2020
Afaka mahita ny fanafahana ianao
Ôktôbra 2020


Ho an’ny tanora

Afaka mahita ny fanafahana ianao

Sary
friends smiling

Moa ve ianao na ny olona tianao tafalatsaka ao anatin’ny fiverimberenan’ny hoe solafaka, mibebaka, manolo tena indray, dia solafaka indray? Olon-dehibe tanora mahafinaritra maro izay niara-niasa tamiko fony aho evekan’ny paroasin’ny tanora tokan-tena no tafalatsaka ao anatin’izany fiverimberenan-javatra izany. Saingy betsaka ihany koa no nahita fanafahana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ireo hafatra mikasika ny fiankinan-doha ao amin’ny fizarana ho an’ity volana ity dia manolotra hevi-baovao manampy amin’ny fahitana fanafahana—ho anao sy ho an’ny hafa.

Ny zavatra manan-danja indrindra tokony tsaroantsika dia ny hoe samy zanaka tian’ny Ray any An-danitra avokoa isika rehetra. Nampianatra ny Loholona Dieter F. Uchtdorf fa, “Tsy miandry anao handresy ny fahalemenao sy ireo fahazaran-dratsinao [Andriamanitra] akory vao hoe hitia anao. Tia anao izy androany, amin’ny fahatakarana tanteraka ireo ady atrehanao. … Fantany ny momba ny nenina nanananao noho ireo fotoana izay nahasolafaka anao na tsy nahombiazanao. Kanefa dia mbola tia anao Izy” (“Miaina ny filazantsara amim-pifaliana,” Liahona, nôv. 2014, 123; nampiana fanamafisana).

Etsy ankilany kosa, i Satana dia hiezaka handresy lahatra anao fa tsy afaka hitia anao intsony ny Ray any An-danitra ary tsy afaka hiasa aminao intsony ny hery manova sy manadion’ny Mpamonjy. Hiezaka handetika anao ao anatin’ny tafio-dranon’ny nenina sy ny rikoriko i Satana, fa aza mino ny laingany anefa.

Mitodiha kosa amin’ny Ray any An-danitra. Aza matahotra misokatra amin’ny evekanao na amin’ny filohan’ny sampana misy anao ary ny hafa izay tia anao. Eo am-pamakianao an’ireo tantara feno fanantenana avy amin’ireo olon-dehibe tanora hafa izay voakasiky ny fiankinan-doha, dia mandraisa andraikitra eo anatrehan’ny fahatsapana tonga ao aminao. Manàna faharetana amin’ny tenanao, tsarovy ny toetra araka an’ Andriamanitra misy ao aminao, ary inoy ny hery manasitran’i Jesoa Kristy. Izy ary ireo loharanom-panampiana maro dia maro hafa dia hanampy antsika hahita fahombiazana amin’ny fahitana ny fanafahana iriantsika. Aza milavo lefona na oviana na oviana.

Amim-pitiavana,

Richard Ostler