2020
Ny tanjon’ny batisako
Ôktôbra 2020


Ny tanjon’ny batisako

Talohan’ny nanaovana batisa ahy dia nipetraka irery aho ary nivavaka ny mba hipoiran’ireo namako.

Sary
man sitting in chapel foyer

Sary nataon’i Julia Yellow

Fony aho mbola zaza nipetraka tany ambanivohitr’i Taipei, Taïwan dia tsy mbola nahalala ny momba ireo misiônera. Koa tamin’ny voalohany nihaonako tamin’izy ireo dia naniry ny hahafantatra ny hafatra nentin’izy ireo aho. Tsy ela akory dia nazoto nanaraka ny fampianaran’izy ireo aho ary nampihatra ny filazantsara teo amin’ny fiainako. Tsapako hoe fomba iray izany ahafahako mahita hoe tena misy marina Andriamanitra.

Tao anatin’ny iray volana dia nampianarina ny filazantsara syireo didy izay ampianarina mialoha ny batisa aho. Nahatsapa fiadanana aho rehefa nivavaka, naharay fanambarana ho an’ny tena manokana aho avy tamin’ny fandalinana ny soratra masina, ary tsy nanadino mihitsy ny fivoriam-piangonana aho. Nanapa-kevitra aho fa tokony hatao batisa.

Ny fanamby lehibe indrindra natrehiko tamin’izany fotoana izany dia ny olana izay nisy teo amin’ny fifandraisako tamin’ny namako sasany izay nanohitra ny firotsahako tato amin’ny Fiangonana. Nivavaka mafy momba ireo olana ireo aho kanefa toa niharatsy ny fifandraisanay.

Nasaiko hanatrika ny batisako ireo namako saingy nandà tanteraka ny fanasako izy ireo. Tena tsy fantatro izay tokony natao. Talohan’ny batisako dia nipetraka irery teo ambony seza ao amin’ny efitrano fidirana an’ilay trano fiangonana aho, nivavaka ny mba hipoiran’ireo namako amin’ny fomba mahagaga mba hilazako amin’izy ireo ireo fiovana tsara nataoko teo amin’ny fiainako sy hanaporofoana azy ireo fa tsara ny fanapahan-kevitra noraisiko amin’ny fanaovana batisa ahy.

Tsy nipoitra mihitsy ireo namako, saingy rehefa namboraka ny foko tamin’ Andriamanitra aho dia nanana fahatsapana iray. Tamin’izay fotoana izay dia nahatsapa fitiavana lehibe avy tamin’ny Ray any An-danitra aho. Fantatro fa teo Izy ary tena nihaino ny vavaka nataoko.

Tamin’ny voalohany aho naniry ny hatao batisa noho ireo zavatra mahavariana nitranga teo amin’ny fiainako fotsiny, saingy tamin’izay fotoana izay aho dia nahatakatra ny tanjon’ny batisako.

Ny fahatsapana azoko dia toy ny feon’ny Tompo milaza tamim-pitiavana sy mivantana tamiko nilaza hoe: “Tsy mila manaporofo na inona na inona na amin’iza na iza ianao. Mila manaporofo amiko fotsiny ianao hoe tena vonona ny hanatona ahy ary hijanona ho marina amin’ny filazantsarako mandritra androm-piainanao sisa.”