2020
Ahoana no ahafahako mivavaka araka ny nampianarin’ny Mpamonjy?
Ôktôbra 2020


Avia, hanaraka Ahy: Bokin’i Môrmôna

Ahoana no ahafahako mivavaka araka ny nampianarin’ny Mpamonjy?

3 Nefia 17–19

(28 septambra–11 ôktôbra)

Sary
How can I pray as the Savior taught

Rehefa nitsidika ny Nefita i Jesoa dia nivavaka niaraka tamin’izy ireo in-11 Izy. Tamin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra dia nampianatra azy ireo ny fomba fivavaka Izy. Ireo mpaminany, mpahita, ary mpanambaran’ny andro farany dia mbola mampianatra hatrany ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny vavaka. Ireto misy ohatra vitsivitsy:

Ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy

Ny zavatra ampianarin’ireo mpaminany, mpahita, ary mpanambaran’ny andro farany andro farany

Mivavaka ho an’ny hafa (jereo ny 3 Nefia 17:14, 17, 21; jereo ihany koa ny 3 Nefia 18:23)

“Mampitombo ny fahaizantsika mandre sy mihaino ny feon’ny Tompo ny fivavahana ho an’ny hafa amin’ny fahavitrihan’ny fanahintsika iray manontolo.”1

“Miambina sy mivavaka mandrakariva” (3 Nefia 18:15)

“Amin’ny alalan’ny vavaka matotra sy avy amin’ny fo no ahafahantsika mandray ny fitahiana ilaina sy ny fanohanana takina mba hamakivakiana an’ity dia antsointsika hoe fiainana an-tany ity izay sady sarotra no feno fanamby indraindray.”2

“Mivavaha ao amin’ny fianakavianareo” (3 Nefia 18:21; jereo ihany koa ny 3 Nefia 17:3)

“Raha mandray anjara amin’ny vavaka fanaon’ny mpianakavy isan’andro ianao, … dia handray ireo fitahian’ny Tompo nampanantenaina amin’ny fitaizana taranaka miaina amim-pahamarinana.”3

Tsy hamaroina firy ny teny (jereo ny 3 Nefia 19:24; jereo ny 3 Nefia 13:7)

“Tokony ho tsotra sy mivantana ary vokatry ny fo ny vavaka ataontsika.”4

“Tohizo ny vavaka” (3 Nefia 19:26)

“Mivavaha matetika. Mivavaha ao an-tsainao, ao am-ponao. Mandoaliha dia mivavaha. Ny vavaka no fanalahidinao manokana hidirana ny lanitra. Any amin’ny faritra ilan’ny voaly izay misy anao no misy ny hidim-baravarana.”5

Fanamarihana

  1. David A. Bednar, “Pray Always,” Liahona, Nov. 2008, 43.

  2. Thomas S. Monson, “Three Goals to Guide You,” Liahona, Nov. 2007, 120.

  3. Teachings of Presidents of the Church: Howard W. Hunter (2015), 229.

  4. Dallin H. Oaks, “The Language of Prayer,” Ensign, May 1993, 17.

  5. Boyd K. Packer, “Prayer and Promptings,” Liahona, Nov. 2009, 46.