2020
Ahoana no handraisantsika anjara amin’ny “asa … mahatalanjon[’ny Tompo]”?
Ôktôbra 2020


Avia, hanaraka Ahy: Bokin’i Môrmôna

Ahoana no andraisantsika anjara amin’ny “asa … mahatalanjon[’ny Tompo]”?

3 Nefia 20–26

(12–18 ôktôbra)

Sary
How do we participate in the Lords marvelous work

Tao anatin’ireo zavatra maro nampianarin’ny Mpamonjy an’ireo Nefita dia nampianatra azy ireo momba ny fanangonana an’i Isiraely Izy ary nandidy azy ireo mba handalina ny soratra masina ary hitahiry rakitsoratra azy ireo manokana. Ahoana no fomba ahafahantsika manaraka ireo fampianarana ireo ankehitriny?

Mandraisa anjara amin’ny asa

Naminany i Jesoa Kristy fa hisy “asa … mahatalanjona” amin’ny andro farany (jereo ny 3 Nefia 21:9). Izany asa izany dia ny fanangonana an’i Isiraely. Ny Filoha Russell M. Nelson dia niantso an’ity asa ity ho “ny zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao” ka nilaza hoe: “Raha misafidy ianao, raha tianao izany, dia afaka ny ho mpandray anjara lehibe amin’izany ianao.”1

  • Ahoana no ahafahanao sy ny fianakavianao mianatra bebe kokoa sy mandray anjara bebe kokoa amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

Hadihadio ny mpaminany

Nandidy an’ireo Nefita ny Mpamonjy “[hanadihady] ny mpaminany” (3 Nefia 23:5). Manana fahafahana hihaino ny mpaminany velona sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana isika mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

  • Inona no azonao atao mba hitrandrahana bebe kokoa ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany?

  • Ahoana no hanampian’ny hoe “hadihadio ny mpaminany” antsika amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

Manao firaketana an-tsoratra

Nandidy ireo mpianany Nefita i Jesoa hanao firaketana an-tsoratra an’ireo fampianarany sy ny faminanian’i Samoela ilay Lamanita (jereo ny 3 Nefia 23:4, 6–13). Torak’izany koa, isika dia afaka mitahiry an-tsoratra ireo zavatra iainantsika eo amin’ny fiainana mba hanampiana antsika sy hampianarana ny hafa.

  • Moa ve misy zavatra niainana ara-panahy tamin’ny lasa tsy mbola noraketinao?

  • Ahoana no fomba ahafahanao mirakitra an-tsoratra ireo zavatra izay ampianarin’ Andriamanitra anao?