2020
Fanantenantsika, fahazavantsika, herintsika
Ôktôbra 2020


Ny teny farany

Fanantenantsika, fahazavantsika, herintsika

Avy amin’ny fampitana ny Takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony iray ho an’ireo mpanabe ara-pivavahana notanterahina tamin’ny 8 feb. 2019.

Rehefa notendrena ho Apôstôly aho dia nilaza ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) fa izaho dia ho vavolombelona manokan’ny anaran’i Jesoa Kristy amin’izao tontolo izao. Tsy nohamaivaniko izany andraikitra izany. Nandalina fatratra ny soratra masina aho namantatra ny Tompo tamin’ny anarany sy ireo fiantsoana Azy. Ireto rehetra ho zaraiko aminareo ireto dia avy ao amin’ny andinin-tsoratra masina izay mampahatsiahy antsika ny fanantenantsika izay ao Aminy.

Izy no Fanantenan’ny Isiraely (Jeremia 17:13), Kintana mamirapiratra fitarika andro (Apokalypsy 22:16), Mpiandry tsara (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:44), Mpanolo-tsaina (Isaia 9:5; 2 Nefia 19:6), Andrian’ ny fiadanana ( Isaia 9:5; 2 Nefia 19:6), Mpanafaka (Romana 11:26), Fahazavan’izao tontolo izao (Jaona 8:12), ary Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy (Hebreo 9:11). Mahery Izy ka mahavonjy (Almà 34:18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:47) ary Izy ilay manana ny hery rehetra (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:1).

Manenika ny rehetra ny fitaoman’i Kristy. Eo Izy rehefa sahirana sy miezaka ny handroso isika. Ary raha manao fahadisoana isika dia mazava noho ny teo aloha ilay “fahazavana izay mamirapiratra ao amin’ny haizina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:21). Tia antsika Izy ao anatin’ny fotoana tsara indrindra sy maizina indrindra eo amintsika.

Tsy mitaky antsika hamisavisa izay tokony na tsy tokony hataontsika ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy. Mora takarina izay andrasany amintsika satria efa nataony izany. Rehefa manaraka Azy isika dia manjary tia izay tiany. Rehefa manavao ny fanekempihavanantsika Aminy isika isan-kerinandro rehefa mandray ny fanasana masina, dia mitombo ny fahatakarantsika momba Azy amin’ny maha-Mpanavotra izao tontolo izao (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:9), sy Fanahin’ny Fahamarinana, (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:9), ary ilay Teny (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:8) Azy.

Ry namako malala, izany no Mpamonjy izay fantatro, izay tiako sy lalaiko amin’ny foko manontolo. Avy amin’ny fanahiko manontolo no hijoroako ho vavolombelona momba Azy sy ny hatsarany ary ny famindrampony. Nampanantena Izy hoe: “Ianareo no sakaizako ary hanana lova miaraka Amiko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:45).

I Jesoa Kristy foana no valin’ny olana sy fanamby rehetra izay tafiditra amin’ity fiainana an-tany ity. Manome tanjaka ho antsika ny fitiavantsika Azy, sy ny finoantsika Azy ary ny fianteherantsika Aminy rehefa mahatakatra ny asa nanirahany Azy sy ny filazantsarany isika.