. Mba hitandrovana ny fifandraisana dia mety hodianao tsy fantatra ireo fahatsapana ho tsy mahazo aina ireo. Any aoriana any dia hanjavona izany fahatsapana ho tsy mahazo aina izany vokatry ny fahazaranao amin’ny fihetsik’izy ireo.

  6. Mampiasa finoana ara-pivavahana mba hanamarinana an’ilay zava-misy. Tena mitranga matetika ao amin’ny fiarahamonina misy antsika izany, eny fa na dia amin’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana aza. Ilay olona misedra herisetra dia mety hieritreritra zavatra toy izao: “Nandidy antsika mba hamela heloka ny Tompo. Manota aho raha tsy mamela heloka.” Didy ny famelan-keloka. Saingy, araka izay nampianarin’ny Loholona Jeffrey R. Holland momba ny Mpamonjy hoe: “Tsy nilaza Izy hoe: -Tsy mahazo mahatsapa fahoriana lalina na alahelo lalina avy amin’ireo zavatra niainana tena mandratra izay nihatra taminareo noho ny zavatra nataon’ny hafa ianareo.- Tsy nilaza koa Izy hoe: -Mba hamelana heloka tanteraka dia tsy maintsy manohy fifandraisana mandratra fo na miverina miaina toe-javatra feno fanararaotana sy manimba ianareo.-”2

  7. Tsy miraharaha ny filanareo manokana. Mikarakara ny filan’ny hafa ianao ka lasa manadino ny fikarakarana ny tenanao manokana. Ohatra, miaritra fanaintainana ara-pihetseham-po mba hisorohana ny handratrana ny fahatsapan’ny olona iray na manome vola namana iray na dia efa tsy ampy anao aza ny eo am-pelatananao.

  8. Mahatsapa tena ho tsinontsinona. Mety hanimba ny fanomezanao lanja ny tenanao manokana ny herisetra ara-pihetseham-po. Kanefa ianao dia zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ary manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra. Ny hasarobidinao, izay lehibe tokoa dia tsy miovaova (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10).

Inona no azoko atao raha toa ka iharan’ny herisetra ara-pihetseham-po aho?

Indraindray ny fifandraisana feno herisetra ara-pihetseham-po dia mety manimba ka ny fandaozana an’izany fifandraisana izany no mety ilaina hatao. Tsy ny fandaozana irery ihany anefa no hany safidy misy amin’ny tranga rehetra. Azo tanterahina ny fiovana, ary ny fifandraisana dia afaka ny ho lasa tsara raha arahina asa sy miaraka amin’ny fanampian’ny olona manam-pahaizana momba izany. Raha mino ianao fa ao anatina fifandraisana feno herisetra ara-pihetseham-po dia afaka ny hanampy anao izao manaraka izao:

  1. Mikatsaha fanohanana sy fanampiana avy amin’ny olona iray azo itokisana izay afaka hizaranao ny zavatra niainanao, toy ny namana iray, na ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana, na ny manam-pahaizana manokana momba izany ao amin’ny rafitry ny fiarahamonina misy anao. Afaka manome fanohanana ara-pihetseham-po sy fomba fijery tsara momba anao izany olona izany ary afaka ny hifantoka tsara aminao ho lavitry ny herisetra. (jereo ny abuse.ChurchofJesusChrist.org. Tsindrio ny “In Crisis” mba hahitana ny lisitry ny laharana afaka manampy.)

  2. Asio famerana ary tandrovy ny amin’ilay olona izay mampiseho fihetsika feno herisetra amin’ny famantarana ilay fihetsika izay feno herisetra sy fametrahana fetra amin’ny fitohizan’ny fifandraisanareo. Afaka milaza ianao hoe: “Mahatsapa ho tsy misy hajany aminao aho amin’izao fotoana izao. Te-hiresaka aminao aho saingy tsy hanao izany raha tsy mampiseho fanajana sy hatsaram-panahy amiko misimisy kokoa ianao.”

  3. Mandraisa fanampiana avy amina mpanolotsaina matihanina iray izay manana fahalalana momba ny herisetra ara-pihetseham-po sy ny vokatr’izany. Indraindray ireo mpanao herisetra dia tsy mahalala akory fa manao herisetra izy ireo. Afaka mianatra ny hiova izy ireo raha toa ka vonona ny hikatsaka fanampiana. Raha toa ka tsy mitohy ilay fifandraisana, ny fikatsahana fanampiana avy amin’ny manam-pahaizana manokana, ary ampiarahina amin’ny fanampian’ny Tompo dia hanampy hanasitrana anao.

  4. Mitadiava loharanom-pitaovana sy fampahalalana izay tena manampy kokoa ao amin’ny abuse.ChurchofJesusChrist.org.

Na inona na inona toe-javatra izay misy anao, fantaro fa misy olona izay tia anao sy te-hanampy anao. Ary amin’ny alalan’ny fitodihana amin’ny Rainao Any an-danitra, sy ny Mpamonjy, ary ny Fanahy Masina, dia azo heverina ny fanantenana sy fahasitranana.

Fanamarihana

  1. Taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany,“Responding to Abuse,” 28 Jolay 2008.

  2. Jeffrey R. Holland, “Ny fanompoana fampihavanana” Liahona, Nôv. 2018, 79.